Fanontaniana hoan'ireo tsy mpino na mpino kristiana niverin-dalana

1. gasy1zay ( 02/03/2015 20:00)
Mba saika hanontany an'ireo namana tsy mpino aho na ireo milaza fa kristiana fahiny fa niverina na niova lalana ankehitriny.

Inona moa ny tena manosika anareo handresy lahatra ny olona fa tsy misy Andriamanitra? Ny Kristiana ohatra mandresy lahatra anareo hoe mivavaha fa misy Andriamanitra satria resy lahatra izahay fa raha tsy miova fijery ianareo dia tsy mba ho vonjena. Ary ny anareo inona ny "motivation" na ny antony ?

Faharoa, inona ny tombony ho anareo tsy mino ka tsy azonareo raha mino ianareo?
2. rhaj0 ( 02/03/2015 20:59)
Efa noresahina tatsy ihany fa ny mamerina in-2 manana ny antitra...

rhaj0:

Strong3:
andresehanao lahatra anay fa aleo athée toa izay kristiana

Izaho indray k'lou TSY ny handresy lahatra ana(re)o no ataoko eto e.. averiko indray: TSY ny handresy lahatra ana(re)o no ataoko eto e..

Mizara ny fijeriko, dia manipika izay fahitako azy eo fotsiny aho ... ohatra izay absurditEs rehetra iaraha-mahita eo io, sy (iarahana) ivanitihana gaigy eto io :-)

... dia izay irevenao azy eo dia mahasoava aminao ao e..


Dia efa hoe ho'a hoe, raha mahasambatra sy mahasoa anao ny finoanao ao, dia inona moa ny idirako @ izany ? ny mahasambatra sy mahasoa ahy mety tsy mety aminao.

Fa ny reciproque-n'izay no hitako tsy misy.. fa tsy quoi, fa izaho fotsiny aloha rahefa mivanitika eto dia ... izay, fa mampi-relax ahy ato am-piasana ato izany :-)


Dia mampome nareo eee... ngo dia "resy lahatra" azany nareo, na dia TSY nisy nihevitra ny handresy lahatra anareo ?? :-)
3. rhaj0 ( 02/03/2015 21:09)
Gasy1zay:
inona ny tombony ho anareo tsy mino ka tsy azonareo raha mino ianareo?

Raha hoe (lasa) "mino" aho, dia ny TSY azoko, dia ny hafalian-tsaiko mitsikarakaraka tsisy tampi-mason-tsoavaly... Mahatsiaro "manavy" ny saiko raha toa ka teriteren'ny (absurditE-n'ny) finoana.

4. gasy1zay ( 03/03/2015 01:04)
resy lahatra aona ary rhaj0, ianao no tena mapme, ianao tsy manana hantenaina rehefa miala ety, ianao tsy manana hianteherana ety an-tany afatsy ny herinao sy ny fahalalanao dia ianao ve no mihevitra fa izany no tokony arahina :)

Tsy resy lahatra fa tena miezaka ny hahazo ny ao andohanao(reo) satria tsy azoko hoe zavatra tsy vidiambola fa alaina fotsiny, tsy andramanareo akory dia lazaina fa hoe tsy izy. Raha ny fotoana nolanianao teto no nandramanao nivavaka mino aho fa efa betsaka ny valimbavaka azonao.
5. Strong3 ( 03/03/2015 06:42)

rhaj0:

Gasy1zay:
inona ny tombony ho anareo tsy mino ka tsy azonareo raha mino ianareo?

Raha hoe (lasa) "mino" aho, dia ny TSY azoko, dia ny hafalian-tsaiko mitsikarakaraka tsisy tampi-mason-tsoavaly... Mahatsiaro "manavy" ny saiko raha toa ka teriteren'ny (absurditE-n'ny) finoana.




efa fantatro oz ny masina ... hihihihi

io teritery entin'ny baiboly io mihitsy no tsy laitranareo ka mahatonga anareo manepoka tsy andeha hivavaka intsony. miverina ho athée satria izay ilay hoe athée hatrany ankibon-dreniny ny olombelona :p

maneritery ve ry rhaj0 ilay hoe aza mangalatra sy hoe aza mamono olona?... sns
tsy soa iombonan'ny fiarahamonina ve izany
6. rhaj0 ( 03/03/2015 11:07)
Ieee..... hozy aho hoe toa ny manao tampi-mason-tsoavaly ho'a ... ary izany dia "manatery" ny fijeriko sy ny fisainako.

Io moa samy manana ny fijeriny sy fahatsapany. Mety ny hafa izao dia mety hoe, toa tadim-bozona (collier) koa ilay "maneritery". Dia ny anareo nefa dia mety hoe, toa ny fitrotron'i maman...

Fa dia samia mahasoava ao @ izay fahatsapany/fijeriny/imagination-ny ao eee...


Fa miresaka mangalatra sy mamono olona i Strong3. Dia sahala @ dia hoe, ny kristianisma ihany no manana ny monopole an'io. Mba akipao ihany ho'a ilay tampi-maso... Mba saintsaino fotsiny mandritra ny 5 segondra ny sosaity amerindiana.. ny azy azany ho'a, tena kepoka sy valaka tanteraka ho'a ilay amerindiana nivahiny tany @ tany kristiana, rahefa nahita ny mahantra fadiranovana eo ambavahadin'ny mpanjaka ... Saoly izy teo? Sa moa Jesoa mpanjaka akoriny izy teo...
7. Strong3 ( 03/03/2015 11:46)
de akory hoe izy ity... inona moa no mety ho tampi-maso handrebireby an'isé ity eo eh...

Lazaiko anao fa sékta ny fiangonana maneritery fisinan'olona izany, fahafahana no nomena ho an'i mino...
ary Atra dia manome safidy malalaka hoan'izay te hanaradia azy. Anjaranao ny misafidy.
de izy io lazainao io namana rehefa tiana dia mitombo tarehy,
rhaj:
Io moa samy manana ny fijeriny sy fahatsapany. Mety ny hafa izao dia mety hoe, toa tadim-bozona (collier) koa ilay "maneritery". Dia ny anareo nefa dia mety hoe, toa ny fitrotron'i maman...

de izany tokoa...
8. rhaj0 ( 03/03/2015 13:47)
Dia izao folklore t@ taona 2000 lasana foana ve no mamehy ny fi(s)ainana @ izao taona 200 izao?
9. endriny ( 03/03/2015 14:56)
Fandrebirebena, Fanambakana, Fanjanahana, ary fandemen-tsaina ny finoana kristianina... Fampanantenana lanitra, io no lazain'ny Ntaolo hoe mpivarotra omby anaty ambiaty.

Omby tsy hitany akory, lanitra tsy hitany akory no amidiny aminao dia akany 1/10 ny harena nisasaranao.

Renim-piangonana iray ihany no haiko hatramin'izay ka hatramin'izao niady ilay atao hoe: Fanavakahavana ara-bolokoditra na tany Eraopa io, na tany Afrika Atsimo indrindra moa fa tany Etazonia. Raha io fiangonana io dia deraiko manokana ny vitany indrindra ry King sy Tutu...

Fa ilay fitsofandrano ny andevo andeha ahondrana tany Toamasina na tany Boeny sy Mahajamba nataon'ny mpitondra fiangonana (Aleo tsy lazaina)... dia itarafanao fa bizn io ry namana

Ny fijoroan'ny fiangonana kristianina mitarika eny amin'ny 13 mai isaky ny misy fanonganam-panjakana sy savorovoro atao

Ny fiantsoan'ilay fiangonana iray hoe tsy ilaina ny teny Malagasy ho entina mampianatra fa tsy mahatonga any an-dafy

Bizn daholo

Mody hoe tsy tia siansa kanefa manangana hopitaly etsy sy eroa, ary tsy ho an'ny mahantra a... Mahantr izy no andeha ho eny amin'ny Ste Claire, na eny amin'ny Loteranina Ambohibao, na ho eny amin'ny Adventista eny Mahazo... Kanefa ireo mahatra ireo ihany no takiana rakitra isaky ny alahady... voka-dehibe in-5 isan-taona, izao miampy ny 4x4 ho an'i Pasitera. Ny an'i Mopera aloha tsy lazaiko intsony na ny an'i Mayhol.
10. bor2lais ( 03/03/2015 16:15)
endriny:

Fandrebirebena, Fanambakana, Fanjanahana, ary fandemen-tsaina ny finoana kristianina...

SOS nohon'ny hafenoan'ny rano be loatra ve izao ry endriny sa efa vavan'ny maty an-drano mihitsy ? :-)

Ouzy le oul 1 'zay hoe : tahaka ny bôlina fingotra io ka arakaraky ny anatontanao azy mafy @ tany no vao maika mampisavoana ambony dia ambony azy ! :-)
11. rhaj0 ( 03/03/2015 16:26)
Nisy dia nisy kosany k'lou no nampiasa ny finoana kristiana ho .. 'Fandrebirebena, Fanambakana, Fanjanahana, ary fandemen-tsaina"... ary dia tena be dia be ny porofo velona ny @ io...

F'ianao moa "mino" fa TSY ny finoanao no manao izany aminao io, ary dia ... anaovan'i Bor2lais langalanga ny baolina an... :-)
12. bor2lais ( 03/03/2015 16:35)
rhaj0:

Nisy dia nisy kosany k'lou no nampiasa ny finoana kristiana ho .. 'Fandrebirebena, Fanambakana, Fanjanahana, ary fandemen-tsaina"... ary dia tena be dia be ny porofo velona ny @ io...

Ka aza afangaro ramose ny finoana Kristiana sy ny fampiasana vilana izany fa lasa mandiso hevitra ny ankizy a ! :-)
13. rhaj0 ( 03/03/2015 16:41)
Ka tena "mino" tanteraka izany i dokotera fa tena "tsy mivilana" ny fampiasanao Bor2lais azy ao ?

Fa ireo hafa rehetra no nanao izay nataony tany, ary tena tsy te-ho associE @ ireny olona ireny mihintsy i Bor2lais ?
14. endriny ( 03/03/2015 16:57)

bor2lais:

endriny:

Fandrebirebena, Fanambakana, Fanjanahana, ary fandemen-tsaina ny finoana kristianina...

Ouzy le oul 1 'zay hoe : tahaka ny bôlina fingotra io ka arakaraky ny anatontanao azy mafy @ tany no vao maika mampisavoana ambony dia ambony azy ! :-)

Ahahahaha... ny fingotra aza efa laniny nanamboarana pine fa baolina plastika indray izao no malaza koa... Dia hojerena raha hisavoana tokoa

Izay hoe misavoana ihany izy ho an'ny taranaka tsy mahalala ny tantarany fa variana mankalaza an'i Abrahama... Mihosora ho'a podira be dia be dia mba lasa fotsy ohatry ny Israelianina vao mivavaka amin'ny Andriamaniny...
15. bor2lais ( 03/03/2015 16:57)
Tsy ny finoana Kristiana akory no ratsy fa (mety) ny fampiasan'ny olona sasany azy no tian'i bor2lais lazaina ka ! :-)

Ny finoana Kristiana ange ramose ka fiainana ea ! Raha tena miaina marina izany ramose tsy afaka ampiasa vilana izany akory ! Fa ho lasa onena ny voarebireby, voambaka, voazanaka sns. :-)
16. endriny ( 03/03/2015 17:00)

bor2lais:

Ka aza afangaro ramose ny finoana Kristiana sy ny fampiasana vilana izany fa lasa mandiso hevitra ny ankizy a ! :-)


Angaha tsy inoan'ny ankizy teny intsony ianao ranamana ka lasa tsy maintsy mampiasa an'ilay afobe sy Atra mba ampitahorana azy...?

Sady ny ankizy ange tsy mijery serasera e... facebook no jereny... sady ity teny Malagasy be ity tsy mahatonga any an-dafy akory, maika moa fa ho any an-danitra? Mila mianatra teny Hebrew mihintsy, fa izay ihany no hain'ilay Atr'Israely...
17. bor2lais ( 03/03/2015 17:14)
:-)
18. endriny ( 04/03/2015 05:25)
Averiko indray ho an'bor2lais

Renim-piangonana iray ihany no haiko hatramin'izay ka hatramin'izao niady ilay atao hoe: Fanavakahavana ara-bolokoditra na tany Eraopa io, na tany Afrika Atsimo indrindra moa fa tany Etazonia. Raha io fiangonana io dia deraiko manokana ny vitany indrindra ry King sy Tutu...

Fa ilay fitsofandrano ny andevo andeha ahondrana tany Toamasina na tany Boeny sy Mahajamba nataon'ny mpitondra fiangonana (Aleo tsy lazaina)... dia itarafanao fa bizn io ry namana

Ny fijoroan'ny fiangonana kristianina mitarika eny amin'ny 13 mai isaky ny misy fanonganam-panjakana sy savorovoro atao

Ny fiantsoan'ilay fiangonana iray hoe tsy ilaina ny teny Malagasy ho entina mampianatra fa tsy mahatonga any an-dafy
19. bor2lais ( 04/03/2015 10:43)
"Fanontaniana hoan'ireo tsy mpino na mpino kristiana niverin-dalana" moa no lohateny, dia lasa mahatsiaro ny tenin'ny namana iray teto izay hoe : matoa ianao niverin-dalana dia mbola tsy nahafantatra sy/na nanandrana sy/na niaina marina ny finoana Kristiana ! :-)
20. Strong3 ( 04/03/2015 10:58)

rhaj0:

Ka tena "mino" tanteraka izany i dokotera fa tena "tsy mivilana" ny fampiasanao Bor2lais azy ao ?

Fa ireo hafa rehetra no nanao izay nataony tany, ary tena tsy te-ho associE @ ireny olona ireny mihintsy i Bor2lais ?


hihihi io indray ry troupeau fa mivoaka... rehefa manaiky fahanandalitra dia lasa troupeau na dia mba nitady ny marina ihany aza teny ampiandohana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3095