Ny sazy sahaza an-dRatsiraka

1. eugene ( 07/08/2003 17:30)
Nivoaka iny izany ny didim-pitsarana voalohany nanameloka an-dRatsiraka. 200.000 ariary sy 10 taona asa anterivozona.
Ampy ve sa tsy ampy.
Fa maninona moa raha atao lisitra mihitsy ny asa ratsy rehetra nataony (raha nisy) dia ho hita hoe inona ny sazy sahaza azy e.
novalian'i tiiaa ny 21/11/2010 07:01
2. xxx ( 07/08/2003 08:01)
Dia mba mahagaga tokoa aloha raha ireo fotsiny ve no zavatra nataony nandritry izay 23 taona izay, kanefa tsy maharitra 5 taona akory io dia mety efa lasa aloha e!izay angamba no nanaovan azy 10 taona koa!
3. xxx ( 08/08/2003 18:30)
tsy gadraina
4. xxx ( 09/08/2003 08:21)
Izany tokoa. Tonga dia helohina ho faty angamba :)
5. kakalahy ( 09/08/2003 16:31)
entin'ambavaka andro aman'alina mba tsy ho gadraina any @ farihy afo mandrakizay
6. yer ( 10/08/2003 10:52)
Mamelaha ny elony fa tsy fantany izay nataony , olona efa hody any amin ny Ray atoato anie iny e!
Tsy zakan ny sainy izay nataony sy miantra aminy , mafy koa raha mafy
7. kehn ( 10/08/2003 11:01)
Ny mahagaga dia izy mbola mahay vava tao @ RFI.Ny voaheloka ho faty no tsara ho azy soa ihany fa tsy nisy an'izany teto amintsika.Ary veloma teo koa ny aminy sy Madagasikara.
8. pisobe ( 16/08/2003 17:51)
salut!
Ny detournement des deniers publics t@ heritaona anie no nahazahoany an\'io sazy io, fa raha ny vitany ve? na ry zareo mianakavy mbamin\'ny taranany fahafito ve hahafaka ny saziny e!
Fa tsara ho azy ny manao asa anterivozona, @ izay fantany ny atao hoe fijaliana. Raha gadraina izany anie mbola miaina aradalana izy sattria mipetraka tsa manao raha.
Isika gasy aloha mbola olon\'ny fo e, fa raha ny zavabitany ve? Na ny alahelon\'ireo nijaly sy maty hatr@ izay dia efa tsy hahatsara azy.
Bye
9. xxx ( 13/11/2003 15:12)
Ny mendrika ny olona hoatr'azy dia alevim-belona!
10. fijo ( 14/11/2003 09:17)
esory ny volony dia ampy azy izay.
11. xxx ( 18/11/2003 18:50)
ny tena tsara ho azy dia ny tahaka
ny sazy natao tamin'ny Filohan'ny
Roumanie teo aloha sy ny vadiny,
satria mitovy ny nataon'izy ireo.
Tifirina ankalamanjana.......
12. fijo ( 19/11/2003 09:45)
mpamono olona.
13. bonetra ( 24/11/2003 09:22)
Le melohina ho faty aloha dia tsy ekeko satria tsy anjaran' olombelona no mandidy izany . Fa tokony kosa hahiditra am-ponja mamdram-pahafaty , raha zohina ireo zavatra maro efa nataony dia tsy rariny sy hitsiny ireo sazy sahaza azy . Ireo olona ambony toerana rehetra ange zany dia afaka manao ratsy daholo eh satria rehefa vita sy voahangona ny volan' ny vahoaka dia mitsaoka any ivelany izy . tsy mety raha izay daholo ny ataon' ny olona eh
14. xxx ( 05/01/2004 09:14)
ka lery ge raha maty de mety hifanena @le oul novonoiny reny (kung-fu, maramila,garde de corps etretra) de mbôla higadra ko lery satria tsy anaiky reo hi hi hi
15. ratsiraka ( 04/02/2004 18:00)
Tena gaga ny tenako mandre izany!
Fa alohan'ny hanameloka olona dia alefaso ny: PREUVE!!!!!!!!
16. fijo ( 05/02/2004 16:57)
sao dia ho be loatra ny preuve ka hofaty hoazy eo izato ianao.
17. ratsiraka ( 05/02/2004 19:27)
Ny preuve misy dia:
-doutes
-incertitudes
-Tsao....
...
Ka rehefa tsy misy zvtr mivaingana dia
tokony tsy enjehina ny olona iray:
ao anaty Lalàna izany
18. fijo ( 06/02/2004 20:50)
mba nampiantra io lalana io ve ianao ?
19. tagore ( 16/02/2004 19:49)
Marina ny an'i ratsiraka :porofo ihany ny ady eo fa tsy alako bika tsy tiako tarehy dia henjehina ary tadidio fa ny histoire dia eternel recommencement ka sao tratry ny alternance eo izay mitondra manaraka ka tsarain'ny nataony eo koa e!!!!
20. maditra ( 04/10/2004 03:00)
Izao e ! Izaho dia pro-n\'iza n\'iza fa izao kosa:
\"Aoka izay tsy nanao meloka taminareo no hitora-bato azy\"
\"Aza mitsara mba tsy ho tsaraina\"
Ataoko fa Kristianina no ankamaroanareo ireo. Sa tsy hitanareo izany ao amin\'ny Baiboly
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.495