Matrix ve mba hainao?

1. dd ( 10/05/2003 16:53)
Iray amin'ireo sarimihetsika nandaniana volabe tsy toko tsy forohana, efa mba nisy nahita ve? ny ahy ny voalohany no hitako... asa raha tena arakarak'izay koa ny hatsarany ...
2. hery ( 11/05/2003 10:08)
Efa nojereko ilay Matrix... raha ilay nivoaka original tamin'ny 1999... efa elaela ihany izay. Misy koa moa ny Matrix suite taty aoriana (The Matrix Revisited, na Matrix Reloaded) Misy lafiny betsaka azo ijerena azy fa ny lafiny roa tena nanaitra dia ara-teknika sy ara-potokevitra. Ara-teknika k'lou dia tena nandaniana vola be sy fotoana be tokoa ny nanao azy iny. Fisehoana kely iray mandritra ny 5 segondra fotsiny (ilay fialana @ tifitra eny ambony tafontrano) dia nandaniana vola sy fitaovana be dia be. Nampisehoan'ny amerikana ny fahaizany mifehy ny haitao.
Fa ny lafiny ara-potokevitra dia ny fizaarana ny tontolo ho roa. Tontolon'ny tena izy sy ny tontolon'ny nofinofy. Ny fiainana an-tany dia toa nofy ihany izay amboarina araka izay tiana hanaovana azy, fa misy fiainana iray - io ilay Matrix - izay tena itoerantsika hibaikoantsika izao fiainana izao... mahalasa saina.
3. dd ( 05/07/2003 10:54)
Ity misy rohy tena mba nanaitra ahy raha miresaka ilay Matrix isika teto.

http://www.inxl6.org/article1039.php

Mbola tsy nijery ilay fizarana faha2 The Matirx Reloaded zaho.
4. xxx ( 01/12/2003 19:27)
tena ratsy be le MATRIX REVOLUTIONS; raha ny fahitako azy io par rapport amin'ny 1 sy 2. Aleoko lavitra hoe tamy 2 dé efa nofaranana. Ilay Reloaded mantsy no tena tsara indrindra.
Nefa moa rehefa hita ny lohany tsy maitsy jerena koa ny vodiny é!
5. targaboy ( 03/12/2003 18:14)
le Matrix 3 no tena tsara satria hita ny fiafaran'ny tantara ary zay vao mazava ny tena votoatin'ny tantara.Ra bangoina amin'y teny tsotra dia tsra ny tantara fa ny indro kely fotsiny dia ny effet spéciaux somary diso tafahotra loatra
6. imasoandro ( 29/01/2004 14:09)
marina aloha fa tena be effets spéciaux tokoa le matrix e! ireo tia effets spéciaux kosa aloha tena hafapo an!
7. donemaskit ( 29/01/2004 14:32)
ny tena mahagaga dia ny hoe : ce n'est que le début ! Atsy aoriana atsy (tsy dia lavitra) dia mbola hahita tsara noho ireny ndray.
8. jhouhlambout ( 30/01/2004 12:45)
Satria: Matrix no karazana introduction ny Film ny XXIè siècle rehetra mbola ho avy.
9. donemaskit ( 30/01/2004 17:23)
exactement, ho an'ny fictions moa zany.
10. jhouhlambout ( 03/02/2004 14:11)
Fa afaka atao Base-ny film vaovao rehetra toy ilay fomba filmer-na sary en 3D tsy mihetsika ohatra.
Na lé ralenti mahatsiravina be ireny
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.208