Izay tsy manohitra dia manaiky...

1. hery ( 31/08/2003 08:36)
Alahady ny andro dia mba namaky baiboly... dia hitako tao hoe "Izay tsy manohitra antsika dia miaraka amintsika" (Mk 9,40). Maninona no tsy io no entin'ny Kristianina miatrika ny Kristianina tsy mitovy fiangonana aminy? Rehefa mitory an'i Kristy koa izy (miaraka amintsika) dia tsy manohitra an'i Kristy. Ny antony nahatonga an'i Kristy niteny an'io dia satria gaga ny mpianatra ary nahavatra niteny hoe misy olona hafa mandroaka demony sy manasitrana amin'ny anaran'i Kristy kanefa tsy mpianatr'i kristy akory. Koa ohatra ho an'ny Kristianina izany... rehefa tsy manohitra an'i Kristy ny olona iray na dia tsy mitovy firehana aminao aza dia miaraka aminy koa izay... na dia tsy mpianany akory aza...
(miala tsiny fa nisy antony manokana aho matoa nanoratra ity eto)
novalian'i fijo ny 28/01/2004 11:09
2. moi ( 01/09/2003 19:27)
Mila azon\'ny kristianina tsara fa tsy ny anaram-pinoana na antokom-pivavahana no mahavonjy, vao azo tanterahana izany. Saingy ao ny an\'ny sasany ny fanajana ny fombafomba (ny didy) no mavesa-danja, dia raha tsy mitovy firehana dia raisiny mihitsy hoe tsy izy. Izany mihitsy koa mantsy no ampianarina azy any amin\'ny fiangonany.
Asa na ahoana no hahatanteraka ilay hoe rehefa hiditra any an-danitra, tsy misy fanavahana hoe etsy ny protestanta, etsy ny katolika, ery ny avy eny ananona ..., sa tena hisy tokoa izay fanavahana izay ? TSIA, fa izay rehetra nandray Azy no tonga Zanak\'Andriamanitra, fa tsy izay niantsoantso ny Anarany, na izay ao anatin\'ny antokom-pivavahana atsy na aroa.
Misy anie kristiana raha jerena dia ny fanarahany ny fombam-piangonany no hita kokoa fa tsy ilay Kristy manjaka eo amin\'ny fiainany e ! Misy aza manompo fiangonana fa tsy manompo an\'i Kristy ! Ary tsindriany mafy, arovany mafy ery io fivavahany io, ka mahatonga azy sarotra hiarahana !
Raha i Kristy no maha saro-piaro, dia mora tanterahana io teny io, fa raha ny firehana no asongadina, dia tsy hifanaraka mihitsy.
Ho fampieritreretana dia ampahatsiahiviko ity teny ity : \"... ahafantaran\'ny olona fa mpianatro ianareo raha mifankatia\"
Sao dia mpianatry ny antokom-pivavahantsika ary isika fa tsy tena mpianany e !
3. moi ( 01/09/2003 19:28)

4. rfanjav ( 14/10/2003 12:12)
Raha ny tokony ho izy dia tokony ho izay no fipetrany, Andriamanitra tompoina iray ihany
nefa rehefa tena mandinika dia ohatra ny hoe : tsy misy milaza ho mpanohitra nefa ny zavatra ekena toa samy manana ny fandikany azy!
5. rfanjav ( 24/10/2003 09:44)
Marina ny hoe "izay tsy manohitra dia manaiky",
nefa betsaka koa no tsy maneho ny heviny satria matahotra ny vava sy tondro molotry ny manodidina azy ohatra, raha jerena @ lafin'ny fiainana tsotra!
Misy koa ny matoritory tsy sahy mijoro @ finoany, izany hoe sady tsy manaiky no tsy manohitra koa!
6. kakalahy ( 03/11/2003 18:11)
f'angaha moa ry Hery rehefa tsy manohitra dia tsy maintsy ho avy hatrany hoe miaraka aminy ?
7. xxx ( 18/11/2003 09:18)
fa asabotsy ve sa alahady no andro ivavahana e? aleo hazava tsara aloha zay vao mandeha ambaratonga manaraka!!!!
8. fijo ( 19/11/2003 09:30)
ny ahy ny zavatra fantatro momba io dia izao.io andriamanitra io,sy io fivavahana io raha mbola manjaka eto an-tany dia tsy ho foana ny ady.satria fivavahana dia midika ady.atrany ampiandohany dia efa ady foana ny vokany.
zanak'israely sy egipta:ady
kristianina sy jiosy:ady
jiosy sy musulman:ady
katolika sy protestan:ady
fiangonana tsotra sy secta:ady
katoloka romanina sy ortodox:ady
fehiny,raha vao misy finoana tafiditra dia ao koa ny ady.koa izany ve ilay hoe "andriamanitra dia fitiavana".sao dia lasa resake?
9. rfanjav ( 19/11/2003 19:17)
eo @ resaka fivavahana ihany ve no mipetraka ny ady ?

ohatra fotsiny hoe mahita fanafody momba ny .... ny iray : ady,

mahita fitaovana na fiadiana matanjaka ny firenena iray : ady

firenena matanjaka roa miady hanjanaka firenena hafa iray : ady

Ireo izay mitompo @ vola : miady mba hampitombo ny fananany foana, miafara @ famonoana mihitsy!

sitrapon'ny olombelona sy ny fahaizany ny ady (ary vokatry ny fivoaran'ny teknolojia koa), fa tsy misy idiran'Andriamanitra !

10. fijo ( 20/11/2003 10:21)
marina fa misy foana ny ady.saingy ny ady rehetra izay mifototra amin'ny fitadiavana tombotsoa dia mety ary mora aravina.oh usa sy urss.fa ny ady mifototra amin'andriamanitra kosa dia tsy ho foana mihintsy.ohatra:palestine sy israel,efa hoviana?irland avaratra sy atsimo;efa hoviana?ny any indonezia,musulman sy kristianina,efa hoviana?sarotra be raha vao ny finoana no tafiditra.
11. rfanjav ( 20/11/2003 18:47)
mihevitra ve ianao fa miravina ny ady usa sy urss? resaka diplomatie fotsiny no atao fa ny fifandrafiana tsy afaka izany akory!

ny dikany dia hoe : na ireo lazaina fa ady mifofotra @ fivavahana aza, tsy ny fiangonana akory no miady fa ny olona ao aminy, araka ny tombontsoa katsahin'ny tsirairay avy (fitiavan-tena sy fitiavam-bola izany...... ary fiadian-tseza koa)
12. fijo ( 21/11/2003 09:05)
diso kely rfanjav.ny katolika ortodox sy romana dia tsy mifankahazo mihintsy.toa izany koa ny judaisme sy ny kristianina.io papa izao io no mba miezaka mandamina amin'izao fotoana izao.
13. ikaretsaka ( 22/01/2004 14:27)
aza miady re e.. rehefa misy problemina hozizy ny Zafindraony..anontanio rajesosy!
14. fijo ( 28/01/2004 11:09)
laozan'i lery manahy tratra ko
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1443