Famonoana vady

1. xxx ( 03/07/2003 19:39)
Mba saika hanontany ny hevitrareo aho indrindra fa ny vehivavy hoe fa maninona no ireny lehilahy mpamono vady ireny no tena matetika tian'ny vehivavy ary tena hiafiany mihintsy aza e!
novalian'i valie ny 27/09/2005 10:15
2. xxx ( 03/07/2003 12:08)
waou c cool comme quest
c simple misy ny vehivavy mila lehilahy misy caractere mety koa hoe sa lui plait de se faire torturer chaque jours
na koa tena tiany ilay olona dia izany no mahatonga azy mijanona eo amin\'ny ilay lehilahy eo
moi perso j\'aimes pas du tout les homme mamono vady
nefa koa misy antony matoa ilay lehilahy mamono vady
on gros samy manana ny tiany ny vehivavy et je respecte leur choix
bisous a tout le monde :-)
3. xxx ( 03/07/2003 15:36)
Ny olona mamono vady matetika dia manana complexe. Voadona any amin'izay misy azy any izy. Voatsindry any am-piasana ohatra. Na koa impuissant eo amin'ny fiainany dia ny vadiny izay ananany pouvoir sy resiny no analàny azy.
Voararan'ny lalàna ny famonoana vady fa tsy araka ny heverin'ny olona hoe vadiny io ka azy. Inoako fa misy organisme afaka mandray ny fitarainan'ireny vehivavy ireny. Saingy ilay vehivavy no tsy maintsy mitory ny vadiny vao mety.
4. xxx ( 03/07/2003 17:08)
Tsy tokony atao mihitsy ny mikasi- tanana olona rehefa tsy mifankahazo
Manontany ny namana hoe efa hita fa mpamono vady dia mbola tiana sy ihafiana ihany : Resaka filàna nomahatonga izany : misy zavatra hafa mbola ambony kokoa ilàny ilay olona mpamono azy ( vola , fahafinaretana, voninahitra , sns ...)
Mirary isika mba tsy hisy intsony anie izany mpamono vady izany , aza manody hoy ireo izay efa nahita
byebye !!!
5. julianna ( 08/07/2003 17:27)
Tsy haiko aloha fa misy izy ireny ange ny vehivavy no mitady voalohany ka voatery tratry ny hatezerana diso tafahoatra ilay lehilahy dia voatery, fa misy kosa efa fombany
6. ely ( 09/07/2003 12:32)
Amiko de tsy maintsy misy fôna ny olana majinika sy ny tsy fifankazaona eo @ mpivady. Ka raha isaky zay mitranga reo olana reo no hanao habibina @ famonoana de tsy olona zany amiko! Ary tsy azo ekena veli2 ninona antony! Ataoko fa misaina daholo ny tsirairay noho zany afaka mitady vahaola hafa ankoatra io! Tsy mety nga ny miresaka, samy lehibe? Raha toa mo tena tsy mahafe tena de aleo manatona mpitsabo e! Ho an'zay efa voa indray de mba mieritrereta ihany fa misy fetra ny zavatra rehetra ka de hiaritra fôna ve fa tsy mba hioitra mitsy @ fiainana?
Misaotra tompoko!
7. xxx ( 01/09/2003 15:38)
vehivavy aho manoratra , ataoko fab raha izaho manokana aloha dia tsy hifidy lehilahy pamono vady izany mihintsy ho vadiana ee! Asa be koa moa ny karazan'olona eto amin'ity tany ity ka dia tsy hay intsony.Mety ilay mamono azy mihintsy no mahafinaritra azy.
8. xxx ( 08/10/2003 09:02)
Lehilahy aho manoratra fa ny vadiko tonga dia mandray izay hitany rehefa tezitra,izaho aloha mahita fa nerveuse izy indraindray,nefa izy tia ihany rehefa avy eo.
Mety mahafinaritra ny vehivavy toa azy sasany angamba ilay samy tezitra be teo de avy eo indray miara mikaly tsara ny zavatra avoakanny vava.(M)
9. hery ( 09/10/2003 19:06)
Ny vehivavy matetika dia mihevitra fa hoe ny olona mpamono vady dia tsy conscient amin'ny zavatra ataony ka izany no mbola itiavany azy hatrany. Tandremo fa raha tsy miova amin'ny famonoany anao ny vadinao dia mety hiteraka zavatra hafa.
Ary aza mieritreritra hoe tian'ny vehivavy ny mpamono vady fa noho izy efa vadiny no tsy maintsy hitiavany azy. Vadiny iny dia tiany na mamono azy matetika na sahala amin'izany.
Tahaka ireny lehilahy mpisotro toaka ireny ihany.
10. xxx ( 10/10/2003 19:24)
Ny hoe tiany eo ihany, fa mibahana tanteraka koa ny fahatahorana an'ilay vadiny, ohatra hoe raha mamaly eto aho vao maika pire, tsy afa-miala ao intsony ianao fa mbola manenjika anao foana izy, tsy misy vahaolana hafa-tsy ny maka "certificat médical" ihany raha vao mikasi-tanana anao izy dia mitory raha ilaina izany.
11. xxx ( 22/11/2003 16:54)
Iny angamba no anjarany ka tsy hafaka ny hiala @ izy satria efa iny no nofidin'ny fony.
Lé lehilahy mamono vady kosa angambany tsy mety fa tokony mba manaja ny zon'ny vevavy zareo e!
Fa izay vonovonon'oln tina na marary azo hiafina!
12. fijo ( 25/11/2003 09:01)
dia miareta ao ary.na dia efa ataony hoatra ny inona aza.ny vady anie azo soloina e.rehefa tsy hiova dia hovao.
13. hendry ( 19/12/2003 17:40)
Tsy marina kosa ny teninao hoe
" ireny lehilahy mpamono vady ireny no tena matetika tian'ny vehivavy ary tena hiafiany mihintsy aza e! ". Tsy resaka tiana na safidy io fa raha toa moa ka efa vadiny ilay lehilahy, na mamono na mamo lava na mpampirafy, raha olona efa vita mariazy ka manaja ny voady nifanaovana dia miaritra ny vehivavy satria olona efa nekeny io. Tsisy tonga lafatra zany koa anie, ilay vadiny no tokony hiezaka hanova azy tsy ho mpamono ntsony. Zaho aloha tsy mankasitraka ny resaka fikasihan-tanana e, ary mino sy manantena aho fa efa tsy dia misy firy ntsony ny lehilahy manao zany @ zao fotoana zao.
14. valie ( 27/09/2005 10:15)
xxx:

Mba saika hanontany ny hevitrareo aho indrindra fa ny vehivavy hoe fa maninona no ireny lehilahy mpamono vady ireny no tena matetika tian'ny vehivavy ary tena hiafiany mihintsy aza e!



Hafa ndray zan ?? zany a!
Za aloha vhv fa tena tsy mba izaho mihintsy no ho tia lhl mamono zany e!
raha za no mba kitikitihana zany d efa bye bye zay fa iza koo no hanaiky vonovnoina eo. :lol::lol::lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2947