Azo ivavahana v i Jesosy?

1. RBNIR ( 05/07/2017 13:54)
Azo ivavahana v i Jesosy?

Manompo sampy v ny mivavaka Aminy?

Ahoana marina no tokony andraisana Azy?

Ahoana marina ny hoe 3 izay 1?

novalian'i Tealala ny 16/08/2019 08:36
2. tealala ( 05/07/2017 14:05)
Tsia
Eny
Olontsotra
fifanarahana
Nicée-Constantinople
3. RBNIR ( 05/07/2017 16:38)
Aleo angamba alefa tsi11...

1-Azo ivavahana v i Jesosy?
Inona na koa hoe Iza no azo ivavahana?
valiny : Andriamanitra no azo ivavahana...Koa raha izany Andriamanitra ary v i Jesosy? manambara an'izany v ny soratra masina? « Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika; Ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina*, Andriamanitra Mahery, Rain'ny mandrakizay Andrian'ny fiadanana.[Na: mpanolo-tsaina mahagaga] » (Isaia 9:5)

Io no teny nentina nanambarana an'i Jesosy
Eo dia voalaza fa hoe Andrimanitra Mahery Izy, Rain'ny mandrakizay Andrian'ny fiadanana...
Ireto teny ireto dia samy majuscule (renintsoratra) avokoa no nanoratana azy Andriamanitra, Rain'ny ary Andrianan'ny
Ireo teny miantomboka amin'ny renitsoratra ireo no porofo voalohany fa hanana ny voninahitra maha Andriamanitra Azy Ilay handrasana,

Ireo no manambara fa Andriamanitra i Jesosy....Noho izany azo atao tsara ny mivavaka Aminy...

Manamafy izany ity teny nataon'i Davida mpanao salamo ity :
« [Ny haherezan'ny Mpanjakan'i Ziona, Izay sady Mpanjaka no Mpisorona] Salamo nataon'i Davida. Izao no lazain'i Jehovah amin'ny Tompoko: Mipetraha eo an-tanako ankavanana Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao. » (Salamo 110:1)

Tompoko hoy izy (renitsoratra ihany koa ary io koa dia manambara an'i Jesosy

Teny izay namafisin'i JEsosy...

« Ary Jesosy, raha nampianatra teo an-kianjan'ny tempoly, dia namaly ka nanao hoe: Ahoana no lazain'ny mpanora-dalàna fa Kristy no Zanak'i Davida? » (Marka 12:35)
« Kanefa ny tenan'i Davida dia nampilazain'ny Fanahy Masina hoe: Jehovah nilaza tamin'ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tanako ankavanana Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao (Sal. 110. 1). » (Marka 12:36)

Te hanambara i Jesosy fa raha Tompon'i Davida Kristy dia tsy ho Zanany mihitsy....Dikany be voninahitra noho i Davida ilay KRISTY (ny zanaka kely voninahitra noho ny rainy) Dikany tsy olona ilay Kristy (satria i Davida dia mpanjaka lehibe ,efa Ilay Kristy mbola lazain'i Davida fa Tompony)

Manaraka izany raha ohatra ka misy mpanompon'Andriamanitra iray iankohofan'ny olona dia tsy maintsy miteny izy hoe tsy mety izao fa Andriamanitra ihany no iankohofy (eny fa na dia anjely aza ilay mpanompon'Andriamanitra)

« Dia niankohoka teo amin'ny tongony aho mba hivavaka aminy. Ary hoy izy tamiko: Tandremo. aza manao izao; fa mpanompo namanao ihany aho sady naman'ireo rahalahinao izay mitana ny filazana an'i Jesosy; Andriamanitra ihany no ivavaho; fa ny filazana an'i Jesosy no fanahin'ny faminaniana. » (Apokalypsy 19:10)

I Jesosy anefa niankohofan'ny olona fa tsy mba niteny Izy....

« Ary, indro, nisy boka anankiray nanatona dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Tompoko ô, raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy. » (Matio 8:2)
« Raha mbola nilaza izany taminy Izy, indro, tonga ny mpanapaka anankiray, dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Maty ankehitriny izao ny zanako-vavy; fa andeha re, mametraha ny tananao aminy, dia ho velona izy. » (Matio 9:18)
« Ary izay teo an-tsambokely dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Zanak'Andriamanitra tokoa Hianao. » (Matio 14:33)
« Ary ny fanahy maloto, raha nahita Azy dia niankohoka teo anatrehany ka niantso hoe: Hianao no Zanak'Andriamanitra. » (Marka 3:11)
« Dia avy ny anankiray tamin'ny mpanapaka ny synagoga, Jairo no anarany; ary rehefa nahita an'i Jesosy izy, dia niankohoka teo amin'ny tongony » (Marka 5:22)
« Dia namaly Tomasy ka nanao taminy hoe: Tompoko sy Andriamanitro! » (Jaona 20:28)

Farany Jesosy mihitsy no nanambara fa azo atao ny mivavaka Aminy...

« Raha mangataka zavatra amiko amin'ny anarako* ianareo, dia hataoko izany. [*Na: mangataka zavatra amin'ny anarako] » (Jaona 14:14)

Hoy i Jesosy hoe raha mangataka AMIKO....ianareo dia HATAOKO izany...

Azo atao ny mangataka Aminy (mivavaka Aminy) dia hataony Izany (Izy no hamaly fa tsy ny Ray)....

Ireo no porofo fa azo atao tsara ny mivavaka amin'i JEsosy satria manana ny voninahitra maha Andriamanitra Azy Izy....

4. rhaj0 ( 05/07/2017 17:26)
RBNIR:
Azo atao ny mangataka Aminy (mivavaka Aminy) dia hataony Izany (Izy no hamaly fa tsy ny Ray)....

Koa raha (nisy) "nivavaka" (nangataka) hoe mba TSY ho avy ny orana izany, dia ho "hataony" sa tsia??

Sa ho'a inona no "angatahana" dia ho azo ry RBNIR??

Ilay malaza mantsy, dia hoe, nisy ireo Kristiana japonehy avotra t@ tsunami, nandeha namonjy havoana kely mba "hivavaka" @ Jesosy hono fa avotra, nefa dia nipaosin'ny 2eme vague-na tsunami.
5. RKjeanclaude ( 05/07/2017 19:37)

rhaj0:

RBNIR:
Azo atao ny mangataka Aminy (mivavaka Aminy) dia hataony Izany (Izy no hamaly fa tsy ny Ray)....

Koa raha (nisy) "nivavaka" (nangataka) hoe mba TSY ho avy ny orana izany, dia ho "hataony" sa tsia??

tena ataony ary tsy ho avy tokoa ny orana. Saingy maninona moa no angatahiko tsy ho avy ny orana!?. Izay angatahana aminy anie tsy angatangatajam-poana e! na hoe hangalana fanahy Azy.

tsy lalàna ara-tsiansa io ka hoe ity ny raki-pohy, ataovy ny fampiharana hanaovana andrana.

Maro no afaka hijoro vavolombelona hilaza ny valim-bavaka efa azony, fa(mety) tsy hisy inoanao na dia iray aza.

Ireo matin'ny tsunami indray, ampahafirin'ny maty maritiora moa izy ireny, izay afaka mba novonjen'ny Tompo tamin'ny tanan'ny mpampahory azy koa, saingy Izy efa nanomana tsara lavitra noho ny fahavelomany ety.
6. rhaj0 ( 05/07/2017 20:09)
N'enay aty izao, rehefa mitsonika ny lanezy, dia tena mila "mivavaka" mba TSY ho avy koa ny orana, satria lasa safo-drano izany. Fa raha hainao ny klimatolozia sy meteorolozia, dia TSY "mangatagatam-poana", na hoe "mivavabava-poana" ianao.

Dia torak'izany koa. Rahefa hainao ny fandehan'ny fanadinana, na ny fanambadiana, na koa ny fandehan'ny sakafo ao am-bilianao, dia "TSY mivavabava-poana" ianao, ka mangataka fitahiana @ Jesosy ny @ fanadinanao, na fanambadianao, na ny sakafonao.

Miombo-kevitra ihany izany isika eto ?? :-)
7. tealala ( 06/07/2017 03:43)
Tahaky ny mahazatra tsy raisiko ho marina ny lazain'ny TV anao fa bs diso.
io Isaia 9:5 dia manambara ny fiavian'ilay Messia in 1 ihany izy no tonga eto tsy hoe hoavy dia avy eo hiverina indray.
mitombina ihany ny lazaiko anao fa mandika ny lalàna voalohany amin'ny didy 10 ianareo.
raha ilay hoe tsy handrava fa hanatanteraka ny lalàna manko dia rava ihany ilay lalàna satria i Jakoba sy ry Abrahabama rain'i Jesoa izany hoe ray aman'dreny dia nanana sy nanompo an ilay Andriamanitra iray fa tsy telo tsy misy izany ao anaty TT moa izany hoe Andriamanitra zanaka na fanahy masina fa Andriamanitr'i Jakoba no ao na i Abrahama ireo izay nanaja ny lalàna nifora tena nifora fa tsy tahaka ny fandraisanareo ny fiforana hoe nde foraiko ny foko sns.
Sady ny lalàn' Andriamanitra izany "eternel" izany fa tsy "provisoire" e, hoe tapitra hatreto ny izao fa miova ho izao indray ny fanaovana azy, raha diso ry Jakoba sy ry Abrahama efa hatramin'ny voalohany dia efa notenenina fa tsy hoe aty am l'an 0 no tenenina hoe diso nareo efa 1500 taona nanao io lalàna io.
8. tealala ( 06/07/2017 03:46)
Ilay manatombo sy manabotsina zavatra tahaka izao manko no tena mahavery ry RBNIR.
9. MINDAOZY ( 06/07/2017 04:27)

RBNIR:

Azo ivavahana v i Jesosy?

Manompo sampy v ny mivavaka Aminy?

Ahoana marina no tokony andraisana Azy?

Ahoana marina ny hoe 3 izay 1?

YAHOSHUAH no anaran'ilay zanak'A/tra mpamonjy, fa TSY JESOSY. Ka raha te ho voavonjy ianao dia YAHOSHUAH no ivavaho.

ASA 4:12 Fa tsy misy anarana hafa ety ambanin'ny lanitra nomena ny olona izay ahazoantsika famonjena.
YAHOSHUAH irery no anaran'ilay mpamonjy eto ambonin'ny tany; miala daolz ry JESOSY JESUS JUZAS JESO ZEZO ZEUS.

Tena manompo sampy izay mivavaka @ a/try ny grika ZEUS niova ho JESOSY, ka tsy azo raisina iny.

Ary izany trinité izany dia fampianarana avy @ ilay boky satanique atao hoe "boky urantia"
10. RBNIR ( 06/07/2017 04:58)

rhaj0:

RBNIR:
Azo atao ny mangataka Aminy (mivavaka Aminy) dia hataony Izany (Izy no hamaly fa tsy ny Ray)....

Koa raha (nisy) "nivavaka" (nangataka) hoe mba TSY ho avy ny orana izany, dia ho "hataony" sa tsia??

Sa ho'a inona no "angatahana" dia ho azo ry RBNIR??

Ilay malaza mantsy, dia hoe, nisy ireo Kristiana japonehy avotra t@ tsunami, nandeha namonjy havoana kely mba "hivavaka" @ Jesosy hono fa avotra, nefa dia nipaosin'ny 2eme vague-na tsunami.

Lohahevitra hafa kosa izany e! rahoviana no mamaly vavaka Andriamanitra?
11. RBNIR ( 06/07/2017 05:11)
tealala:

Tahaky ny mahazatra tsy raisiko ho marina ny lazain'ny TV anao fa bs diso.
io Isaia 9:5 dia manambara ny fiavian'ilay Messia in 1 ihany izy no tonga eto tsy hoe hoavy dia avy eo hiverina indray.
mitombina ihany ny lazaiko anao fa mandika ny lalàna voalohany amin'ny didy 10 ianareo.
raha ilay hoe tsy handrava fa hanatanteraka ny lalàna manko dia rava ihany ilay lalàna satria i Jakoba sy ry Abrahabama rain'i Jesoa izany hoe ray aman'dreny dia nanana sy nanompo an ilay Andriamanitra iray fa tsy telo tsy misy izany ao anaty TT moa izany hoe Andriamanitra zanaka na fanahy masina fa Andriamanitr'i Jakoba no ao na i Abrahama ireo izay nanaja ny lalàna nifora tena nifora fa tsy tahaka ny fandraisanareo ny fiforana hoe nde foraiko ny foko sns.
Sady ny lalàn' Andriamanitra izany "eternel" izany fa tsy "provisoire" e, hoe tapitra hatreto ny izao fa miova ho izao indray ny fanaovana azy, raha diso ry Jakoba sy ry Abrahama efa hatramin'ny voalohany dia efa notenenina fa tsy hoe aty am l'an 0 no tenenina hoe diso nareo efa 1500 taona nanao io lalàna io.

Mbola tsy vita hatramin'ny farany fa vao eo amin'ny teboka 1 isika izao (Azo ivavahana i Jesosy satria voalaza tany aloha fa Andriamanitra no ho avy Tompo ary Rain'ny mandrakizay) mbola misy teboka 3 hafa dia hazava tsara ny zavatra rehtra.....
12. tealala ( 06/07/2017 05:23)
azavao ary alo ahitako azy
13. RBNIR ( 06/07/2017 05:28)

MINDAOZY:

RBNIR:

Azo ivavahana v i Jesosy?

Manompo sampy v ny mivavaka Aminy?

Ahoana marina no tokony andraisana Azy?

Ahoana marina ny hoe 3 izay 1?

YAHOSHUAH no anaran'ilay zanak'A/tra mpamonjy, fa TSY JESOSY. Ka raha te ho voavonjy ianao dia YAHOSHUAH no ivavaho.

ASA 4:12 Fa tsy misy anarana hafa ety ambanin'ny lanitra nomena ny olona izay ahazoantsika famonjena.
YAHOSHUAH irery no anaran'ilay mpamonjy eto ambonin'ny tany; miala daolz ry JESOSY JESUS JUZAS JESO ZEZO ZEUS.

Tena manompo sampy izay mivavaka @ a/try ny grika ZEUS niova ho JESOSY, ka tsy azo raisina iny.

Ary izany trinité izany dia fampianarana avy @ ilay boky satanique atao hoe "boky urantia"

Otran'ny mivoaka kely ihany izy izany sady efa voavaly atsy fa diso ny fampianarana hoe ZEUS--->Jesosy...

http://forum.serasera.org/forum/message/m5954b5833bb7f/40
Any angamba isika manohy resaka MINDAOZY...
14. tealala ( 06/07/2017 12:08)
Miandry tohin'ilay fanazavana ah io an
15. RBNIR ( 06/07/2017 15:26)

tealala:

Miandry tohin'ilay fanazavana ah io an

Mangetaheta ngah? hotohizana raha sitrapon'Andriamanitra......
16. RKjeanclaude ( 06/07/2017 16:26)

rhaj0:

Dia torak'izany koa. Rahefa hainao ny fandehan'ny fanadinana, na ny fanambadiana, na koa ny fandehan'ny sakafo ao am-bilianao, dia "TSY mivavabava-poana" ianao, ka mangataka fitahiana @ Jesosy ny @ fanadinanao, na fanambadianao, na ny sakafonao.

Iza moa no miteny aminao fa voatery hangatam-pitahiana foana amin'ny sakafo eo am-biliako aho, afaka misaotra koa ka! satria nomena sy nahazo fahasalamana afaka hihinana. "misaora amin'ny zavatra rehetra", hoy ny voasoratra.

Rehefa manao fanadinana aho dia toy izany koa; fa sady afaka mangataka fifantohana, fahaiza-mifehy fotoana, tsiaro izay nianarako....sns.
Raha fanambadiana, mialoha aloha ve sa rehefa ao anatiny e? arakarak'izay mantsy ny vavaka atao, ankoatry ny fisaorana.

--raiso coté hafa indray fa tsy maninona,izaho mbola vonona --
17. RKjeanclaude ( 06/07/2017 16:38)

rhaj0:

Dia torak'izany koa. Rahefa hainao ny fandehan'ny fanadinana, na ny fanambadiana, na koa ny fandehan'ny sakafo ao am-bilianao, dia "TSY mivavabava-poana" ianao, ka mangataka fitahiana @ Jesosy.

Iza indray nampianatra anao fa voatery fangataham-pitahiana no ataoko amin'ny sakafo eo am-biliako!? afaka misaotra aho fa nomena, sady nahazo fahasalamana afaka hihinana...sns

Rehefa manala fanadinana sady afaka misaotra noho ny antony naro koa, no mangataka fifantohana tsara, fahaiza-mifehy fotoana, tsiaro izay nianarako....sns

Raha fanambadiana, arakaraka io. Mbola voa haka sa efa nahazo? arakarak'izay mantsy, ankoatry ny fisaorana.

"Misaora amin'ny zavatra rehetra" hoy ny voasoratra.

--asio hevitra taingina indray na raiso coté hafa fa mbola vonona ihany aho hatreto--
18. RKjeanclaude ( 06/07/2017 16:38)

19. rhaj0 ( 06/07/2017 17:06)
Izao no nampianarina ahy.. ary izay koa no reko rahefa hikaly iny ny gasy, na taty Kanada na fahiny tany Dago.. dia toa izay koa ny ataon'ny vazaha (sasany) aty:

"Andrmntra ooo.. "tahio" ny sakafonay (amin-divay)... dia "tahio" koa i Rajaona (mamolava)... dia "misaotra" anao zahay... Amen"

Fa dia "nangatagata-poana" izany ireo rehetra ireo ee... (filazan-dRkjeancl io)
na ny marimarina kokoa: dia "nivavabava-poana" izany ireo Kristiana ireo eee...
20. RKjeanclaude ( 06/07/2017 17:25)

Ka izay no mba mety nampianarina azy moa izy koa (mety) tsy mamaky baiboly koa!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3993