Sosokevitra kely

1. xxx ( 24/04/2003 16:31)
Manaôna daholozay mamaky!
Zao e:tsy hitanareo tsaratsara ve raha toa ka mba miezaka daholo ny namana ato mba hametaka ny sariny (na sary mbola kely aza)!tsapako fa efa maro ny namana nefa vitsy nomametaka azy io!Ho hitanareo fa vaomaika ho tsara ny fifandraisantsika! :-))
novalian'i fijo ny 13/05/2004 04:52
2. hery ( 01/05/2003 10:58)
Tsara dia tsara tokoa raha mba samy mametraka sary daholo. Misy anefa no tsy mazoto ka atao ahoana ary? Misy koa ny tsy manana ny hikarakarana an'izany.
Ny mi-scan sary any amin'ny cybercafé dia mbola 2000fmg.
Izay indray ary aloha.
3. xxx ( 03/05/2003 09:08)
Ny tsy mampazoto ny sasany angamba indrindra ny vehivavy dia ilay commentaire ataon'ny olona : "manja kosa indry an ! tonga aho dia tara"! Nefa vao voalohany manoratra. Tonga dia fitiavana be no resaka. Dia raha atao izy hoe manambady aho fa afaka minamana ihany isika dia iny no tsy hita, na misy miteny hoe : dia tsy bedin'ny vadinao ve mametraka sary ato ? Dia izay aloha no hitako. NAMANA anefa amiko no tadiavina ato. Ny fitiavana na hisy aza dia tsy tokony voalohan-dresaka. Ka hoy aho amin'ny lehilahy hoe moramorao ihany fa iaraha-mahalala ny hasarotan-kenatry ny vehivevy malagasy.
4. fijo ( 13/05/2004 04:52)
ka avelao hametraka fitiavana izay te hametraka rehefa tsy manompa e,fa tsara kokoa raha samy mametraka sary itsika
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2913