Frère amooureux !!!!!!

1. xxx ( 21/05/2003 08:52)
tena resaka marina io an ! Tsy tokony hiala frère ve izy ? S'il embrasse ttes les filles qu'il ....! Tsy mamitaka an'Atra ve izy ! Satria tokony A/tra no Hotiaviny betsaka matoa izy nisafidy io lalana io ! fa tsy ndeh hanaraka ....lol !
novalian'i shala ny 01/10/2013 06:39
2. perla ( 21/05/2003 10:17)
He! amin'ny mahaolona dia mety ho amoureux izy. Ny olana ho azy dia tokony tazoniny ho azy ny blème ny fa tsy manala-bara-batana eo fa ny communauté misy azy mihitsy avy eo no silaka eo
3. ryana ( 21/05/2003 10:32)
Mba tena raharaha kosa izany koa!
Sarotra anefa aloha ny mitsara, raha ny fiheverako.
Tsy aleo ve azy sy an'Andriamanitra izany ê?
Ryana
4. ryana ( 21/05/2003 10:38)
Mba tena raharaha kosa izany koa!
Sarotra anefa aloha ny mitsara, raha ny fiheverako.
Tsy aleo ve azy sy an\'Andriamanitra izany ê?
Ryana
5. xxx ( 21/05/2003 11:06)
Fa inona kay ny Frère izany?
6. xxx ( 21/05/2003 14:55)
Resaka infidélité tokoa io. Ny frère na monpère dia nivoady tsy hanambady. Noho izany dia tsy tokony hataony ny miaraka amin\'ny vehivavy. Tahaka ny olombelona rehetra anefa dia misy ihany ny fahalatsahany. Fahotana lehibe izany. Tsy ny rehetra no latsaka fa ireo izay malemy ihany.
Izao anefa, tsy hoe rehefa latsaka toa izany izy dia hoe tsy tokony hanao frère intsony. Raha misy ve olona manambady kanefa latsaka amin\'ny fampirafesana dia lazaina hoe tsy tokony hanambady izany olona izany? Raha misy dokotera ka maty noho ny hadisoany ilay olona notsaboiny dia hoe tsy tokony hanao dokotera intsony izy? Raha misy avocat kanefa voaheloka mandrapahafaty ilay olona arovany dia hoe tokony hametra-pialana izy? Resaka fidélité daholo mantsy izany.
Ny olona efa nanao mariazy sy manambady aradalàna ohatra dia tena meloka raha mbola latsaka amin\'ny vehivavy hafa ihany. Izy aza no infidele kokoa satria sady infidele eo anatrehan\'Andriamanitra izy no infidele eo anatrehan\'ny vadiny. Sady izay indray olona efa manana ny vadiny izy dia atao inona koa vehivavy hafa? Ny frère mantsy raha latsaka dia hoe ka izy aza tsy nanana. Ny olona manambady rahateo dia antsoina mihitsy hoe mijangajanga amin\'io fotoana io (adultère) fa ilay frère raha niaraka tamin\'ny olona tsy manambady dia fornication no anarany.
Na izany na tsy izany dia fahotana daholo na ny frère izay latsaka @ fakampanahy na ny olona manambady latsaka amin\'ny olona hafa. Ny tokony hataontsika dia ny hivavaka ho azy ireny mba ho tena fidèle tokoa amin\'ny izay engagement noraisiny avy na ny frère izany na ny olona manambady.
7. xxx ( 22/05/2003 12:41)
Saliiii
Tokony hojerena louh raha tena amoureux marina izy. Mety tsy amoureux akorym antsy izy fa manadala anao fotsiny.
Raha tena amoureux izy dia mety hiala tokoa ka tsy misy problem. Fa raha tsy amoureux izy fa manadala fotsiny dia tena diso.
Tsy hoe rehefa mi-embrasser anao akory izy dia amoureux an!!!!
8. xxx ( 23/05/2003 12:53)
Aleo aho hiteny rehefa lazaina fa ....Tsy misy olombeloona tsy manam-pitiavana !Ary samy efa voalamin'A/tra daholo ny fiainantsika ts-1-1 avy ! FA KOSA ny olombelona izay efa nanoka-tena ho an'a/tra , hanompo azy sy hanoa Azy dé tsy tokony ampitovizina @ asan'olombelona toy ny dokoter sy ny avocat !Na oharina @ lehilahy manambady sns..! Tsy tokony hampitovy ny tenanao @ ireny énao ! Sahiko ny miteny fa tsy normale ny lehilahy tsy manadala vehivavy na efa manan ny vadiny aza izy !Fa kosa rehefa ho an'A/tra ny nanoloranao ny tenana sy ny fanahinao dé aoka ho Azy ! fa tsy hoe raha nanoroka anao izy tsy midika hoe tia akory izany !Raha olombelona tsotra samy olombelona no ampirafesinao dé samy "manatitra kitay handorana anareo any @ afo be ianareo" FA RAHA AN/TRA NO AMPIRAFESINAO @ olombelona ! dé NIKOPAK'AFO any @ AFO BE énao !HANATONONA ANAO !
Tsy masaka ara-poto-kevitra énao 'zay ! rehefa A/tra dé A/tra !!!
9. xxx ( 24/05/2003 18:32)
Mahakasika ahy ilay lohahevitra ka raha ianareo no teo amin\'ny toerako dia inona no nataonareo ?
10. xxx ( 26/05/2003 17:12)
Mahalasa saina tokoa ny resaka rehefa mahakasika mopera, na frera na masera. Fa rehefa olona efa manambady na avocat na hafa araka izay voalaza etsy aloha dia toa hamaivanina.
Mora ho antsika ery ny manondro ireo manao ny tsy mety eo amin'ny fiainana. Nefa ny ataon'ny tena toa tsy hita akory indraindray. Raha samy baser-na amin'ny soratra masina ihany ny raisonnement dia aza adino fa ny io fa ao anatin'io Baiboly io koa anie misy milaza fa hoe "Fa inona ianao no mitsara ny rahalahinao, na rahavavinao" ? Izaho tsy miaro hoe ny frera amoureux, fa aza adino ny manodidina azy. Ny tovovavy koa anie ka mitady assurance amin'izao fotoana izao e? Mety hisy olona ho amoureux amin'ny olona izay tsy hitany matetika ve ? na vao maika koa tsy hitany velively akory aza? Farany aza adino koa fa hoe "tomber amoureux" ilay expression originale: Mety misy olona misafidy hianjera amin'ny zavatra iray ve eo amin'ny fiainana? Hatreo aloha fa mbola ho avy.
Misaotra antsika dia mahereza
11. nata ( 27/05/2003 10:18)
Ny olona retra mandalo ao anatiny"phase"eo@fiainany.Tsy haiko na nanao ahoana ny nanapahanao hevitra anao Frère!raha toa mantsy enao naka zay hoe andeha anao Frère ako no ny zava-misy eo@fiainana fotsiny;ilay olona entiny ny onja ny fiainana nakanao ny hevitrao hoe andé anao Frère dia tsy mahagaga loatra enao ra manontany tena @zao fotoana zao hoe inona no ataonao raha "amoureux"enao! nefa ihany koa ra ilay anakiray no jerena dia ny lalana nosafidianinao anie ka lalana tsara!!nefa ihany koa misy anie Frère manambady é!! anga moa zany fahotana eo anatrehan'Atra! fa anjaranao fotsiny ny manadihady hoe inona marina nanekeko anao "Frère" fa rehefa hitanao ny valiny dia ho mazava ho azy eo@nao ny tokony ho ataonao!
Anjaranao ny maka fanapankevitra!! tsy misy olona afaka misafidy eo@toeranao satria fiainanao io!ary tsy misy afaka ny adidy ano ny tokony ho ataonao ihany kou!
Mahereza!
12. levondraky ( 12/06/2003 16:20)
? Fa manin nefa ny frera sy môpera na masera no tsy avela hanambady e? Ny apôstôly avy any aminay any Soatanana dia samy manambady daholo, nefa tsy maninona. Mangataka re e, avelao re ny mpitondra fivavahana mba hanam-pitiavana e. Olombelona zareo fa tsy anjely, ka nahoana no sazina tsy hitia? Ny baiboly ange manome safidy ny olona mpitondra fivavahana na hanambady na tsia e. Asio fanalefahana ny 'Dogme' de tsisy ny olana.
PS: hafakely ndray le adiresy mailaka an'i nata an.
13. voangy ( 16/06/2003 19:44)
tsy hitako izay tokony hanaovana frere raha ohatra ka mbola monoroka vehivavy ihany,satria alohany nidirana tao dia efa fanatrao ny fitsipika rehetra ahoana indray no manoroka vehivavy
14. xxx ( 16/06/2003 12:43)
Izaho aloha de tsy afaka ny hanenjika ann le frère io satria tsy anjarantsika oullmbella ny mitsara.
Hoy ny fitenenana hoe : faites l'amour pas la guerre ! Tsy aleo ve izy mitia oul toy izay mankahala ?
15. anjakely ( 20/06/2003 15:35)
tsy aleo nanao pasitera! reanya nie afaka manambady e! zvt avy amin'andriamanitra ni fitiavana koa naôna no tsy zaraina fa tazonina ao fotsiny!
16. xxx ( 17/07/2003 08:10)
amoureux .p*r* lzy d manin'
17. jahary ( 21/07/2003 09:55)
Ny hevitro @ io de zao e:mbola olombelona izy ary ary @maha olona zay de misy foana ny fanirian'ny nofo.Na masera na mopera na frera na pasitera de tsy afaka @io.Zay no naha-nisy ny pasitera afaka manambady;au moins ils sont en paix avec leur conscience!! na dia volaza aza hoe ireo rehetra voatonina ireo de voatokana hisolo-tena ny apostoly ; ny pasitera sy ny foto-pinoany de namorona dogme hafa afahany miala @ izay teritery zay fa ny mpitondra Katolika kosa die nifikitra @ finioany hatrany am_boalohany kde ny hanokan-tena ho an'Andriamanitra ara-pinoana sy ara-bakiteny araka ny fiheverany sy ny finoanay azy ka arahina hatramin'izao.De hoy aho hoe iza @ izy roa ireo no manana raison?Zay ny @ Fivavahana manaraka an'iKRISTY fa ny hafa koa mety manana toe-javatra tahaka izao.Ka raha momba an'io frère amoureux io de hoy aho hoe Reseo ny fakam-panahy raha azo atao ry zandry fa manahirana zany mi-tromper an'Andriamanitra zany ary aza manamari-tena fa tahaka ny tsy mety, na aleo mifona amin'Andriamanitra de miala mba ho olo-tsotra tahaka anay fa tsy misy afaka hitora-bato anao eo.
misotra e!
18. xxx ( 23/07/2003 19:11)
Resaka toy izao no ilàna ny namana serasera. Tena misy ary tokony iarahana mitady vahaolana io toe- javatra mitranga io. Miala tsiny raha milaza ny zavatra hitan\' ny tena ary ananana porofo . Katekista , diakona, loholona ranamana ary mpiandry ramatoa vadiny (mahafantatra tsara ny toetra ratsy ataon - drangahy ), kanefa hadalainy sy hanaovany firaisana ara- nofo izay vehivavy mifanerasera aminy.Tsy fantatra na ny fahaizany miresaka na zavatra hafa fa dia miraikiraiky izay vehivavy mihaona aminy
Ny olana amin\'io rangahy io dia izao: tsy misy sahy miteny azy amin\'io fomba ratsy fanaony io ny olona , ary izay no mahagaga ahy @ ireo milaza azy ho kristianina : mijery harina an- tava
Izaho manoratra izao dia efa niteny azy teo imason\' ny vadiny : hajanony hoy aho ny fomba ratsy fanaonao , ary ianao ramatoa ampiasao amin - drangahy vadinao ny fahaizanao mamoaka fanahy maloto .
Ilay katekista dia mandà mafy fa tsy manadala vehivavy izany. Ny vadiny ary ireo vehivavy efa voany anefa dia sahy mijoro hovavolombelona

19. xxx ( 24/08/2003 18:00)
Rehefa tsy mahafoy ny fiainan'izao tontolo izao dia tokony tsy hanao Frère satria tsy zavatra moramora ny fidirana @ izany.Ny sasany izany efa nahavita VOADY FARANY dia mbola manao sipa ihany.Mahamenatra.Tokony hajaina ny VOADY natao teo hanatrehan'Andriamanitra.
20. tsotra ( 09/09/2003 14:38)
Mon frère assume ta responsabilité
"Frère" ange ialaly e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1523