Mifanoroka eny an-dalana

1. angie ( 19/03/2004 20:16)
Ahoana no hevitrareo rehefa mahita mpifankatia mifanoroka maharitra eny imason'olona eny? Any Indonesia mandoa sazy lafo be izay tratra manao izany.
2. psykatr ( 19/03/2004 20:46)
Avelao izy hanao ny ataony fa izany no mahafinaritra azy!!
Angie, raha tsy avela manao izy tianao hatao ianao dia inona no ataonao?
3. angie ( 19/03/2004 10:24)
Azonao atao izay tiana saingty tsy tokony ho terenao ny olona hiataka raha tsy te hijery. Raha zavatra tianareo irery tokony ataonareo rehefa irery ianareo sady mba misy tsirony kokoa no mba ialana @ mason'ny olona.
4. angie ( 19/03/2004 10:26)
Ny tena marina koa dia mifanaraka ò toe-tsaina sy fampianarana malagasy izany. Marihiko fa ilay hoe mifanoroka maharitra no olana eto an.
5. joda ( 19/03/2004 12:57)
tsy maninona izany e..ny man...ihany no ratsy sa ahoana
6. kitjo ( 19/03/2004 17:42)
tadidio fa ianao ange miaina anatin fiaraha-monina koa e, ary ny fiaraha-monina misy ny culture sy lalana mifehy azy,
zvt oh zany aloha no t=mahasamihafa antsika @ tandrefana,misy nyzvt tokony oe hivoatra fa tsy mivoatra mankany @ ratsy, asina limite kosa ny zvt atao e,
7. jhouhlambout ( 19/03/2004 19:34)
La liberté d'un individu s'arrête là où commence celle d'un autre! zany izy io
8. hendry ( 20/03/2004 13:09)
Ho ahy manokana tsy olana.
Fa ho antsika "gasy", noho ny toe-tsaina, dia hafahafa ny fahitàna olona mifanoroka maharitra tsisy ahiahy eny imason´olona.
Rehefa mahita toy izany ny ankabeazan´ny gasy dia zao no tonga ao an-doha: tsy menatra!!!
Fa ny mahagaga ahy dia hoe: matsiro kokoa hono ngah rehefa atao imason´olona sa inona no antony anaovana azy imasom-
bahoaka? Zaho tsy sarotiny fa te hahafantatra fotsiny.
9. kitjo ( 21/03/2004 09:59)
zay mitsy no mbola tsy niaraka teny an-dalana ry ramaso an,
le mifanoroka mi scene b reny ange no resahina e,arakarak le izy ka!le fihetsika sy tsy haiko oe firy secondes na firy minitra
10. ikaretsaka ( 21/03/2004 19:38)
ouf! hay ve e.. gaga ihany aho manko.. ary ramaso hoa aza curieux be ohatran'io
11. angie ( 22/03/2004 20:13)
Aty Italie zay jeren'ny masonao dia feno tsy lehibe tsy kely. Marina fa aty tsy dia raharahiko loatra fa rehefa mieritreritra ny any @tsika aho dia kivy sy ketraka. Ao mihintsy ilay hoe fanajana, indrindra fa ny olon-dehibe raha mbola samy tanora eny mantsy azo hiafiana.
12. donemaskit ( 22/03/2004 20:54)
Arakarak'ilay couple ihany io, raha te hi-provoquer sy hisehoseho fotsiny ihany no antony anaovany azy dia mety haharikoriko. Fa raha ohatra kosa vé mpifankatia kosa, tsy hitako izay olana.
13. angie ( 22/03/2004 09:51)
Fa angaha moa raha rsy mifanoroka maharitra eny an-dalàna dia tsy mifankatia. Tokony mba eny @ takotakona na mba tsy misy jiro na zokiolona
14. ikaretsaka ( 22/03/2004 17:04)
ka tsy hay intsony izao ilay heo vokatry ny fo na fitiavana hizesta ko
15. hery ( 24/03/2004 10:05)
défi ihany kou io aloha e :)
1. défi mety ifanaovan'izy roa hoe jerena izay tena mahasahy... izay tsy mahasahy dia manana sipa @ sisiny
2. défi contre-n'ny fiaraha-monina koa ho an'ny sasany. Gafy tsotra izao hialana amin'ny fifehezana isankarazany.
Zà kalou rehefa mahita dé mijanona mijery e... indraindray misy tonga saina dé mifampivandravandra amiko eo. Ka matoa ataony ankalamanjana dia spektakla zay dé mijery zà... dia misy kivy dé miala sy mifindra (izay no tanjoko)
16. angie ( 24/03/2004 19:26)
Dia mijery cinema vivant mihintsy izany i Hery. Aty Europa aloha dia feno eny andalàna na lehibe na ny kely è fa ny resaka anie d ilay any Madagascar e.
17. donemaskit ( 24/03/2004 17:58)
ndeha ry reto andramako io rehefa tonga any Dago ah... !
18. ikaretsaka ( 25/03/2004 10:09)
raha tsy menatra ilay sipa orohan'ialahy rehefa tangoronan'ny olona
19. xxx ( 25/03/2004 14:05)
ka raha zay ary no tiany sy mahazatra azy!!
20. jhouhlambout ( 26/03/2004 19:08)
Dia tokony asiana satroka kely eo @ tany mba ametrahan'ny mpijery vola, satria spéctacle kou!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3838