ramatoa mi-verifier phone isak'izay misy hirika

1. danbal ( 15/01/2012 21:12)
mba ahoana ny hevitrareo raha verifier-dramatoa ny portable(phone io) isaky ny miditra ny trano.Le olana zany de zao e,za aloha vhv,ary zavatra tena voadiniko lava izy ity, na @ namana na @ havana, fa rehefa mody avy miasa rangah ka mametraka an'iny telefone iny, de iny no vonjen-dramatoa raisina voalohany, na tsy atao hoe voalohany aza fa vao midila kely rams de raisina haingana le zavatra,de inona le tena jerena ?-Iza avy no niantso tato(1 zay)- ny msg( 2 zay)- Iza yt num ty fa to tsy fantatro ( 3zay). Mbola alefako ary @ resa-behivavy ary manko izy ity ( satri misy koa lhl manao an'izany). De raikitra eo ny ady, ary io tsy vita mora. Ny fanontaniana apetrako de izao: Fa 'ty olona rehetra mi-phone ny vadinao ty ve zany tsy maintsy tokony ho fantatrao sa aona, mpiara-miasa ohatra, na hoe namana tsotr'izao, na koa hoe mpiray fikambanana, sns ..e. Tonga @ le hoe tsisy iainana...manko, sempotra!
novalian'i ratanty ny 27/07/2012 09:26
2. Dan ( 16/01/2012 09:52)
Zà iharan'io zavatra io, ka marina ny lazainao hoe efa tsy tiana haharitra intsony ve ny tokan-trano?
Lasa ny tena no manao hoe sao dia izy aza no mahina; tena mankaleo be fa mieritreritra kely fotsiny aloha @ ankizy.
Mety ho faible marina koa izy; satria izy tsy hiova mihitsy, fa siora aho fa rehefa mandray fanapa-kevitra ianao dia hanenina izy, fa raha ny hiova @ izao dia tsy hisy
3. Enry ( 17/01/2012 12:50)
fa inona ity kle?
4. andrywui ( 17/01/2012 13:17)
tsotra be zany e....! rehefa hiditra ny trano zany de vonoina daholo ny appel , vonoina ny mesazy mba tsy hisian'ny angano !! ... eny andalana mamono azy de mlammm ny zafera (na nisy maloto aza tao huhuhu)
5. hery ( 17/01/2012 14:29)
Raha tsy manao ratsy dia tsy matahotra an'zany ka.

Amin'ny manaraka vao miditra ny trano ianao dia omeo azy malaky ny phone hoe ity indray jereo... leo izy amin'ny farany dia tsy mijery intsony. Izany hoe aza miandry azy hijery an'ilay phone fa tonga dia ianao mihitsy no manome vao migadona ao an-trano.

Andramo ange e.
6. danbal ( 17/01/2012 15:13)
Salut Hery, ka le olana nge tsy hoe manao ratsy na tsia e, fa le tsy fahalalam-pomba misy mihitsy,za vhv an,haiko ny toetranay vhv, fa raha za no atao an'izany tonga de omena alalana hijery phone isaky ny miditra ny trano zany de ozy a hoe fa inona no mahamahana anao, zahay vhv ange hafahafa e,zay no hanaovako hoe le fahaiza-miaina(savoir-vivre) no tokony hapetraka,fa na de mpivady aza tokony mba misy ny minimum de respect @ zavatra hotrireny, zavatra kely ireny fa raha tsy mahay de ny fiainana iray manontolo no potika.Inona ary ozy enao ny antony hijereny an'iny, misy tsy fahatokisana ao zany!!ka raha iny koa mo enao no sendra nanadino, ny tena olombelona ihany, tsy de hoe efa mihantsy ady mihintsy?? Aoka Hery a, aleo apetraka ihany le fifanajana sy ffifampitokisana, miaraka @ fahalalam-pomba de milamina io e. Mandrapihaona
7. hery ( 17/01/2012 15:36)
Raha tena mpivady dia tsy misy olana izany ka.

Tokony tsy hisy olana aminao ny vadinao na mijery ny phone aza raha tena mpivady mifankatia. Io ilay nolazaiko hoe tokony ilay lehilahy koa rehefa vao tonga ao antrano dia mampiseho ny vadiny ny telephone-ny dia amin'izay izy tsy hitsikilo intsony.

Matoa ny vehivavy curieuse hitsikilo dia misy zavatra ahiahiany ao izay.
8. jesuisla ( 17/01/2012 15:56)
Raha misy olona miezaka ny mitady ny lesoka eo amiko d tena faly aho satri tsy ahita mihitsy izy. D ho hitako eo ny fihetsiny. Inona moa no mampahatezitra? Tsy ny ratsy v? Inona no afenina, tsy ny ratsy v?
9. fahamarinana ( 19/01/2012 09:58)
hery:

Raha tena mpivady dia tsy misy olana izany ka.
Tokony tsy hisy olana aminao ny vadinao na mijery ny phone aza raha tena mpivady mifankatia.

Iny ka marina ...

hery:
Io ilay nolazaiko hoe tokony ilay lehilahy koa rehefa vao tonga ao antrano dia mampiseho ny vadiny ny telephone-ny dia amin'izay izy tsy hitsikilo intsony.

Ohatrany mampihomehy be kosa hoe isaky ny hiditra ny trano dia hoe : indro ny finday jereo rahavako! hihihi !


10. ari.malala ( 19/01/2012 12:53)
aiza ny findainao ry Faha malala! lolll
11. hery ( 19/01/2012 12:57)
Faha> ka raha mpijery phone kosa le ramatoa dia atao an'izay dia leo :-)

ari.malala > ngah misy faha.malala kou ato? lol
12. fahamarinana ( 23/01/2012 18:41)
Ari : hihihi, aza mampihomehy an :D

Hery : Ho ampiana an'izay angamba ny anarako dia mba mitovy "presque" amin'ny Ari ! :) :)
13. perla ( 24/01/2012 10:29)
Az mitady blem fa rehefa tsy nanao ratsy apetraho ny fone, zé te hijery mijereva.
Tsy sensé manana droit an'izany izay mijery, koa raha mahita zavatra hafahafa aza mikafara, iareto ao. Mila raharaha kou.
Tôt ou tard na tsy amin'ny téléphone az no hanaovan-dratsy, ampangain'ny ratsy ataony eny foana houa. Ireny anie ka bombe a retardement e!!! miandry fotoana fotsiny hihihihih
Ny az mba voany ihany
14. labouche ( 26/01/2012 09:41)
Ra nanao fika maimbo de mahane!refa tsy nanao de avelao hitaneo fa izy ndray aveo no tonga saina oe tsy mety ny ataoko.ny any sasany ampiana code le phone ko aizary notsy ho tezitra rafotsy;olona samy ao atrano ve dia ifanafina ne!
15. perla ( 26/01/2012 10:02)
Marina zany Labouche a!!!!
Mazava tsara houé mpivady, raha ny norme dia olona mifankatia sy mifampatoky.
Ka rehefa tsy mifampatoky dé tonga io tsikilo fone io dé mitatra ny raharaha.
d'ailleurs, ho anareo mpitsikilo fone ireny na lahy na vavy , rehefa tsy tratranao amin'ny fone izy fomba hafa indray noataony . Dé ahoana ???? hifampitsikilo mur amin'ny FB sa amin'ny ireo réseaux sociaux sasany ireo???? dé pire encore
Tandremo ihany e!!! aleo tsy mijery fa maka litika ho an'ny tena izany.
16. vale ( 26/01/2012 15:45)
Bjr daholo!
amiko aloha dia tsy hitako ny olana na hifampijery fone aza ny mpivady, ifanaovanay sy ny compagnon ako mantsy io ka tsy hitako ny olana naterany hatramin'izao, na za na izy raha vao misy numéro tsy fantatra miantso dia samy manontany hoe iza izany?, ny anah aza saika isan'andro no mampiasa ny fone-ny aho, ankoatran'izy any am-piasana io, raha vao maneno dia asainy mamaly zah indraindray ka tomber @ namany lhl izany na namany vhv na fianankaviany, ny ahy koa raha misy miantso ahy ka numéro tsy fantany dia manontany izy,raha sendra maneno koa ny fone-ko ka lavitra za dia raisiny , ts'hitako ny problème, ary misy fotoana izy mijery ny fone-ko.Noho izany raha tsy misy zvt afenina tsitako ze hahakirikirina ny andaniny amin'izany, tsy aleo aza ve mifanao an'izay dia samy mazava ny saina toy izay miafina manao ilay izy, vao maika mampiteraka ady.-_^
17. perla ( 27/01/2012 05:27)
Bonjour !
Marina dia marina tsisy kianina ar tsara be anie ry Val io fomba fanaonao sy ny compagnon nao io e!!! ary araka ny teneniko foana, rehefa mipetraka ny mifankatia sy mifampatoky dia tokony hi passe foana ny mijery ny fone ny andaniny sy ny ankilany.
Je reviens sur le vif du sujet, ny olana dia houé "MITSIKILO FONE", ilay terme mitsikilo izany no tena tsy mahad'acc ahy. Fa ny mijery kosa je ne vois pas houé aiza ny olana raha mbola mitoetra ny confiance. Diso aho ve aho?
18. danbal ( 27/01/2012 12:18)
Tena azon'i Perla tsara le tiko tenenina, hoe mitsikilo phone, raha hifanarahana hotrany ny an-dry Vale ange le izy tsy maninona e, fa le hoe mitsikilo mihintsy, vao mihodina ny iray de raisina haingana le telefone de savaina ze ao hoe iza ndray, tena tsy matoky mihintsy zany e, ary zay le lazaiko hoe tsisy iainana, y'en a marre quoi!! Le anadahiko zany no tena victime an'io zavatra io e, hany ka na za anabaviny aza no miantso de efa fanontaniana be hono iny,hoe "sao de miray complice nareo dahy fa sipanao zany de mody ny anabavinao no asainy miantso", ka zay no mahatonga ahy mba nampita an'le resaka amintsika rehetra, hoe sao de mba tsy mety ity misavasava telefone 'ty, fa izy(ma belle soeur)sady mihevitra ahy ho zazakely, no tsy matoky olona, no mihevitra ny olona rehetra fa mitovy aminy, no manambany ny tenany ihany koa, tsy mahalala fomba, zay no nilazako hoe ny olona manao an'io toetra io amiko de faible, @ lafiny rehetra mihintsy an.Je ne deteste pas ma belle soeur, au contraire,parce que c'est la femme de mon frere, il l'aime, lui. Fa raha zavatra hotrizany tsy hitako ze hivadina satria le olona tsy atokisanao mihintsy,ka inona mo zany no iaretanao eo tsy aleo ve misaraka tsisy maratra toy izay hifanome lagy isan'andro mihiratra 'ty.Sady le vadinao ko raha hoe tsy manao inon'inona nefa ataonao an'izany isan'andro,de hotran'ny maniraka azy, farany izy manao kah, sa aona ozy nareo??Za miteny an'le anadahiko hoe aretina ny an'ny vadinareo fa tsy mba hasarota-piaro tsony, c'est trop quand mM!!deja elle n'a pas confiance en elle mM, Et en plus,elle pas confiance a tt le monde,comment vivre avec une situation pareille, fa na ny fianakaviana aza lasa miatakataka sy miafiafy rehefa miresaka aminy, sao heverin'ny madamakely fa mifosa azy.Aza mba sendra ny olona hotranizany aloha fa sahirana ihany an, enao mitazana ndray no fanina!!!
19. jesuisla ( 29/01/2012 16:11)
Natao ahita sy ahalala ny momba anao rehetr ny vadinao. Tena hitany hoe, manao ahoan ianao rehef miakanjo sy tsy miakanjo. Natao miara-matory aminao iz. miara mizara ny soa sy nytsara ary zay rehetra mavesatra.

Natao homena sy hizarana ny vady.

Nisy mpivady, tsy mba nifankahalala, ts miara-matory, tsy mifankahita IZAY REHETRA AFENINA,tsy afaka mifampiresak, tsy afaka ny mba mifankahita, sns,...Nefa tsy misy jamba, na marenina nakoa kilemaina ry zareo.
Tena mba sambatra lahy reny mpivady mifampizar isan'andro ireny. F tsy misy miafina mihitsy, na d hatramin'zay rehetra TOKONY MAHAMENATRA AZ.
Ny ahy ty, d mbola tsy hitan'ny vadiko akor, sdy mbola tsy fantany. (hoy lay iray).

F reny olon tia manafina zavatra @ vadiny reny aloh d toy ny olona ADALADALA no fahitako az. Mb marina moa.

Efa vady zao k inona ndray no hafenina aminy eo. F ngah misy mahamenatra intsony zany é?
Sady rah vao tong eo lay vadiko iny d asehoko azy daholo mihitsy ka. @ zay manko izy tsy ho lasa saina sy hieritreritra zavatra hafa. Tonga d asehok az manotolo lay vola rehetra ao. Firy millions toko moa iz iny? Tena 26mille sisa no tsy nahafeno lay gony.

Az omena, az aseho, asitriho lavitrab, az lazalazaina aminy mihitsy f hivoaka ianao rahapitso, d mody lazao hoe tena mbola sahirana b zao ny société, sdy mbol criz b ko ny firenena. Forony daholo zay mety ho lainga rehetra. D HO HITANAO F TSY MITOVY TOKOA NY LEHILAHY SY NY VEHIVVY.
Zany no antony namitahana voalohany ny Eva, satria isaky ny hanao lay lehilahy d mier fona @ vadiny.
Zany hoe, ho tonga ny fotona handraisan' vehivavy andraikitra sy fanapaha-kevitra. D az mitomany. F samia misotro zay rano notovoziny.

20. jesuisla ( 29/01/2012 16:12)
Natao ahita sy ahalala ny momba anao rehetr ny vadinao. Tena hitany hoe, manao ahoan ianao rehef miakanjo sy tsy miakanjo. Natao miara-matory aminao iz. miara mizara ny soa sy nytsara ary zay rehetra mavesatra.

Natao homena sy hizarana ny vady.

Nisy mpivady, tsy mba nifankahalala, ts miara-matory, tsy mifankahita IZAY REHETRA AFENINA,tsy afaka mifampiresak, tsy afaka ny mba mifankahita, sns,...Nefa tsy misy jamba, na marenina nakoa kilemaina ry zareo.
Tena mba sambatra lahy reny mpivady mifampizar isan'andro ireny. F tsy misy miafina mihitsy, na d hatramin'zay rehetra TOKONY MAHAMENATRA AZ.
Ny ahy ty, d mbola tsy hitan'ny vadiko akor, sdy mbola tsy fantany. (hoy lay iray).

F reny olon tia manafina zavatra @ vadiny reny aloh d toy ny olona ADALADALA no fahitako az. Mb marina moa.

Efa vady zao k inona ndray no hafenina aminy eo. F ngah misy mahamenatra intsony zany é?
Sady rah vao tong eo lay vadiko iny d asehoko azy daholo mihitsy ka. @ zay manko izy tsy ho lasa saina sy hieritreritra zavatra hafa. Tonga d asehok az manotolo lay vola rehetra ao. Firy millions toko moa iz iny? Tena 26mille sisa no tsy nahafeno lay gony.

Az omena, az aseho, asitriho lavitrab, az lazalazaina aminy mihitsy f hivoaka ianao rahapitso, d mody lazao hoe tena mbola sahirana b zao ny société, sdy mbol criz b ko ny firenena. Forony daholo zay mety ho lainga rehetra. D HO HITANAO F TSY MITOVY TOKOA NY LEHILAHY SY NY VEHIVVY.
Zany no antony namitahana voalohany ny Eva, satria isaky ny hanao lay lehilahy d mier fona @ vadiny.
Zany hoe, ho tonga ny fotona handraisan' vehivavy andraikitra sy fanapaha-kevitra. D az mitomany. F samia misotro zay rano notovoziny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7357