fitiavana

1. malalasoa ( 19/07/2003 10:48)
tsara ny fitiavana kanefa mila faharetana be koa, ahitana fifalian sy fijaliana kanefa miankina @ fahatsapa-tenan`ny tsirairay ihany koa ny mampandroso azy na tsia
novalian'i xxx ny 22/11/2003 16:40
2. xxx ( 19/07/2003 17:27)
salut malalasoa,
tena marina izany ka! ary tena mifantenana @ naranao hoe malalasoa, sambatra izayvadinao e! manana vady be fahendrena
mahereza ary mahareta hatra@ faranay, Firy ny ankizy ao
veloma
3. xxx ( 19/07/2003 19:17)
Marina izany ano izany ry malalasoa! satria ao antin'ny fitiavana dia tsy maintsy misy ny fijaliana sy ny fiaretana! Kanefa moa iza teo amin'ny olona teto ambony tany no tsy mba nandalo fijaliana e! io fitiavana io dia misedra olna ka ny tsirairay no tokony hahayb hisedra izany !
4. julianna ( 19/07/2003 19:48)
eny ry Malalasoa , marina fa antin'ny fitiavana dia misy ny fijaliana; satria anisan'izany ny nahazo ahy, nefa anisan'ny mba tena nanaja ny fitiavana aho nefa tena nijaly vao resy lahatra ihany taty amin'ny farany ? nefa lalana lalovan-tsika vehivavy izany raha tena diso tia isika .
mahereza
5. hery ( 19/07/2003 16:21)
Ny fitiavana dia mahari-po, ny fitiavana dia tsy miavona, ny fitiavana dia manetry tena...
maharitra ny zavatra rehetra ny fitiavana, manantena ny zavatra rehetra ny fitiavana... tsy dia haiko loatra fa toa ao anaty baiboly ao izay...
6. xxx ( 21/07/2003 12:31)
"ny fitiavana no lehibe indrindra..."
laviko ihany ilay fiteny hoe ao @ fitiavana de misy fijaliana, raha toa ka miteraka fijaliana ny fitiavana tsy nisy nanao an'io, tsotra ny ahy, ny zavatra rehetra dia atrehana araka izay fisehony eo, ary mba jerena @ lafiny tsara hatrany, marina fa misy ny olona eo @ lafiny fitiavana no mijaly, ka maninona moa no miafy @ ilay fijaliana fa tsy izay ahatsara kokoa ny fiainana no atao, ny ahatsara ny ho avy no banjinina, eny fa dia tsy maintsy hoe hanao "départ" vaovao ary, raha izay no mahatsara azy, isika tsy nateraka mba hijaly, na hitia mba hijaly, raha tsy mahita fifaliana mihitsy enao @ fitiavana, ajanony hidaboka any, zavatra hafa ahitanao fifaliana sy mahasoa atao, sy hifotorana mafy....

7. xxx ( 24/07/2003 12:00)
zà mbola tsy nijaly tamin'ny fitiavan izany ary tsy nampijaly ihany koa
ny fitiavan dia fahasambarana;fifaliana fa tsy fijaliana izany.
8. ravelo2 ( 24/07/2003 15:30)
Be ny azo resahina!
Ny tsirairay dé samy manana ny fomba fijeriny azy io, inona moa ny Fitiavana resahina eto?
Ny fitiavana tiako hidirana eto dé ny Fitiavana @ olon-droa,azo hitarina kely hoe tsy afa-po dé miodina,ataoko fa mazava izay.Ny fitiavana amiko dé azo heverina miainga avy @ tanisa maromaro sy miankina @ tandrify maromaro:
-Miankina @ taonan\'i tsirairay(nanomboka tia hoviana) - Tia an\'iza?(lahy sa vavy) - Tia @ fomba ahoana(nitsiry @ fomba ahoana:tonga dé nanjelanjelatra ny varatra sa afo vao nampiretina dé mandoro miredareda tsikelikely) - Tia dé aninona? ( ho aiza,tia kilalao sa tia dé hiezaka ny hitaiza fitiavana ho matotra) - Tia @lafiny rehetra sa misy fafinaretana manokana ao anaty? ( Tia an\'ilay olona ara-panahy,ara-batana,ara-tarehinjavatra,fitiavana ankitery tsifidiny,fitiavana natolotra,fitiavana voafetra,fitiavana voafehy,fitiavana nangalarina!)......
Fomba fandalinako ny hoe: Fitiavana ny famaliana ireo fanontaniana ireo dé raha ohatra ka manandrana manao ny analyse kely miezaka mamaly sy manadihady ny tenanao ny fanontaniana tetsy ambony, dé hoy fotsiny aho manampy anao:
1.Fantaro aloha ny tenanao?
2.Fantaro ny Fitiavana ao anatinao(izay tianao omena,izay tianao handrasana @ hafa)
3.Fantaro ny fombafomba rehetra mety hitiavanao olona iray(fantaro ny tena FItiavana hiainanao @ olona iray, kanefa aza mihevitra mihintsy ianao fa misy olona tokana irery ihany mety ho tianao)***Tsindriko etoina fa tsy azonao atao mihintsy ny mihevitra avy hatrany hoe ity ny olona \"idéale\" ho ahy!!!!! Tandremo, fa io no antony à 90% araka ny hevitro mahatonga ny fahadison-kevitra miteraka olana goavana voalohany:
mievitra fa tojo olona mitovy @noheritreretinao ianao @ voalohany dé milaza fa sambatra,sy mihaina @ izato tena fitiavana nokasaina......kanefa ao ambadiky ny tsirairay misy misitery foana!!!izany no mahatonga ny olona maro eto antany raha mandinika fa ny ankamaroan\'ni olona miaraka,mivady...dia mitondra sy manana toetra mifanohitra nefa tafiaraka tsara sy mirindrarindra kokoa ny fomba fianany toy izay ireny olona tafiaraka mitovy toetra.
Farany, tsy mandà ny hoe misy ny olona iray efa noeritreretinao hotiavina(idéale) ka tojo azy ianao dé milaza fa sambatra,manjaka ny fifaliana...izany tokoa mantsy ny hirina, kanefa mety vitsy @ fitrangan\'ny Fitiavana izany araka ny hevitro manokana.
Amin\'ny manaraka aho miresaka ny Fitiavana misy eo @ taona \"15-23 ans\".
Teny mba atsipy:
\"Rahefa mitranga ny olana,tsy misy tsy vitan\'ny firesahana milamina,fandeferana,finona sy fiainana miaraka @ ilay avo indrindra ao ambony @ fitaizana ny fitiavana misy eo @ fianakam\'s nao(couple sy ny zaza), fa raha tanteraka ireo dé feno sy tena ihainanao ny tena Fitiavana).
Veloma vetivety
9. xxx ( 22/11/2003 16:40)
Tiavo zé eo ambany masonao nefa aza mitia oln tapany izany, fa atolory azy daholo ny fonao, ny tenanao, ary mba hanjaka @ izany fitiavana izany ny fifandeferana, ny fifanajfana ary ny franchise!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3048