Ady Anarana

1. Davjo ( 22/06/2017 05:01)
Jesosy; Yashoua, Yeshoa, Yeshoua, Yahoshoua, Zezo, Jesoa

Fantatrareo ve hoe inona ilay Baiboly lazain'i RA TAN fa original?
http://nachouraqui.tripod.com/

LA BIBLE CHORAQUI

ANDRE CHORAQUI dia ilay Avocat mpandika boky amin'ny fiteny maro samihafa ary anisan'ny nadikan'i André ny Baiboly sy ny Coran.

Ny dikan-tenin'io lehilahy io no lazain'i Edouard fa Originale.

Fa avy aiza marina moa ilay hoe Jesosy?
novalian'i stahtam ny 17/07/2017 10:28
2. Davjo ( 22/06/2017 05:26)

Davjo:


LA BIBLE CHORAQUI

ANDRE CHORAQUI


LIRE CHOURAQUI AU LIEU DE CHORAQUI
3. tspoaeta ( 22/06/2017 05:50)
Davjo:

Fa avy aiza marina moa ilay hoe Jesosy?

Soa ianao fa niteny an'io, fa izaho koa miombon-kevitra aminao ny amizany fanontaniana fanontaniana izany.
Mila fanazavana tokoa io.
4. RA TAN ( 22/06/2017 08:16)
YAHOSHUAH no anaran'ilay Zanak'Andriamanitra Mpamonjy.
Fanazavana: Araho ny HFF RADIO manerana an'i M/car sy ny TV par internet www.rtvyahoshuah.com







5. RA TAN ( 22/06/2017 08:21)
6. RBNIR ( 22/06/2017 09:41)
Dia ahoana RA TAN!!! io marina v ilay baiboly original nangalanareo ilay Anarana sa mbola misy hafa any ho any???
7. Miharena ( 22/06/2017 10:57)
RA TAN aloha efa jamban'ny fitoriana Anarana ka jemby tanteraka ny saina amam-panahiny fa tena hitory amin'ny fomba rehetra io fahafantarana Anarana io hono izy e!

Na dia efa fantatra aza fa fiantso Jiosy izy io dia io ihany no izy hono fa rehefa nisy niantso tamin;ny fiteniny avy dia tsy mety.

Fa na dia izany aza mba ataovy ihany izay hahazoanareo manana fahazavan-tsaina e!
8. RA TAN ( 22/06/2017 11:09)
Davjo:

Fantatrareo ve hoe inona ilay Baiboly lazain'i RA TAN fa original?
http://nachouraqui.tripod.com/

LA BIBLE CHORAQUI

ANDRE CHORAQUI dia ilay Avocat mpandika boky amin'ny fiteny maro samihafa ary anisan'ny nadikan'i André ny Baiboly sy ny Coran.

Ny dikan-tenin'io lehilahy io no lazain'i Edouard fa Originale.

Taiza aho no niteny an'izany? Dia oviana?
Ny Ambasadaoran'i Yahoshuah koa tsy niteny tsy niteny hoe io no baiboly original.

Vao miditra eo ianao Davjo dia valio aloha io!

Fa io baiboly nasehonao io dia baiboly dikateny mitovy @ rehetra ihany; fa nadika direct avy t@ teny hebreo fa tsy avy t@ teny grika tahaka ny baiboly gasy
9. rhaj0 ( 22/06/2017 11:11)
Miharena:
Fa na dia izany aza mba ataovy ihany izay hahazoanareo manana fahazavan-tsaina e!

Asa raha mba fantatrareo fa ny fiantson'ny gasy razantsika Azy taloha, tany @ 1630s tany, dia RAHISA.
Ary ny reniny dia i RAMARIAMA. Ny anjely dia RAGIBORAY.
Izany no re dia notaterin'i Flacourt.

Fa taty aroriana moa, rahefa avy i Andrianaivoraelona namadika ny baiboly frantsay/anglisy sa grika izy teo ho teny gasy, dia io lasa Jesosy io, na Jesoa... dia ny anjely, lasa Kerobima.


Fa mahafinaritra fa "iadio" eto izany ilay anarana eee... Samia ao @ imazinasiony ao, samia mamely mafy ny andaniny izay manonononom-poana ilay anarana disony ao.
Ataovy mafotaka mihintsy :-)
10. RA TAN ( 22/06/2017 11:23)
tspoaeta:

Davjo:

Fa avy aiza marina moa ilay hoe Jesosy?

Soa ianao fa niteny an'io, fa izaho koa miombon-kevitra aminao ny amizany fanontaniana fanontaniana izany.
Mila fanazavana tokoa io.

Miandry anareo io fanontaniana tsotra kely io RBNIR sy ny namany rehetra a!
Tsotra kely ilay fanontaniana fa mavesatra aminareo io. Fanontaniana efa napetrako t@ RBNIR sy ny namany mantsy io, fa tena tsy vitany ny namaly azy.

Alefaso ary e!
Dia porofoy ny teninareo fa aza atao toram-po
11. Miharena ( 22/06/2017 11:36)
Ny mahatsikaiky amin'ny fanaonao anie RA TAN tsy dia hoe mandiso izay Anarana fanononanao Azy ny olona fa ianao manakorontana ny loha-hevitra isan-tokony amin'ny fampahatsiahivana io Anarana efa fantatry ny rehetra io e!
12. endriny ( 22/06/2017 14:45)

[quote=RA TAN]
YAHOSHUAH no anaran'ilay Zanak'Andriamanitra Mpamonjy.
Fanazavana: Araho ny HFF RADIO manerana an'i M/car sy ny TV par internet www.rtvyahoshuah.com





Saika mba hangina ihany aho fa tsy tanako intsony ny mahita an'ity.

Ilay tena anarana hono e YAHOSHUAH araka an'i JAONA (Tsy tena anarana) Vilana. Aoka re Tompoko
13. RA TAN ( 23/06/2017 04:20)

Miharena:

Ny mahatsikaiky amin'ny fanaonao anie RA TAN tsy dia hoe mandiso izay Anarana fanononanao Azy ny olona fa ianao manakorontana ny loha-hevitra isan-tokony amin'ny fampahatsiahivana io Anarana efa fantatry ny rehetra io e!

Ny lohahevitra eto dia "Fivavahana sy Finoana".
Ka tsy maintsy ampahafantarina eto ILAY/NY ANARAN'A/TRA izay ivavahana sy inoana.
Ary iankinan'ny fiainana mandrakizay io Anarana io sady ahazoana famonjena, dia tsy maintsy fantarina ary tsy azo atao tsinontsinona (JAONA,17:3; 1JAONA,3:8; ASA,4:12).

YAHOSHUAH no anaran'ilay zanak'A/tra.

Fa ilay JESOSY matoa tsy sahinareo azavaina sy resahina eto ny momba azy dia mazava fa tsy Izy iny (fa raha lazainareo fa Izy dia valio ilay fanontanian'i Davjo).
14. Davjo ( 23/06/2017 05:19)

RA TAN:


Fa ilay JESOSY matoa tsy sahinareo azavaina sy resahina eto ny momba azy dia mazava fa tsy Izy iny (fa raha lazainareo fa Izy dia valio ilay fanontanian'i Davjo).




Ny manuscrit an'ny nouveau Testament Originale de ts amin'ny teny Hebreo na Araméana fa amin'ny Teny Grika.

MPANDAINGA IZA MILAZA MANANA NY MANUSCRIT ORIGINALE EN HEBREUX



15. RBNIR ( 23/06/2017 06:49)
RA TAN:

Taiza aho no niteny an'izany? Dia oviana?
Ny Ambasadaoran'i Yahoshuah koa tsy niteny tsy niteny hoe io no baiboly original.

Vao miditra eo ianao Davjo dia valio aloha io!

Fa io baiboly nasehonao io dia baiboly dikateny mitovy @ rehetra ihany; fa nadika direct avy t@ teny hebreo fa tsy avy t@ teny grika tahaka ny baiboly gasy

Ka mba ento eto ary mba hiarahamahita ilay original (nolazainao fa tsy misy soramandry) ka nahazoanao an'io Anarana io RA TAN an!!!

P.S : ilay la saint bible de la vulgate nolazain'ingahy samuelson edward ato tsy original fa efa baiboly nadika tamin'ny teny latina an!!!!

http://www.rtvyahoshuah.com/lien/fampianarana1.php
16. tspoaeta ( 23/06/2017 07:14)
Davjo:

Fa avy aiza marina moa ilay hoe Jesosy?

Tsisy afaka mamaly ve nareo? nefa nareo zao raha anontaniana hoe iza no mahay tenin'a/tra dia fantatro fa samy milaza fa mahay daoly. sa ve eritreritra manidintsidina fotsiny nenareo
17. stahtam ( 23/06/2017 08:29)
Miarahaba mr Davjo!
- Nanontany ianao hoe : " Fa avy aiza marina moa ilay hoe Jesosy?"
- Tsy anaran'ny Mesia inoako io fa fanampiana ihany no ataoko.
- Ry RA TAN mahalala betsaka momba an'io "jesosy" io: anaran'ny sampy grika atao hoe "Zeus" "hono" io, any @ constellation d'Andromède izany "hono" io no mitoetra, devoly "hono" io, ary farany : NIVAVAHAN-dry RA TAN sy ry MINDAOZY sy ry EPISCOPO io jesosy (devoly) io hatr@ 1996 ka hatr@ mars 2009 (andron'ny tsy fahalalana "hono") dia navadiny ho Yahoshuah indray t@ andron'ny fahalalana.
- Raha tsy matoky ianao dia mba amafiso aminy ange izay resaka izay e!
18. RBNIR ( 23/06/2017 08:37)
tspoaeta:

Tsisy afaka mamaly ve nareo? nefa nareo zao raha anontaniana hoe iza no mahay tenin'a/tra dia fantatro fa samy milaza fa mahay daoly. sa ve eritreritra manidintsidina fotsiny nenareo

Eo indrindra isika izao ny olona "sarotiny" amin'ilay Anarana no tokony hitondra fanazavana amin'izay hanarana entiny, fa ny ahy dia efa nolazaiko hoe matoa ny Anarana iray voasoratra ao anaty baiboly dia tsy noho ny eritreritr'ilay olona fotsiny ihany fa noho ny fitondran'ny Fanahy Masina azy,

« fa fantatrareo voalohany indrindra fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin'ny Soratra Masina dia tsy efan'ny fisainan'ny olona fotsiny ihany; » (2 Petera 1:20)
« fa tsy nisy faminaniana avy tamin'ny sitrapon'ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin'Andriamanitra no nitenenan'ny olona araka izay nitondran'ny Fanahy Masina azy. » (2 Petera 1:21)


Fanampiny rehefa tonga tato amin'ity olona ity IZY dia hoy ny teniny hoe IZAHO JESOSY KRITY no tonga manatrika anareo eto!!!
Olona 2 no teo tamin'izay fotoana izay...

19. Davjo ( 23/06/2017 08:40)

stahtam:

Miarahaba mr Davjo!
- Nanontany ianao hoe : " Fa avy aiza marina moa ilay hoe Jesosy?"
- Tsy anaran'ny Mesia inoako io fa fanampiana ihany no ataoko.
- Ry RA TAN mahalala betsaka momba an'io "jesosy" io: anaran'ny sampy grika atao hoe "Zeus" "hono" io, any @ constellation d'Andromède izany "hono" io no mitoetra, devoly "hono" io, ary farany : NIVAVAHAN-dry RA TAN sy ry MINDAOZY sy ry EPISCOPO io jesosy (devoly) io hatr@ 1996 ka hatr@ mars 2009 (andron'ny tsy fahalalana "hono") dia navadiny ho Yahoshuah indray t@ andron'ny fahalalana.
- Raha tsy matoky ianao dia mba amafiso aminy ange izay resaka izay e!


Hainay i Jeus e, c un dieu mythologique, un dieu d'angano
Raha mino ianao fa tena misy zany Jeus zany ary nivadika Jesus ny anarany dia mino ianao zany fa tsy tokana Andriamanitra na ilay mpahary aminareo fa misy ny Andriamanitra hafa.

20. stahtam ( 23/06/2017 09:29)
1°) "Raha mino ianao fa tena misy zany Jeus zany"
- Ekany, tena mino aho fa NISY ny TANTARAN'izany. Saingy an'ny grika izay ka tsy haiko izay fisiany sy tsy fisiany.
2°) "ary nivadika Jesus ny anarany"
- Dia anontanio an-dry RA TAN fa izy no nilaza an'io. Tahaka io ataonao eo ambony eo io.
3°) "dia mino ianao zany fa tsy tokana Andriamanitra na ilay mpahary aminareo fa misy ny Andriamanitra hafa"
- Aminay dia tokana ny mpahary INOANAY, fa tsy Andriamanitra. Anareo angamba ilay andriamanitra. Sady tsy haiko rahateo izay tianao hotondroina @ hoe amiNAREO io.
4°) "RAHA" marina ("raha") ilay hoe Yahshua nosoratanao io dia ianao izany ilay hoe:
- na manantsafa tahaka ny mpaka afo,
- na ilay manam-pahaizana ambony noho ny rehetra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1738