Fanontaniana hoan'ireo tsy mpino na mpino kristiana niverin-dalana

41. gasy1zay ( 05/03/2015 18:42)

rhaj0:

Akanga aloha ry Gasy1zay fa .. ahoana koa azany no ampilaharinao ny politika sy ny fivavahana (@ A.trao)..

- Ka rahefa hozy i Endriny hoe ny "finoana/fivavahanao" dia fandemen-tsaina,
- dia hoz'ianao hoe, nataon'ny eoropeanina ireo, ary ny nataon'ny eoropeanina koa dia laicite de l'etat, gay sns... izay fandemen-tsaina koa ???

Tena tsy haiko hoe mba ahoana azany ny fisasa ny nangy aminao, fa tena sasanangy samy hafa ireo :-)

- Ny "finoana/fivavahana" dia amboletra, ekena-tsisy-adi-hevitra fa tonga dia .. priaaahhh... izay hozy ny any ambony, na hoe ilay Avo indrindra.
- Ny politika dia ... mitaratra ny fiaraha-monina eo, ary compromis..

ka ny "priaaahhh-tsisy-adi-hevitra" no fandemen-tsaina.
Ny compromis ao @ politika sy ny adi-hevitra lavabe nisintomana ireo policy ireo izay mitaratra ny fivoatran'ny fiaraha-monina dia TSY fandemen-tsaina.

Ka ny lojikan'ny endriny anie dia hoe ny europeana mpanjanaka ary tsy tsara ny zavatra entiny e! Ka izay ilay lazaiko hoe rehefa metimety aminao dia milay ry zareo fa rehefa tsy mety dia mpanjanaka loll!
42. gasy1zay ( 05/03/2015 18:48)

endriny:

gasy1zay:

Raha tsy fantatrao ny dikan'ny ilay apostoly dia azo adika hoe iraka hitory ny filazantsara, ka tsy nanao izany ve i Paoly? Fa maninona ny antsasaky ny Asan'ny Apostoly dia mitantara ny fitoriana nataony raha izany?

O ry namana a I Magdalenina koa izany Apostoly? Ireo 12 lahy nampianariny ihany no Apostoliny... Izy angaha naniraka an'i Paoly? Izy aza efa maty tamin'izany... Ny mpitory ihany koa izany Apostoly? Dia raha io no marina dia andao hovaina indray ilay boky artifisialy asiana hoe asan'ny mpitory (fa tsy apostoly intsony)

gasy1zay:

Iza indray no nilaza hoe nanodikodina vola i Paoly ry endriny?
Izaho ihany ka..

gasy1zay:

Ianao ry endriny raha te handa ny fandementsaina ataon'ny europeana ka maninona moa ianao tsy manohitra ny laicité de l'état, mariazy "gay", libertinage, sns sns fa izany izao no dradradrain'zareo ankehitriny, sa refa metimety aminao dia tehafana fa rehefa tsy metimety dia fandementsaina :)

laicité de l'état ve? mbola tsy teo tandrefana dia efa nisy teto izany
Izaho manohana gay

[/quote]

Ary raha nandeha izy, dia tonga teo akaikin’ i Damaskosy; ary nisy mazava avy tany an-danitra nanelatrelatra tampoka manodidina azy;
4 dia lavo tamin’ ny tany izy ka nandre feo nanao taminy hoe: Saoly, Saoly, nahoana hianao no manenjika Ahy?
5 Ary hoy izy: Iza moa hianao, Tompoko? Dia hoy Izy: Izaho no Jesosy Izay enjehinao;
6 fa mitsangàna, ka mankanesa ho any an-tanàna, dia holazaina aminao izay mety hataonao.

ka i Jesoa = Jesosy ihany fa sao heverinao fa olona hafa indray :)
43. endriny ( 05/03/2015 19:01)

gasy1zay:

Ka ny lojikan'ny endriny anie dia hoe ny europeana mpanjanaka ary tsy tsara ny zavatra entiny e! Ka izay ilay lazaiko hoe rehefa metimety aminao dia milay ry zareo fa rehefa tsy mety dia mpanjanaka loll!

INona no idiran'ny vitsika amin'ny petrol e? Fa angaha moa izaho noterena nividy taovan-kena... fa ilay fivavahana dia izay tsy manao dia ampitahorina afobe... Misy mihintsy aza olona nodorana fa hoe mpamosavy...

Hoy aho, averiko indray

Hatramin'izay ka hatramin'izao

Renim-piangonana iray ihany no niady ilay atao hoe: Fanavakahavana ara-bolokoditra na tany Eraopa io, na tany Afrika Atsimo indrindra moa fa tany Etazonia. Raha io fiangonana io dia deraiko manokana ny vitany indrindra ry King sy Tutu...

Fa ilay fitsofandrano ny andevo andeha ahondrana tany Toamasina na tany Boeny sy Mahajamba nataon'ny mpitondra fiangonana (Aleo tsy lazaina)... dia itarafanao fa bizn io ry namana

Ny fijoroan'ny fiangonana kristianina mitarika eny amin'ny 13 mai isaky ny misy fanonganam-panjakana sy savorovoro atao

Ny fiantsoan'ilay fiangonana iray hoe tsy ilaina ny teny Malagasy ho entina mampianatra fa tsy mahatonga any an-dafy

Sitlo: "Ampanofainy mora aminao ny trano namboarinao"
44. gasy1zay ( 05/03/2015 19:21)

Teto Gasikara koa nisy kristianina nodorana sy navarina teny ampamarinana, izaho tsy miaro anaram-piangonana na mpitondra fivavahana fa Jesoa Kristy sy ny baiboly.

Fanandevozana, fanjanahan-tany efa navalin'ny tantara fa raha mbola manana lonilony sy ratra-po amin'izany ianao dia tandremo sao marary fo hoy rhaj0 izay fa ny US aza efa Obama no prezida.
45. rhaj0 ( 05/03/2015 19:42)
Raha hanadihady hatrany ifotony, dia, raha ny fahitako azy, dia ilay "hafatra" no jerena, ka halalinina hoe, hatraiza ny vokatry ny asany, fa tsy ilay "mpitondra hafatra", na ny "mpindrana hafatra", na ilay "mpitelin-kafatra" na ...

Ka ny "hafatra" eto dia ny ... Baiboly.
46. Strong3 ( 06/03/2015 13:00)
47. endriny ( 07/03/2015 04:14)

gasy1zay:

Teto Gasikara koa nisy kristianina nodorana sy navarina teny ampamarinana, izaho tsy miaro anaram-piangonana na mpitondra fivavahana fa Jesoa Kristy sy ny baiboly.

Raha nahita katolika novoin'i Ranavaolana ianao dia efa nitsangana ho olo-masina talohan'i Victoir Rasoamanarivo ireo...

Milaza anarana Katolika iray novonoina tamin'izany andro izany? Mpanao sikidy ve ilay vahiny nanome soso-kevitra an'i Ranavalona handroaka an-dry Hastie sy Will's (Anglikanina sy Lutheran)?

Ny tantarantsika aza tsy haintsika, dia ny an'ny Jiosy no atao tsianjery sy hibadabadana. Ohatry ny tsy manana hazon-damosina...

Aiza ny vola hividianako ny lanitra?
48. Strong3 ( 09/03/2015 07:17)
ka ny gasy aza hono jiosy ny ampahany be kou, fa mpiavy ireo vazaha fotsy sy mena sy mavo ary mainty ireo kou...

sa lainga indray izany?! mba araho tsara ny tantara fa aza tonga dia mitsambikina
49. fidinirina ( 16/03/2015 07:28)
endriny:

Paoly Apostoly??? taiza koa no nisy Paoly Apostoly aloha e? I Paoly aza Romanina, dia izy nanafina ny rakitra avy tany Israely nentiny nandositra tany Roma nananganana ilay lazaina hoe fiangonana voalohany...

(Efa ela aho tsy nanoratra teto)

Ity ry-endriny no voasoratra ao anaty Baiboly :

Galatiana 1:1-5:

Fiarahabana
1 Paoly Apostoly - tsy avy tamin’ olona, na tamin’ ny alalan’ olona, fa tamin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy sy Andriamanitra Ray, Izay nanangana Azy tamin’ ny maty -
2 mbamin’ ny rahalahy rehetra izay ato amiko, mamangy ny fiangonana [Gr. eklesia] at? Galatia:
3 ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompontsika,
4 Izay nanolotra ny tenany noho ny fahotantsika, hanafahany antsika amin’ izao miara-belona ratsy fanahy izao [Na: izao andro ratsy izao] , araka ny sitrapon’ Andriamanitra Raintsika;
5 ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.

Tena efa voasoratra mihitsy fa Apostoly izy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1198