FANTATRAO V IZAO TENY IZAO (SY NY TENA HEVINY MARINA)?

41. RBNIR ( 21/06/2017 14:51)
rhaj0:

Nefa io (asam-pamonjena), hozy Bor2lais, dia EFA VITA!!

Soa ihany fa notsindrinao tsara hoe hozy bor2lais (FIHEVITRAO fa tsy fiheviny)......
toy ny mahazatranao io bor2lais a!

Normal Be satria ianao koa dia mitsipaka ny fiheviny fa naleonao ny fihevitrao e!!!
42. rhaj0 ( 21/06/2017 15:40)
Dia hono koa ho'a ry Bor2lais, ity "Filazantsaran'ny hazo fijaliana" anao ity ve no @ ilay hoe "Evangile de la Croix"?

rhaj0:
RAha ny fahazoako azy izany, dia amin-dry Bor2lais, na hoe @ "ilay Filazantsaran'ny hazo fijaliana", dia :

1- efa "vita" ny ... lahatra, na hoe, efa tsara petrapetraka ny zava-drehetra, tsy mila hiasana anaovana "asam-pamonjena" intsony, satria efa nohomboina dia efa lasa Ilery.

2- Ny Batisa no (marika) mampa-lasa ho olom-baovao, nateraka indray.

3- Ary vao vita Batisa ianao, dia ny fiainana dia mira hoe, efa "avotra" ary (tokony) mino sy mandray ary miaina fotsiny sisa... fa efa "vitaNY" ilay izy (ilay "tena fiainana") ho ao aminao ao izany hono eee...


Dia izay no mampatsigevaheva fotsiny an'i Bor2lais any @ 3eme etage-ny any, fa ny toa an-dry RBNIR, TSY kôpy n'inon'inona @ ity, dia mbola mipapapapa sy mivaralila manao "asam-pamonjena" hono. Nefa io (asam-pamonjena), hozy Bor2lais, dia EFA VITA!!
43. RBNIR ( 21/06/2017 15:53)
« Izaho efa nankalaza Anao tety ambonin'ny tany; vitako ny asa nomenao Ahy hataoko. » (Jaona 17:4)

Mazava Be io Ny asa nasaina nataon'i Jesosy no Vita!!!

Fa ny fitorina ilay filazantsara any amin'izao tontolo izao (mbola tsy vita) satria raha efa vita iny na izao sy ianao aza tsy nisy intsony satria ny farany dia efa tokony ho tonga....raha araka ilay mat.24:14...

Izay koa ny anton'ilay hoe Vitao ny Asan'ny fahamarinana, nisy asa natomboka tao fa tsy vita dia mila faranana ilay izy...
44. RBNIR ( 21/06/2017 15:54)

Ilay asa mila faranana dia tsy inona fa ny fitoriana ilay filazantsara (tsy hafa fa ilay taloha ihany amin'ny endriny nampianarana azy fahiny) erak'izao tontolo izao.....
45. Davjo ( 22/06/2017 04:50)

RBNIR:

« Ary hotorina amin'izao tontolo izao ity filazantsaran'ny fanjakana ity ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany. » (Matio 24:14)


Ny famerenana ny fitorina an'io fampianarana tsy misy kilema io anefa no andrasana dia vao ho tonga ny farany....

Mila miverina indray i Jesosy mampianatra izay vao ho tonga ny farany satria Izy irery sisa no mahafantatra sy mahay an'io fampianarana tsy misy kilema io...
RBNIR:





Araka ny voalazan'ny Baiboly dia in-3 ihany i Jesosy no hiseho mivantana
1- Jesosy Alfa ilay fiandohana: Ilay Mazava, lahimatoan'ny fahariana rehetra
2- Jesosy ilay Jehovah no mpamonjy, Imanoela tonga nofo
3- Jesosy Omega ilay fiafarana, hiseho amin'ny voninahiny eny amin'ny rahon'ny lanitra.

Izay miseho ho azy ho jesosy ka mbola miseho araka ny nofo dia mpisandoka amin'izao andro ankehitriny izao.

Heb 9,26
fa ankehitriny dia efa
naseho indray mandeha tamin'izao andro farany
izao Izy mba hanafaka ny ota tamin'ny nanaterany
ny tenany. 27 Ary tahaka ny nanendrena ny olona ho
faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy
fitsarana, 28 dia tahaka izany koa Kristy, rehefa
natolotra indray mandeha hitondra ny otan'ny maro,
dia hiseho fanindroany, tsy amin'ota, amin'izay
miandry Azy, ho famonjena

46. RBNIR ( 22/06/2017 06:54)
Davjo:

Izay miseho ho azy ho jesosy ka mbola miseho araka ny nofo dia mpisandoka amin'izao andro ankehitriny izao.

Salame Davjo,

Ity tranga iray ity izao tsy tafiditra ao amin'ireo tranga telo noresahinao etsy ambony ireo...

« Ary raha nandeha izy, dia tonga teo akaikin'i Damaskosy; ary nisy mazava avy tany an-danitra nanelatretatra tampoka manodidina azy; » (Asan'ny Apostoly 9:3)
« dia lavo tamin'ny tany izy ka nandre feo nanao taminy hoe: Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy? » (Asan'ny Apostoly 9:4)
« Ary hoy izy: Iza moa ianao, Tompoko? Dia hoy Izy: Izaho no Jesosy Izay enjehinao; » (Asan'ny Apostoly 9:5)


araka ny hevitrao fisehoana sandoka v izany io???

Tahakan'io fisehoana io hoy ity olona iray manaraka ity no nitranga taminy...

47. bor2lais ( 22/06/2017 12:57)
RBNIR:

Mazava Be io Ny asa nasaina nataon'i Jesosy no Vita!!!

Fa ny fitorina ilay filazantsara any amin'izao tontolo izao (mbola tsy vita) satria raha efa vita iny na izao sy ianao aza tsy nisy intsony satria ny farany dia efa tokony ho tonga....raha araka ilay mat.24:14...

Izay koa ny anton'ilay hoe Vitao ny Asan'ny fahamarinana, nisy asa natomboka tao fa tsy vita dia mila faranana ilay izy...

:-)
1. Hay manaiky ihany ianao fa efa vitaNY ny asa iraka nampanaovina Azy ?
2. Amina(re)o aloha, inona moa ilay filazantsara torina amin'izao tontolo izao ?
3. Inona ilay asa lazaina(re)o fa natomboka tao ka tsy vita (ankoatra io faha-2 io) ?

Farany : bor2lais no miresaka eto @ ity serasera ity, ny heviny no zarainy. Raha tsy mety amina(re)o dia avereno aty, fa raha misy azo raisina ka mety mahasoa kosa dia tsy bor2lais no omem-boninahitra fa Ilay nibitsika (nanoro izany) tao aminy fa i bor2lais dia fitaovana fotsiny ihany !

Zany RBNIR a ! :-)
48. rhaj0 ( 22/06/2017 13:34)
Nataoko fa tena favibe ny tao @ 3eme etage tao, fa kay ve i Bor2lais ity toa mitovy (fa tsy sahala) an-dry Miharena (mpino an'i Tsaratsara) ihany eee :-)

Bor2lais mahare bitsik'Andrmntra:
- "bor2lais no miresaka"
- "fa Ilay nibitsika tao aminy"
- "bor2lais dia fitaovana fotsiny ihany"

Miharena nahare bitsik'Andrmntra:
i Miharena no Andriamanitra
i Miharena dia fitaovana na fantsona itenenan'i Andriamanitra

49. endriny ( 22/06/2017 14:49)

RBNIR:

« Ary hotorina amin'izao tontolo izao ity filazantsaran'ny fanjakana ity ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany. » (Matio 24:14)



Tokony mba ampiharina aloha ity fampianaran'ity. Ary hoy Jesosy: "Fa na iza na iza manafitohina ireny madinika ireny, dia tsara ho azy ny anantonana vato fikosam-bary ka avarina any anaty ranomasina">

Fa raha mbola tsy nandalo an'io isika dia aleo aloha tsy mijery ny farany
50. RBNIR ( 23/06/2017 07:29)
Bor2lais,

Isika tsy mitsipâka ny voasoratra ao anaty baiboly an!
1- Eny araka ilay Jao.17:4 (vitany ny asa izay nomen'ny Ray nataony
2- Tsy filazantsara hafa fa ilay filazantsara notoriana 2000 taona lasa ihany satria hoy Jesosy ao amin'ilay Mat.24:14 hoe "ity filazantsara ity" Tsy inona fa io ilay fampianarana tsy misy kilema ilay noraisin'i Jesosy mivantana avy tamin'ny Ray (Jao.7:16)
3-
Henoy ity video ity fa izao no hafatra nomen'i Jesosy an'ity olona ity hoe : "ny apostoly no nanomboka ny fitoriana ny filazantsara fa ianareo kosa no hamarana azy...."


Enga anie mba "hino" ianao bor2lais.....

51. rhaj0 ( 23/06/2017 10:37)
RBNIR:
Enga anie mba "hino" ianao bor2lais.....

Esy eee... Ka i Bor2lais (sy ry Miharena) anie ry RBNIR efa... presque Andrmntra ee... i Andrmntra hono no miteny rahefa miresaka rizareo ireo, araka ny filazany.

TSY izaho no mamorona, fa tena "soratr'i Bor2lais sy Miharena" ireto ambany nataoko anaty cadre ireto.

Bor2lais mahare bitsik'Andrmntra:
- bor2lais no miresaka
- fa Ilay nibitsika tao aminy (i Andrmntra io)
- bor2lais dia fitaovana (an'i Andmntra) fotsiny ihany

Miharena nahare bitsik'Andrmntra:
i Miharena no Andriamanitra
i Miharena dia fitaovana na fantsona itenenan'i Andriamanitra

Ary i RBNIR angaha TSY mba bitsihan'Andrmntra koa?? Sa i Hrnrn ihany no mahazo an'izany??
52. RBNIR ( 23/06/2017 11:41)
izany v rhajo? efa lasa noresahiny mivantana koa v i miharena sy bor2lais???

Vaovao amiko indray iny ?? telo izany izao ny malagasy noresahiny mivantana????

Aza dia mandainga eo re ry bor2lais sy miharena a!!!
53. rhaj0 ( 23/06/2017 12:21)
RBNIR:
Aza dia mandainga eo re ry bor2lais sy miharena a!!!

Inty ny resak'i Bor2lais orijinaly,
teto...
bor2lais - 22/06/2017 14:57:
bor2lais no miresaka eto @ ity serasera ity, ny heviny no zarainy. Raha tsy mety amina(re)o dia avereno aty, fa raha misy azo raisina ka mety mahasoa kosa dia tsy bor2lais no omem-boninahitra fa Ilay nibitsika (nanoro izany) tao aminy fa i bor2lais dia fitaovana fotsiny ihany !

Inty ny reak'i Miharena orijinaly, tato...
Miharena - 30/05/2017 19:49:
Ilay bitsika dia hoe : IANAO NO IZAHO satria nataoNY Fitaovana aho na fantsona itenenaNY.

Ka dia ireo nataoko anaty cadre ireo eee...

Bor2lais mahare bitsik'Andrmntra:
- bor2lais no miresaka
- fa Ilay nibitsika tao aminy (i Andrmntra io)
- bor2lais dia fitaovana (an'i Andmntra) fotsiny ihany

Miharena nahare bitsik'Andrmntra:
i Miharena no Andriamanitra
i Miharena dia fitaovana na fantsona itenenan'i Andriamanitra

Ireo indray k'lou dia ho ataoko dridran-gilo eto eee... satria mivaralila miteniteny foana eo foana ry Bor2lais sy Miharena, ary dia ho atao hitan'ny havany eo i ... Andmntra-mpibitsibitsika :-)
... ambara-pilevim-belona an-dry Miharena sy Bor2lais.. any paradisa...
f'aza miala mitsoaka ry Miharena sy Bor2lais an... vao mainka henatra bevata raha mitsoaka eto :-)
54. RBNIR ( 23/06/2017 12:27)
ay v e!!! ka raha izany kosa kay izireo izany tsy nilaza hoe noresahin'i Jesosy mivantana fa i rhajo no manana ny interpretationy manokana koa...
55. MIharena ( 24/06/2017 05:54)
Ny marina anie Rhaj0 dia iray ihany e! Rehefa mino dia hetsehin'ny Fanahy Masina ary ny mpino rehetra mahafantatra fa raha tsy hetsehin'ny Fanahy Masina izy tsy afaka mitory sy mahazo ny Tenin'Andriamanitra.

Ary aza dia atao drindran-gilo etsy sy eroa fa mba ataovy lohahevitra misy firindrany ilay resaka atao namana Rhaj0 fa hoatry ny miparitaka be anie ny lohanao izany e! tsy mahalala biby afa-tsy ny sahona araka ny fitenenana dia iny ihany no lazaina etsy sy eroa amin'ny loha-hevitra samihafa.

Ny hany mba hitako hoe mampivoatra ny namana Rhaj0 dia efa manomboka miandalana ihany ny fifohazany tsy hanaiky izay baikon'ny sainy fa mba efa miraika tsikelikely amin'ny fahamarinana zaraina izy.

Asa na marina io na tsia aloha fa rehefa atao fefy ilay fomba drindrangilo ao an-tsainy io dia mbola misy fefy amin'ny Tompo Mpahary azy ihany Rhaj0 ka tsy hahatsapa izany fiasan'ny Mpahary sy ny drafitra tiany hampitaina amin'ny zanak'olombelona izany.



56. RBNIR ( 26/06/2017 09:29)
MIharena:

Ny marina anie Rhaj0 dia iray ihany e! Rehefa mino dia hetsehin'ny Fanahy Masina ary ny mpino rehetra mahafantatra fa raha tsy hetsehin'ny Fanahy Masina izy tsy afaka mitory sy mahazo ny Tenin'Andriamanitra.

Fa na izany aza miharena tsy tokony hafangaron'ny olona ny hoe Jesosy miresaka sy mampianatra mivantana olona iray sy ny ho Fanahy Masina miasa amin'ny olona iray....
57. bor2lais ( 26/06/2017 11:04)
RBNIR:

...
Aza dia mandainga eo re ry bor2lais sy miharena a!!!

RBNIR:

ay v e!!! ka raha izany kosa kay izireo izany tsy nilaza hoe noresahin'i Jesosy mivantana fa i rhajo no manana ny interpretationy manokana koa...

:-)
Izao no mampiseho fa misy ny avy dia mitelina izay lazaina azy fa tsy mba mamaky tsara na/sy mandinika ny voasoratra !
Vao mahita "tsindroka apetapetaka" (copier/coller) dia lazaina avy hatrany fa "tena izy" (authentique) ! :-)
58. Miharena ( 27/06/2017 05:27)

RBNIR:

MIharena:

Ny marina anie Rhaj0 dia iray ihany e! Rehefa mino dia hetsehin'ny Fanahy Masina ary ny mpino rehetra mahafantatra fa raha tsy hetsehin'ny Fanahy Masina izy tsy afaka mitory sy mahazo ny Tenin'Andriamanitra.

Fa na izany aza miharena tsy tokony hafangaron'ny olona ny hoe Jesosy miresaka sy mampianatra mivantana olona iray sy ny ho Fanahy Masina miasa amin'ny olona iray....


Tsy miavaka ny resak'i Jesosy sy ny Fanahy Masina fa IRAY feo ireo ary mizara Fanahy IRAY.

rehefa misy mifanipaka ny tenin'ireo dia miady antrano no dikany ary rava ny miady antrano.

Ny olana amin;izao fotoana izao dia izay olona mampiditra ny feony manokana ao anatin'ny hafatra azony mivantana aavy any ambony no mahatonga ny olona mihaino hoe misy diso izany izy izany ary tena tsy mahazo aina mihitsy aza ny olona mihaino azy ireny.

Anisan;ny ohatra iray io fanasarahana ny Fanahy Masina sy Jesosy io. Ivereno vakiana ny Tenin;Andriamanitra dia ho hitanao ao hoe feo IRAY ihany isy ireo.
59. RBNIR ( 27/06/2017 05:54)
O ry bor2lais sy Miharena a!

Marina marina ihany

bitsika = Teny lazaina malemilemy eo akaikin'ny sofina fa tsy tiana ho ren'ny hafa.

http://www.rakibolana.org/rakibolana/teny/bitsika

Diniho tsara ilay zavatra soratana e, tena niteny teo antsofinareo marina v izy (ara-bakiteny io)

Averiko ihany tsy mitovy ny hoe JESOSY mifidy dia mampianatra mivantana, sy ny hoe Fanahy Masina miasa ao anatin'ny olona irany,

Ilay voalohany dia tena misy présencen'i Jesosy hita sy henon'ilay olona eo, ilay Faharoa dia miasa amin'ny fieritreretan'ny olona.....
60. Miharena ( 27/06/2017 07:22)
Tsy dia mifanipaka amin'ny nosoratako teo anie ny teninao RBNIR.

Misy Jesosy miseho mivantana.

Misy Fanahy Masina manoro mivantana izay avy AMINY ihany araka ny tenin'i Jesosy naniraka ny Fanahy Masina.

Rehefa tsy IZY no mandeha manatona olona iray dia ny Fanahy Masina no fantsona itenenaNY amin'ny Apostoly na ny olombelona samihafa.

Ny rafi-pifandraisana eo amin;ny olombelona sy Jehovah ray ary Jesosy efa voalaza ao anaty Baiboly avokoa.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2268