Mandritra ny fotoana voafetra dia vonona izahay hi-scanner ny sarin'ny
namana maimaim-poana. Ireto avy ny fepetra amin'izany.
- Sary iray mazava tsara no ilaina (lava na tapaka... dia mba ataovy mitsiky :)
- Atao anaty valopy miaraka amin'ny taratasy kely misy ny solonanarana sy ny tenimiafina
- Alefa paositra ao amin'ny namana anakiray izay lazaina etsy ambany ny adiresiny io valopy io
- Ny sary dia averina amin'ny tompony RAHA TOA KA misy timbre sy adiresy hamerenana azy ao anatiny... ny valopy hamerenana azy dia afaka miantoka izahay :)
- Ny sary tsy miaraka amin'ny timbre hamerenana azy dia tsy averinay kanefa tsy ho tehirizinay mihitsy.
- Fe-potoana farany fandefasana ny sary dia ny 15 jiona 2003 izao, ny
fitomboky ny paositra no anamarinana azy :)
- Dila io fotoana io dia tsy ho hitanay akory ny sarinareo (satria hifindra trano ilay namana :)
- Inty ary ny adiresy handefasana azy
Clarys Mamitiana
lot II-I-54
Ampandrana-Ouest
Antananarivo 101
Madagasikara
Inoana fa mety hanampy antsika io vahaolana kely anakiray io.
Afaka manoratra eto ambany izay te hamaly.