Ny malagasy sy ny karana!

1. ankoay ( 28/05/2003 17:54)
Mba saika nanontany ny hevitrareo aho hoe; isika gasy mihitsy ve no tsy mahay mitsikaraka sa ny karana no gaigy fa aiza ve de ry zareo no tena matanjaka ara-toe-karena eo amintsika?
novalian'i steph02 ny 14/07/2005 10:10
2. maka misa ( 28/05/2003 08:14)
mbola marefo ny toekaren-tsika ka ny malagasy manan-karena ihany no afaka manokatra orinasa,eny mahay mikarataka ny malagasy fa ny asa no tsy dia misy.
3. hery ( 28/05/2003 08:33)
Sendra nandalo tamina tranombarotra mihaja lehibe karana iray aho. Nisy boky izay tsy tadidiko ny lohateniny fa mitantara ny "Diaspora indiana" izay sady antsointsika hoe karana ihany koa.
Ny nahavariana ahy dia tena efa voajanahary ao amin'ny karana ilay resaka varotra. Na aiza na aiza izy ireo dia mahita hevitra amin'io resaka varotra io. Misy mihitsy aza teny iray somary mahatsikaiky izay hoe "Ny antony tsy ahaovan'ny karana baolina hono, dia rehefa mahita korner izy dia tonga dia te hanangana kiosque fivarotana..." Izany hoe efa manana traikeva vitananahary ao aminy eran'izao tontolo izao mihitsy izy ireo hivarotra. Tsy omena tsiny noho izany ny karana raha mahitahita amin'ny varotra.
Ny olana dia isika Malagasy izay tsy mba afaka maka tahaka ny karana. Inona ohatra ny olana raha toa ka mikafiry toa izany koa isika? Ny karana dia manomboka amin'ny zavatra kely, mahatra mihitsy aza izy @ voalohany, fa mifanaampy dia lasa lavitra avy eo.

Dia andao hifanampy ary e!!!
4. ravatorano ( 28/05/2003 08:46)
Marina lé wé efa voajanahary tokoa ilay karana mivarotra fa kosa tsy ekeko kosa wé voajanahary ho andry zareo koa ny mivarotra ary tsy maintsy tafita.
Any Mozambika,Kenya,sns amin'ireo firenena maro aty Afrika dia saika karana avokoa no deba amin'ny raharaham barotra ary asa raha nisy nahatadidy fa nisy OPK koa anaie tany amin'iray amin'ireo firenena ireo noho izay antony izay ihany.Tsy wé tsy vitan'ny malagasy izanyfa ny fitaovana entina manao no tsy ampy ary koa ny mpampindram-bola tsy mahatoky malagasy nohon'ny karana! Ny antony ?saro baliana angamba nefa ny tena mahita fa tsy mahavoa ny gasy ny borisatroka raha raharaham barotra izany.
Aminareo ary ve raha sahy mampindrana vola ny malagasy ny banky eto amintsika hanaovana raharaham-barotra dé tsy ho tafavoaka ve ilay malagasy.Mba misy malagasy maro ihany anie eto mahavita lavitra noho ireo karana é.
Ny tena tsy ampy amitsika dé zé tafita dé lasa fa tsy mitsinjo ny mbola ao ambany ao.Ny karana dia ny mifanohitra amizay ary izany no hifanampian dry le montana ireo amin'ny fanaovana citoyen franssé .Firy amin'ireo no tena mangataka sitouaïen gasy , vitsy kely !
Jereo fa mizara roa anie ny atao hoe karana eto amitsika dé ry zareo karana arabo (silamo) sy ry zareo Karana indianina(hindou)
Misy tsy fitoviana be amin'ireo antokokarana ireo !
zay fa samia mieritreritra tokoa fa mahanena raha tena io lohahevitra io no marina !
5. finiavana27 ( 29/05/2003 17:31)
Ny hamaliako dia tsotra tssy ny karana no mahay fa ny toe-tsaintsika no mila amboarina .Izany hoe namboka t@ fanjanahan-tany dia matahotra vahiny isika malagasy ka mora loloina .Nysahaolana ary dia aza manaiky tsinndriny ireny ny toe-tsaina fa mieza ny hamoaka ny maha izy azy antsika
6. baritsoa ( 29/05/2003 18:05)
io angamba dia miankina @ fahaizan'ny olona mifanampy eh!ry zareo karana mantsy dia mahay mifampifehy ara-pinoana sy ara-tsaina ka mora kokoa aminy ny mifanampy.sady ny azy ny mahita namana lavo aty an-tanin'olona dia tena henatra be tokoa aminy.eo ihany koa ny hafetsifetsena ananan-dry zareo, raha mahita izany ny malagasy dia may ery koa nefa tsy fantany fa 1/1000n'ny azon-dry zalahy ka rana anie no hanambazany azy e!ry zareo karana koa dia mahita lalam-barotra sy fifandraisana @ any ivelany ka mora kokoa aminy ny mampiroborobo ny toe-kareny eto satri isika gasy dia mionona @ izay kely ananana sy faly hambotry ny namana fotsiny fa tsy mitady fiaraha-miasa @ hafa.
7. lema ( 30/05/2003 10:22)
raha mandinika io resaka io za dia ilay fanoharana tao anaty baiboly no tiako isontomana azy ny @ ilay farantsa dimy ny karana mety nahazo farantsa dimy ary ainy ny nampitombo azy fa ny antsika kosa firy no nomena antsika.........?sa nomena'andriamanitra talenta ny olona rehetra ary ny olona retra nataony tsy mitovyka aiza ho aiza no misy azy ary aiza ho aiza no misyantsika.
8. anjakely ( 20/06/2003 15:29)
fa anga commerce fotsiny ny fiainana e! afaka manao activité économique hafa eanao indrindra indrina eo am lafin'ny production!
9. dd ( 25/06/2003 16:05)
tsy azoko lay hoe "afaka manao activité économique hafa eanao indrindra indrina eo am lafin'ny production" ... f'angaha tsy efa commerce koa izany?
10. levondraky ( 16/07/2003 13:01)
Aza miveraka isika azafady indrindra tompoko. Tsy mahay mivarotra hatrany an-kibon-dreniny akory ny karana. Ny toetra ananan'ny karana fa tsy iraisany @ karazan'ilona hafa dia ireto: Tsy manana indrafo, Tsy menatra ny manambaka n'iza n'iza, Mpanagoly satria malama vava, Tsy menatra ny mangalatra, miavona loatra ary farany mahatana tsiambaratelo. Tsy nahita karana nanao politika isika nefa ny mpitondra nifandimby dia eo ambany fahefany foana. Tsolorany ny mpasan'ny banky dia mivoaka ny findramam-bolany. Raviraveziny ny mpiasan'ny ladoany dia mivoaka sy miditra mora fotsiny ny entany. Aza mba manana olana @ karana fa efa anazy ny polisy ny zandary ary ny mpiasan'ny fitsarana sasany. (Soa ihany fa ny sasany). Mpiasan'ny 'contribution' ihany no karamainy hanamboatra ny contabilité-ny mba hahakely ny hetra alohany. Raha tsorina, isika gasy ihany no efa nanapa-kevitra hiantoka ny karana @ sitrapony. Nefa tsy misy fitiava-namana izany @ karana. Matoa ianao karakarainy, dia misy ilany anao zany. Refa vitanao zay nilany anao dia adinony ny fisianao.
Enga anie ka tsy hisy marina izay voambarako.
11. nina8 ( 06/08/2003 10:27)
tsy zvtra tsy voadinika io fa mino fotsiny ihany!
12. virijiny ( 06/09/2003 17:28)
Aoka tsy ho adinontsika fa any Inde dia betsaka ny mahantra. Noho izany dia tsy voatery hoe mahay mivarotra avokoa ny karana. Fa raha ny eto amintsika ny tiako ho tsindriana dia izao :
* mahay miray hina sy mifanampy ry zareo na dia tsy manana indrafo aza eo @ lafiny fifaninanana
* ankoatran'ny hafetsifetseny sy ny fitiavany hareny ( aza adino fa izy ireo dia mivavaka mbà hanan-karena ), dia hain-dry zareo ny mampizarazara antsika malagasy. Efa amam-polo taonany aho no niasa tany @ faritra maro. Ny zavatra mampalahelo dia ity : any @ faritra sasany, dia aleontsika gasy mila vonjy @ karana toy izay amintsika samy isika
13. fijo ( 14/11/2003 09:15)
manao ahoana daholo.
i levondraky angamba no tena nahafihina ny toetran'ny karana.fa ny tena loza,ary tena tsy zakan'ny saiko,dia maro ny gasy no manampy azy ireo amin'izany.mampadoha mihintsy ny mheritreritra izany.
14. pitchou ( 03/12/2003 13:24)
marina ny nolazain'i levondraky! efa henonareo moa ilay hoe toerana iray manontolo misy olona maro monina ao natao izay hialan'ireo mponina ireo fa omena karana iray malaza be izay ilay toerana? olona ambony teo @ fitondrana no tompon'antoka hoe araka ny filazan'ireo mponina ireo!
efa naheno ary aho hoe 2 na 3 millions de mahavidy olona ambony eto amintsika! de misy ny mpanatanteraka mahatsiaro ho maty antoka rehefa tsy mandray tsolotra satria miakatra ao @ olona ao ambonimbony ao fotsiny rizareo de ... vita ny resaka ... tsy maintsy hanao ihany Ratiafahamarinana, ary maimaipoana amin'izay satria efa lasan'ny tao ambony ilay zavatra!
ny gasy eto tsy mandray anjara @ négociations mihitsy fa rizareo no mi-fixer ny conditions!
15. tianjon ( 09/02/2004 13:40)
io an'i levondraky io no marina. isika malagasy koa moa ory hava manana ka aleo ny tsy havana no ampiana.
en plus, tsy misy afaka mikitika ny karana satria efa voavidy daholo ny ambaratonga rehetra. arakaraky ny haavon'ny toerana ny habetsaky ny tapi maso.
raharaha maloto e.
16. steph02 ( 14/07/2005 10:10)
tsy misy an'izany hoe ny karana ihany no mahay maka vola fa ny arireo no hitantsika miahaka ny antony hilazako izany dia mahantra isika ary ritra ny harena tamin nireo fitondrana nifandimby hatramin izao dia malagasy foana no nitondra nahoana no tsy nomen izy ireo tombondalana ireo mpiray tanindrazana amin ny,satria tia tena izy ireo ary nohanin 'izy mianakavy ny harena ary raha tianareo ho fantatra dia maro ireo gasy mpangalatra no manambola fa manafina izay dia isika madinika no asaina mihevitra hoe lasan ny karana ny harena
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.939