Tsolotra

21. xxx ( 14/12/2003 09:13)
Miseho @ ny endriny telo ny fisehon'ny tsolotra.Voalohany rehefa mikarakara zavatra ara-dalàna iny ianao ka ilay tompon'andraikitra no manao sakana mba hanerena anao mivantana na an-kolaka hanome tsolotra,faharoa indray raha sendra ka ianao no diso dia ilay tompon'andraikitra mikarakara na mitsara ny raharaha no mbola mitady tsolotra avy aty aminao mba hanamorana ny vahaolana.Ilay fahatelo farany dia isika mihintsy no misisika manome tsolotra ireny tompon'andraikitra ireny mba hamahana ny olana raha nisy fahadisoana na hanafainganana izay zavatra karakaraina rehefa @ ny ara-dalàna.Ka ny any mba hevitro hamahana io resaka tsolotra io dia mila ny fiaraha-mientan'ny rehetra mba mieza
22. xxx ( 14/12/2003 09:24)
(tohiny)mba miezaka tsy manome tsolotra intsony,raha mbola misy mitaky an'izany dia tokony tsy misalasala mandeha mametraka fitarainana.Etsy an-daniny tokony ho entitra koa ny fitondrana @ny fanaraha-maso sy fanasazina ireo izay tratra @'izany.Ary farany aza adino fa ilay hoe mahalala olona koa dia ohatra ny tsolotra ihany.
23. xxx ( 21/01/2004 15:44)
Nisy dadan´ny namako polisy any @ iny lalam-pirenena faha-4 iny, tena efa ambony grade ilay rangahy nefa dia nafoiny ny asa-birao fa naleony nanao polisy an-dalam-be manakana ny fiara mifamoivoy @ iny lalana iny satria dia mahazo 250.000 Fmg izy farafahakeliny ao anatin´ny indray alina.
24. xxx ( 21/01/2004 15:45)
Ny manao passeport ao @ intérieur ao koa dia mandreraka mintsy. Raha tianao ho vita haingana ny passeport-nao dia tsolotra ihany no ady eo
25. six ( 03/03/2004 16:53)
ka io no mahatonga ny tsolotra tsy ho tapitra, ianao tsinona maika lava tsy hiandry ze sitrapoony eo d tsy maintsy manao le tsolotra, nefa anie azo atao ihany ny mieritreritra ny hanao azy alohaloha e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3712