Mariage mixte

1. sue ( 11/08/2003 19:30)
Mba ahoana kay ny hevitrareo ny amin'io mety haharitra ve satria eo ny culture tsy mitovy...ka na mifankatia tsara aza eo am-boalohany dia be ny sakana na mety nisy frustrations avy eo.
novalian'i fijo ny 16/12/2003 16:36
2. eugene ( 11/08/2003 11:06)
Mariage mixte inona aloha ilay izy. Ara-pivavahana sa ara-poko sa ara-nationalité... miankina amin'izay mantsy no mety hampaharitra na tsia azy.
3. pisobe ( 12/08/2003 16:38)
Salut!
Tsy hitako izay mety ho olana na mixte na tsia fa rehefa tsy anjara dia misaraka foana n'inon'inona atao. Sady ny fiainana @ izao fotoana izao koa anie ry reto tsy hita ny hilazana azy e!
Bye
4. mahaizamifidy ( 03/10/2003 10:12)
Ny mariage mixte amiko tsy mampiova ninoninona rehefa mahay mifapi-comprendre fotsiny na dia misy aza ny teny kely tsy azo indraindray dia mandeha foana io,izany eo ihany fa ianao koa no tena akaiky azy ao matoa ianao manoratra dia mba hataovy izay hampetipety azy,ohatra hoe:mba fantarina ny zavatra tiany sy tsy tiany,ka raha tena tia azy ianao dia manao izay mba hahafaly azy hatrany,izy koa mba torakizay raha tena tianao marina koa izy.
5. panodina ( 08/10/2003 19:32)
mixte ahoana aloha ee raha manabady eto dogo ve mbola afaka manabady any afinda ihany ve
6. lion ( 08/10/2003 19:42)
Mitovy marina,fa mino aho fa tsy izay no tiany lazaina.fa mety hoe:milamina koa ve raha Malagasy sy vazaha ohatra no miaraka.
7. xxx ( 22/11/2003 16:21)
Anjara sa tsia,haharitra sa tsia , fanontaniana mipetraka foana raha vao mifankatia ny olona 2, ka raha miditra mariage izany efa dingana lehibe ka ny ady mitoetra eo foana fa refa anjaran-toi v tsy hety e!
8. kally ( 26/11/2003 10:11)
Ohatry ny zava-drehetra ihany misy zavatra be dia be mandray anjara amin'ny fahombiazan'ny mariazy na mixte io na tsy mixte,rehefa feno ny fepetra hampahomby izany dia maharitra mandra-pahafaty izy!!!
9. kally ( 26/11/2003 10:12)
Ohatra hoe Rabe nanambady an-Drasoa,tsy naharitra ny an-dry zareo nefa naninona Rabe nony nanambady an-Dralisy dia naharitra?Dia toy izany koa,tsy voateyr hoe rehefa mifanena dia afaka ny hivady fa mila mameno fepetra.
10. riana ( 09/12/2003 09:42)
Mahaliana ahy, inona kay ilay fepetra ?
11. kally ( 13/12/2003 11:53)
Ny fepetra?Dia ny maha-ianao anao afaka mirindra amin'ny maha-izy an'ilay olon-tianao .Misy olona natao hahazaka manambady mpivaro-tena,milamina ry zareo satria mifanojo ny toetrany (feno ny fepetra).Misy olona tsy mahazaka manambady olona mandefitra loatra na tsara fanahy loatra.Ka na gasy io na silamo na vazaha dia mifanaraka rehefa ohatr'izay!
12. fijo ( 16/12/2003 16:36)
izaho ko izany mba mila fepetra ry zavavy isany an.ih,ih,ih.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2121