fitsapa-kevitr'olona

1. rhaj0 ( 18/04/2017 13:12)
Araka ny fangatahan'i RBNIR, dia niezaka aho izany ny androso eto sondazy, na fitsapa-kevitr'olona.

1. Nihatsara ve ny fiainanao manokana izay 5 taona lasa izay?
(safidy tokana)
1a. Eny
1b. Tsia
1d. Tsisy ambara
1z. Asio kaomanitera

2. Dia ny @ lafiny inona @ fiainanao no "nihatsara"?
(mety koa raha safidy maro)
2a. Fahasalamana
2b. Fidiram-bola
2d. Fahalalana
2z. Asio kaomanitera

3. Dia inona no antony nampanihatsara ny fiainanao izay?
(safidy tokana)
3a. Fivavahana
3b. Ezaka manokana
3d. Fifandrifian-javatra
3z. Asio kaomanitera


Fanamarihana:
- Dia raha manana fanontaniana ianao dia arosoy koa... malalaka ny sehatra
- Dia sokafy ny saina sy ny fo fa ifampidinihina sy ifanakalozana, na akoriny aza hoe, ho rasarasaina eto ny valinteninao... tsisy mahamenatra io fa zava-misy.


novalian'i rhaj0 ny 27/04/2017 15:19
2. rhaj0 ( 18/04/2017 13:17)
Dia inty ny valinteniko

1. Nihatsara ve ny fiainanao manokana izay 5 taona lasa izay?
(safidy tokana)

== 1d. Tsisy ambara
1z. Efa tafiditra amina routine ilay fiainana tato ho ato. Misosa tsara. Cruise control :-)

2. Dia ny @ lafiny inona @ fiainanao no "nihatsara"?
(mety koa raha safidy maro)

== 2d. Fahalalana
2z. na ny miresaka (manadrohadro) eto fotsiny dia efa nampitombo ny fahalalana :-)

3. Dia inona no antony nampanihatsara ny fiainanao izay?
(safidy tokana)

== 3b. Ezaka manokana
3z. izaho ihany no erany.

3. RBNIR ( 18/04/2017 13:21)
1 Eny
2 lafiny rehetra (indrindra fa fiadanampo) paix intérieur
3a Fivavahana

P.S: fa ilay sondage ange tokony hiantefa manokana sy mivantana amin'ny mpandray 1/10 sy ireo mpivavaka e....

Satria ianao manakiana ilay fampandoavana 1/10 sy ny fivavahana....
4. rhaj0 ( 18/04/2017 13:28)
Ka fanontanina ny ahy izany ho an'i RBNIR

ilay nihatsaran'y 2d. Fahalalana. Dia ny fahalalana an'izao tontolo izao no resahina.
Dia tena 3a. Fivavahana ve no nanampy anao ampitombo fahalalana?
Ohatra hoe, niaraha-nahita teto ny fitomboan'ny fahalalanao ny trou noir :-)


PS: ny @ 1/10, dia tsisy miserasera amiko ireny, fa toa migobona any aminareo any no betsaka. Koa hanontanio ao izany zareo ry RBNIR rahefa avy mitaty 1/10 iny ianao, na hoe, alohan'ny hikepokepohanao ilay 1/10 ao.... :-)
5. rhaj0 ( 18/04/2017 13:32)
fanamarihana.. Azo asiana valin-teninao manokana, 1e sy 2e ary 3e, raha tsy mifanandrify @ eritreritrao ny safidy..
Dia raha misy fanontaniana manitikitika anao ho'a dia arosoy..
:-)
6. RBNIR ( 18/04/2017 13:43)
koa dia ataovy amin'izay tianao atao ao ary koh (enga anie ka ireo mpandray 1/10 sy mpivavaka no tena hamaly ) amin'izay tsy mivoana amin'ilay resantsika tatsy....

http://forum.serasera.org/forum/message/m58eb94a5419ea/20#m58f609acc3da7
7. rhaj0 ( 18/04/2017 13:53)
ahoana aazany no mba famakin-dry RBNIR resaka izany. Efa io apetrako io hoe, "azo asiana valin-teninao manokana, 1e sy 2e ary 3e, raha tsy mifanandrify @ eritreritrao ny safidy", koa inona @ io no tsy azonao, ka hoe "ataoko amin'izay tiako atao"?? Efa nasiako irika io ametrahanao, eny ianao, ny fanontanina manitikitika anao, na koa valin-teny titianao..

Sa rahefa tsisy toko aman'andininy, dia tsy mety mihitsy ny resaka aminao??

Sa, raha ny tena marina, dia sirika be i RBNIR fa absurde be ny valinteninao? Satria @ io ohatra io, dia TSY ao @ Baiboly mihitnsy ianao no nampitombo fahalalana ny @ trou noir..
8. RBNIR ( 18/04/2017 14:24)
Tsy any ilay izy fa aza aodikodina rhajo a! ny resantsika atsy dia hoy aho aminao hoe aleo mihitsy ianao no manao sondage manontany ireo mpandray 1/10 sy mpivavaka ireo sao raha izaho no mamaly dia lasa otran'ny hoe fanadiovantena ilay atao.....
9. rhaj0 ( 18/04/2017 15:00)
k'efa hoe "tsisy miserasera amiko" ny olona voakepoka ny 1/10-karenany. Ary raha ny fahitako ny mpiresaka eto, dia TSISY olona voajonon @ izany koa miditra eto. Ka toa mila voa tsy hary koa anie RBNIR izany eee...

Fa valio azany ny fanontaniana ho anao io ee... "nihatsara ny fahalalanao" (trou noir), hoy ianao ry RBNIR.

Dia hoy aho hoe, tena TSISY idiran'ny fivavahana/finoana/baiboly izany.

Sa tena mbola hoy foana ianao hoe:
- tena i Jesosy mihintsy no efa nahatakatra ny trou noir,
- ary na dia ho trohan'ny trou noir azany ny planeta Latera,
- dia aza matahotra hoz'Izy, fa raofiny @ kalesan-tarihin-tsoavaly fotsiny i RBNIR sy ny akanjo fotsy rebarebany, ary dia miara-misosa eny @ rahona ianareo roaroa.

(mba valio ny resaka ry RBNIR f'aza mba miavona toa io aaa.. ianao nangataka hoe, asivo sondazy, dia io aho mba niezaka, dia iavonavonanao indray... Izany ve dia mba fomba (kristiana) k'le....)
10. RBNIR ( 19/04/2017 04:35)
rhaj0:

k'efa hoe "tsisy miserasera amiko" ny olona voakepoka ny 1/10-karenany. Ary raha ny fahitako ny mpiresaka eto, dia TSISY olona voajonon @ izany koa miditra eto. Ka toa mila voa tsy hary koa anie RBNIR izany eee...

Fa valio azany ny fanontaniana ho anao io ee... "nihatsara ny fahalalanao" (trou noir), hoy ianao ry RBNIR.

Dia hoy aho hoe, tena TSISY idiran'ny fivavahana/finoana/baiboly izany.

Sa tena mbola hoy foana ianao hoe:
- tena i Jesosy mihintsy no efa nahatakatra ny trou noir,
- ary na dia ho trohan'ny trou noir azany ny planeta Latera,
- dia aza matahotra hoz'Izy, fa raofiny @ kalesan-tarihin-tsoavaly fotsiny i RBNIR sy ny akanjo fotsy rebarebany, ary dia miara-misosa eny @ rahona ianareo roaroa.

(mba valio ny resaka ry RBNIR f'aza mba miavona toa io aaa.. ianao nangataka hoe, asivo sondazy, dia io aho mba niezaka, dia iavonavonanao indray... Izany ve dia mba fomba (kristiana) k'le....)

Efa namaly ny anjarako aho, fa aleo hoy aho ny hafa no mba hiteny (mba tsy hilazana hoe manamarintena ny tenako....
Raha tsy misy mamaly moa dia mitombona izany ilay teneninao hoe "tsy mifanerasera aminy marina ianao"...

Raha izay no marina dia tokony ampieritreritra ihany satria dia sanatria v tanteraka aminao tokoa ny fankahalana kristianina ka dia aleonao tsy mifanerasera amin'izireo????
11. hery ( 19/04/2017 09:10)
Aleo mba hamaly

rhaj0:

Araka ny fangatahan'i RBNIR, dia niezaka aho izany ny androso eto sondazy, na fitsapa-kevitr'olona.

1. Nihatsara ve ny fiainanao manokana izay 5 taona lasa izay?
(safidy tokana)


Eny

rhaj0:

2. Dia ny @ lafiny inona @ fiainanao no "nihatsara"?
(mety koa raha safidy maro)
2a. Fahasalamana
2b. Fidiram-bola
2d. Fahalalana
2z. Asio kaomanitera


Izy efatra...
Matetika tsy tsapa raha tsy sendra ohatra an'izao fanontaniana izao.

rhaj0:


3. Dia inona no antony nampanihatsara ny fiainanao izay?
(safidy tokana)
3a. Fivavahana
3b. Ezaka manokana
3d. Fifandrifian-javatra
3z. Asio kaomanitera


Tsy mety safidy tokana... satria betsaka. Teo ny fivavahana (na dia ny calme azo rehefa sendra olana fotsiny aza dia efa vokatry ny vavaka), ny ezaka manokana, misy koa ny fifanandrifian-javatra izay tsy ferana hoe nisy nampifanandrify.

12. rhaj0 ( 19/04/2017 11:30)
Misaotra an'i Hery.. Ny mahaliana (ahy) dia hoe, inona no fihatsarana nentin'ny finoana/fivavahana. (ka io moa ny lohahevidehibe eto).

Dia raha ny fahazoako azy, dia ilay "calme" io no ... zava-dehibe, na dia lazain'i Hery @ ilay hoe, "na dia izay fotsiny aza". Raha mandalina kely aho, dia

1- hoe, ilay calme dia azo satria "mivavaka".. Io izany hotry ny ireny "rite" noforonin'ny sivilizasiona rehetra mba ampandry ny saina ireny, raha ny fahitako azy. Ny mpivavaka @ vato sy vorona koa dia mahita "calme" rahefa manao ny azy. Ny boudista izao no tena mahay ny meditation (io moa dia TSY mitovy @ lamentation ho'a)

2- hoe, ilay "calme" dia azo satria misy "fahatokisana".. io izany toa ilay mpirahalahy mianala, dia ny ao an-tsaina dia hoe, izy hanampy anao foana @ io aleha io. Fa ho an'ny Kristiana, dia misy an'i Ra-Omnipresent (imaginaire) ho eo foana hanampy rahefa ilaina.

3- hoe ilay "calme" dia azo satria misy "fahalalana".. Io izany dia tena matoky, na hoe "mino" moa izany, fa hoe, efa tsisy incertitude na inconnu intsony ny zava-misy, fa hanazava foana eo i Ra-Omniscient, ary tsisy zavatra tsy ho vitan'i Ra-Omnipotent rahefa ilaina, na hoe raha te-hanao azy Izy.


Ka izay ve, sa hoe, mba zarao aminay azany hoe ry Hery inona ity "calme"-nao entin'ny finoanao ity?
13. hery ( 19/04/2017 14:34)
Efa nentiko teto hatramin'izay fa HO AHY ny fivavahana dia expérience personnelle. Izay no tsy mba handreseko lahatra olona satria mety tsy tsapany ilay izy. Tahaka ny sakafo ihany io, raha tsy noana izy tsy mihinana... ary tsy azo terena, indrindra raha tsy tiany ilay sakafo.

Ka fanontaniana personnelle ilay napetrak'i rhaj0 dia valiako amin'izay niainako izay :-)

Samy manana ny zavatra ataony rehefa mitady fiadanana (paix, peace). Ny sasany mifoa, ny sasany meditation mi-boudista, ny sasany vorona sns. Fa izaho miresaka amin'ilay Tompoko... ahy :-)

Tsy haiko ny zavatra pitsopitsony fa fahatsapana manokana ho ahy izany.
14. rhaj0 ( 19/04/2017 15:07)
Saro-takarina tokoany ilay "expérience personnelle" an'i Hery. Koa na i Hery azany miaiky fa tena mety tsy ho takatr'olona, ary izany no tsy irotsahan'i Hery @ f(if)andresen-dahatra satria tena "fahatsapana manokana" tokoany moa izany ilay izy.

Na (tsy) izany azany, dia tena tia ny hi-compr an'ilay izy aho. Ka raha caricaturiser-na ve, dia toatoa ity "expérience personnelle" an'i ... Caillou ity ambany ity (miaraka @ ilay namany Georges) ve ilay izy ao ry Hery?
(aza raisina hoe "maneso" aho na "mikivalavala", fa tena serieux io, satria jereo tsara i Caillou fa tena ... en paix sy calme miaraka @ Georges an..)

15. hery ( 19/04/2017 17:27)
Io ilay noteneniko hoe samy manana ny azy.

Ny sasany miresaka amin'ny psy. Raha ohatra rhaj0 izao miresaka amin'ny psy, tsy fantatro ilay psy, tsy hitako, nefa izay no mampilamina ny saina dia tsy ivakiako loha. Iza tokoa moa no hahalala izay ao ambadiky ny varavarana ao, sns... fa tsy idirako lalina.

Ny sasany mifoka dia maniditsidina dia milamina... izay no mety amin'ny fiainany

Ka raha hoe te hi-compr rhaj0 dia otran'ny hoe eo am'ilay tsy nahomby ny fitadiavana calme tany ho any (mety tamin'ireo ambony ireo) ka mba hitady calme vaovao indray dia tsy otran'ny an'i Caillou ilay izy. Mitadiava zavatra lalindalina ihany :-)
16. rhaj0 ( 19/04/2017 17:53)
Raha ny amiko manokana aloha, raha izay no resak'i Hery farany io, dia diso hevitra ihany i Hery, fa tena TSY @ ilay hoe "tsy nahomby ny fitadiavana calme tany ho any" aho.. Efa "antitra" ihany aho ito, ary tsy (mora) mivadik'ondana izany intsony, fa efa amina dingana hoe, "manaiky-ny-porofo" ho entin'ny Ankizy any aoriana" :-)

Koa raha ny fahitako azy kosa aloha, ny Ankiziko dia TSY mitovy @ Georges sy God. Satria ny Ankiziko dia TSY mbola nandroso resaka. Ary "manaiky" aho na dia tsisy resaka (mivaingana) miroso azany (indraidray).
Fa i Georges sy i God dia io efa mampiresaka tavin-dresaka be io ... ao @ imagination ao.

Raha ny @ tsy itovizan'i Georges sy God indray, dia ... miara-mahita mazava isika io ny @ Georges.
- Ny fahitako azy (avy aty ivelany) dia mitovy i Georges sy God.
- Fa TSY mitovy moa izany, hoy i Hery (avy ao anatiny).
Ny God(-n'i Hery) izany dia tena "fahatsapana manokana" an'i Hery (irery) ao, ary hotrhotry ny tsy ho azon'ny olona hafa mihitnsy... izany ve no tian'i Hery tenenina? Sa afaky ny ho "tsapan'ny hafa" ihany ilay "fahatsapana manokana" an'i Hery (irery) ao?


(ny amadibadihako ny resaka (eto), dia ny iomanako na ny hanamalamana ny resaka @ Ankizy ho'a)
17. hery ( 19/04/2017 18:31)
Azon'ny olona hafa ka, betsaka "izahay" no efa mahatsapa ary mino aho fa izay manandrana ka mahita dia mahatsapa. Maro koa nefa ny tsy mahatsapa sy tsy te hahatsapa, dia io ilay tsy idirako lalina... satria ny lohahevitra dia fitsapa-kevitr'olona :-) samy manana ny heviny
18. rhaj0 ( 19/04/2017 18:49)
ok... "fair enough", hoy ny filazan-dry bekintana izay. Ary tena deraiko kosa aloha i Hery, rahefa misy "tsy mahatsapa sy tsy te hahatsapa, dia io ilay tsy idirako lalina", hozy i Hery teo. Izaho koa taloha, avy aty am-pitan'ny vala aty, dia tena nojereko fotsiny koa (sady mikimokimo irery ihany aho io rahefa nijery).

Fa izao aho, tena mahatsapa fa tena giravibe mihintsy ny fiasan'ny andaniny, ka dia tsy afaka ny "hijery fotsiny" intsony. Koa na i Hery koa azany ohatra vaky vava ihany rahefa mamely ny sekta ohatra. Ny ahy atomboko eto @ internet eto. Indraidray aho ohatra manindrona kely atsy @ ilay facebook-n'ny mpino-tsy-mpino atsy koa.

Fa izay eee... ilay mitsinjo ny Ankizy izay no zava-dehibe (ary iomanako eto io) eee.. satria izaho ho'a dia "manaiky-ny-porofo" ho entin'ny Ankizy any aoriana", fa TSY mandefa ny imagination any @ Georges (sy God) any... :-)
19. hery ( 19/04/2017 23:00)
Eny. Samy mitsinjo ny ankiziny ka. Izahay koa mba ankizy notsinjovina ka tsy manary ilo mby an-doha. Ny sakafo nahabotrabotra ahy ihany no omeko an-janako. Raha toa moa ka tsy ampy azy izany fa sodokan'ny sakafo omen'olona azy izy, dia anjarany izany. Ny adidiko dia ny manome azy izay sakafo nampatanjaka ahy.
20. rhaj0 ( 20/04/2017 01:09)
Raha mitodika @ taloha, dia ny ilo mby an-dohan'ny neniben'i nenibe (sampy) anefa toa mifanipaka @ ny ao io izao (lakroa). Ny fahalalana nahabotrabotra ny dadaben'ny dadabe tena mety ihomehezana fotsiny. Taiza ho aiza ilay firohizana no tapaka dia nakipily? Dia taiza ho aiza no nisavihana ilay ao io izao?

Raha mijery ny ho avy indray, dia iza tokoany no mbola mampihatra ny fitaizana namen'ny RaR-ny tao, na koa ohatra hoe ny fanafody nitaizana taloha tao, fa tsy manaraka ny fivoaran'ny fahalalan-draolona 2017 ohatra?

Fa io moa, raha izany rehetra izany no (tiana ho) takatry ny hoza-doha, dia izay izany fa tsisy ifanomezan-tsiny tokoany ee... Ny fikasana dia tsy hoe dia ratsy. Nefa aloha, indraidray toa efa fantatra fa "ratsy" ilay "atao" ao, nefa toa hotry ny hodiana tsy fantatra fa toa ikimpiana sy atao fiki-maty ao... fa dia maninona loatra ho'a ee...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2839