LAZAO

1. mampikanto ( 13/09/2003 17:11)
LAZAO

Moa azoko atao
Ny haka metatra handrefy
Halavana havaventy
Izany hoe “Fitiavanao”?

Moa azoko fantarina
Amin-teti-drefy maripana
Ilay fitiavana tsy tana
Mba ho tsapako fa marina

Moa azoko lanjaina
Izany izy ka mafonja
Dia inoana tsy hiova
Hitondra tsiky vao maraina

Moa azoko bedaina
Mba ho ahy samirery
Hanasitrana ny fery
Sy hanala ny taraina

Moa azoko trotroina
Ao an-tratra mandra-maty
Zary sokitra ao anaty
Fitia sarotra disoina

Moa azoko jerena
Hotsapaiko mivantana
Aminao misy adana
Fitia tsy mba notererena

Moa azoko heverina
Amin’ny saina tsy miangatra
Ny ao anaty izay tsy fantatra
Izay iniana toa afenina

Moa azoko banjinina
Tsy amin’ny fo torotoro
Ny ho avy izay hajoro
Fitia izay ho andrianina

Moa azoko safoina
Amin’ny topi-maso monja
Izany izy toa manonja
Ka ho lalaina sy hajaina

Moa azoko lalovana
Amin’ny dia indray
Ny ao am-po izay tsy re
Zary sento sy torovana

Moa azoko tsenaina
Amin-tsiky tambitamby
Ilay fo mitady fanamby
Dia ilay fitia izay antenaina

Moa azoko halalinina
Ilay ao anaty izay mitroatra
Izay mipololotra tafahoatra
Izay tsy haiko fihinina

Moa azoko atao
Ny hampitraka indray ny foko
Izay nijaly nitoloko
Tao anaty haizim-pito tao

Moa azoko atao
Ny handre valin-teny
Mbola ho zary misitery
Mihaino aho fa lazao.



MAMPIKANTO
11/07/95 – 25/07/95
novalian'i riana ny 09/12/2003 09:26
2. dd ( 13/09/2003 17:27)
misaotra e! mahafinaritra be ilay tononkalo ...
3. dd ( 13/09/2003 17:30)
misaotra e! mahafinaritra be ilay tononkalo ...
4. andrilalaina ( 13/09/2003 18:42)
mahafinarutra be le tonokalo asa raha mba handefasanao ohatrio aho vao maika tsara be
5. tottys ( 13/09/2003 14:31)
Tsara sady miady rima ilay izy
6. mampikanto ( 15/09/2003 15:49)
dd,
tottys,
andrilalaina,

Misaotra anareo rehetra nitsidika tato e! Mankasitraka tompoko !

andrilalaina, afaka omenao ahy ve ny adiresy mailaka anao ary mba ahafahako mandefa azy any aminao.

Misaotra anareo rehetra a!

Mampikanto
7. moi ( 15/09/2003 08:55)
Ka lazaiko ny valiny ?

Resahana ka mora
Soratana ka lava
Vetsoina ka mampisento
Afenina ka mahamay
Hiraina ka mampandihy

Fa hiainana vao tena fy
8. ryana ( 15/09/2003 10:00)
Mankasitraka, Mampikanto â!
Ryana
9. tsiory ( 15/09/2003 10:28)
Misaotra anao nandefa any iny tonon-kalo iny fa tena mahafinaritra be ilay izy izaho tsy dia mahay manao tonon-kalo fa aleo aloa hianatra kely dia misaotra betsaka anao Mandra- panoratra indray e!
10. tsiory ( 15/09/2003 10:48)
Misaotra anao nandefa any iny tonon-kalo iny fa tena mahafinaritra be ilay izy izaho tsy dia mahay manao tonon-kalo fa aleo aloa hianatra kely dia misaotra betsaka anao Mandra- panoratra indray e!
11. mxr ( 16/09/2003 15:57)
Valiny ho an'i Mampikanto, manana safidy 2 ianao.

1.
MATOKIA

Lazaiko anao fa :
Raha latsa-paka ny fitia
Tsy hanontany sanatria
Na mihodina etsy na ery
Tojo hatrany mpiara-dia

Kanefa :
Tsy mari-drefy angamba akia
No ahalalana izay mitia.
Ny fonao no henoy satria
Ny TIA no miantso ny FITIA.

Lazaiko anao fa :
Ny revo moa toa mikavia,
Ny maso anatin’ny vilia.
Ka na tonga aza ny “avia”
Dia sondriana, very dia.

Kanefa :
Tsy ny “lasanao” nania
No ho fanilontsika aty.
Fa ny fitiavana misia
No fatomaty “tady vy”.

Lazaiko anao fa :
Fitia no renin’ny fitia.
Mitia no mahabe ny tia.
Ka ny valiny ho an-drý(*) :
Iaino ho lafatra doria.

Fehiny :
Ry Mampikanto : minoa fitia.

MXR
16/09/03

(*) Miala tsiny raha lahy I Mampikanto fa io no riman’ny “i”


2.
AOTRA NA IRAY

Raha mbola foana ny ao anaty
Dia fanahiana
Hakiviana.

Ny fahabangàna no manery
Hitroka hatrany
Ny vinany.

Tsy kalitao koa ny fitia
Tsy mila refy
Ts’isy fefy.

K’aza andaniana fitsapàna
Raiso ho aina
Fa ilaina.

Fa rehefa ampoka ny fo
Dia izy izay
Io ilay IRAY.

MXR
16/09/03
12. mampikanto ( 17/09/2003 17:49)
mxr,
misaotra fa dia inoako fa tsy hoa hy irery ny safidy saingy io tonokalo io anie tsy voatery hoe ahy nanoratra fotsiny dia izay ary tsy voatery hoe niainana koa nefa mankasitraka anao aho fa misy ho eritreretina ny hafatrao.

Kanto,

13. root ( 22/09/2003 11:40)
Miarahaba daholo e!
misaotra anaoreo rehetra manamasaka ny forum e! tena milay be ka!!
mankasitraka mankatelina e!

bye bye


14. mampikanto ( 29/09/2003 16:20)
Root,

Misaotra e!
Mampikanto!
15. riana ( 09/12/2003 09:26)
Tiko be ilay poeme. Nareo mahay manoratra be. Ilay namako koa tia poeme be dia mahatsiaro azy aho mijery ny soratanana-nareo. Mampikanto a, mba alefaso any amina io.
Merci.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2139