Fihevitrareo momba ny olona avy any Ambohimalaza

21. xxx ( 18/12/2006 16:07)
amiko tsy "mérite" fa "fait" sinon "sort" aza no naha andriana ny olona iray, tsy safidy ary tsy nisy ezaka natao manokana ka nahatonga ho andriana na tsia

@ izao vanin'andro izao dia tsy misy andriana sy andevo intsony ka tsy justifié amiko ny manambony tena raha toa ka taranak'andriana ( taranany fotsiny sisa :lol: )

ho an'i xxx > hitako normal ihany ny réaction n'ny nenin'i xxx satria ataon'ny olona resaka be anie izany tsy avy any Ambohimalaza manambady olona avy any izany e. Ny anadahiko nanambady avy any dia izao no nolazain'ny olon-dehibe tao aminay "fantatrao tsara ny dikan'izany hoe hanambady olona avy any Ambohimalaza ?" Ca veut dire ce que ca veut dire hoy ny vazaha
22. Fiffi ( 18/12/2006 16:20)
zah aloha de liana @ zavatra lazainareo eto fa tsy de mahita lazaina @ zany .
23. fasaly ( 18/12/2006 17:21)
andriana aho andrina mandehàna matory any ambany fandrina.....efa mitovy dool zao fa tsisy anzany tsony:roll:
24. xxx ( 18/12/2006 17:59)

Averiko indray fa tsy ny olona avy ao Ambohimalaza rehetra dia andriana doly na dia hoe ilay fitenenana hoe "avy any Ambohimalaza" ary mi-sous entendre hoe andriana. Efa betsaka ny mpihavy taty ao aoriana.

Ity resaka ity dia miankina betsaka @ firesahana sy ny fananarana ary koa torohevitry ny RAD @ zanany. Mitovy @ hoe ny olona zanaka Katolika sarotra be ny hampiova hevitra azy hoe Protestant no tsara sy tena izy et vice versa (Entre parenthese aloha ny Katolika sy Protestant tsisy olana mintsy mifanambady). Ka zay le izy e, efa ao anatin'ny lohany io ary sarotra be hoan'le olona tsy ao (tsy andriana) no hahazo an'le anton'le izy sy maha andriana sy ny sisa e.

D aleo tsy atao lava be le resaka fa tsy hifankahazo mintsy. @ zao fotoana izao ireo taranaka andriana antsoina ihany hoe andriana dia mitovy @ olona rehetra ihany, tsisy maha hoe samihafa azy. Ny andriana tena izy ary tsy hizesta hoe andriana sns @ olona vao hiresahany voalohany. Ny fomba fisainana, ny fihetsika ary mety ny fombanao indraindray dia ahafantarana hoe mety ho andriana ity olona ity.


Ny tena olana @ le izy manko ny sasany tsy mahazo vady noho izay resaka firazanana zay. Ary io aloha d mbola ho otr'izay foana io satria refa maka vady enao no mangataka ary izy no manome. Zany hoe azony ampihatraina ilay hoe andriana sy tsia. Ary izay no mitranga @ zao fotoana izao. Tsy vao izao io, fa efa otr'izay hatrany @ voalohany. Izay no nolazain'ireo RAD, efa lasan-ko razana. Ary izay no arahina.

Karazan'olona somary "conservateur" kely zany ny andriana e. Ka raha toa enao ka nanana razana "andevo", za tsy miteny hoe enao no andevo efa tsisy an'zany tsony, d miova lalana fotsiny ra sendra raikim-pitia @ olona andriana enao.

Tsy voatoery ho izay foana anefa fa ra toa moa enao ka enjana be, d mety ho voavadikao hanaraka anao ilay tovovavy na tovolahy ka izy indray no handao ny fianakaviany sy tsy hiditra fasan-drazana.

25. Bakobako2 ( 18/12/2006 19:32)
Be resaka be dôly ndrindra le xxx , vodona ndray ny mahakasika amndry de manoratra lava be mandreraka,

Refa tratrany rapatrié aty an dafy na andriana ary midona am tolana daôly. samy afrikanina daôly non europeeeeeeeen :-D :-D :-D
26. xxx ( 18/12/2006 19:53)
i Bakobako2 angaha tsy namaky an'ity,
xxx:
andriana dia mitovy @ olona rehetra ihany, tsisy maha hoe samihafa azy.
27. fasaly ( 18/12/2006 20:14)
xxx mananao hoe "dia andao tsy hatao lava be lay iresaka" nefa izy no tena manoratra lava be eo....:°):-D
28. xxx ( 18/12/2006 20:18)
Bakobako2 : efa nikasa tsy hanoratra eto mihitsy aho fa io teninao "mandrangitra" dia hanoratra ihany ny farany :evil: Asa raha hitanao ny fahendrena nolazain'i xxx io
Ny andriana tena izy ary tsy hizesta hoe andriana sns @ olona vao hiresahany voalohany. Ny fomba fisainana, ny fihetsika ary mety ny fombanao indraindray dia ahafantarana hoe mety ho andriana ity olona ity.


Io anie tsy ny "andriana avy ao Ambohimalaza" ihany no misy manana io toetra io e ! Tsy ny avy ao "Antananarivo" irery koa. Saingy rehefa ny avy ao no miteny dia toy ny mendrika ho dorana ho velona, sinon ça passe ! Ianareo angamba mbola tsy tratran'ny hoe "Atao inona koa leisy izay petsay fotsy ? ", na mbola tsy natsipy teny amin'ny tarehinareo ny hoe "Izay hova reraka io no mahafatifaty an'ialahy ??? " sy ny maro hafa. Tsy ianao no hitenenany fa ny zanany lahy, fa ianao manatrika eo fotsiny ary ny teny hainao no hiresahany mba ho henon'ny lava-tsofinao tsara ary ho azonao izay teneniny !

Saingy izahay rehefa voa tsy be menomenona !!! Indrisy, amin'izao fotoana izao tokoa tsy "Izay mangina volamena" intsony no lamaody fa efa lasa "Izay be vava manana ny rariny."

Mankasitraka :)
29. xxx ( 18/12/2006 20:34)
nazavaiko lava le izy mba hahitan'le nanokatra ilay lohahevitra ny tokony hataony. Tsy nazavaiko kosa anefa ny antony hoe andriana sy tsy andriana, efa nazavaiko ihany moa tery ambony e.

fasaly,
ny tena zanak'andriana (ireo tokony nandova ny fanjakana ra nitohy izany) ihany sisa @ ankapobeny no mbola mampihatra an'io fanambadiana samy andriana io. Ny hova tsy fady zany raha toa ka tsy nisy ra hafa tafiditra tao. Miala tsiny indrindra @ izay nety tsy rariny natao anao sy ny fianakavianao.
30. Fiffi ( 19/12/2006 07:35)
mahaliana daholo izy zany....
31. Bakobako2 ( 19/12/2006 08:46)
ountsôôô ! teztra mafy mintsy ndry zany ry xxx , aleo alony atao ba :-*
ka ny marina de za tsy namaky maintsiny fa resaka efa depassé be amiko le resaka , ekeko fa mbola miegzista daôly zany reetra zany zany fa ny ahy ny zavatra tsy mapilamina ahy tondé de zappeko

sady tsy avy any ambohimalaza a no tsy avy any anindrana fa avy any madagasikara de zay ny fantako,
avy any am tany mahantra ny fahafantarany ol a !
fa za tsy mahantra , kolotora daôly zany ady hevitra rehetra zany ary mahaliana fa za tsy o avelako ho dominen'ny toe-javatra toy izany tsony.
:-* :-* :-* :-* :-* :-* :-* :-* :-* bdb xxx
32. rakizit ( 19/12/2006 09:51)
De misaotra anareo rehetra namaly, ary tena nahitana hevitra tokoa, fa amiko aloha d tsy d mety amiko lay fisainan'ny olona avy any e, mety efa voa koa zà angamba de tsy te hierika intsony.:lol:
33. MTN ( 19/12/2006 20:34)
Bakobako2: tena resaka matotra io kah. Rehefa aty ivelany ianao dia tsy maninona fa rehefa tafiditra amin'ny tokatrano io resaka fihaviana sy firazanana io dia tena olana lehibe mihitsy.
Inona fotsiny no mahatonga ny lalana Malagasy hoe raha vao avy any amorotsiraka ny filoha dia tsy maintsy avy afovoatany ny mpiraiminisitra, dia ohatra izay koa, raha avy afovoatany ny filoha dia tsy maintsy avy any amorotsiraka ny pm.

Fa ny ahy fotsiny hoe, raha sendra olona mampiditra resaka ohatra ireny dia tonga dia adabohy. Na resaka malama loha sy borozano io, na resaka andevo...
34. Fiffi ( 19/12/2006 21:10)
rakizit:
, mety efa voa koa zà angamba de tsy te hierika intsony.:lol:
:roll:


35. felanawil ( 19/12/2006 22:38)
marina zany MTN a
36. kelly13 ( 20/12/2006 13:01)
MTN:

Bakobako2: tena resaka matotra io kah. Rehefa aty ivelany ianao dia tsy maninona fa rehefa tafiditra amin'ny tokatrano io resaka fihaviana sy firazanana io dia tena olana lehibe mihitsy.
Inona fotsiny no mahatonga ny lalana Malagasy hoe raha vao avy any amorotsiraka ny filoha dia tsy maintsy avy afovoatany ny mpiraiminisitra, dia ohatra izay koa, raha avy afovoatany ny filoha dia tsy maintsy avy any amorotsiraka ny pm.

Fa ny ahy fotsiny hoe, raha sendra olona mampiditra resaka ohatra ireny dia tonga dia adabohy. Na resaka malama loha sy borozano io, na resaka andevo...

=D=D=D=D=D

37. MTN ( 20/12/2006 15:51)
:oops::oops::oops:
38. diamondra27 ( 20/12/2006 18:07)
rakizit: mot de passe tsarava tompoko^:^^:^:wink::-$:-$:-*:-*
39. xxx ( 20/12/2006 18:16)
8-)
40. Fiffi ( 20/12/2006 18:47)
MTN: fa misy inona akia ? :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1099