Azo ivavahana v i Jesosy?

21. rhaj0 ( 06/07/2017 19:11)
rhaj0:
dia "nivavabava-poana" izany ireo Kristiana ireo eee...

RKjeanclaude:
izy koa (mety) tsy mamaky baiboly koa!

Tena raha atao ny kaonty re ry Rkjeanclaude, firy isan-jaton'ny Kristiana no (tena) mamaky io Baiboly io??? Nefa anie, angaha moa izy io matevina noho ny bokin'i Harry Potter fotsiny ohatra.

RAha ny tombatombako aloha, dia tena mihoatra (bestaka) ny antsasany no TSY namaky Baiboly, @ antsipiriany amim-pandalinana. Dia ireny izany ilay "Kristiana mivavabava-poana", na pehan'ireo izay mba "namaky baiboly" hoe, "Kristiana Tsy tena izy"...

Koa na eto @ serasera eto fotsiny aza re ry Rkjeanclaude, dia tena tarataratro mihintsy fa TSY kopy n'inon'inona @ izay voasoratra ao anaty Baiboly ao ny maro...
(raha tsy izany ve tsy mba tonga saina @ ireo absurde/illogique/ridicule be dia be ao anaty Baiboly ao zareo)
22. endriny ( 07/07/2017 06:07)
RBNIR:

Azo ivavahana v i Jesosy?

Manompo sampy v ny mivavaka Aminy?

Ahoana marina no tokony andraisana Azy?

Ahoana marina ny hoe 3 izay 1?

1) Fa iza moa no miteny amin'i RBNIR fa tsy azo ivavahana i Jesosy? Ilay foto-kazo eo akaikin'ny Soboma aza misy mivavaka. Izaho koa aza misy mivavaka. Kanefa i Jesosy ihany no nilaza ary nampianatra ilay vavaka Rainay izay any an-danitra. I jesosy ihany no nilaza fa raha misy zavatra tianareo angatahina amin'ny Ray (fa tsy hoe amin'i Jesosy a)

2) Rehefa zavatra ivavahana dia Sampy daholo ny anarany

3) Aza adikadika fahatany ny Baiboly

4) Izahay 3 mianadahy dia 1 Tampoho (Mazava be tsy mila hamarinina sy alalinina be fa jerena fotsiny ny bokim-pianakaviana dia basy)
23. tealala ( 07/07/2017 06:11)
I Jesosy mivavaka amin' Andriamanitr'Israely, i RBNIR mivavaka amin'i Jesosy
24. Miharena ( 07/07/2017 06:16)
Mazava tsara ny resaka nataon'i RBNIR eo ambony dia tsy tokony hitarina intsony satria efa mazava.

Ny tiana ambara fotsiny dia hoe : inona no atao hoe mivavaka ary izay no manao azy io?

Rehefa voavaly tsara io dia mandeha ho azy ny resaka manaraka rehetra mamaly marina ny fanontaniana
25. RKjeanclaude ( 07/07/2017 07:37)

rhaj0:

rhaj0:
dia "nivavabava-poana" izany ireo Kristiana ireo eee...

RKjeanclaude:
izy koa (mety) tsy mamaky baiboly koa!

Tena raha atao ny kaonty re ry Rkjeanclaude, firy isan-jaton'ny Kristiana no (tena) mamaky io Baiboly io??? Nefa anie, angaha moa izy io matevina noho ny bokin'i Harry Potter fotsiny ohatra.

RAha ny tombatombako aloha, dia tena mihoatra (bestaka) ny antsasany no TSY namaky Baiboly, @ antsipiriany amim-pandalinana. Dia ireny izany ilay "Kristiana mivavabava-poana", na pehan'ireo izay mba "namaky baiboly" hoe, "Kristiana Tsy tena izy"...

Koa na eto @ serasera eto fotsiny aza re ry Rkjeanclaude, dia tena tarataratro mihintsy fa TSY kopy n'inon'inona @ izay voasoratra ao anaty Baiboly ao ny maro..

narina mihitsy izany. Ary lasa araraotin'ny hafa amin'ny resaka(-bola) avy eo. Sady manimba sary ny tena Kristiana.
26. rhaj0 ( 07/07/2017 12:32)
Ka i RKjeanclaude
-- "namaky Baiboly" tsara, ary tena @ ilay hoe "Kritsiana tena izy", tsy mba manalabaraka an'i Andrmntra
-- TSY mba "mangataganta-poana". Ary raha mivavaka = mangataka, dia i Rkjeanclaude izany tsy mba "mivavabava-poana"

Ka hono ho'a Rajeancl.. Raha (sanatriavin'izany) hoe Jamba ianao, dia ... "hivavaka" @ Jesosy ho sitraniny ve, sa tsia??
27. RKjeanclaude ( 07/07/2017 18:43)

miankina amin'ny antony nahatonga ahy ho (sanatria) jamba io ka. Raha ny vokatry ny fahotako no nahatonga ahy ho jamba, ohatra, dia ny mibebaka aloha no ataoko.
28. rhaj0 ( 07/07/2017 19:33)
Ovaina kely indray azany ny fanontaniana..

RAha (sanatriavin'izany) hoe voan'ny AVC i Rkjeanclaude, dia avotra ihany anefa saingy mitondra takaitra (ohatra hoe tsy afa-miteny, na lasa kilemaina).

Dia ahoana: "hivavaka" @ Jesosy ho sitraniny ve, sa tsia??

Fanamarihana: ny mahatonga ny AVC dia (mety) vokatry fomba fiaina sy fisakafo sy toe-batana sns... tsy voatery hoe "nanota" vao voan'ny AVC.
29. RKjeanclaude ( 07/07/2017 19:51)

misy fampianarana lalina be, izany hoe mila fanazavana lalina be anie, rhajo ny fahoriana manjo ny tena Kristiana e! Hisy fanontaniana hamatoranao ahy isaky ny mamaly eto raha tsy vazonao io. Fa raha ho valiako tsotra ny fanontaniana dia izao: Tena hivavaka hangataka fanasitranana aho, saingy mialohan'izany mangataka ny antony(ara-panahy) nahatonga izany aho. Ka eo ahalalana na tokony hibebaka aho aloha, na hifona...sns
30. rhaj0 ( 07/07/2017 20:36)
rhaj0:
RAha (sanatriavin'izany) hoe voan'ny AVC i Rkjeanclaude, dia avotra ihany anefa saingy mitondra takaitra (ohatra hoe tsy afa-miteny, na lasa kilemaina).

Dia ahoana: "hivavaka" @ Jesosy ho sitraniny ve, sa tsia??

Fanamarihana: ny mahatonga ny AVC dia (mety) vokatry fomba fiaina sy fisakafo sy toe-batana sns... tsy voatery hoe "nanota" vao voan'ny AVC.
RKjeanclaude:
Tena hivavaka hangataka fanasitranana aho, saingy mialohan'izany mangataka ny antony(ara-panahy) nahatonga izany aho. Ka eo ahalalana na tokony hibebaka aho aloha, na hifona...sns

Raha ny fahazoako azy izany, dia (mety) hoe "nanota ara-panahy" ianao: izay ilay antony (ara-panahy) mahavoan'ny AVC.

Fa izany hoe, "hivavaka hangataka fanasitranana" ara-nofo" ihany i Rkjeanclaude.

Izay ilay izy an..
31. RBNIR ( 08/07/2017 22:40)
Aleo angamba iverenana ny lohahevitra dia hotohizana amin'izay....

2 Manompo sampy v ny mivavaka Amin'i Jesosy?

Izao no voalazan'ny didy voalohany ao amin'ny didy folo :« Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany. » (Eksodosy 20:3)

Iza no tondroin'ny teny eto? JEHOVAH Andriamanitra Ray mazava loatra satria tany amin'ny testameta taloha no nipoiran'io teny io....

Dia ahoana izany nefa Jesosy dia nampianatra fa azo hivavahana IZY? tsy otran'ny manompo tompo 2 v izany ny Iray Jehovah, ny Iray Jesosy??

Indray andro dia hoy ny mpianany tamin'i Jesosy :
« Hoy Filipo taminy: Tompoko, asehoy anay ny Ray, dia ampy ho anay izay. » (Jaona 14:8)

Dia izao no namamian'i Jesosy azy :
« Hoy Jesosy taminy: Izay ela izay no efa nitoerako teto aminareo, ka tsy mbola fantatrao ihany va Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray; koa ahoana no anaovanareo hoe: Asehoy anay ny Ray? » (Jaona 14:9)

Izay nahita Ahy hoy IZY dia nahita ny Ray ka ahoana hoy Izy no anaovanareo hoe asehoy anay ny Ray???

Izay mahita an'i Jesosy izany dia mahita ny Ray, izany hoe mitovy ihany izany Jesosy sy ny Rainy raha izany.....

Koa raha miresaka amin'i Jesosy ianao izany dia toy ny miresaka amin'ny Ray ihany, raha mivavaka amin'i Jesosy ianao izany dia toy ny mivavaka amin'ny Ray ihany izany hoe tsy 2 akory no hivavahanao fa 1 iahany....

Manamarina izany ity tenin'i Jesos ity hoe : « Izaho sy ny Ray dia iray ihany. » (Jaona 10:30)

Noho izany iray ihany no Andriamanitra Tompoinao raha mivavaka amin'i Jesosy sy Jehovah ianao fa tsy hoe 2 akory.....

Tsy misy fandikana didy mihitsy eo araka izany fa voahaja tsara ny fitandremana ny didy voalohany....

32. RBNIR ( 08/07/2017 22:55)
3 Ahoana marina no tokony andraisana Azy?

« Fa toy izao no nitiavan' Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanani-lahy Tokana , mba tsy ho very izay rehetra mino Azy , fa hanana fiainana mandrakizay . » (Jaona 3:16)

Jesosy = Zanaka lahy Tokan'Andriamanitra.....Ilay mpamonjy izao tontolo izao(lio.2:11)....

Manamafy izany ity teniny ity....« Jesosy nandre fa efa noroahiny ralehilahy; ary rehefa nahita azy Izy, dia nanao hoe: Mino ny Zanak-Andriamanitra va ianao? » (Jaona 9:35)

Tokony ho raisina Tompo sy Andriamanitra ihany koa Izy : hoy i tomasy hoe : « Dia namaly Tomasy ka nanao taminy hoe: Tompoko sy Andriamanitro! » (Jaona 20:28)

Hoy koa i petera hoe : « fa mitomboa amin'ny fahasoavana sy ny fahalalana an'i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy. Ho Azy anie ny voninahitra ankehitriny sy mandrakizay. Amena. » (2 Petera 3:18)

Tompontsika hoy izy : ny atao hoe Tompo dia tena tompoina marina tokoa fa tsy atao Anarana fotsiny akory (Mat.7:21).......
33. RBNIR ( 08/07/2017 23:02)
4 Ahoana marina ny hoe 3 Izay 1?

Efa nahita isika ery ambony hoe Jesosy = Jehovah ihany 2 izay 1

Ahoana indray ary ny 3 Izay 1?

Hoy Jehovah Andriamanitra, « [Ny amin'ny handatsahana ny Fanahy Masina, sy ny hitsarana ny firenena rehetra] Ary rehefa afaka izany, dia handatsaka ny Fanahiko amin'ny nofo rehetra Aho; Dia haminany ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo, ny lahiantitrareo hanonofy, ary ny zatovonareo hahita fahitana; » (Joela 3:1)

Hoy Jehovah Andriamanitra hoe : .....handatsaka ny Fanahiko ....Aho....

Izany hoe ny Fanahy Masina izany dia tsy Iza fa ny Fanahin'i Jehovah ihany....

Taty aoriana koa anefa dia voalaza hoe « Ary ny Tompo izany Fanahy izany; ary izay itoeran'ny Fanahin'ny Tompo no itoeran'ny fahafahana. » (2 Korintiana 3:17)

Ny Tompo resahina eto dia tsy Iza fa i Jesosy ihany izany hoe Ilay Fanahy Masina koa izany dia tsy Iza fa i Jesosy ihany...;

JEHOVAH = JESOSY = FANAHY MASINA = FANAHY IRAY IHANY -----> 3 IZAY 1

34. RKjeanclaude ( 10/07/2017 12:24)

rhaj0:

rhaj0:
RAha (sanatriavin'izany) hoe voan'ny AVC i Rkjeanclaude, dia avotra ihany anefa saingy mitondra takaitra (ohatra hoe tsy afa-miteny, na lasa kilemaina).

Dia ahoana: "hivavaka" @ Jesosy ho sitraniny ve, sa tsia??

Fanamarihana: ny mahatonga ny AVC dia (mety) vokatry fomba fiaina sy fisakafo sy toe-batana sns... tsy voatery hoe "nanota" vao voan'ny AVC.
RKjeanclaude:
Tena hivavaka hangataka fanasitranana aho, saingy mialohan'izany mangataka ny antony(ara-panahy) nahatonga izany aho. Ka eo ahalalana na tokony hibebaka aho aloha, na hifona...sns

Raha ny fahazoako azy izany, dia (mety) hoe "nanota ara-panahy" ianao: izay ilay antony (ara-panahy) mahavoan'ny AVC.

Fa izany hoe, "hivavaka hangataka fanasitranana" ara-nofo" ihany i Rkjeanclaude.

Izay ilay izy an..

fa nga izaho raha misaotra satria nomena fahasalamana (ara-nofo izany), dia tsy raha mangataka hoan'nofoko aho. Ara-baiboly tsy diso anie zany e. Fa misy na zavatra ara-panahy aza no angatahana, tsy mety.
35. rhaj0 ( 10/07/2017 17:59)
tena mifamaofao izany resaka izany.. Raha ny fahazoako ny tenin'i RKjeanclaude izany dia:
1- afaka mangataka (mivavaka) ho an'ny nofo koa, na dia @ ankapobeny, dia "mivavabava-poana" izany
2- ny mangataka (mivavaka) ho an'ny ara-panahy, @ ankapobeny, dia mety, nefa koa dia mety "mivavabava-poana" koa ny manao izany

Izay ve ilay izy?
36. RKjeanclaude ( 10/07/2017 20:08)

rhaj0:

tena mifamaofao izany resaka izany.. Raha ny fahazoako ny tenin'i RKjeanclaude izany dia:
1- afaka mangataka (mivavaka) ho an'ny nofo koa, na dia @ ankapobeny, dia "mivavabava-poana" izany
2- ny mangataka (mivavaka) ho an'ny ara-panahy, @ ankapobeny, dia mety, nefa koa dia mety "mivavabava-poana" koa ny manao izany

Izay ve ilay izy?

tsy miankina @ zavatra angatahana hoe hoan' ny nofo na hoan'ny fanahy ny mivavabava-poana. Fa miankina amin'ny mpangataka sy ny antony angatahana, ny circonstances angatahana, .....
37. rhaj0 ( 10/07/2017 20:16)
ok.. Ka dia, @ Rkjeanclaude izany, rehefa @ patsany "ny antony angatahana, ny circonstances angatahana, .....", dia afaka mangataka (mivavaka) ny hahazo ho an'ny ara-nofo.

izay ilay izy an?

Dia inona azany ny ohatra azo "ivavahana" dia azahoana @ ara-nofo?
fianarana? fanambadiana? sakafo? fahasalamana? asa? ... ??
38. RKjeanclaude ( 10/07/2017 20:28)
ireo rehetra ireo, voalazanao.

( ilay lohahevitra "miharena sy tsatatsara ary ho'aho tsy mety mandray hafatra avy aty amiko intsony fa tsy haiko hoe maninona!?)
39. rhaj0 ( 11/07/2017 02:05)
Dia hozy anefa ho'a ny namana Bor2lais in-1 mandeha

bor2lais:
ilay famonjena resahin'ny Kristiana dia famonjena ara-panahy (mba ahazo ny fiainana mandrakizay) fa tsy ara-nofo akory.

Asa raha mba miombo-kevitra @ (dogma-n'i bor2lais) io i RKjeanclaude.

Fa raha ny fahitako azy, dia (ny dogman') i RKjeanclaude dia:
ny mivavabavaka ihany mba hahazo "famonjena ara-nofo" hono... f'izany hoe, asiany ihany hoe, rehefa @ patsany hono "ny antony angatahana, ny circonstances angatahana, ....." vao mahita valim-bavaka.

Ka mafy tokoany aloha rahefa desespa ry Rajeancl, ka dia rahefa "mino" (na minominofoana) ao @ ignorance-ny ao io ianao izany, dia manantena mazia-mirakla @ fijaliany ara-nofo manjo anao ao.
40. Tealala ( 16/08/2019 08:36)
Rehefa namaky ny fanazavan'i RBNIR aho dia tsy misy azo raisina satria milaza izy fa azo hivavahana i Jesosy satria rhefa mahita Azy dia mahita ny Ray. Kanefa i Jesosy dia zanaka no Ray ary i Jesosy koa mbola nivavaka t@ ny Ray(avelao ny helony fa tsy fantany izay hataony) mametraka mihitsy izy eo hoe mbola misy ny ambony noho izy izay hivavahany.

=>> sampy i Jesosy izany.

Mba omeo ny famaritana ny hoe sampy hoe ry RBNIR raha mety.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2076