fitiavana voarara

1. xxx ( 01/09/2003 15:49)
Efa mba nisy taminareao ve nitia olona ao anatin'ny fianankavianareo?Amin'izao fotoana izao dia tsy hitako mintsy izay atao satria misy olona iray any ho any tena tiko ary mino aho fa tia ahy koa izy.nefa ny olana dia ity : maro be ny fianankaviana manodidina anay ka mety tsy ho tanteraka mintsy ny fiarahanay.
novalian'i fijo ny 25/11/2003 20:53
2. xxx ( 01/09/2003 17:50)
Tsy azoko le izy. Fianakavianao ihany ve ilay olontianao? Raha izany mantsy dia misy tokoa ny olana.... surtout raha fianakaviana akaiky. Raha tsy hoe izaho no tsy mahazo tsara.
3. mampikanto ( 02/09/2003 09:08)
Ka tena tsy azoko mihitsy koa ilay izy fa iza ilay olon-tianao e! tsy mazava tsara fa azonao hazavaina tsara ve ny tianao hambara?
Kanto
4. xxx ( 03/09/2003 14:14)
Zvt 2 no hambarako :
- raha ny tantarako noampitaiko, mitady hitovitovy amin'ny tantaranao, lay endriny voalohany lazainao hoe ao anatin'ny fianakavianao ny olontianao, dia hoy izaho hoe tsy vao izao akory no hitan'ny olona fa raha mpihavana no mifanambady dia mety misy fiantraikany ara-pahasalaman'ny taranaka any aoriana.
-'Lay endriny faharoa indray, hoe raran'ny fianakavianao manodidina ianao tsy hiaraka amin'ny olontianao, dia amiko raha tena misy fifankatiavana ao aminareo, sarotra ny lalana hodiavina fa mahay misedra fitsapana ny fitiavana, koa mahareta fa hohitanao fa rehefa mijoro amin'izay eken'ny fonao ianao, ny fianakaviana manaraka eny ihany. Marina fa amin'ny malagasy ny fanambadiana dia fifamatoran'ny lahy sy ny vavy, ary fifamatoran'ny fianakaviana roa tonta koa.
5. xxx ( 07/09/2003 09:48)
mialatsiny amin'areo rehetra izay namaly ka tsy nahazo ilay fanazavako azy.Ao anatin'ny fianankaviko ilay olona fa mbola alavitra be ny "lien" .Kanefa ny olona rehetra miteny daholo hoe: "tsy azoko ato ny miaraka aminy".Ka inona no tokony ataoko?

6. kaliba ( 10/09/2003 13:54)
Ka siora ve enao fa tinao ilay olona ary tia anao koa???? misy anie ny fitia rendrarendra fa tsy latsampaka akory rehefa tena halalinina e
7. mahaizamifidy ( 03/10/2003 09:53)
Izao no mba hevitro,raha hakarary anareo roa ny fandrarana hatao,afaka miaraka ihany ianareo fa saingy miafina na miapanny tanana mihitsy e!,izay ihany angamba ny hevitra hitako satria raha hijanona @izao fotsiny ianareo dia ohatrinny mifamotika,ny fotoana koa anie mandeha ihany fa tsy miandry anareo eo e!,tokony mba samy hahita ny anjarany ohatra ve nareo roa de hifampiandry fotsiny eo.
8. rfanjav ( 16/10/2003 14:19)
Amiko, matoa ny olona mandrara anareo dia misy tokoa ny antony, ka raha izaho ianao dia manadihady tsara aloha ny @ tena antony, sao sanatria hanenina e!
fa raha hoe azo leferina ihany, inona moa no manakana anao tsy hiady @ fitiavana azy!
9. pisobe ( 10/11/2003 11:02)
Salut!
Arakaraky ny "lien" sy ny faritra misy anareo no mety hampety na tsia azy. FA ny tenin'ny RAD koa anie efa tsy fantatra tsony e. Misy koa ny zavatra efa azo dinganina fa tsy mbola hipetraka @ izay ihany.
Raha mahazo tsodrano tsar nareo, mety tsy hisy ny olana. KA @ izao koa anie, tsy tokony atao ambaninjavatra ny fanaovana fizahampahasalamana alohan'ny hifanambady, de eo no ahitana na tokony hivady a tsia, fa tsy ho an'ny mpihavana akaiky ihany akory no mety hampisy ny fiantraikany @ taranaka.
10. xxx ( 22/11/2003 16:14)
Raha lova tsy mifindra v ny ao @nareo roa inn ny olana fa amiko angambany matoa mpihavana d mifankatia en tant que mpihavana, hafa indray raha havanao alavitra b d possible.
Situation tena mampalahelo ny misy anareo roa kely nefa raha tsy mety v hafaka ny aninona ary!
Mahereza !
11. fijo ( 25/11/2003 20:53)
ny zanaky ny pirahavavy ihany no tsy mahazo mivady amin'ny fomba gasy.kibo tsy omby no filaza azy.ny lalana koa tsy mandrara,koa inona ny olana?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1843