NATOKANA HOAN'NY ISRAELIANA IRERY NY DIDY FOLO (LALÀN'I MOSHÈ), FA TSY NATAO HOAN'NY HAFA FIRENENA.

1. RA TAN ( 07/04/2017 13:13)
"SALAMO,147:19 Milaza ny teniny amin'i Jakôba Izy, ary ny didiny sy ny fitsipiny amin'Israely. 20 Tsy mba nanao toy izany tamin'izay firenena hafa Izy, ary ny fitsipiny tsy mba fantatr'ireny".
"NEHEMIA,13:3 Ary rehefa ren'ny olona ny lalàna dia navahany niala tamin'ny Israely ny olona hafa firenena rehetra".

Fanontaniana mipetraka aminareo hafa firenena mitandrina didy folo rehetra:
LALÀNA AIZA AO @ SORATRA MASINA NO MITENY HOE AZONAREO TANDREMANA IO DIDY FOLON'NY JIOSY IO???

Fa ny hafa firenena aza halan'A/tra ra @ didy folo: MAMPIFANDRAFY NY HAFA FIRENENA @ A/TRA SY @ JIOSY NY DIDY FOLO [DEO,7:2,3 EKS,34:11-14 avec 1MPANJAKA,2:3 & DEO,4:2]

==> Solution avy @ YAHOSHUAH: "EFESIANA,2:15"

www.rtvyahoshuah.com
novalian'i stahtam ny 31/07/2017 07:17
2. RBNIR ( 07/04/2017 13:15)
« Ary ny hafa firenena izay efa manaiky ho an'i Jehovah mba hanompo Azy sy ho tia ny anaran'i Jehovah mba ho mpanompony dia izay rehetra mitandrina ny Sabata ka tsy manao azy ho tsy masina sady mitana ny fanekeko » (Isaia 56:6)
« Dia ho entiko ho any an-tendrombohitro masina, ka hampifaliko ao an-tranoko fivavahana; ny fanatitra dorany sy ny fanatitra hafa alatsa-drà dia hankasitrahana eo ambonin'ny alitarako, fa ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an'ny firenena rehetra. » (Isaia 56:7)

Ireo didy ireo dia navelan'Andriamanitra hotandreman'ireo hafa firenena ihany koa.....
3. RA TAN ( 07/04/2017 13:50)

RBNIR:

« Ary ny hafa firenena izay efa manaiky ho an'i Jehovah mba hanompo Azy sy ho tia ny anaran'i Jehovah mba ho mpanompony dia izay rehetra mitandrina ny Sabata ka tsy manao azy ho tsy masina sady mitana ny fanekeko » (Isaia 56:6)
« Dia ho entiko ho any an-tendrombohitro masina, ka hampifaliko ao an-tranoko fivavahana; ny fanatitra dorany sy ny fanatitra hafa alatsa-drà dia hankasitrahana eo ambonin'ny alitarako, fa ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an'ny firenena rehetra. » (Isaia 56:7)

Ireo didy ireo dia navelan'Andriamanitra hotandreman'ireo hafa firenena ihany koa.....


VALINY:
Any Israel ny tendrombohitra masina. Tsy maintsy mankany ianao izany dia tsy maintsy manao sorona sy fanatitra alatsa-dra any.
IANAO AZA ATY M/CAR SADY TSY METY MANAO FANATITRA ALATSA-DRA.
==> TSY IANAREO IO VOALAZA @ "ISAIA,56:6,7" IO FA HAFA FIRENENA EFA TAO ISRAEL IREO.
4. endriny ( 07/04/2017 13:53)
Tsy misy Jakoba izany ry yes ho'a a
5. RA TAN ( 07/04/2017 14:00)
Diso ary ve ny "SALAMO,147:19,20" sy ny "NEHEMIA,13:3" aminareo gasy mitandrina didy folo???

Valio!
6. RBNIR ( 07/04/2017 15:42)
Iza moa ny atao hoe zanak'isiraely???
Iza i Isiraely? « Ary hoy indray Izy: Tsy hatao hoe Jakoba intsony ny anaranao, fa Isiraely; satria efa nitolona tamin'Andriamanitra sy tamin'ny olona ianao ka nahery. » (Genesisy 32:29)
I Jakoba no atao hoe Isiraely. Ny atao hoe zank'israely araka izany dia ireo taranak'i Jakoba,

Ireo didy v natokana ho an'ny taranak'i Jakoba ihany marina tokoa????

Talohan'ny taranak'i Jakoba dia efa nisy olona maro, nampianarin'Andriamanitra ireo didiny ireo saingy tsy noraiketina antsoratra ireny didy ireny tamin'izany fotoana izany fa mbola nomena ambava fotsiny ihany....

Ireny olona ireny dia nifanerasera tamin'Andriamanitra ary nampianariny ireo didiny
Anisan'izany i Enoka izay voalaza fa "tsy hita" (nanjavona) satria nentin'Andriamanitra rehefa niara-nandeha taminy (nitandrina ny didiny no tiany ambara eo)....« Ary niara-nandeha tamin'Andriamanitra Enoka; ka tsy hita izy, fa nentin'Andriamanitra. » (Genesisy 5:24)

I Abrahama koa dia anisan'ny nampianariny sy nampitandremany an'ireo didy ireo....« satria efa nihaino ny feoko Abrahama ka nitandrina izay nasaiko notandremany, dia ny didiko sy ny teniko ary ny lalàko. » (Genesisy 26:5)

Talohan'ny zanak'israely dia efa nifidy mpisorona koa Andriamanitra : Melkizedeka no anarany, « Ary Melkizedeka, mpanjakan'i Salema, nivoaka nitondra mofo sy divay; ary izy dia mpisoron'Andriamanitra Avo Indrindra. » (Genesisy 14:18)

Tsy hoe taorian'ny fanomezana ny didy folo vao nampianarin'Andriamanitra ireo didy ireo fa talohan'izay dia efa nampianariny an'ireny olona ireny.

1 Ny fitandremana (fitsaharana) amin'ny andro fahafito IZY mihitsy no nampianatra ny fitandremana sy ny fanamasinana izany voalohany indrindra....
« Ary tamin'ny andro fahafito dia vitan'Andriamanitra ny asa efa nataony; ary dia nitsahatra tamin'ny andro fahafito Izy tamin'ny asany rehetra izay efa nataony. » (Genesisy 2:2)
« Ary Andriamanitra nitahy ny andro fahafito sy nanamasina azy, satria tamin'izany no nitsaharan'Andriamanitra tamin'ny asany rehetra izay noforoniny tamin'ny nanaovany azy. » (Genesisy 2:3)

Raha mbola tsy azo koa ny didy folo dia efa nampianarina tany an'efitra ny fitandremana ny andro fahafito....« Henemana no hanangonanareo azy; fa Sabata ny andro fahafito, ka dia tsy hisy amin'izany. » (Eksodosy 16:26)

2 Tamin'ny andron'i Noa ohatra koa ohatra dia efa nampahafantarina tsara ny olona ny atao hoe biby madio sy ny biby tsy madio....« Ny biby madio rehetra isan-karazany dia hanalanao ho ao aminao fito avy, lahy sy vavy; ary ny biby tsy madio isan-karazany roa avy, lahy sy vavy; » (Genesisy 7:2)


3 Ny fahafolonkarena dia tsy hoe didy vaovao nomena ny zanak'isiraely fa efa nampianarina an-dry Abrahama sy ry Melkizedeka ihany koa....« Ary Melkizedeka, mpanjakan'i Salema, nivoaka nitondra mofo sy divay; ary izy dia mpisoron'Andriamanitra Avo Indrindra. » (Genesisy 14:18)
« Dia nitso-drano azy Izy ka nanao hoe: Hotahin'Andriamanitra Avo indrindra anie Abrama, dia Andriamanitra Izay nahary ny lanitra sy ny tany; » (Genesisy 14:19)
« Ary isaorana anie Andriamanitra Avo Indrindra, Izay efa nanolotra ny fahavalonao teo an-tananao. Dia nomen'i Abrama azy ny ampahafolon'ny zavatra rehetra. » (Genesisy 14:20)

I Jakoba koa dia efa nampahafantarina ny didy momba ampahafolony...« Dia nivoady Jakoba ka nanao hoe: Raha homba ahy Andriamanitra ka hiaro ahy amin'izao lalana alehako izao, ary hanome ahy mofo hohaniko sy lamba hitafiako, » (Genesisy 28:20)
« ka ho tafaverina soa aman-tsara any amin'ny tranon'ny raiko aho, dia Jehovah no ho Andriamanitro, » (Genesisy 28:21)
« ary ity vato izay naoriko ho tsangam-bato ity ho tranon'Andriamanitra, ary izay rehetra homenao ahy, dia homeko Anao tokoa ny ampahafolony. » (Genesisy 28:22)

Fehiny : ireo didy ireo dia tsy hoe, didy vaovao no natolotra ho an'ny zanak'isiraely fa na iza na iza olona efa nofidin'Andriamanitra tany aloha rehetra tany dia efa nampianariny sy nampitandremany an'ireo didy ireo avokoa (na dia tsy noraiketina an-tsoratra aza ireo didy ireo)

Dikany, tsy didy natokana ho an'ny zanak'isiraely ireo didy ireo fa didy natokana ho an'izay rehetra "olomboafidin'Andriamanitra " na iza izy na iza....

7. RBNIR ( 07/04/2017 15:48)
RA TAN:

Diso ary ve ny "SALAMO,147:19,20" sy ny "NEHEMIA,13:3" aminareo gasy mitandrina didy folo???
Valio!

Tsy misy diso na mifanipaka ny tenin'Andriamanitra....
« Mamoaka ny teniny Izy ka mampiempo ireny; Mampifofofofo ny rivony Izy, dia mandriaka ny rano. » (Salamo 147:18)
« Milaza ny teniny amin'i Jakoba Izy Ary ny didiny sy ny fitsipiny amin'Isiraely. » (Salamo 147:19)

Io teny io ohatra dia manamafy fa i Jakoba (na isiraely) dia efa nampianarina marina tokoa ireny didy sy fitsipika ireny....

Manamafy izany fa talohan'ny zanak'isiraely dia efa nampianarina marina tokoa ireny didy sy fitsipika ireny....
8. RBNIR ( 07/04/2017 15:51)
FEHINY TSY NATOKANA HO AN'NY ZANAK'ISIRAELY IREO DIDY IREO FA NATOKANA HO AN'IZAY REHETRA ATAO HOE OLOMBOAFIDIN'ANDRIAMANITRA......
9. henitsoamama ( 07/04/2017 16:22)
D gaga ah
10. rhaj0 ( 07/04/2017 17:04)
Dia mba hitako tena mitovy mihintsy ny fitombenan'ny resak'i RA TAN sy i RBNIR. Ka tena tsy azoko hoe, inona no ifandiranareo roaroa... (manala baraka ny Mpino fotsiny ny ady an-tsenanareo mifampivazavaza en majuscule eto).

RA TAN = TSY NATAO HOAN'NY HAFA FIRENENA
RBNIR = NATOKANA HO AN'IZAY REHETRA ATAO HOE OLOMBOAFIDIN'ANDRIAMANITRA


Ka ny "hafa firenena" anie ka TSY "olomboafidin'Andriamanitra" eee...
Ka dia mitovy ny petra-kevitrareo roaroa eee...

Iaraha-mahalala ohatra ny fandringanana ny Ejipsiana.
RA TAN = "hafa firenena" ny Ejipsiana ary TSY natao ho azy izany didy 10 izany
RBNIR = TSY "olomboafidin'Andriamanitra" ny Ejipsiana fa io naringana io

Dia na isika Gasy azany anie angaha "olomboafidy"??? Raha "olomboafidy" ny Malagasy efa mba voatonontonona tao @ Baiboly tao koa. Ny Zaponey sy ny Aborizena @ io manginy fotsiny.

FA ireo rehetra ireo moa dia akapokapoky ry RBNIR ho Jentilisa izany hono. Dia ao koa ry RA TAN misavisavika ho zanak'Andrmntra (izany Yahoshua izany) ao koa.

Dia ihomehezan'ny "tena zanany" fotsiny eee... dia ilay "zanany lahitokana".
11. RKjeanclaude ( 07/04/2017 18:21)
ary samy mampiasa mazoskily aby a!
izaho koa te-hampiasa, fa rehefa inona no mampiasa azy? :)
12. RKjeanclaude ( 07/04/2017 18:57)

henitsoamama:

D gaga ah


fa inona ilay mahagaga anao?
13. rhaj0 ( 07/04/2017 22:54)
Ny mahaganga dia ireo Mpino mifanipaka an-tsobika.. Ka hiditra koa va ianao Rajeancl? :-)

Idiro Rajeancl fa Andmntra azany tsy miteny, nefa ry Ra Tan sy RBNIR @ io ... manome voninahitra ho an'Andmntra @ ity ataony eto an-tsena io...
14. RA TAN ( 08/04/2017 11:50)
RBNIR:

FEHINY TSY NATOKANA HO AN'NY ZANAK'ISIRAELY IREO DIDY IREO FA NATOKANA HO AN'IZAY REHETRA ATAO HOE OLOMBOAFIDIN'ANDRIAMANITRA......


Valiny:
Ny "SAL,147:19,20"; "NEH,13:3"; "DEO,5:1" miteny hoe natao hoan'ny Israeliana irery ny lalàn'i Moshè sy ny D10. Fa ny Israeliana irery no olomboafidin'A/tra ra @ D10, fa ny hafa firenena asain'A/tra aripaka, tsy amindrana fo mihintsy (DEO,7:2,3)

LALÀNA AIZA AO @ SORATRA MASINA NO AHAFAHANAO MITANDRINA NY DIDY FOLON'NY JIOSY???
15. endriny ( 08/04/2017 13:47)
Sadikadika ilay Atrao Ratan a
16. RBNIR ( 08/04/2017 16:01)

rhaj0:

Ny mahaganga dia ireo Mpino mifanipaka an-tsobika.. Ka hiditra koa va ianao Rajeancl? :-)

Idiro Rajeancl fa Andmntra azany tsy miteny, nefa ry Ra Tan sy RBNIR @ io ... manome voninahitra ho an'Andmntra @ ity ataony eto an-tsena io...

Fanitsiana izay diso izany rhajo a
17. RBNIR ( 08/04/2017 23:27)

RA TAN:

RBNIR:

FEHINY TSY NATOKANA HO AN'NY ZANAK'ISIRAELY IREO DIDY IREO FA NATOKANA HO AN'IZAY REHETRA ATAO HOE OLOMBOAFIDIN'ANDRIAMANITRA......


Valiny:
Ny "SAL,147:19,20"; "NEH,13:3"; "DEO,5:1" miteny hoe natao hoan'ny Israeliana irery ny lalàn'i Moshè sy ny D10. Fa ny Israeliana irery no olomboafidin'A/tra ra @ D10, fa ny hafa firenena asain'A/tra aripaka, tsy amindrana fo mihintsy (DEO,7:2,3)

LALÀNA AIZA AO @ SORATRA MASINA NO AHAFAHANAO MITANDRINA NY DIDY FOLON'NY JIOSY???


Tsy azonao mihitsy ilay izy RA TAN an,

Tsy ny isiraelianina ihany no olomboafidin'Andriamanitra hatramin'izay, fa efa nisy maro tany alohany (santionany ireo notanisaiko ireo)

Tsy niova ny didy nomen'Andriamanitra an'ireny olona ireny fa mitovy daholo ihany (saingy taty amin'ny andron'ny zanak'israely izy vao noraiketina antsoratra...

Ny tena marina dia ny fomba fisoronana (fomba fanompoana) taloha no tena sitrak'Andriamanitra noho ny fomba fanompoana taty aoriana....
Izay koa no antony nahatongavan'i Jesosy = Hisorona indray tahaka ny nisy fahiny...« Fa Izy dia nambara hoe: "Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon'i Melkizedeka" (Sal.110.4). » (Hebreo 7:17)

Izay no fahatanterahan'ilay teny hoe "hanangana indray izay efa rava ela"....
« Ary izay taranakao no hanangana ny efa rava ela, ary ny naorina hatry ny fony fahagola no hamboarinao; ary ianao dia hatao hoe mpamboatra ny rava, mpamelon-dalana honenana amin'ny tany. » (Isaia 58:12)
18. perse108 ( 09/04/2017 08:46)
dikan zan de woe ampirisihanw fotsin zan zay mba tsy hitandrina ny didy folo. sa ve aaa ry RA TAN ?
19. stahtam ( 10/04/2017 05:26)
Izaho indray rehefa misy abobo vaovao indray vao ho avy fa ity resaka ity efa noresahina talohaloha tany (manao lelon-jaza). Ireto clients "vaovao" ireto indray mantsy no tany malemy azon'i RA TAN anorenam-pangady fa raha izaho aloha efa hitako ny tetikadin'ingahy io.
20. RBNIR ( 10/04/2017 08:20)
Ny fijeriko azy indray dia i RA TAN (mino Be) fa marina daholo izay nolazain'ingahy samuelson edward,
Ary resy lahatra fa ny fiangonan-dry zareo no tena marina...

efa nomeko teto ny porofo fa diso ilay fampianarana ka dia asakasany sisa.....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2103