Fa maninona kay...

1. xxx ( 25/06/2003 11:02)
rehefa misy vehivavy manao filazana mitady namana ireny dia izao no matetika hita ao: tsy misotro, tsy mifoka, chrétien, manana situation stable... dia mba ahoana izany ireo tsy ao anatin'ireo, ny ahy izao anefa ny mba tiako dia olona misotro fa mahalala ny antonony, mifoka sigara fa na izany aza tsy setroka be isan'andro, mino an'Andriamanitra fa tsy ankaterena ny makany am-piangonana, rehefa manaja ny rariny sy ny hitsiny eo amin'ny fiaraha-monina, tsy voatery hoe manana situation stable fa rehefa manana saina te hivoatra sy fahaizana ampy amin'izany dia efa afaka ho stable rehefa roa no miaraka mifanampy.
novalian'i fijo ny 25/11/2003 20:55
2. maki ( 26/06/2003 16:36)
Tena marina ny voalazanao fa raha ny fahitako azy dia satria ireo vehivavy @ izao androntsika izao dia ohatrany mitady ol parfait(qui n'éxistera jamais car chacun a ses défauts) sy izay efa tena manana ny atokona.
Izany angamba no mety fandehany satria manantena ry zareo fa mandeha ho azy ny fiainana ary tsy maintsy manana niveau de vie, na façon de vie toa izao ilay bandy vao mety mifanaraka aminy.
Mitakatra ny avo loatra ny ankamaroan'ny sipa @ izao nefa hadinondry zareo fa araka izay hatsembohana ihany no hihinanana... Et puis, je dis souvent:"il faut gagner pour vivre mais pas vivre pour gagner".
Tsy ny endrika ivelany ihany koa anefa no tokony jerena fa izay fanahy ananan'ilay ol raha ny tena marina satria izay fombany (mifoka, misotro ...etc) izany anie ka mety mihova é indrindra raha tena misy ny fitiavana sy ny fifanajana.
3. hery ( 27/06/2003 19:18)
Dia avy eo bedabe ny diso fanantenana satria misy tokoa ny mahavita mody parfait amin'ny voalohany... iazny hoe tsy mifoka, tsy migoka, tsy miloka stable... fa rehefa avy eo maditra tanteraka dé ahoana... tsy ho voa eo ihany?
Misy tenin'ny namako iray izay hoe izay vadiana no tiana fa tsy izay tiana no vadiana :)
Mahereza dia tratran'ny fety.
4. lalaina ( 03/07/2003 17:28)
de mampalahelo mihintsy io toetsaina mitady anjely io fa raha izaho manokana dia sahy milaza hoe tiavo @ haratsiako satria raha ny hatsarako no hitiavanao ahy raha vao simba ilay izy dia tsy tianao intsony aho!!!!!!!
TSARA AHO MATOA TIANAO FA TIANAO AHO KA TSARA AMINAO hoy ilay namana iray izay
Mazotoa dia mitadiava olona fa aza lany andro mitady Anjely
5. xxx ( 03/07/2003 08:32)
F'angaha moa tadiavina ny vady? tsy entam-barotra ny fitiavana ka sandaina hoe tsy maintsy izao na izao vao tokony ho vady...Ny fanambadiana tsy aorina amin'ny endrika na bika na vola sy harena fa manampahataperana ireny Ny fanambadiana dia tokony ho mandramaty...Saingy raha mamolava sns kosa aza omena tsiny izy raha mba handà
6. xxx ( 18/07/2003 18:34)
Marina ny an'ny namana eo ambony io hoe : tsy entam-barotra ny fitiavana. Izaho manokana dia tsy mankasitraka mihitsy ilay filazana ireny hoe mitady olona toy izao sy toy izao.
Ny tenako izao no nametra toy izany koa taloha hoe : ny ahy izao no mba tiako dia olona tsy mifoka, tsy misotro, sns... Fa io rehefa tonga eo ilay tianao tsy maintsy manaiky ianao na mifoka izy na tsia, na misotro izy na tsia.
Ary matetika ny olona milaza hoe : izaho tsy hiaraka @ olona toy izao no tena sendra azy rehefa tena tonga ny fotoana.
Tsy manome tsiny ireo vehivavy ihany aho nefa raha mametra izany izy satria efa maro ny olana eo @ fiaraha-monina, dia efa be ny hitany momba ny olana rehefa misotro ny mifoka ny olona miaraka aminy. Ka tsy te-hi-risika izy.
7. xxx ( 21/07/2003 12:40)
tsotra ny ahy,
raha mbola afaka misafidy enao de misafidiana tsara alo, nefa tsy misy ny alo ny parfait, marina fa manana ny idealinao enao, fa raha mahita 60% dia tairo alo, de mifampitaiza sy manatsara ilay 40% amlbiny, zay no mahatonga ny olona hoe mampiaraka, mifampizaha toetra sy mifampitaiza, raha toa moa ka ilay 60% lasa 40% fa tsy nitombo, ajanony fa tsy ho tsara ny ho avy,
fa veriko ihany hoe RAHA MBOLA AFAKA MISAFIDY DIA SAFIDIO TSARA....
8. tia_ery ( 10/11/2003 12:18)
Mitovy ny hevitra fa zahako koa nahatsikaritra ary ny tena loza dia ilay profil-n'ilay vehivavy amin'ireny !!!!

Jeune fille CHRETIENNE ....
raha tena izany ianao dia tsy tokony hanao an'ireny filazana an-gazety ireny fa hoe mitady VADY
9. fijo ( 12/11/2003 20:51)
dia aleo izy ihinan'ni chretien eo.asaivo mankany amin'ny mopera hikarakarainy azy.
10. xxx ( 22/11/2003 17:00)
Ianao io zany mba tiako ho namana satria tena ao @ le tadiavinao mitsy ao! Fa vitsy ny vevavy toy ny tadiavinao!
11. fijo ( 25/11/2003 20:55)
any amin'ny namana ny momba ahy koa dia midira ho namako any e.ny ahy namako daholo ny ato ka.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3323