Aza mitsara mba tsy ho tsaraina

1. xxx ( 21/05/2003 10:48)
Raha vao misy fitsarana hoe ny ahy no marina ary ny an'ny hafa diso dia efa tafiditra ao anatin'ny fahotana sahady. Fa iza moa ianao no hitsara ny rahalahinao? Andriamanitra irery ihany no afaka mampiditra na tsia any amin'ny famonjena. Miseho ho mahalala an'Andriamanitra mihoatra noho ny zanany izay milaza ny mifanohitra amin'izany. Na ny zanaka aza mantsy tsy mahalala ny sitrapon'ny Ray.
Dia tandremo fa ny vehivavy janga sy ny mpanora-dalàna no mety ho tonga alohanareo any an-danitra.
Ra-sekita
novalian'i RA TAN ny 15/03/2017 03:45
2. doum ( 23/05/2003 17:56)
Tsara tokoa ilay lohahevitra , fa zao no tiko asiana teny kely, mba samy handrosontsika @ finoana dia mirary soa sy maporisika hatrany mba samy hiezaka mafy @ fapanjakana ny finoana ao anatin'ny ts1-1 aloha satria io no miteraka fahatokisana ary avy eo dia misy ho azy ny fanantenana
3. mahaizamifidy ( 20/10/2003 10:49)
Tafiditra ao anatinny fahotana sahady izao Ra-Xxxxxx satria mitsara an-dRa-sekita,izaho koa tafiditra satria mitsara an-dRa Xxxxxx,dia inona izany no hatao?,Xxxxxx mody tsy mahalala ny hataonny Sekita dia izaho koa mody tsy mahalala ny hatonny Xxxxxx,de mba norm ve izany?
4. rfanjav ( 20/10/2003 11:25)
f'angaha moa @ izao misy fiangonana manaiky ho sekta !
ka fiangonana aiza no hoe marina,
ny fantatro fotsiny : tandremo sao dia mijery ny zavatra eny @ hafa ianao, nefa ny zavatra eo amin'ny tarehinao tsy hitanao akory!
dia mipetraka @ izay ny hoe "aza mitsara mba tsy hotsaraina e"
5. xxx ( 20/10/2003 11:36)
Hataovy hoe:tarehin-tsika fa manjary tsy tafiditra ianao sa ahoana?
6. rfanjav ( 21/10/2003 19:15)
eny ary e!
izaho angaha moa manala tena @ izany,
ary tsy mitsara koa mba tsy hotsaraina e!
7. levondraky ( 09/11/2003 13:44)
Ka iza moa izany no tsy ho tsaraina? Rehefa tonga anga ilay Mpitsara dia mety hisy hahita fika hialana amin'ny fitsarany?
Amiko ny marina dia hoe "aza mitsara fa mbola ho tsaraina".
8. kally ( 20/11/2003 16:05)
Asa raha tsaroanareo fa misy teny milaza ao @ Baiboly fa mbola hadinina aminao ny fahotan'ny rahalahinao,ny hevitr'izany dia tompon'andraikitra isika amin'ny tsy mety ataon'ny hafa manodidina antsika,ny mbola dikan'izany dia hoe teneno raha misy tsy mety hitanao manodidina anao fa adidinao izany NEFA aza atao mitarika ady izany,rehefa sarotra tenenina izy aleo ho eo fa efa vita ny adidinao,aza mikasika sy manaraka ny hadalàny fa izay nataonao teo alohano tohizo.Raha misy olona azonao tenenina manaraka firehana heverinao fa mety hahavery azy dia teneno izy,hazavao ny sainy NEFA aza atao hahatapaka ny fihavananareo izany-lasa tsy mety indray mantsy ny ataonao amin'izay,rehefa sarotra tenenina izy avelao ho eo,fa ianao aza manapaka ny fihavananao aminy.Vita ny adidinao aloha izay.
9. fijo ( 21/11/2003 09:09)
ka ny pino anie efa donton'ny dogma dia tsy azo itenenana ninoninona e.zatra mitompoteny fatratra.
10. kally ( 21/11/2003 18:05)
I Azon'i Fijo hazavaina amiko ve ny antony ilazanao fa donton'ny dogma aho?
Aiza amin'ny teny nolazaiko no itsaranao fa donton'ny dogma aho?
11. fijo ( 25/11/2003 10:51)
tsy i kally manokana no lazaiko eto ka.fa ny pino ankapobeny.amin'ny pino dia tsy azo toerina mihintsy ny baiboly.boky anie io e.tantara no ao anatiny.misy ny marina,misy koa ny foronina.ohatra.ny olom-belona voalonany dia adama sy eva.efa nazavaiko tery amin'ny loha hevitra tery ambony io.ohatra hafa.jesoa dia zanak-anitra.taiza?sadam izany zanak'iza?
12. rfanjav ( 26/11/2003 14:18)
fomba ahoana moa no ahafahan'i Fijo milaza fa donton'ny dogma ny mpino,

efa teo ve ianao no niala satria nahatsapa an'izany,
sao kosa fomba fijerinao fotsiny izany, ahafahanao manamarina ny "conviction"-nao,
13. fijo ( 27/11/2003 20:18)
marina fa efa teo aho no niala,araka io lazaiko ery ambony io.ary ny kristianina dia tsy tia toherina amin'nizay finoany.na adihadiana koa ny finoany.raha vao manadihady ianao dia tsotra aminy ny valiny.minoa fotsiny.
14. rfanjav ( 28/11/2003 10:23)
Ravalomanana aza naka an'io "slogan" io hoe : "aza matahotra minoa fotsiny ihany"
dia nino tokoa ny gasy, dia miaina tsara @ izao,

Raha tsapako moa fa mety amiko ilay fiainana inoako, inona no tsy anarahako azy e?!

"Iaveh no mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho!"
15. fijo ( 02/12/2003 15:54)
dia tena tsy misy mahory tokoa ve,sa hoe na dia misy aza dia hoe izy no nanao izao,na hoe fitsapan daholo izao.
16. kally ( 05/12/2003 18:30)
Misy ny zava-mahory fa fantatro fa hivoaka ho mpandresy foana aho avy eo satria Andriamanitra no mitantanay ahy ary ny anjeliny miaro ny tongotro tsy ho tafintohina.
Tsy ho tantaraiko anao ny fiainako fa afaka miteny izany aho!!
17. pitchoune ( 26/01/2004 11:15)
Tsy misy tokony ifampitsara fa tsy aleo ve tonga dia samy manao izay mahatafiditra azy any amin ny fanjakan ny lanitra fotsiny e! Tsy izay manao hoe mivavaka tsinona no tena izy fa izay manaraka ny sitrapony, ao anatin izany ny hoe aza mitsara mba tsy ho tsaraina.
18. fijo ( 28/01/2004 11:10)
io dia fomba fitenin'ny tsy sahy mandray andraikitra.matahotra hotsaraina amin'ny andraikiny izy.
19. six ( 26/02/2004 09:00)
ka raha efa fantatra fa diso kosa ve tsy tokony hahitsy ny lalana izorany? tsy mitsara anie fa manoro e!
20. fijo ( 27/02/2004 20:58)
ka izay mihintsy.ny olona tia mandray andraikitra dia tia toroina sy tsaraina.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2101