Operation Sary

1. hery ( 04/06/2003 16:09)
Mandritra ny fotoana voafetra dia vonona izahay hi-scanner ny sarin'ny
namana maimaim-poana. Ireto avy ny fepetra amin'izany.

- Sary iray mazava tsara no ilaina (lava na tapaka... dia mba ataovy mitsiky :)
- Atao anaty valopy miaraka amin'ny taratasy kely misy ny solonanarana sy ny tenimiafina
- Alefa paositra ao amin'ny namana anakiray izay lazaina etsy ambany ny adiresiny io valopy io
- Ny sary dia averina amin'ny tompony RAHA TOA KA misy timbre sy adiresy hamerenana azy ao anatiny... ny valopy hamerenana azy dia afaka miantoka izahay :)
- Ny sary tsy miaraka amin'ny timbre hamerenana azy dia tsy averinay kanefa tsy ho tehirizinay mihitsy.
- Fe-potoana farany fandefasana ny sary dia ny 15 jiona 2003 izao, ny
fitomboky ny paositra no anamarinana azy :)
- Dila io fotoana io dia tsy ho hitanay akory ny sarinareo (satria hifindra trano ilay namana :)
- Inty ary ny adiresy handefasana azy

Clarys Mamitiana
lot II-I-54
Ampandrana-Ouest
Antananarivo 101
Madagasikara

Inoana fa mety hanampy antsika io vahaolana kely anakiray io.


Afaka manoratra eto ambany izay te hamaly.
novalian'i methode ny 05/06/2004 16:10
2. julianna ( 05/06/2003 15:48)
salut Hery
Dia misaotra hatrany amin'ny ezaka ataonareo. Izany hoe rehefa mandefa ilay sary izany dia asiana timbre sy valopy hafa ao anatin'ilay valopy andefasana ilay sary?
Dia alefanareo miverina ihany ny sariko
Dia mirary fahombiazana hatrany ho an'i Hery
3. hery ( 05/06/2003 18:16)
Ie,

Averiko ny sarinareo raha toa ka misy
- Timbre
- Adiresy hamerenana azy
Ao anatiny.
Ny valopy iantohanay.

Misaotra
4. methode ( 05/06/2004 16:10)
Misaotra amin'ny ezaka e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0818