HO INONAO

1. mampikanto ( 11/09/2003 19:13)
HO INONAO

Ho inonao ny amiko sy izay mba hany vitako
Raha ireo manodidina aza tsy hainao hajaina!
Ho inonao tokoa izay tsiambarateloko
Raha tontolo feno siaka sy longoa no inianao lalaina!

Ho inonao ny azy sy izay fiainany any
Raha ny ampitso izay kinasa aza tsy tianao zaraina!
Ho inonao anef izay hany mba nataony
Raha ny tinanjona kinendriny aza toa zary hankahalaina

Ho inonao ny amiko izay tsy vitako tantaraina
Raha ny diam-peniny aza sahinao kobonina
Ho inonao, indrisy tsy vatrako zaraina
Raha ny hany fiaretany no toa isalovanina

Ho inonao ny azy sy izay mba sarangany
Raha tontolo feno fitaka no irianao iainany
Ho inonao ilay tsy maintsy andalovany
Raha ilay seranana tsinjoviny no indrisy tsisy maminy

Ho inonao ny amiko sy ny tontolo izay iainako
Raha ny lasa izay tsy nety no abaribarinao
Ho inonao ny ezaka hotrinariny
Raha ny ho avy tsy tsinapa, ezahinao ankarina

Ho inonao izy iny raha osa sy malahelo
Raha longoa mitoto-bozaka no lazainao ho fahendrena
Ho inonao iky ilay bainga voavadiny
Raha vela-pandrika no solo-dinitry ny tavany

Ho inonao moa izay kapoaka hosotroiny
Na mangidy tsy teliny aza tsy ho tsapanao mihitsy
Ho inonao akory izay vesa-patiantony
Na ilay fara-heriny aza toa inianao hitsiana

Ho inonao ilay fahamarinana notinanany
Raha nosalovanao tamin-kolikoly miampy tamby
Ho inonao ilay hany ravaka diamondra
Raha ny ratrany ao anaty , inianao atao fanamby

Ho inonao izay izaho raha kivy sady ketraka
Raha fandrika sesehena no asainao izorany
Ho inonao ilay fahafoizan-tenako
Raha satro-boninahitra efa vasoka no omenao hanaovany

Tsisy dikany aminao ireny rehetra ireny
Ilay fitiavana zarainy, ezahinao hankahalaina
Ho inonao tokoa, izay fivelarany ara_tsaina
Ho inonao indrisy, mahonena ilay fiaina


MAMPIKANTO 11/09/03 à 00h55mn






novalian'i booboo ny 07/06/2004 10:54
2. ryana ( 11/09/2003 08:40)
Mankasitraka Mampikanto â!
Ilay ora namoronanao azy koa aloha ... :-) Tsara ê!
Ryana
3. mampikanto ( 11/09/2003 12:37)
Ryana,
Misaotra nitsidika e! tsy hita fa refa tsy hita ilay torimaso dia nitsangana nanoratra e!

Mankasitraka e!

Mampikanto
4. hery ( 11/09/2003 13:19)
He he he...

Sady mamporisika ahy hanamboatra an'ilay site malaky ihany nareo roa ireto :)

Hery
5. tselatra ( 12/09/2003 10:01)
mahafinaritra ilay HO INONAO
6. mampikanto ( 12/09/2003 11:45)
Tselatra!

Misaotra e!
Mankasitraka anao nitsidika e!

Mampikanto
7. ariary ( 13/11/2003 17:15)
Mahafinaritra,
sady tsy misy diso ny tsipelin-teny!
Rahoviana indray ianao no tsy hahita tory mba hanoratana ny manaraka ?


8. xxx ( 20/11/2003 15:31)
Izaho hiraharaha?
Laingako izany e!
9. moi ( 25/11/2003 10:56)
- Ho inoko tokoa moa, raha tsy tiako ianao
- Tsy aiko tsinontsinoavina, raha tiako ianao
- Nefa mety ho tiako ianao, saingy ... mba diso aho
10. xxx ( 03/12/2003 09:56)
ao oue mba anandrana za fa tsy maita torimaso ôtranao kouz a zao ra mba mahay!!
ho inoko tokoa moa ny fiainako eto an-tany
raha dia tsy amim-pititavana no anefako izany
saingy indrisy anefa ry maha olom-belona
fa noho ianao iany no nahatonga izany

11. mampikanto ( 10/12/2003 16:43)
Ho an'i xxxxxx,
Alefaso eto ny ilay asa soratra rehefa vita e!

Izay ary e!
12. fijo ( 10/12/2003 16:54)
ny olom-belona no maninona?tsy mazava ry XXXX a.
13. xxx ( 10/12/2003 19:44)
ay tsy mazava aminao ry fijo, zao ary, @ maha olombelona atsika, de misy fôna ny tsy fahalavorariny zay miseho eo@ fiainatsika, zay maha panota atsika, ra tena tsra sy tonga lafatra ve isika, isy olana tsony eo @ fiaraha monina, sa aôna? ny maha olombelona atsika no mapisy ny solafaka sns eo @ fiainanan, akôtrany oe fananatsika ny fanahy
14. mampikanto ( 11/12/2003 16:26)
Moi, Fijo, Ariary, xxxx
Mankasitraka indrindra anareo nitsidika e! Dia izao tsy aleo v tohizana kely fotsiny ilay aingam-panahy ry xxxx sy moi sa ahoana? Izay fa dia miandry valiny eto ihany ary e!

@manaraka indray a!
Kanto
15. booboo ( 07/06/2004 10:54)
tsy niakatra intsony ny aigam-panahin-dry zareo !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1399