Fihevitrareo momba ny olona avy any Ambohimalaza

1. rakizit ( 17/12/2006 15:01)
Ohatran'ny tsy de tiako loatra ny fomba fisainan'ny olona avy any Ambohimalaza (miala tsiny amin'izay avy any a, ary manantena azy hanazava). Manambony razana.
2. xxx ( 17/12/2006 15:02)
De marina v oe nareo samy avy ao iany no afaka mivady?
3. diamondra27 ( 17/12/2006 15:07)
marina izany fa ambony razana tokoa ry zareo ka!
fa Tsy ao ihany no misy ambony razana akory.
Andriana ve no tianao lazaina?

Lazao ahy fa sao de mba fianakams iray ihany isika e!
4. rakizit ( 17/12/2006 15:15)
Zà avy ao fa le fisainan'y olondebe ao tena tsy reveko mitsy e, sady miseho milay doly8-)
5. diamondra27 ( 17/12/2006 15:37)
faly mahalala an'i sytlo sy rakizit

ny anay aloha de mahafinaritra ny fianakams fa be kestion refa mifandray aman'olona e!
hoe: iza iny olona iny?
Avy aiza iny?
Iza ny RAD-ny
tatsy tary
6. bmw333 ( 17/12/2006 15:57)
Mitovy daholo ny olona taranak'iza na avy aiza. Tsy ekena intsony ny fijanon'izany @zao fotoana izao. Anisan'ny tsy mampandroso ny firenentsika izany fomba fisainana lomorina izany. Apetraka amin'ny toerany ary hajaina ireo Mpanjaka sy Andriana fahizay. Tsy midika mihitsy izany hoe ho entina toy izany koa ireo taranany.
7. Fiffi ( 17/12/2006 16:05)
xxx:
za kou avy any
SITLO :b:b:-D
Jereo ny fitsipika fa raha miditra xxx de tsy mahazo manisy sonia avy eo an !


8. felanawil ( 17/12/2006 16:40)
Misy tratra ndray zany:lol:
9. miamiam ( 17/12/2006 18:57)
mahalala olona avy any aho fa tsy maintsy fotsy sy tso bolo no vadin'ny zanany (lahy io) tsy vitan"izany fa manambonimbony tena be ry zareo ka tena mandreraka be mihintsy ny mifanerasera amin-jareo......nefa anie zareo mainty fihodirana fa hoe avy any ambohimalaza fotsiny:?
10. xxx ( 17/12/2006 19:09)
Tsy ny olona avy ao Ambohimalaza rehetra akory no Andriana kanefa maro tokoa no taranak'Andriana avy ao.

Ny maha Andriana, teo @ "Ntaolo", dia azo avy @ fiterahana ka izay no mahatonga azy ho saro-pady. Ry zareo koa moa no to-teny sy mamim-bahoaka teo @ faritra. @ maha tsara sy somary "privilegie" an'le "statut" Andriana dia misy fombafomba, izay natao hanajana azy ireny tany amboalohany ary lasa fomba taty aoriana, manokana ho azy ireo.

Ny lova tsy mifindra moa dia natao hitandrovana an'izay somary tombotsoa izay hijanona ao anatin'ny fianakaviana. Sady fitiavan-tena io, satria tombotsoa manokana tiany ho azy irery--tsy hary ho tompoina sy taritina doly ny olona rehetra fa misy ny mpanompo sy entina vao mety izany, no koa mba hitandrovana ny hasin'ny razana sy tsy hahavery ny sotoavina nisy. Raha olona hafa mantsy no tafiditra ao mety hanova izay fomba efa nisy taloha izy, na handrava tanteraka izany rafitra izany...

Nony nisy anefa ny fanan-jahatany dia tapitra hatreo ny fanjakana monarchie. Rava tsikelikely izany io rafitra mpitondra sy entina nisy io. Ny Ankamaroan'ny Andriana anefa mbola nanana kokoa mihoatra @ vahoaka tsotra ary maro @ izy ireo no nandiha fianarana avo. Nihena tokoa ny lova tsy mifindra, kanefa kosa mbola mifanambady samy Andriana ihany ny ankamaroany (zany hoe tsy mpihavana akory).

Mazava tokoa angamba fa ny razana manan-danja eo @ Malagasy ary ny razana ambony teo aloha mbola ambony foana hatra@ zao. Eo andaniny koa mbola maro ireo manana an'ilay "tsy hidiran-kova" eo @ fasany. Noho izany tsy afaka hampidirina ao ny vady tsy andriana. Ny fasana vaovao taty aoriana moa efa tsy misy an'io intsony ny ankamaroany.

Ny tiako havoitra eto dia ny maha Andriana dia ao anatin'ny rany ka tsy azo esorina velively. Misy ny Andriana sasan-tsasany tsy manambady afatsy Andriana toa azy ihany. Maro kosa anefa, raha tsy ny hoe ny ankamaroany aza, no manambady hova. Ny andevo kosa anefa dia fady tanteraka, ary tena tsy azo ekena mihitsy (hoe racisme nga no hitenenana azy) fa na ra mifangaro sy miendrika hova aza dia tsy azo ampidirina fianakaviana. Mety hiova ihany io any aoriana any fa @ zao ora izao aloha d mbola lavitry ny afo ny kitay. Ny Andriana rahateo mifanaja, ary mampianatra ny zanany ny fomba sy ny zava-nisy ka izay no mahatonga azy mety ho ela vao hiova.

Tsy dia hoe manambony razana loatra izany ilay izy fa efa ambony izy ireny teo aloha ary mbola izay no entina maha ambony azy sy izay taranany aty aoriana. Izany no zavatra nisy. Marihina eto fa tsy ny Andriana rehetra akory no manaraka ireo voalazako ambony ireo fa safidy io. Afaka miala ny fianakaviana ilay olona rehefa te hinia hanao zavatra mifanohitra @ zay.

Tsarava tompoko!
11. xxx ( 17/12/2006 21:13)
mazava fa misaotra an'i xxx e! euh fa i xxx zany andriana ?????:
ny zandriko namambady oul avy any dia niova be mitsy ny fombafombany....voatery n'ilay vadiny koa izy nanova fombafomba e! hitako coincée ihany izy fa tsy maintsy mi s'adapte:°)
12. xxx ( 17/12/2006 23:01)
Mpandefa : rakizit [ Valio ] 17-12-2006 16:01:39
Lohateny : Fihevitrareo momba ny olona avy any Ambohimalaza
Ohatran'ny tsy de tiako loatra ny fomba fisainan'ny olona avy any Ambohimalaza (miala tsiny amin'izay avy any a, ary manantena azy hanazava). Manambony razana



tsy ny rehetra avy any no manana fisainana tahaka izany.
ny raiko izao avy any kanefa nanambady olona tsy avy any mihintsy.

13. sitlo ( 18/12/2006 02:58)
xxx:

za kou avy any
SITLO :b:b:-D



Marina izany Fiffi, tokony aisorin'ny admin io satria tsy izaho akory.
14. pissoa ( 18/12/2006 05:58)
:roll:
15. xxx ( 18/12/2006 10:11)
mbola misy foana ve ny resaka andriana etc... izao? izaho aloha d tsy dia mahavoa loatra ny olona avy ao ambohimalaza satria malaza ho miavona sy mpanambonimbony tena nefa rehefa tena zohina ny tantara dia nasandratra ho "andriana" ry zareo avy ao. ny olona avy ao koa d mazàna mihevitra fa tena ambony razana izy ireo, fa inona moa izany hoe ambony razana anefa?
16. booboo ( 18/12/2006 10:32)
Zareo ara mba fiers(es) @ razan-dreo kouh. Zay resaka razana tany ve no hatao sakana tsy ahazoana oul ? aza miresaka firazanana fotsiny e, na ahodino resaka hafa rehefa mampa-mal à l'aise ny resa-drazany...
17. miarina ( 18/12/2006 12:27)
Izaho dia gaga mihitsy mahita ireto olona manambony tena azy ho andriana ireto. Misy aza mompera malagasy mipetraka aty france amizao fotoana izao mbola mirehareha azy @ mahaandriana azy. Izaho fantatro ny fiaviako ny toerana nisy ny razambenay taloha saingy ty izany a kory no hilazako ny maha izao ahy na izao. Tsy mitovy intsony ny maha Andriana anao t@ iray siecle lasa izay sy izao. Tsy azo ampitahaina @ zavamisy aty antoerankafa ny zavatra misy tao Iarivo (ny any @ province aza mbola manana hasina bediabe tokoa ny andriana any : printsy sy ny ampanjaka). Nanana namana aho printsy ary mbola bdb ny olona miankohoka sy manaja rehefa mahita ny mamany.
18. hery ( 18/12/2006 12:33)
Raha toa ka tena midika privilèges ho an'ny rehetra ny maha avy any Ambohimalaza dia ireo manome privilèges no tokony omena tsiny. Manararaotra ny système izy... ka dia adalan'izay mbola manaiky izany système izany.

Matoa misy ny ambony razana dia satria mbola misy ireo manaiky ny tenany ho ambany razana.

Zaho tsy haiko na andevo na hova na andriana (ra-Baina no fantatro)... fa zah tsy ambany razana izany kah. Mba ambony koa :-)

19. miarina ( 18/12/2006 12:54)
Hery--> izay indrindra. Misy lehilahy iray izay (efa 50 ans izy). Izany zazamarolahy izany hono. Dia ny tena mampihomehy ahy dia hoy izy hoe :'izaho na manao asa ambany aza tsy ambany noho ialahy'. Nihomehy anaty aho naheno izany ... inona no hirahirahiany olona ny fiavianao na inona ianao na inona (@ izay aty andafy no miheboebo ho zazamarolahy). Na manao asa ambany aza ianao raha manaja ny fiarahamonina sy mandray tsara ny mpiarabelona aminao dia mirindra tsara ny fiainanao .. ny azy tonga de hoe izy manao asa ambany fa ambony firazanana.
20. xxx ( 18/12/2006 14:43)
Ny fahitako azy indray dia ilay tsy avy any mihitsy no ohatra ny manambany tena izany. Ny tao an-trano mantsy no hitako, ny reniko avy any ambohimalaza fa ny raiko avy any amin'ny faritany. Araka ny notantarain'i neny azy dia nisy tsy fifankazahoana mihitsy teo amin'ny fianakaviana tamin-dry zareo hivady fa ny dadabenay (avy amin'i neny no nidrikina nanampy anazy roa kely dia raikitra ihany). Fa nony taty aoriana dia isaky ny misy ady kely amin'izy mivady dia miainga foana ilay resaka hoe koa ny havanay moa tsy avy any ambohimalaza ...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3008