mino ny fisian'ny anjara sy ny lahatra ve ianao eo @ sehatry ny fitiavana

21. 19eddy ( 24/10/2003 12:20)
bon, valiako tsara enao @ zay hevitrao zay raha malagasy alo enao voalohany indrindra de tokony hino enao, nefa moa ny finoana no mahatonga ny zavatra rahetra hivadika @ zavatra maro samy hafa, raha izaho manokana alo de mino aho fa lahara sy anjaranao io ol vadinao io satria raha ny safidinao ed maro, satria ny fiainana ankapobeny de tsy voatery ho hita ao anatin'ny ol iray avokoa, faharoa lahatra sy anjara izy satria nanadihady enao vao afaka niaraka taminy fa raha safidy izy de tsy fantatrao akory ny momba azy, izay le atao hoe vady atolotra ( na dia ankolaka aza ny fombafilazanao azy), zay angamba de ampy tsara anazavana azy anao
22. xxx ( 25/10/2003 12:07)
misy leson be dia be azo raisina amin'ny lazainareo ...

hoy fvanjav : "na koa hoe, na misy olondroa voarara tsy hiaraka, na inona fanakanana ataon'ny olona, REHEFA ANJARAN'izy ireo ny hiaraka dia tafaraka foana izy ireo e!
Izay ilay fitiavana" ...
Tsy ny voarara no tiako asiana teny fa ilay hoe REHEFA ANJARAN'izy ireo ny hiaraka dia tafaraka foana. Tena io ilay iainako mantsy izao, ka manontany tena aho, ANJARANAY izao fihaonana fitiavana tena marina iainanay izao.

hoy indray lion: "ny LAHATRA zavatra efa lasa tsy azon-tsika hatao na inona na inona intsony ... tsy misy azo atao fa dia mijanona ho tantara mandrakizay izany"...
NY tantara iainako izao dia fantatro fa hijanona mandrakizay fahasambaranay izao ka tsy hohadino ambarapialanay ety!

Misaotra amin'ny resakareo. Misaotra ny tompon-trano eto koa nahafahana nihaonana fa raha tsy nisy ity asa izay niafarana, fa na izahay aza mety tsy nifankahalala akory (tsiky ho an'i Hery)...
23. mahaizamifidy ( 25/10/2003 18:37)
Raha ny hevitro dia tsy afaka misafidy aho raha tsy misy ny anjara hisafidianako,be dia be anefa ny olona célibat ka anjaran-tsika tsy mbola manambady no misafidy.
Ny fitiavana dia miankina be dia be @décision,raha miteny amin olona iray aho,\"tiako ianao\",voatery izy mandray fanampahan-kevitra ary anjarany no mamaly ahy na eny na tsia,nomeko anjara izy ary hanome ahy koa,ka na eny na tsia no anjarako avy aminy,
na izaho hanan-jo aminy na tsia,
na izaho hanananjara aminy na tsia.
Zo-nao ny misafidy.
Anjaranao ihany koa no manampan-kevitra.
24. xxx ( 28/10/2003 18:22)

Tena mahafinaritra be ty sujet iray ty. Io tena tsy fantatra mihintsiny fa ary tsy hita eritreretina fa amiko aloha dia mila tadiavina izy fa tsy misy zavatra tongatonga ho azy eny fotsiny.

M.
25. rfanjav ( 29/10/2003 11:30)
Ekeko fa mila tadiavina izy,
nefa aiza moa no lalana itadiavanao azy raha tsy efa voalahatra mialoha ho anao,
ary ilay hoe anjara koa, efa voazarazara e! tsy izany ilay hoe "âme-soeur"
Tsy haiko aloha fa "ny fihevitro tsy fihevitrareo" hoy ilay mpandahatra ao ambony ao.
26. xxx ( 30/10/2003 16:36)

Fa ny mahagaga de inty: misy ny olona tena manana chance be eo @ fiainany tsy mila mandeha mankaiza na mankaiza fa de tonga ho azy eo ny anjarany, de mahita vady ho azy eny ny sasany. Ny an'ny hafa kosa anefa tsy maintsy mila miala @ mahazatra, mandehandeha, manao metimety @ fomba fitafy sns..., mihetsika e! zay vo mahita ze anjarany. Fa ny mampalahelo de inty, betsaka ny vehivavy efa mba manao ze azony atao na hatr@ fanaovana annonce de coeur @ net aza kanefa de mbola tsy mahita ze anjarany ihany. Sa koa ve mbola anjarany ihany kou le hoe tsy manambady mihintsiny??!!
27. rfanjav ( 30/10/2003 20:10)
ny fahitako azy dia miseho @ tsy ampoizina ny ankamaroan'ny fitiavana fa tsy mila amboarina izany, @ fihaonana voalohany io,

raha voatery manao metimety ianao dia mety tsy ho olona tena tia anao akory no mamaly anao fa olona tara @ bika sy fitafinao fotsiny,

f'angaha moa rehefa manao annonce dia tsy maintsy mahazo, ka raha ireo nametraka demande d'emploi rehetra izany no horaisina hiasa tsy ho feno ny toeram-piasana, tsy maintsy misy ny sivana!

nefa koa mety zavatra hafa no napetraka ho azy, ohatra hoe raha katôlika dia mety efa voalahatra hanao masera,

tsy haiko aloha, possible ho efa anjarany tokoa angamba ny tsy manambady,

nefa misy koa ny manao fanahy iniana tsy te hiaraka @ lehilahy mihitsy , na miaraka fa tsy mety manambady!

asa aloha fa efa nisy niteny tato izay hoe "ny anjara tsy midify".
28. fijo ( 04/11/2003 11:38)
andeha ho raisin'tsika araka ny dikany ireo teny roa ireo:
"anjara"io dia zavatra efa natokana ho anao irery.ohatra;mizara mofo i neny,io ny anjaranao.tsy n'i lion io na an'i rfanjav,fa anao.
"lahatra"amin'ny maha lahatra azy,dia efa misy alignement determiné izany.raha vady force,dia ao daholo ireo zavatra roa ireo.satria vady efa natokana ho anao io,ary dia efa nalahatra hatramin'ny fahazazany koa hifanandrify aminao.
fa raha vady safidy kosa,izany hoe ilay nahatara anao teny an-dalana,nikoty,ary niaraka taminao,dia lasa vadinao.tsy misy anjara sy lahatra intsony ao.ny "safidy" tsy hafaka miaraka amin'ny anjara sy lahatra.ohatra izara mofo i neny.misy toko efatra eo.tonga ianao dia maka iray.safidinao iny,fa tsy anjaranao.eo amin'ny fizanana lova no tena ahitana azy tsara,fa lava loatra raha hatao ohatra.
29. mahaizamifidy ( 06/11/2003 19:06)
Ny fitiavana sora-jandiana
Ka mahaizamifidy ny tiana.
30. fijo ( 06/11/2003 19:57)
izay no izy."mahaiza mifidy"fa tsy anjara na lahatra izany io.
31. pisobe ( 10/11/2003 10:18)
Salut!
Misy ny anjara sy lahatra, fa hatra@ zao za mbola tsy nahita na nifanojo t@ ny anjarako. Atao hoe efa izay zany no lahatra? Angamba!
32. xxx ( 17/11/2003 11:19)
za aloha tsy mino hoe misy ny lahatra sy ny anjara izany e! satria zao misy zavatra efa nokendrenao ve ka io anefa misy sampanana betsaka vao tonga amin'io raha tena tianao io dia ataonao izay atongavana eny fa tsy misy izany donc raha tonga eny ianao dia anjaranao iny ianao ihany zany no mamolavola izay ho anjaranao fa tsy ny olona na izay miteny fa tsy anjaranao na izay no lahatra ho anao fa anjaranao no mandresy ny fakapanahy sy manao be mokondoha mba atratraranao izany donc tsy misy ny lahatra sy ny anjara fa ny tsirairay ihany no mamolavola azy io amin'ny fanaovana sacrifice kely
33. xxx ( 21/11/2003 10:27)
Raha mino an'A/tra nareo d voavaly daholo zany fanontanina izany e!
Izy no mandahatra, izy no manome, anjaranao refa sitrapony, ary lahatranao kou refa sitrapony
34. lion ( 22/11/2003 12:21)
Raha azoko tsara ny tianao ho tenenina dia hoe:ireny mpangalatra sy mpamono olona ireny anie ka Andriamanitra no mandahatra azy e!
35. xxx ( 22/11/2003 15:54)
Tsy A/tra no nahatonga azy toy irny fa efa t@ voalohany defa samy noeny ny lalanà tokony alehany ny tsirairay. Efa fantatrao fa ratsy ny mangalatra sy ny mamono olna ko mbola @ mifototra @ ztra ratsy ihany v? Misy ny tsara sy ny ratsy eo@ fiainana, manana safidy manokana enao, tinao nytsara c bon, ny ratsy no mahalina anao kokoa d zay zany!!!!
Tsy nisy oln haniry ny ho mpangalatra na hamono oln fa enao no enao irery ihany no tompon'andraikitra @ zany!
Izy manome fa tsy niteny anao we ityoln ty ataoko mpangalatra na mpamono oln androany!
Tsy haiko raha mahavaly ny fanontanianao zany hevitro izany
36. riana ( 09/12/2003 09:12)
Marina izany. Ary misy matoa voaresaka. Ny ANJARA dia zavatra efa natokan'ny Nahary ho anao, ka na ho aiza ianao na ho aiza, na tsy tianao aza dia tsy maintsy ho iny ihany fa hain'ny Nahary foana ny hi-arranger azy hety aminao. (Obligatoire). Na TSY ANJARANAO dia efa tsy ho anao izany hi-demerde mafy eo aza ianao. Fa ny LAHATRA indray, mino aho fa zavatra azonao idifiana sy anananao choix (Facultatif). Ohatra: raha sipa no raisina ohatra fa toa io foana no resahanareo. Misy olona maro nandalo teo imasonao, fa nisafidy ianao (sao dia ity, sao dia ity), fa toa hitanao fa tsy mety tsara dia miova ianao. Fa raha ilay anjaranao (tena natokan'Andriamanitra ho anao - fiteniko io fa aza tohina raha mampiditra A/tra aho) no mandalo dia sady mety hisy signe foana hiverenany sy hifandraisanareo, na manda aza ianareo. Dia ny fitiavana etsy andaniny, mino aho fa miaina passion mafy kokoa ny olona toy izany (anjara). Na miady aza dia toa tiana hatramin'ilay miady hahatsapana bebe kokoa fa tsy niova ny degré-an'ilay fitiavana (satria fantatra fa tsy maintsy hifampitady foana).

Eny e, sarotra ny mitady ny Anjarany ho an'ny sasany, fa tsy misy ohatry ny mitoky amin'ilay ekenareo rehetra hoe Tompon'ny décision rehetra ve ?

Nisy niresaka safidy tao, fa tsy important io raha eo anatrehan'ny lahatra sy ny anjara. Ary ny safidy azo atao araka izay itiavanao azy. Afaka manana gout ho an'ny olona bikana sy élégant aho, fa ny safidiko anefa dia antefako amin'ny olona manana toetra hendry sy responsable. Ary matetika dia mi-guider anao ho any amin'ilay anjaranao io safidinao io....
37. bandymilay ( 13/12/2003 20:46)
ny problema dia efa omen'Andriamanitra antsika ny ho anjarantsika saingy isika no manova azy io dia izay no mampikorontana ny fitiavana
38. voafitaka ( 22/06/2011 07:31)
Tsy fantatro na misy ny anjara sy lahatra na tsy misy, ka izaho izao no voa dia mba mametraka fanontaniana aho hoe: misy ve ny anjara sy lahatra ary misy koa ve ny tody, mafy loatra mantsy ny mahazo ahy, nilaozan'ny olon-tiako aho kanefa izahy efa hoe hivady ary izy ary efa fantatry ny olona rehetra sady efa tao an-tranonay no fotom-piainany, lasa izy ka nilaza hoe: tsofirano hono, dia inona no tokony ataoko,tsy vitako anefa ny mitso-drano azy satria tiako izy, ary mamela takaitra ato am-poko ny fandaozany ahy, izay ve le lahatra, mafy aloha le izy ary tena mafy fa ny aza voa ihany, dia mba fanontaniana ny ahy hoe: misy ve ny anjara sy lahatra ary misy ve ny tody?
39. voafitaka ( 24/06/2011 13:13)

izaho aloha mino, satria izao, nahoana ary misy anie ny olona tena mifankatia fatratra ary tsy ampoizina, tsy misy ady tsy misy romoromo dia misaraka fotsiny, ireo misaraka samy lasa miaraka amin'olon-kafa, dia izay le lahatra sy anjara. Jereo koa anefa, misy olona tena nifankahala kanefa taty aoriana toa lasa mpifankatia, lasa nisanambady tsy lahatra ve ireny, raha ohatra ka nisafidy ve no tena izy, maninona ary ireny olona mifampitositosy rehetra eny andalana ireny no tsy lasa mpivady daholo, nifampisafidy anie izy ireny e! Kanefa toa tsy tanteraka ny safidiny, izay aloha no azoko ambara momba io
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1876