ataovy mahasoa sady mahafinaritra

1. amoureus ( 23/08/2003 14:48)
betsaka ny resaka momba ny fitiavana eto @ forum eto.Izaho aloha tsy dia manana experience
loatra fa ny mba hevitro sy torohevitro dia hoe ento mora ny fitiavana.aza mitady olana @ mitia roa na matahotra adidy.aleo izy io entina am-pahendrena,am-pahamarinana sy am-pahamasinana
mba mahafinaritra anie raha mba hoe samy mitantara zavatra tsara momba ny fitiavana ianareo e!
Mba mety hiditra @ io @izay izahay.
novalian'i xxx ny 22/11/2003 16:17
2. tonton ( 23/08/2003 16:49)
ka io ange ry amoureuse sarotra e , ianao tsy ahita ny lafatra , fa rehefa hitanao hoe zakanao sy mety dia midira e , iza moa no tsy haniry ireo noteninao ireo fa indrisy misy fona indro kely e ,rahya samy ok anie ny mpifankatia dia mety e , fa @ volohany milay fona fa avy eo @ izay mivoka ny tena izy , tsy hitantara be @nao aho fa izay no efa anjara , aza miandry ny olo hitantara fa rehefa hitanao azo hidirana dia hitsifoy
3. sokintana ( 25/08/2003 17:46)
tena sarotra io zavatra iray io nefa koa ny fiainana tsy misy fitiavana toa tsy dia ao loatra fa na izany aza dia diniho tsara alohan'ny hitsofohana, ahazaka ny toetran'ilay olona ve ianao? ary mahazaka ny toetranao koa ve izy?
4. poupouta ( 25/08/2003 09:47)
tsy misy azo analana ny voalaza ny namana teo ambony; afo mandoro ny fitiavana ka tsy azo lalaovina, refa hita fa tsy mety d hialana, zay koa ngamba no anjara d samy manajatena na ny lahy na ny vavy indrindra indrindra fa tsy mifanaratsy etsy sy eroa.
5. dd ( 26/08/2003 13:34)
ny an'i amoureus anie ry reto mba zvt mahafinaritra sy mahasoa amin'izay izany no mba tiany hotantarainareo e! aza atao ranonjaza ka atsipy any daholo na ny rano na ny zaza ... fa jereo kosa hoe misy azo tantaraina sy hevitra sintonina tsara amin'ny experience n'ny tsirairay ...
zahay koa liana amin'izay tohiny an! ...
6. xxx ( 29/09/2003 11:31)
Resaka daholo zany e! fa ny fitiavana dia miankina amin'ny toetran'ny olona 2 miaraka ihany e ! Rehefa samy tsotra nama de mandeha foana io. Ekeko hoe tsy maintsy misy ny olana fa tsy maharitra sady tsy gravy izany rehefa samy tsotra e ! Zay ihany no mitondra an'io. Rehefa misy tsy mety ataon'ny anakiray tonga de hitsio izy aza misalasala mihintsy fantany tsara koa enao amin'izay hoe olan hentitra tsy afaka hijery harona an-tava, sy tsy afaka handefitra amin'izay tsy mety, indrindra ho an'ireo izay mbola sipa fotsiny fa mbola tsy vady. Raha efa vady indray aloha dia ny fandeferana no ampanjakaina e miaraka amin'ny fifanakalozan-kevitra izay foana aza adino foana ny mifanakalo hevitra, ny fahintsina raha vao mahita zavatra hafahafa.
7. pisobe ( 11/11/2003 15:38)
Salut!
Marina ny tenin'ny "X" eto ambony. Ny fahatsorana no tena zavadehibe eo @ fiainana. De mandeha ny zavadrehetra;
8. xxx ( 22/11/2003 16:17)
"Rien n'est impossible à Dieu" hoy ny fiteny izay ka raha hapetrakao am-pelatanany fotsiny ny fiainanao ary manana finoana enao fa izy hanampy anao d mande ho azy ny fiainanao e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2971