Mba valio e.........

1. isrine ( 17/01/2004 09:15)
salut!
Zakako ihany ny fifandrebirebena eto, fa raha resaka fahasalamana kosa de tsy tokony hatao vazivazy, rehefa tsy dokotera enao dia aza misandoka hoe dokotera eto à namana.
Mitady dokotera za, azoko haleha rehefa tonga ao Tana. misaotra betsaka mialoha. De mba omeo ny No tel na email, na ny toerana iasana fotsiny aza raha azo atao
Sitrany ahay tsy mamaly rehefa tsy hilaza raha!
novalian'i cupido ny 11/08/2004 13:41
2. asafi ( 17/01/2004 09:54)
Bonjour!
Izao no lazaiko anao an!!
mahaiza miresaka,fa izany no tsy hamalian'olona anao satria ianao mangataka fanampina indray no mahay vava sy mitrerona,ka na ny docteur tokony hanampy anao aza mody fanina.Mba mahaiza mipitrapitra fa tsy mavandarvandra mampatahotra
3. isrine ( 17/01/2004 19:10)
salut!
inoako fa enao io mitsy no tena mpandrebireby eto. Fa tsy hitanao ny fipitrapitrako eto ambody ordi eto. Mbola tsy sendra ny olona misandoka enao ka be raha lazaina. Efa sendra niresaka t@ dokotera sandoka za teto ary hatr@ zao izy tsy hita ntsony. Ny fahasalamana amiko dia sarobidy!
4. ikaretsaka ( 18/01/2004 11:04)
Raha tena marary k atsy tantinao intsony ry isrine dia ataoko fa tsara kokkoa ny manantona Dokotera, na any tana io na aiza na aiza misy anao, saingy misy ilay teny hoe sery vitan'anamalaho ka hamonoana vantotr'akoho. Toy ny namna rehetra ny namana eto,samy milaza ny heviny (asa raha tadidinao tamin;ny mbola kely hoe raha mananona hono leity dia maha anona an) fa anjaranao no maka izay mifanendriak amin'ny ilainao
izay ihany
5. kally ( 18/01/2004 14:25)
isrine,ianao ihany no milaza fa raha fahasalamana tsy atao kivazivazy,ka aza miantehitra loatra eto ,tsy ampy anie ny filazàna tsotra hoe ohatr'izao ny fisehony,ianao mihitsy no mila jeren'ny mpitsabo mba hahafahany manome ny fitsaboana mifanandrify @ toe-batanao.
6. fetra ( 18/01/2004 15:39)
Fa inona tokoa mantsy ny aretinao io e?
7. isrine ( 19/01/2004 18:23)
salut!
Ny aretina mahazo ahy dia ahy irery, fa ny fametrahako hafatra eto no ahalalako fa serieux na tsia isika eto @ namana. Matoa za tsy mamanjy dokotera aty aminay dia satria tsy aretina hamono ahy androany na rahampitso no mahazo ahy.
8. ikaretsaka ( 19/01/2004 12:46)
ka izay efa lazaiko an'I isrine izay hoe ny eto tsy misy maha samihafa anazy amin'ilay resaka any ampianarana sy samy mpinamana ilay heo izao indray hono akia a. dia iny arakakaraka ny fandraisanao azy.
Fa mba gaga ihany aho ho earetina anao samirery no tsy sahinao lazaina mivantana nefa ilainao vonjy ato.. asa re!
9. samoina ( 23/01/2004 14:11)
Mividiana gazety ianao Isrine fa ao anatin'ireny ahitanao adiresy sy nomerao maro mikasika toera-pitsaboina sy dokotera.Aleo ianao no misafidy satria tsy fantatray ny mahazo anao ka tsy afaka manoro spécialiste ho anao zahay.
10. isrine ( 17/02/2004 13:38)
salut
rehefa marary anie de mankany @ dokotera aloha, fa tsy tonga de mankany @ spécialiste zany e, de ny dokotera no milaza hoe mankanesa any @ toy izao na izao.
aty aminay za tsy hahita gazety zany ry zareo a,
11. kally ( 17/02/2004 14:01)
Ary efa angaha tsy salamalama i isrine no ela be indray vao hita?
12. isrine ( 10/03/2004 13:18)
za anie tsy hoe marary mila mpitsabo maika e, fa mila mijery dokotera satria mahatsiaro fa betsaka ny zavatra tsy mety2 amiko.
13. toubib ( 13/03/2004 18:00)
Salut isrine! efa ato indray zah zao d manorata mivantana any amiko d zao koa an! omeo ahy ny adiresy hafa hahafahana mandefa document sous forme de pièce jointe any aminao ! zany an de aza kizintina intsony!
14. isrine ( 18/03/2004 20:12)
akory Toubib!
velona indray angaha ity ianao? Ianao io mihitsy anie no isan'ny tsy serieux eto e. tsy mila document za ry toubib fa ny fanontaniako no valio. Lany fotoana fotsiny za nanoratra taminao h@ zay.
15. voninkazokely ( 04/04/2004 15:30)
Ary efa nandraman'isrene ve ilay pipithérapie? sao mba hahasitrana anao ilay izy alohan'ny hanatonanao ny tena dokotera sérieux.
Sady gratuit no tsy lavitra ny misy azy!
Izahay taloha nandeha tany amin'ny OSTIE Behoririka rehefa marary.
16. noemy ( 15/04/2004 15:46)
isrine a! feno dokotera ao dago ohatra andravahangy a lona taloha eny @gerard ao eny befela koa feno specialiste ny hopitaly priver nefa notena haingana mahay daholo fa any avy dia miasa ny mahagaga de izao ny olona aty dago milomay makaty andafy ianao makaty dago tsy ratsy ka!
17. cupido ( 11/08/2004 13:41)
Ny dokotera indray dia bdb ary samy mahay daholo ka tsara raha fantatra hoe tena mitady dokotera spesialista v enao? Sa rehefa dokotera?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4675