Ny Fitiavana sy ny Fivavahana/Finoana (2)

1. rhaj0 ( 21/09/2017 17:06)
Tohizako eto indray ity fa toa voan'ny safo-dresaka tary :-)...
http://forum.serasera.org/forum/message/m599329e014146

rhaj0:
Fa ny tiako resahina, dia ny Fitiavana, araky notoriana tao @ Tempoly Hindou io teo. Ny takatro t@ tori-teny dia:
1- ny fototry ny Fitiavana (Hindou) dia ny Fahalalana.

1a- Mila mahalala ny tenanao aloha ianao

Ilay "filaminan'ny tenanao sy ianao" dia 1-ara-batana, 2-ara-fiaina, 3-ara-tsaina sy ara-po, ary ... 4-ara-panahy (méditation). Rakofan'ny Yoga daholo ireo.

1a.1- mila milamina (confortable sy à l'aise) @ tenanao ianao, @ fipetraka isan-karazany (dans toutes positions) ... Ny voalohany izany dia fitaizam-batana.

1a.2- mila mahafehy tsara ny fiaina (respiration) koa izany ianao ... Arahina @ ilay fitempon'ny fiaina, dia eritreretina ny vatana... Ny ifantohana, rahefa miaina milamina io, dia ny ampi-relaxe ilay vatana sy rantsambatana (sy ny hozatra...).

1a.3- mila mahafehy tsara ny saina/fo izany ianao. Koa izay voaeritreritra/voatsapan'ny fo/saina ao izany dia
- hoe, "ekena" (reconnaitre et accepter) ny fisehony sy fiantraikany eo (ary).. ezahina "tsindriana" na koa "ahilika" (na miabo, indrindra ny miiba).

Eto izany raha efa voafehy tsara ny (fipetraky ny) vatana, sy ny fiaina milamina, ary rehefa kalamina ko ny fo sy sainaa, dia ... sahala @ ireny zazakely sambatra handeha hatory iny ianao eo izany... ary dia ho tianao ny tenanao.

Rehefa amina fitoetra (état) hoe, "tianao ny tenanao" (satria "fantatrao" na "mahalala" ny tenanao rahefa mi-yoga ianao eo io), dia afaka mitodika @ hafa manodidina anao @ izay ianao. RAha TSY tianao ny tenanao, raha tsy mahalala ny tenanao akoriny ianao, na indrindra koa hoe, tsy kalamina ianao (vatana, fiaina, saina/fo), dia misy fiantraikany @ fijery na fieritreretanao (sy fitiavanao) ny hafa izany.

Entre-pa fa raha mitohy @ Yoga ianao eo, satria mahafeno ny 1a.3 ("zazakely sambatra"), dia miditra @ 1a.4 = "méditation" (mi)araka ny Finoany (miaraka @ Ganesh sy Vishnu sns...). TSy hidirako lalina ny @ io.

FA raha ny dingana manaraka @ "Fitiavana" avy eto @ 1a.3 ("zazakely sambatra") indray kosa, dia ny "ahalalanao ny hafa". Satria...

1b- ny fahalalanao ny hafa indray, dia (afaka) mitondra ho azy @ fandeferana (tolerance) sy firaisam-po (compassion), ka mahatonga anao ho mora mitia ny hafa.


Eto izao no (mbola) idiran'ny Finoana/Fivavahana. Raiki-tapisaka @ finoana/fivavahana ilay (fomba) fieritreritra.

Taratro @ Hindou, dia ao anatiny ao (mihitsy) ny fitiavana ny hahalala ny hafa.

Tsisy complexe mihintsy izy mandoka na mamoaka ny pozitifa @ Finoana hafa, na i Jesosy io na Mahomet na Atheista. Satria "mahalala ny tenany" sy ny Finoany izy, ary tiany ny azy, dia tsy mivaralila @ ny an'ny hafa izy. Ary "mahalala" ireo hafa ireo koa izy, ary dia "manaiky" (mi-reconnaitre) izay paozitifa amin-dreo.

Dia mieritreritra izy fa (tokony) mifamaly (reciproque) koa izany @ samy olb (tsy mitovy finoana).

Ity efa noresahina teto ihany
http://forum.serasera.org/forum/message/m3fccf477bf0af
"ny ampianarin'ny antitra (hendry) anay, dia
jereo ho'zy ny tendron'i Himalaya... marobe
ny lalana mitondra mankany (segaondera sy
otorouty ho'zy nareo)..
"

Eo izany, "mahalala" ny lalana tsikarohany zareo, "mahalala" koa fa misy lalana hafa koa tsikarohan'ny hafa.

Ny noresahina tao moa, dia hoe, ny Kristiana anie ka TSY (te)-ahalala ny hafa, ary TSY (te-)ahalala fa misy lalana hafa koa anie tsikarohan'ny ireo hafa ireo. Ka nahavaky vava ny Hindu (sy Sikh sy Moslimo sns...), ka nitnenan-dreo ilay Kristiana hoe:

"ka "zovy" moa no afaka hilaza hoe
ny "lalana misy azy ao" no "tena izy"?
"
novalian'i Miharena ny 27/10/2017 18:44
2. Miharena ( 22/09/2017 05:25)
"ka "zovy" moa no afaka hilaza hoe
ny "lalana misy azy ao" no "tena izy"?"


Ity fanontaniana ity ary no hojerena tsara eto.

Ny filazanao etsy ambony moa dia miteny hoe ny Kristianina no tsy te-hahalala ny hafa.

Diso aloha izay resaka izay satria matoa Jesoa nilaza hoe mandehana ianareo dia ataovy mpianatro ny firenena rehetra dia efa mazava fa mizara ny Krsitianina fa tsy tia tena.

FItoriana Filazan-tsara no nolazaina hatrizay. Asa ny fandraisana izany na fitiavan-tena na fitiava-namana!

Ny Yoga izany dia mazava fa tia ny tena aloha vao tia ny hafa!

Ny didy Kristianina milaza hoe tiava ny namanao tahaka ny tenanao. Mitovy ihany izany ireo roa ireo raha zohina angamba fa tsy hidirana laina indray hoe iza no mialoha, namana sa tena?

Ny mahasamihafa azy fotsiny dia ilay hoe Vishnu sy Ganesh izay tsy ao amin'ny kolom-panahy Kristianina. Ny Fanahy Masina izay iraisana amin'i Jesoa sy Jehovah no an'ny Kristianina.

Ny fanontaniana tokony hipoitra eto izao dia hoe : Izay Ganesh sy Vishnu ary manao inona?

Ny an'ny Kristianina manko dia efa voalaza hoe Jesoa no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana ary Jehovah no efa niteny hoe IZAHO IZAY IZY HATRIZAY KA HO MANZDRAKIZAY.

Dia azo valiana eto hoe iza ary no milaza fa misy lalana maro?

Fa ny fantatra manko ho an'ny Kristianina dia lalana roa ihany no misy : Fiainana sy fahaverezana.

3. rhaj0 ( 22/09/2017 12:22)
Efa nomena ihany lay rohy manondro ny resaka teto @ serasera teto. FA toa tsy rohizin-dry Miharena akoriny moa, ka dia apetrako eto indray izany ilay izy

rhaj - 02/12/2003 20:22:
manahoana

nisy fandaharana t@ tele taty Kanada, omaly..
ny foto-dresaka dia ny hoe afaky ny hiara-hiaina
anatin'ny "pluralisme" (religieux) ve isikana..
tafiditra @ izany h@ atheist...

ny hany tavela ato an-tsaiko dia ireto.
(raha misy diso izay tantaraiko eto dia miangavy
ny namana hanitsy/hanampy...).

Hoy ilay ranamana iray (Sikh izy)..

k'izy ity anie sahala @ilay tantara-kisary hoe,
nisy jamba maromaro asaina mitsapa elefanta,
ary milaza hoe inona ilay izy. Samy milaza ny
"truth" tsapany. Dia nefany, "zovy" moa no
afaka hilaza-tena fa "mahita", ary hilaza fa ny
fahatsapany no "tena izy"? "zovy"?

dia nanamafy ilay ranamana iray (Hindu izy)..

ny ampianarin'ny antitra (hendry) anay, dia
jereo ho'zy ny tendron'i Himalaya... marobe
ny lalana mitondra mankany (segaondera sy
otorouty ho'zy nareo).. ka "zovy" moa no
afaka hilaza hoe ny "lalana misy azy ao" no
"tena izy"?

ny piraobilema teo mantsy dia, nisy ranamana
iray, kristianina-evanzelisita izy. Izy dia manaiky
koa ilay tantara-kisary-elefanta sy lalana-
mankany-Himalaya, fa ny tantara-kisary
nanampiany azy dia hoe..

sahala @ mankany @ dokotera anie izy ity e..
dokotera samy hafa mety hilaza samy hafa..
ka raha mahalala aho hoe, ity dokotera ity
no "tena izy", dia mahatsiaro manana "adidy"
ny hilaza ny rehetra aho f'izay no "tena izy"...

nisy kristianina iray (united church izany) moa
nanala-tena t@ hevitr'ilay kristianina-evanzelista,
ka nilaza hoe ilay "diversity" dia ekeny sy hajainy,
ary akory aza, mampanankarena na manamafy
orina ny "finoany"; ary izy (zareo) dia tsy
handresy lahatra ny hafa hoe "midira aty aminay"..

Dia ho'z'izy: "accident at birth" anie ny
naha-kristianina ahy.. raha tany Arabie aho no
teraka, dia mety ho mosilimo-kely-sambatra.
Dia ho'zy ilay Hindu nanamafy hoe: izaho, dia
jiosy-kely-sambatra, bodista-kely-sambatra...
ny tiako lazaina, dia ny anarana no samy hafa,
fa ny fikatsahana sns.. dia mitovy ihany..

Fa hoy ilay Sikh hoe.. ny "religion" (aminy) dia
sahala @ hoe "path" mitondra.. mankany-mankany.
Ao anatiny ao ianao, tena mbola "eo am-pikarohana".
Ny teny hoe Sikh dia midika hoe mpianatra.
Nanamafy ilay Hindu, f'zareo koa, na ny tenany aza
dia efa hananany "doute" fa "tsy-mahalala": tsy
ao anatin'ny soatoavin-drizareo ireo mihintsy ny
hilaza fa "izao no tena izy".

Dia hoy ilay Sikh.. ny "religion" (isan-karazany)
anie dia ahatongavana @ tsara... sy ny ratsy.
Raha ny tato ho ato, dia nampiasaina ho @
"ratsy" ilay izy. Ny olana dia ny "sasany" dia
mihevitra fa ny azy no 'tena izy", zony izany,
nefany izany dia ampiarahiny @ "action" ataony
@ hafa. Ilay hafa @io tsy mitovy hevitry aminy.
Ary izany no anton'izao "ratsy" rehetra hiainantsika izao..

Ny isan'ny namaranan'ilay Sikh ny resany dia..

ianao ao @ Finoanao ao, asa-mitohy-goavana-tsy-vita
mihintsy ny fitadiavanao ny hankany-hankany..
k'aza tsindritsindriana ny hafa ny @ finoaNAO.
Ny anao hatrehina, fa ilay "mpamonjy" no hisarika
ny hafa hankany-hankany, toa ny nisarihany anao.
Ary anay izay tsy mitovy aminao, mba ameo zo zahay
@ ataonay ao @ "fitadiavanay" ato, ameo zo zahay,
ary zonay akoriny aza 'zany, na ho diso aza..

mandrapiresaka

rhaj
4. Miharena ( 22/09/2017 19:02)

Ny isan'ny namaranan'ilay Sikh ny resany dia..

ianao ao @ Finoanao ao, asa-mitohy-goavana-tsy-vita
mihintsy ny fitadiavanao ny hankany-hankany..
k'aza tsindritsindriana ny hafa ny @ finoaNAO.
Ny anao hatrehina, fa ilay "mpamonjy" no hisarika
ny hafa hankany-hankany, toa ny nisarihany anao.
Ary anay izay tsy mitovy aminao, mba ameo zo zahay
@ ataonay ao @ "fitadiavanay" ato, ameo zo zahay,
ary zonay akoriny aza 'zany, na ho diso aza..


Ity ihany no hitako hoe misy zava-mahagaga eo amin'ny fomban'ilay Sikh!

Raha milaza izy fa malalaka tsara dia tsy nangataka ZO izany.

Iza moa no manala ny zony? Fa satria izy teritery ihany ary manana fiahotrahorana dia mangataka izany amin'ny hafa tsy mitovy firehana aminy izany.

Izany hoe lasa firehan-kevitra ilay religion aminy fa tsy fahamarinana tsy azo ivalozana.

Ny tiana ambara anefa dia ilay fahamarinana tsy azo ivalozana raha ny Kristianina no resahanao satria izay nitranga sy hitranga momba ny fiainana mandrakizay no resahany fa tsy ny kitsapatsapa vodin'akoho, ka raha tsy atody dia ..!

Isan'ny tena fangatahana zo ohatra ny nataon'ny Devoly ny hitoerany tany anaty Kisoa.

Ka io tsy sanatria manaratsy ilay mpangataka zo fa izay mahatsiaro tery no mangataka izany.

Fa Jesoa aloha dia nilaza fa tery ny lalana mankany amin'ny fiainana ka vitsy no mahita azy, fa malalaka kosa ny lalana mankany amin'ny fahaverezana ka maro no mizotra mankany.
5. rhaj0 ( 22/09/2017 22:14)
rhaj:

nisy ranamana iray, kristianina-evanzelisita izy...
sahala @ mankany @ dokotera anie izy ity e..
dokotera samy hafa mety hilaza samy hafa..
ka raha mahalala aho hoe, ity dokotera ity
no "tena izy", dia mahatsiaro manana "adidy"
ny hilaza ny rehetra aho f'izay no "tena izy"...

nisy kristianina iray (united church izany) moa
nanala-tena t@ hevitr'ilay kristianina-evanzelista,
ka nilaza hoe ilay "diversity" dia ekeny sy hajainy,
ary akory aza, mampanankarena na manamafy
orina ny "finoany"; ary izy (zareo) dia tsy
handresy lahatra ny hafa hoe "midira aty aminay"..

Fa ny atheista mandeha helikoptera ry Miharena aa... TSY ao anaty Baiboly izany, ary TSy takatr'i Paoly mihintsy.
6. rhaj0 ( 25/09/2017 13:08)
@ ilay mikatsaka "Fahalalana", izay fototry ny Fitiavana, dia revy raiki-tapisaka @ Finoana Hindu hoy aho teo.

Fa jereo anie ny maha-samy hafa BE ny Kristiana sy ny Olona hafa raha resaka "Fahalalana" ee..


- Ny an'ny Hindu izao dia hoe :
"ny tenany aza dia efa hananany "doute" fa "tsy-mahalala": tsy ao anatin'ny soatoavin-drizareo ireo mihintsy ny hilaza fa "izao no tena izy"."

- Ny Sikh koa dia efa nametraka mazava fa
"Sikh dia midika hoe mpianatra"

- ny Atheista (na koa Siantista) izao dia mametraka foana fa ny "Fahalalana" dia "Work in Progress"

- Ny an'ny Kristiana anefa dia tonga dia mihebohebo ho "mahalala" izy hoe, izao sy izao hono no "Tena Izy", ny dokoterany IHANY hono no Tena Izy. ny tenabe-ny ihany no Kristiana Tena Izy (na ny Kristiana hafa tsy mitovy eritreritra aminy aza moa dia soketainy ho "Tsy Tena izy".
Ary dia tena Ibaotsimivily mihintsy RAkrisy rehefa manao ilay Itsimanaoafatsynysaimpantany iny. "Fahamarinana tsy azo ivalozana", hozy ry Miharena.

Soa ihany fa efa misimisy ihany ny Kristiana mba tonga saina @ io mokon-dohan'ny Kristiana sasany io.
"nisy kristianina iray (united church izany) moa nanala-tena t@ hevitr'ilay kristianina-evanzelista"

Fa ireto "Kristaina-evanzelistra" ireto aloha dia tena "taliban-kristiana" mihintsy, raha ny fahitako azy. Ary rehefa mandinidinika ny any Dago aho, dia tna manah mafy fa tena mivarina ho "kristiana-evanzelista" ny gasy. Na ny any @ fiangonana reniny azany dia MISABAKA mankany.

Izay ve? .. Sa diso aho?

Fa soa ihany fa misy ny interinety ee... ho vasoka ao ireo beantitra tery saina ao ireo; ny Ankizy efa misoka-tsaina dia lasa. Izay no "tsy azo ialozana": ny beantitra ihany no poritra mankany @ Leglizy aty Kanada ohatra.
7. Miharena ( 25/09/2017 18:10)
Misy tokoa aloha ny fiheverana fa malala-tsaina hono ireo olona milaza ho siantista sy ny hafa ary manakilasy tokoa ny Kristianina ho tery saina.

Ny olana dia ity: nisy tokoa ny fandehanana manao fiainana malalaka tsy nijery ifotony izay hiafarany, dia lasa mankany mankany araka ny fitenenana ny fiainany ary tsy fantany fa lasa mandeha any amin'ny helo anie izy.

Ny fandalinana momba ny fiainana any ankoatra dia tsy hita ao amin'ny Hindoue.

Ny fitenenana fa tsy manana fanetren-tena ny Kristianina dia diso. Tsy milaza ny Kristianina fa efa mahalala ny zava-drehetra fa mianatra ary miaiky fa tsy misy manam-pahataperana afa-tsy i Jesoa sy Jehovah.

Fa efa betsaka ireo fijoroana momba izany fiainana any ankoatra izany ary tsy vao izao izay isian'ny evanjelika araka ny fanakilasian'ny olona.

Misy betsaka izany fahitana ny fiainana ankoatr'izao iainantsika izao izany. Ao ny Baiboly mamaritra izany ary ao koa ireo izay nentina nampahitana ny zava-miafina ao anaty Baiboly ao.

8. rhaj0 ( 26/09/2017 13:43)
Miharena:
Tsy milaza ny Kristianina fa efa mahalala ny zava-drehetra

Raha milaza ny Kristiana (sasany toa an'i Miharena) fa
- "izao sy izao no TENA IZY",
- ary tsy mivily @ izay izy na ny pitiny aza,
- ary tsy te-ahalala afa-tsy izay,
- sady ataony dridra-gilo, tsy hihainoany ny argument na point de vue-n'ny andaniny
- lazainy fa misy vavolombelona io, nefa rahefa hanontaninaa hoe IZA, dia miepoka na vao mainka ampiany lamentation,
- ary manindry ny hafa hanaraka izay koa izy,
- sady manaz'inona ny an'ny hafa,
- koa ny ny Kristiana namany azany ho'a asiany mafy ho "TSY TENA IZY"
- ny an'i Miharena azay moa, dia ny Kristiana any ampigadrana dia Atheista
dia midika inona izany rehetra izany @ Miharena?

Fa ao @ diksionera-Miharena izao ireo dia midika hoe, TENA zana-Jehovah izy eee..
eny ho'a ee... TENA zana-Jehovah tokoany ireo.. derao ankalazao.
9. Miharena ( 26/09/2017 16:02)
Mifanipaka atsimo sy avaratra ny mba fahazoan'i Rhaj0 ny zava-boalaza rehetra raha io valinteniny eo ambony io.

Ny fomba fisainan'ny olona ankoatry ny Kristianina dia tsy azo atao mihitsy hoe tsy ho fantatra sy azo tsara.

Matoa manitsy dia mahazo tsara izay tianareo hahatongavana ny Kristianina.

Fa ianareo milaza ho tsy Kristianina no sady tsy manaiky fa misy Mpahary dia manda bontolo fotsiny tsy misy porofo.

Ny Kristianina dia afaka mijoro vavolombelona ary maro izy ireo maneho ny fisian'ny Mpahary manome hafatra azy araka ny Sitrapony.

Izay ilay hoe fantsona.

Fa raha tsy azonao izay dia efa fandavana bontolo sisa no azo ilazana ny endri-panehoan-kevitrao Rhaj0.
10. rhaj0 ( 26/09/2017 16:58)
Miharena:
mahazo tsara izay tianareo hahatongavana ny Kristianina.

Inty azany ohatra ny @ "TSY fahazoanao resaka".

Sikh:
mba ameo zo zahay @ ataonay ao @ "fitadiavanay" ato, ameo zo zahay, ary zonay akoriny aza 'zany, na ho diso aza..
Miharena:
Iza moa no manala ny zony?

Dia tena TSY takatry ry Miharena (Kristiana) mihintsy fa:
1- "miangavy" na "mangataka" ilay olona. "mba ameo" hoz'izy izay.
Miezaka izy miresaka amim-palemem-panahy. Miezaka mba ampieritreritra an'ilay Kristiana izy io, fa tsy hoe hitrifana anao bontolo.

2- ny "zony" mba hino izay tiany inoana dia ITSAKITSAHAN-DRY Kristiana (sasany), ary taingenan-dry Kristiana izany Kristianisma-ny izany eo ambonin'ny Hinduism-n'ny olona.


Fa i Belazao de Miharena ve moa tsy amariparitra gratohitema @ tsisy fotony eto foana, hoe "mahazo tsara" hono izy.
11. Miharena ( 26/09/2017 18:32)
Tsy manala ny zon'ny olona ny Kristianina toy ny tsy fanalan'Andriamanitra ny zon'ny tsirairay hivelona eto an-tany ary afaka manan-tsafidy.

Fa mampanontany tena ihany raha toa ka misy mahatsapa fa tsy manan-jo hanao izay tiany atao. Sa mahasosotra na mahasadaikatra ilay ataony no toa hangatahana zo!?

Vakio tsara arak'izay ilay hevitra fa tsy atao bontolon-piheverana tsy misy itombenany hoatry ny ataonao io Rhaj0 a!
12. rhaj0 ( 26/09/2017 18:38)
ny "zony" mba hino izay tiany inoana

Mba hainao ve ry Miharena ny atao hoe "Droits de l'Homme"??

Sa tsy ao anaty Baiboly indray izany dia TSY rahirahinareo Miharena Kristiana?? FA ny didin-Jehova ny hanitsaka ny zon'olona no ambony??

Zahavo ny Artikla 18. Dia eritrereto tsara raha mba manaja izany ohatra ianao Miharena Kristiana sy ny belazanao lava ao io.
13. Miharena ( 26/09/2017 18:50)
Olona anie no namorona hoe aleo atao toy izao izany hoe droit de l'homme izany e!

Mazava be izany.

Fa ny didin'Andriamanitra dia manambara izay tsara tokony hataon'ny olona fa tsy hoe manan-jo hanao ratsy dia manao koa ilay vendrana isany.

Mba misaina kely ihany aloha vao miteny hoe tsy mety ny fitaizana Kristianina izay manome zo malalaka mampisafidy ny olona.

Hoy ny Soratra Masina hoe atoro anao ny fiainana sy ny fahafatesana, ka fidio ny fiainana.

Dia ilay mitaky zo ve hiteny hoe ny fahafatesana ny anay no zonay ee fa omeo izahay handeha ho any!
14. rhaj0 ( 26/09/2017 19:10)
Giravy mihintsy ilay Miharena ity fa tarehin'ilay olona TSY hanaja ny Droits de l'Homme izany izy io, fa ny saim-pantany @ izao "Kristianisma+finoany-primitivany" izao no anitsahany ny zon'olombelona.

Fa tsy mampatahotra ihany k'lou ilay izy, raha toa ka i Miharena dia ilay olona mino fa rahefa avy hono ny orana, dia raha eo am-pibebahana hono i Miharena, dia arovan'izao Atra-ny izao TSY ho lena hono i Miharena, fa ireo manodidina an'i Miharena tsy mibebaka no petsa h@ tsokan-taolany.
15. Miharena ( 26/09/2017 19:26)
Valio an-kitsimpo aloha ilay fanontaniana fa aza miolakolaka toa bibilava rehefa anontaniana ianao e!

Tsisy idiran'ny tsy fanajana droit de l'homme manko io resaka ataoko io fa mampisafidy ny tsara sy ny ratsy.

Jerena eto hoe tsotra ve ilay olona miteny sa hoe aaa!
16. rhaj0 ( 26/09/2017 19:53)
Ilay Kristiana m(p)anao evanzelizasio dia m(p)anitsaka ny zon'olombelona (hino izay tiany inoana).

Inona no tsy azonao Miharena @ io valin-teny io?

Ny mampalahelo mahonena dia voaolana, voatsindry ary victime an'io ny RaR(-ntsika rehetra). Nefa moa, miara-matory @ mpanolana/mpanindry/mpamely mihintsy izao ry Miharena, ary dia miana-kendry mba hanolana/hanindry/hamely koa hono.
17. endriny ( 27/09/2017 04:03)
Vao tamin'ny Sabotsy aho izao no nanatrika mariazy. Da fety be da fety be rehefa avy notsifin'i Pasitera rano ho mpivady ireto mpianadahy ao amin'ny Tompo ireto.
18. rhaj0 ( 28/09/2017 11:59)
Tohizako eto indray ity, tohin'ny resaka safotra tatsy


rhaj0:
Fa ny tiako resahina, dia ny Fitiavana, araky notoriana tao @ Tempoly Hindou io teo. Ny takatro t@ tori-teny dia:
1- ny fototry ny Fitiavana (Hindou) dia ny Fahalalana.

1a- Mila mahalala ny tenanao aloha ianao

Ilay "filaminan'ny tenanao sy ianao" dia 1-ara-batana, 2-ara-fiaina, 3-ara-tsaina sy ara-po, ary ... 4-ara-panahy (méditation). Rakofan'ny Yoga daholo ireo.

1a.1- mila milamina (confortable sy à l'aise) @ tenanao ianao, @ fipetraka isan-karazany (dans toutes positions) ... Ny voalohany izany dia fitaizam-batana.

1a.2- mila mahafehy tsara ny fiaina (respiration) koa izany ianao ... Arahina @ ilay fitempon'ny fiaina, dia eritreretina ny vatana... Ny ifantohana, rahefa miaina milamina io, dia ny ampi-relaxe ilay vatana sy rantsambatana (sy ny hozatra...).

1a.3- mila mahafehy tsara ny saina/fo izany ianao. Koa izay voaeritreritra/voatsapan'ny fo/saina ao izany dia hoe, "ekena" (reconnaitre et accepter) ny fisehony sy fiantraikany eo (ary).. ezahina "tsindriana" na koa "ahilika" (na miabo, indrindra ny miiba).

Eto izany raha efa voafehy tsara ny (fipetraky ny) vatana, sy ny fiaina milamina, ary rehefa kalamina ko ny fo sy sainaa, dia ... sahala @ ireny zazakely sambatra handeha hatory iny ianao eo izany... ary dia ho tianao ny tenanao... ary "fantatrao" na "mahalala" ny tenanao rahefa mi-yoga ianao eo io, ka dia afaka mitodika @ hafa manodidina anao @ izay ianao.

1b- ny fahalalanao ny hafa indray, dia (afaka) mitondra ho azy @ fandeferana (tolerance) sy firaisam-po (compassion), ka mahatonga anao ho mora mitia ny hafa.

Eto izao no (mbola) idiran'ny Finoana/Fivavahana. Raiki-tapisaka @ finoana/fivavahana ilay (fomba) fieritreritra. Taratro @ Hindou, dia ao anatiny ao (mihitsy) ny fitiavana ny hahalala ny hafa. Tsisy complexe mihintsy izy mandoka na mamoaka ny pozitifa @ Finoana hafa, na i Jesosy io na Mahomet na Atheista. Satria "mahalala ny tenany" sy ny Finoany izy, ary tiany ny azy, dia tsy mivaralila @ ny an'ny hafa izy. Ary "mahalala" ireo hafa ireo koa izy, ary dia "manaiky" (mi-reconnaitre) izay paozitifa amin-dreo. Dia mieritreritra izy fa (tokony) mifamaly (reciproque) koa izany @ samy olb (tsy mitovy finoana).

hatreto izany ny Fampianarana Hindu dia mitarika ny olona
a- mba ahalala ny tenany, ahafehy ny tenany (vatana, fiaina, saina/fo) ary ho tia ny tenany
b- ary hisokatra @ hafa, dia ahalala azy koa, ka afaka ny hitia (mora) azy
=== ny fototry ny Fitiavana izany dia ny Fahalalana ===


Tsikaritro noraisin'ny maoderina ilay hevitra, ary izay no ilazany ilay hoe
You like what you know
Izany hoe, raha "mahalala" ianao, dia "hitia".
Ny (tsara) sintomina eto, dia hoe, miezaha ny "ahalala" raha te-"hitia".

io izao rahefa itarina atao double negation, dia milaza koa hoe:
You don't like what you don't know
Izany hoe, rahefa "tsy mahalala" dia lasa "tsy mitia" (na mankahala na matahotra)


Fa ireo dia SAMY HAFA be @ hoe
"You ONLY like what you know"
Ity kosa dia ilay ... Itsimahalalaafatsynysaimpantany (kristiana).

19. rhaj0 ( 29/09/2017 11:43)
Ahtsiko kely akoriny azany ny an'ny Kristiana:
"You ONLY like what you ONLY know"

Ny Kristianisma IHANY no fantatry ny Kristiana, ary izay IHANY no tiany.


Nefany ho'a, dia ny Hindu ohatra dia miezaka ny ahalala sy ahafantatra ny hafa foana. T@ tany @ ilay tempoly Hindu aho, dia nahita fa tena tsisy complexe ilay Hindou, tao @ toriteniny, fa miresaka hoe, i Jesosy koa dia be fitiavana araka ny fiheviny, ary ny Atheista koa torak'izany. Izay fisainana izay, dia tena tsy mba hitako mihintsy @ Kristiana.. na hoe, dia tena isaina @ volon'orona ny Kristiana misoka-tsaina @ tsy-mitovy-finoana aminy.

Ny hany fantatry ny Kristiana @ finoana/fivavahana TSY mitovy ny @ ny azy, dia hoe:
"an'ny Devoly izany".


20. Miharena ( 29/09/2017 19:16)

rhaj0:

Ilay Kristiana m(p)anao evanzelizasio dia m(p)anitsaka ny zon'olombelona (hino izay tiany inoana).

Inona no tsy azonao Miharena @ io valin-teny io?

Ny mampalahelo mahonena dia voaolana, voatsindry ary victime an'io ny RaR(-ntsika rehetra). Nefa moa, miara-matory @ mpanolana/mpanindry/mpamely mihintsy izao ry Miharena, ary dia miana-kendry mba hanolana/hanindry/hamely koa hono.


Diso, diso ary diso atao intelo ilay fandraisanao ilay evanzelizasio.

Ny Evanzelizasio dia tsy manery fa mampahalala ny marina sy ny zava-misy marina momba an'Andriamanitra Mpahary sy ny planina efa tiaNY hahafantaran'ny olombelona AZY tsara.

Ka aza mamorona eritreritry ny tenanao manokana hoe terena ianao fa io dia natoraly hoy Mopera.

Ny olona tsy mino no isan'ny manao bontolo hoe tsy misy izay lazainareo ry evanjelistra isany a !
Efa maro ihany aloha izay mafy hatoka izay fa lasa Kristianina ihany no iafarany. Asa aloha Rhaj0 na ho isany rehefa mba omena resaka mazava sy mahitsy eto e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2048