FITIAVANA:tena ilaina ve?

1. nyandry ( 07/07/2003 16:39)
Tsy fantatro ny fahitanareo io fitiavana io.Ny ankamaroanareo miresaka fitiavana eto dia saika miresaka olana avokoa.Fa inona marina no tena hevitry ny hoe fitiavana?Tena tsy maintsy manao sipa ve raha tsy izany tsy mandeha ny fiainana?Raha samy hiteraka problemes isan'andro, tsy aleo ve ry zareo hajanona an!Tsy fantatro ny antony maha zava -dehibe tsy maintsy ilaina io sipasipa sy fitiavana io.Izaho rahateo mbola tsy nahita ny tena tiako.Inona marina ny tena hitiavanareo fitiavana nefa toa source de probleme ho anareo ilay azy??
novalian'i jm ny 05/12/2003 09:03
2. miavisoa ( 07/07/2003 08:12)
Ilay izy anie tsy hoe tsy maintsy atao fa ohatry lalana ny natiora angamba no azoko hilazana azy.Mety zavatra mandeha ho azy io kanefa azonao sakanana raha voafehy nao ny tenanao hoe tsy hanao azy.Ohatry sakafo ihany io (sens propre io an)azonao atao anie ny mihinana vary kanefa azonao atao koa ny tsy mihinana kanefa mety zavatra ilainao @ fiainanao izy io.Marina fa tsy maty akory raha manao sipa kanefa zavatra mandeha ho azy io.Izay angamba no azoko lazaina momba io.
3. nic ( 07/07/2003 08:29)
Fitiavana ve? Samy manana ny fijeriny sy ny eritreriny ny amin'izany. Amiko manokana dia fiainana ny fitiavana. Tsy voatery ho tantely sy ronono foana ny fiainana fa tsy maintsy eo koa ny vahona mety tsy ho telina (ary ilaina izany). Dia ohatry izany ny fitiavana. Raha te hiditra eo @ sehatry ny fitiavana ianao dia tsy maintsy ho vonona ny @ tsara sy ny ratsy haterany. Aoka tsy ny olana no hanakana hitia, fa rehefa tena tia ianao dia sahy misedra izany rehetra izany....
4. xxx ( 07/07/2003 08:36)
Ekena , ary tena tsy azo lavina mihitsy fa lalanan'ny natiora ny fitiavana . Tsy misy olona salama :saina, vatana , fanahy ka tsy mitempo fitiavana ny fony . Ny mamadika ilay fitiavana ho fiarahana na firaisana angamba io tianareo resahina io ( sipa) ?
Azo atao ary tsy mahafaty ny tsy miaraka @ olona,saingy raha ny zavatra vitsivitsy fantatro dia tsara kokoa raha miaraka @ olontiany ny olona iray
Raha ny olana ara- pitiavana rehetra hita eo @ fiaraha - monina no jerena dia angamba tsy hisy ifanaiky hiaraka izany intsony
Tsy ekeko kosa ny fampitahana ny fitiavana @ zavatra hafa toy ny sakafo
ANDRIAMANITRA DIA FITIAVANA
5. andryz ( 07/07/2003 12:49)
Salama daholo e!

Aza afangaro ny FITIAVANA (amour) sy ny FILANA (passion). Matetika ny ianantsika andavanadro de resaka FILANA fa tsy FITIAVANA ka izay no miteraka olana ho an'ny olona indrindra fa ny vehivavy, satria tsy araka noeritreretina izay mitranga. satria rehefa azon'ny lehilahy ny zavatra tadiavina de miala izy ka mitady hafa.
Tsy tokony hifangaro izy zavatra roa io ny iray TIA ny ir
6. andryz ( 07/07/2003 12:54)
Salama daholo e!

Aza afangaro ny FITIAVANA (amour) sy ny FILANA (passion). Matetika ny ianantsika andavanadro de resaka FILANA fa tsy FITIAVANA ka izay no miteraka olana ho an'ny olona indrindra fa ny vehivavy, satria tsy araka noeritreretina izay mitranga. satria rehefa azon'ny lehilahy ny zavatra tadiavina de miala izy ka mitady hafa.
Tsy tokony hifangaro ireo zavatra roa io ny iray TIA ny iray MILA.
NY FITIAVANA dia toetra tsy miovaova ary maharitra ao anatin'ny olona.
Eo @ fiainana raha mbola miarakaraka ny tovolahy sy ny tovovavy de ny lehilahy hita fa tena tia be ny vehivavy tsy de taitra loatra. rehefa misy @ izay lazain'ny LEHILAHY hoe POROFOM-PITIAVANA de manomboka mihena ny fitiavana ao anatin'ny lehilahy ka lasa FILANA, ny an'ny vehivavy manomboka eo VAO MAINKA MIREDAREDA TIA izy @io.

izay aloha no azoko ambara e!
7. xxx ( 07/07/2003 14:08)
Tena ilaina ny fitiavana , araka iry voalazan' ilay namana iray iry : Andriamanitra dia fitiavana. Isaorako eto koa i nic @ fanazavany , mazava nefa tsotra .
Raha mbola eto an- tany dia tsy maintsy misy foana ny olana , ary amin' ny mahazava- dehibe azy ( vokatry ny fo ) dia matetika sarotra ny famahana ilay olana



8. julianna ( 08/07/2003 17:23)
eny amiko aloha dia tena ilaina amin'ny fiainana ny fitiavana sady azo sokajiana ho maro ny fitiavana , fiainana tsy manam-pitiavana izany dia zava-poana
ohatra fotsiny ny fitiavana eo amin' ny ray aman-dreny dia efa fitiavana izany .
ny fitiavana dia tsy ny filana ara-nofo mihitsy fa izaho rehefa tia dia ny olona mihitsy no tiako amin'ny rehetra.
9. zana ( 08/07/2003 16:08)
Ny fitiavana araka ny fahazahoako azy dia zavatra voajanahary amin'ny fiananan'ny tsirairay. Ka raha olona tsy manana fitiavana dia tsy haiko intsony ny hilazana azy satria Andriamanitra dia fitiavana ary isika olombolona dia noharian'Andriamanitra. Tena ilaina ny FITIAVANA satria io no mampiavaka sy mampitovy asika amin'Andriamanitra. Tsy azo ialana ny fitiavana nefa azo "reglena" araka ny tokony ho izy.
10. maminiaina ( 08/07/2003 17:58)
asa re maninona no apetra izao fanontaniana izao ? ary nahoana no hoe ilaina no matoanteny nofidina ? satria anie lasa toa fitaovana io fitiavana io raha izao fipetrany izao . ary tena izay tokoa ve izy ? fitaovana ve, zay fotsiny ? ary fitaovana atao inona ?
soa anefa fa tsy fitaovana ny fitiavana !
11. prince ( 09/07/2003 17:15)
Ny fitiavana dia voajanahary,fa ilaina fotsiny izy lanjalanjaina sy atao am-pisainana.Ny fitiavana dia manana ny fisehony araka ny toe-java-misy.Hafa ny fitiavana tamin'ny mbola kely,ny fitiavana fony mbola mpitovo ary ny fitiavana rehefa lehibe.Fa ny fahendrena dia tsy atao amboletra ny fitiavana fa atao araka ny "temperament".Ny fitiavana koa dia mankarary hoy ny sasany.Mankarary ilay izy satria mientefa any amin'izay tsy tokony iantefany.Ny zavatra rehetra koa raha tsy atao am-pitiavana tsy mety.Noho izany ilaina ny fitiavana raha eo amin'ny lafiny maro samihafa,fa atao fotsiny ny fahaizana mandrindra sy mandamina azy.
12. andryz ( 09/07/2003 17:48)
Tsy azoko ny antony hametraha io fanontaniana io.
Ny FITIAVANA de efa voajanahary araka ny lazain'ny prince eo ambony, izany hoe efa ao anatintsika izy io ary manana ny fahatsarana rehetra. Araka ny Korintiana I toko 13: de voalaza ao fa ny Fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mora sosotra .....lavabe izy io ka amiko raha manana fitiavana na MITIA ilay olona dia tsy tokony hisy olana izany mihitsy.
Fa ny mapisy ny olana de efa voalazako etsy ambony ilay endriky ny Fitiavana @ lafiny ratsy angaha izay lasa Filana.

Ny fitiavana anie no mampivaka antsika olona amin'ny biby e!
ary voalaza matetika fa tokony hifankatia isika etc........
13. harnik ( 09/07/2003 19:35)
Matoa nisy ny teny sy hevitra hoe fitiavana dia ilaina tokoa ary ampiasaina @fotoana ilaina izany.Zany hoe tokony hisy fepetra raisina alohan'ny hidirana@zany hoe fitiavana zany.Mitaky andraikitra ny fitiavana;ka raha tsy vonona @zany dia aleo aloha ny tena ihany no entina .Ny tanora ankehitrio mantsy mahita ny manodidina azy miditra @io sehatra io dia lasa koa nefa tsy mbola tonga taiza ,ka na ny olona hiaraka aminy aza mety hanao tsinotsinona azy.
14. loova ( 09/07/2003 12:04)
zao fotsiny no ataovy an-tsaina an, aza mamoha ny fitiavana alohan'ny fotoany e! zay no tena mety e! fa ho an'ny efa ao anatiny kosa mou tsy misy azo atao fa de tsy maintsy izao ny fizotrany amin'ny voalohany de tsy maintsy milay be alou ny fiarahana fa rehefa avy eo amin'izay tsy maintsy mipoitra amin'izay toetrany; ny bleme mantsy de izao olona anankiroa tsy mitovy toetra no hiaraka, olona tsy niaraka notezaina an!, de mazava ho azy fa samy manana ny toetrany, tena izay mihitsy no lalan'ny fitiavana.
Ny tenako dia mahatsapa fa indrindray koa anie ny olona mitady raharaha e! olona tsy tokony alaelovana de ventiventesina eo ka aiza mou!
rehefa fantatra fa tsy possible ny-è ahitana le olona de mba mionona kely e!
Fa ny fitiavana de probleme io ka rehefa tsy mbola mahazaka lou de aleo tsy miditra e
zay no mba hafatra kely apetrak'i Loova, ra mbola mila fanazavana de afaka mifanoratra amiko ato.
15. xxx ( 09/07/2003 16:34)
Misy amintsika mandiso ny atao hoe fitiavana .Na ny ankizy aza dia efa manam- pitiavana ary tena fitiavan' olon -droa ireny mihitsy .Tsy misy fotoanany izany ny fitiavana tena fitiavana .
Aza afangaro ny fitiavana sy ny fiarahana .Maro amintsika no efa nitia ,ary mbola mitia olona iray na maro kanefa tsy mbola niaraka taminy, sady tsy mieritreritra ny hiaraka aminy : fa tia fotsiny.
Maro amintsika ihany koa no efa niaraka tamin' olona iray na maro kanefa tsy nitia azy akory ( io ilay lazain ' ny namana hafa hoe filàna ).
Ho valin' ny fanontaniana dia tsotra :ilaina ny fitiavana , tsara raha olon- droa mifankatia no miaraka , ary rehefa miaraka dia mifanaja .
Tsy mitaky inoninona ny fitiavana tena fitiavana . Inona no andraikitra takiana amiko raha mitia olona iray aho kanefa tsy miaraka aminy ???
veloma daholo !
16. angelica ( 10/07/2003 12:45)
Amiko ny fitiavana dia voajanahary,mila namana ny olona tsirairay :diniho ny tantaran\'ny Adama sy Eva
Tsy filana ny fitiavana fa natoraly ary ny olona tsy manan-pitiavana dia toa ny olona sampona, tsy ampy ampy mihintsy aza
mandrera-tsaina izy io nefa rehefa tonga eo aminy dia tsy afa-miala ary toa lasa ho malemy mihintsyaza ary toa jamba ka tsy mahita ny réalité misy eo amin\'ny fiainana
ny fiainana anefa misy mamy, misy mangidy dia toy izany ihany koa ny fitiavana, lalam-piainana
tsy maintsy lalovana io .Rehefa tonga eo amin\'ny fahatanorana no
mipoitraizy,olon-droa no resahina eto
anisan\'ny iray eo amin\'ny avenir ny fitiavana ary tena ambony tokoa satria eo no isafidiananao ny olona hiara-miaina aminao mandrakizay, donc fitiavana une part de l\'avenir
17. pisobe ( 11/07/2003 17:34)
Ny fitiavana dia voajanahary, na amin'ny biby na amin'ny olombelona. Fa ny olombelona no tokony hahafehy azy satria manana fanahy izay ihavahany amin'ny biby.
n'aiza n'iza aleha dia misy foana ny olana, na eo amin'ny mpiray tampo na eo amin'ny zanaka sy RAD, fa heverina ho loza be raha ny mpisipa no manana olana. Na ny mpivady koa anie manana ny olana e, fa ny tokatrano moa tsy ahahaka, adala izay manely ny olana eo aminy. Raha ny olana eo ami'ny hoe sipasipa aloha dia ara-dalana, mety atao hoe mbola mifamolaka e, sady tsy fantatra marina anie izay ao anatin'ny lohan'ny olona tsirairay ao, fa rehefa matoky dia ampy izay. Fa raha nisy fitaovana azo ijerena izay ao anatin'ny sain'ny olona iray dia mba nividy aho na lafo be aza!
Izay no azo ambara.
Veloma aby!
18. manakasina ( 12/07/2003 14:27)
amiko ny fitiavana dia anisany mampiavaka antsika @biby inona moa io fitiavana io? ny fitiavana dia fihetsehampo izay olombelona ihany no afaka miaina sy mifidy fy miaina @izany
19. xxx ( 17/07/2003 13:30)
Ny fitiavana tsy hoe : ilaina na tsy ilaina. Fa na misy na tsy misy. ary io tsy miankina amin'ny olona fa miankina @ izy fitiavana ihany.
Misy koa ny milaza fa mitondra olana foana ny fitiavana ary mitondra olana fotsiny. Tsy manaiky an'izay kosa aho. Tsy voatery mitondra olana io fa manala olana aza raha tena fitiavana marina.
Raha olona tsy mbola niaina izany tena fitiavana izany aloha tsy hino izany mihitsy.
Dia ankoatra izay. Miray hevitra q io hoe : tsy misy taonany ny fitiavana aho. misy ny olona efa 60 taona mbola tsy niaina ny fitiavana marina. misy nefa 15 taona dia efa miaina izany.
ka io miankina @ tsirairay. Dia hita mivandravandra fa hafa ny fiainana misy sy tsy misy fitiavana.
20. malalasoa ( 19/07/2003 10:54)
amiko aloha dia ilaina ny fitiavana nea koa io dia miteraka olana indriandray ary manimba raha tsy mahay mitondra azy, tsy mora fa izany hoe misy ny olona aloha tsy mahay miaian raha tsy miaraka @ fitiavana e! fa izany hoe raha mbola tsy vonona @ aretina an-doha aloha dia aleo tsy miditra @ io fitiavana io e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3051