fitsapa-kevitr'olona

21. RBNIR ( 20/04/2017 05:32)
Fa ianao v te hiverina hanompo sampy koa e? f'angah moa tsy atheiste iringiriny indray???
22. hery ( 20/04/2017 07:51)
rhaj0 > Tsy haiko izay nenibe tany fa ny ray amandreniko no nampita tamiko. :-) Ary tsy ho an'ny zafikeliko fa ho an'ny zanako. Ireo no akaiky sy ananako expérience mivantana.

23. rhaj0 ( 20/04/2017 11:40)
Ho an'i RBNIR, raha milaza ianao hoe: "Fa ianao v te hiverina hanompo sampy koa e", dia eritrereto tsara ao ry RBNIR, fa ny olona dia milaza aminao koa hoe: "Fa ianao v te hiverina hanompo lakroa koa e".
(ny Atheist dia TSY "manompo". Ary TSY manompo an'ireo rehetra ireo.)


Fa ny fahitako an'i Hery dia ... hotry ny tsy hitako tsara ny cohérence-ny. Sahala @ hoe hajao ny Ray sy Reninao, fa tsy mahakasika ny Raibenao anefa izany, mainka moa ny Razanao. Fa io izany safidy ee.. Raha izay no mampetimety ny anao ao, raha izay no zakan'ny tsenanao ao, dia mahasoava izany ee...

24. rhaj0 ( 20/04/2017 16:12)
Misy lahatsoratra an-gazety ity, mamaly ny hoe:
inona no resahin'ny olona rahefa ho faty iny izy.
http://www.cnn.com/2016/12/20/health/what-people-talk-about-before-dying-kerry-egan/?iid=ob_homepage_deskrecommended_pool

Dia hoe, ny resakany dia ny fianakaviana, ny RaR-ny sy ny zanany, sy ny fifankatiavany tamin-dreo. Indraidray azany hono, dia ilay olona ho faty iny, dia miantso na mitady ny RaR (izay matetika efa maty).

Fa tsisy (na tsy dia misy) resaka Andrmntra hono izany eee... Na mpino izy io izany na tsy mpino. Ary na i Mopera azany no mampiresaka.

Ampatsiahiviko fotsiny ny an'i Mandela, hoe, tsisy dikany izany vavaka vavaka izany, fa ampazahoy fanafody, hoz'izy, @ izy efa ho antitra marary ho faty iny...

[size=10](ny izarako an'io dia.. ny olona efa ho faty izany dia lasa eritreritra any @ RaR sy ny zanany (fotsiny)... Dia i Hery koa toa @ izany, fa miampy God ny azy, satria i Hery tena mbola (ho ela) velona[/size] :-)
25. endriny ( 21/04/2017 16:41)
1) 1a Isaky ny mitombo ny taonako dia tsapako fa ny hatsaran'ny fiainana

2) Fa ilay fiainana ange tsy hoe vola sy fahasalamana ary fahalalana fotsiny kosa aloha e. Izaho angamba no diso. Ka tsy misy ambara aho raha ireo. Fa ilay telefaoniko foza izao efa lasa taktila, dia midika ve niha tsara ny fiainako sa nitombo ny idikizo eto anoloako?

3) Ezaka manokana kanefa teo koa ny fifanampiana teo amin'ny fiaraha-monina.
26. rhaj0 ( 21/04/2017 17:31)
Raha fintinina izany h@ izao, dia
1- nihatsara daholo ny fiainantsika
2- teo @ lafiny isan-karazany
3- fa ny antony nitondra ny fihatsarana no misy tsy itovizana kely
-- ny fivavahana -- miisa 1 (RBNIR)
-- ny fivavahana sy hafa -- miisa 1 (Hery)
-- ezaka manokana --- miisa 1 (Rhaj0)
-- ezaka manokana sy hafa --- miisa 1 (Endriny)

Ka dia mifandaja izany eee..


Fa mba tsatoka ny ahy ny fanontaniana napetrako ireo, fa raha manana fanontaniana tsaratsara (na hoe valimpanontaniana tadiavina) ianareo dia arosoy izany eee....

(entre-pa fa mahaliana kosany rahefa mifampanontany toa izao.. mba mazavazava tsara ny an-tsain'ny tsi11... fa dia isaorana daholo)
27. RBNIR ( 24/04/2017 08:07)
tena henjana tokoa ity rhajo a! olona 4 no namohahana ilay statistika......
28. rhaj0 ( 24/04/2017 10:53)
Ny fitsapa-kevitr'olona (sondage) ve ry RBNIR tsy hoe amina "echantillon"? Raha misy eo @ 200 ny nandalo teto, dia raha 4 no voatsapa, na hoe 2%-ny mpandalo, dia toatoa mety kokoa noho ny fanaon'ny olona akoriny aza izany ee... @ ireny fifidianana aty Kanada ireny ohatra, dia eo @ 2000 no tsapaina raha eo @ 35 millions ny Kanadiana.

Fa ny an'i RBNIR moa, "henjana" be io, satria ny fiasan'ny sain'i RBNIR dia .. "faminaniana" fotsiny ihany. Rahefa mahazo mofo (nofo) sy divay (ra) i RBNIR, dia tonga dia mametapetaka petra-dresaka, dia hoe "tena izy" mihintsy ny resakany.

Fa mboal tsy vita azany ny fitsapana ee... aleo atsaraiko kely azany.

=====

1. Nihatsara ve ny fiainanao manokana izay 5 taona lasa izay?
(safidy tokana)
1a. Eny
1b. Tsia
1d. Tsisy ambara
1e. Hafa no ambara (ampiio eto ny valinteninao)
1z. Asio kaomanitera

2. Dia ny @ lafiny inona @ fiainanao no "nihatsara"?
(mety koa raha safidy maro)
2a. Fahasalamana
2b. Fidiram-bola
2d. Fahalalana
2e. Hafa no ambara (ampiio eto ny valinteninao)
2z. Asio kaomanitera

3. Dia inona no antony nampanihatsara ny fiainanao izay?
(mety koa raha safidy maro)
3a. Fivavahana
3b. Ezaka manokana
3d. Fifandrifian-javatra
3e. Hafa no ambara (ampiio eto ny valinteninao)
3z. Asio kaomanitera

4. dia raha manana fanontaniana hafa ianao dia ampio eto koa
29. RBNIR ( 24/04/2017 12:10)
enga anie mba ho maromaro amin'ilay ireo mpandoa 1/10 sy mpivavaka be no mba hamaly....
30. rhaj0 ( 24/04/2017 12:29)
ka io ho'a, rahefa fantany fa izaho Atheist no nanontany, dia tonga dia (mety) akapony ho asan-devoly indray io, ary dia mandositra matahotra misitrika any @ (ambany zipon'ny) Leglizy any zareo eee.. :-)

mila "mivavaka" mafy ianao izany ry RBNIR aa.. Dia hiaraha-mahita eto raha mba "mihaino ny vavakao" ihany izao Andrmntra izao...
31. RBNIR ( 24/04/2017 13:00)
ka nahoana aho no mamaly anao???
32. rhaj0 ( 24/04/2017 13:08)
ka ianao RBNIR ihany no be zizo nangataka hoe, tairo ny sondage. i RBNIR kosa aloha mba misy "decency" ihany ee ... fa nanokatra pot indray angambany eee... :-)
33. RBNIR ( 24/04/2017 13:38)
ny tena marina dia ity, na Andriamanitra aza dia nanaiky, fa sarotra ho an'ny olona ny hino ny fisiany,

Izay indrindra no antony nanirahna an'i Jesosy (rehefa tsy nahasahy nangataka famantarana ny olona).....

Dia tokony otran'izay koa ny fomba fijerin'ireo olon'Andriamanitra, mihezaka mahatsapa ny toerana misy ny olona tsi11 avy, satria tsy hoe hifanaratsy na hifampitsekera na hifanambany sns....

Fa kosa mihezaka ny hanaporofo ny fisian'Andriamanitra sy ny fahamarinan'ny baiboly...mba hinoan'ny olona rehetra ka hahavoavonjy ny fanahiny...
34. RBNIR ( 24/04/2017 13:40)
Ary azo atao tsara izany......« (fa tsy avy amin'ny nofo ny fiadian'ny tafikay, fa mahery amin'Andriamanitra handrava fiarovana mafy); » (2 Korintiana 10:4)


saingy mazava ho azy aloha tsy ny olona rehetra no nomena izany fiadiana mahery izany fa vitsy dia vitsy izy aloha hatreto....

Raha mety ianao dia ho isany ihany koa.....
35. rhaj0 ( 24/04/2017 13:45)
Ka ahoana azany eee.. "hivavaka" ny itomboan'ny mpiresaka mamaly fitsapa-kevitr'olona eto ianao ry RBNIR, araka ny lazainao io ambony o hoe, "enga anie mba ho maromaro amin'ilay ireo mpandoa 1/10 sy mpivavaka be no mba hamaly....",

sa ... hiaiky i RBNIR fa tena "tsisy mihaino izay vavakao" any, satria "tsisy mpihaino", na ny marimarina kokoa, TSISY akory iliay "mpihaino" eritretreretinao (na iimaginer-nao) ao eee...
36. RBNIR ( 25/04/2017 06:09)
Miankina amin'ny sitrapon'Andriamanitra io rhajo a!!!
37. irakiraka ( 25/04/2017 06:11)
Salama isika rehetra e. Mahafinaritra kosa ty lohahevitra ty ;)

Eny, nihatsara
@ lafiny rehetra
Fivavahana ny antony

Kaomantera kely : Mba ahatanteraka izany dia tsy misafosafo fivavahana fa tena milomano ao anatiny: saina – fo – fanahy. Avy eo manao hetsika araka ny voalazan'ny Tenin'Andriamanitra

38. rhaj0 ( 26/04/2017 15:13)
O ry RBNIR aa... niankina t@ "sitrapon'i Irakiraka" ilay izy, ary soa fa "tsara sitrapo" i Irakiraka.

ka dia miampy 1 izany ny score-nareo eee... :)

Aiza daholo ry RBNIR ny namanao "mpandray 1/10 sy ireo mpivavaka e...."
39. irakiraka ( 27/04/2017 08:45)
lol :-)
Ary nitondram-bavaka ana marina nga RBNIR t@ iny, takan'ny vetvet d tapitra lé congé d tafaverina teto ndray :-)
40. RBNIR ( 27/04/2017 08:49)
:-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0961