Ranakombe, ilay mpamosavy

1. endriny ( 21/10/2016 03:27)
Araka ny angano Malagasy taty aoriana dia I Ranakombe no Ombiasa masirasira indrindra teto Madagasikara ary tany amoron'ala tany izy no nipetraka. Tsy misy tsy natahotra azy hono ny olona teto amin'ny tany sy ny fanjakana. Kanefa koa tsy nisy tsy nitaraina taminy rehefa sendra ny sahirana, eny fa hatramin'ny vadin'ny mpanjaka sy ny mpanjaka mihintsy aza. Ary tsy nisy tsy hainy tsy nataony.

Fa ny mahafinaritra ahy taminy dia izy tia ny zavaboahary sy ny biby. Narovany fatratra tsy ho azon'iza na iza idirana ny ala. Izay olona mitady hiditra ny ala, na manao ratsy ao anaty ala dia ataony tsy tafaverina teny an-Tanana intsony fa nataony lasa biby. Tao ny lasa voay, rajako, sahona.

Ka mety io Ranakombe io no nahatonga an'i Madagasikara hanankarena ara-natiora.

Indrisy anefa noravan'ny kristianina sy ny misionera ilay fahaizan-dRanakombe, fa nohenjehina ho mpamosavy izy. Ka dia noravana daholo ny fadin'ny tany napetrany sy ny didin'ny fanjakana najorony.

Dia nodorany ny ala, naondrany sy naringany ny biby sy ny voninkazo, novetainy tamin'ny fiangonana ny hazomanga fijoroana, nataony mpiasakely tsy andovan-karama ny ankamaroan'ny olona, ary nofeheziny tanimboho tsy takadahy ny kijanan'olona tsy angeren'ny omby, saingy mikiky tsikelikely ny tsiny sy ny tody ka indreto izahay Malagasy fa mikarerotra lafo ampitsanganana ohatry ny ankizy namidy an-tsena ankehitriny, valala voatango, akanga saraka ny ala.

Dia amidiny ny fahorianay ataony fitadivam-bola maharitra sy mateza, ataony loharano fitadiavana maharitra mba ahafahany miantoka ny fandaniany ao anaty tranobe miezinezina mandany jiro arivo heny noho ny isam-baravarana, mandany lasantsy an'hetsiny noho ny taxi-be.

Ka entiko ny fifonana Ranakombe, mba avelao ny helokay fa efa mijaly loatra ny tany.
novalian'i endriny ny 10/11/2016 14:08
2. stahtam ( 21/10/2016 10:40)

[quote=endriny]
Araka ny angano Malagasy taty aoriana dia I no Ombiasa masirasira indrindra teto Madagasikara ary tany amoron'ala tany izy no nipetraka. Tsy misy tsy natahotra azy hono ny olona teto amin'ny tany sy ny fanjakana. Kanefa koa tsy nisy tsy nitaraina taminy rehefa sendra ny sahirana, eny fa hatramin'ny vadin'ny mpanjaka sy ny mpanjaka mihintsy aza. Ary tsy nisy tsy hainy tsy nataony.

Fa ny mahafinaritra ahy taminy dia izy tia ny zavaboahary sy ny biby. Narovany fatratra tsy ho azon'iza na iza idirana ny ala. Izay olona mitady hiditra ny ala, na manao ratsy ao anaty ala dia ataony tsy tafaverina teny an-Tanana intsony fa nataony lasa biby. Tao ny lasa voay, rajako, sahona.

Ka mety io io no nahatonga an'i Madagasikara hanankarena ara-natiora.

Indrisy anefa noravan'ny kristianina sy ny misionera ilay fahaizan-dRanakombe, fa nohenjehina ho mpamosavy izy. Ka dia noravana daholo ny fadin'ny tany napetrany sy ny didin'ny fanjakana najorony.

Dia nodorany ny ala, naondrany sy naringany ny biby sy ny voninkazo, novetainy tamin'ny fiangonana ny hazomanga fijoroana, nataony mpiasakely tsy andovan-karama ny ankamaroan'ny olona, ary nofeheziny tanimboho tsy takadahy ny kijanan'olona tsy angeren'ny omby, saingy mikiky tsikelikely ny tsiny sy ny tody ka indreto izahay Malagasy fa mikarerotra lafo ampitsanganana ohatry ny ankizy namidy an-tsena ankehitriny, valala voatango, akanga saraka ny ala.

Dia amidiny ny fahorianay ataony fitadivam-bola maharitra sy mateza, ataony loharano fitadiavana maharitra mba ahafahany miantoka ny fandaniany ao anaty tranobe miezinezina mandany jiro arivo heny noho ny isam-baravarana, mandany lasantsy an'hetsiny noho ny taxi-be.

Ka entiko ny fifonana , mba avelao ny helokay fa efa mijaly loatra ny tany.
[quote=stahtam]
Ka tsy hain'ilay Ranakombe indray izany ny niaro ilay ala beuh kouh!
3. RBNIR ( 21/10/2016 11:14)
endriny:

Indrisy anefa noravan'ny kristianina sy ny misionera ilay fahaizan-dRanakombe, fa nohenjehina ho mpamosavy izy. Ka dia noravana daholo ny fadin'ny tany napetrany sy ny didin'ny fanjakana najorony.

Raha azoko tsara dia i ranakombe no tompony hery nefa dia nisy naharesy v????
Ahitsiho aho raha diso endriny???
4. endriny ( 21/10/2016 15:30)

RBNIR:

Raha azoko tsara dia i ranakombe no tompony hery nefa dia nisy naharesy v????
Ahitsiho aho raha diso endriny???


Tsy hoe rehefa manana hery akory dia andeha hiady sy hamono ny tsy mitovy hevitra sy firehana amin'ny tena rehetra.

Fa saingy ny anareo moa ry RBNIR efa izay no nolovainareo tamin'ny Atr'Israely izay isavianareo ho anareo tsy tompony. Ka dia atao ahoana. Efa zatra mandripaka marina ianareo ka dia aripaho eo sy vonoy eo daholo ary dory izay tsy mifanaraka aminareo.

Vero notaingenam-pody io.

Izao ataon'ny todin-dRanakombe mipapapapa mihintsy, efa mandeha mivavaka isan'andro mihintsy aza, madoa rakitra, vokatra, 1/10 sns saingy vesaran'ny tsiny dia tsy tafa-traka mihintsy.

Indrisy mantsy. Mandehana mifona any am-pasam-bazimba ry RBNIR a.

Kay moa I RBNIR, ilay mihenikenina fotsiny mikepoka ny 1/10 koa (Aza fady fa diso aho e). Olona miadana be toa ireny no lazaiko fa mahita ny ngirifirin'ny fiananay valalabemandry.

Fa aiza aloha ilay afobe fa lany ny saribaoko ato e
5. rhaj0 ( 21/10/2016 18:23)
RBNIR:
Raha azoko tsara dia i ranakombe no tompony hery nefa dia nisy naharesy v????
endriny:
Tsy hoe rehefa manana hery akory dia andeha hiady sy hamono ny tsy mitovy hevitra sy firehana amin'ny tena rehetra.

TSY takatry ny Andmtnray ny Kristiana kosany anie ilay coexistence pasifika fa faly ary mihomehy zareo rahefa "mandringana" eee..

Dia raha atao hoe "naharesy" azany Izy eee... Dia araky ny fantsin'i Reagan io, dia hoe:
dia tena tsara koakoa ve ny fiainana h@ izay "nivavahana" t@ Andrmntry ny Kristiana izay??


Io moa nefa, angaha hita hanontaniana an'i RBNIR, f'izy ao mbola kofona mikefona ny 1/10-katsembohan'ny olona...
6. RBNIR ( 21/10/2016 22:52)
Ny tiako hahatongavana ry rhajo sy endriny dia izao...

Taloha dia efa nisy olona nanana toe-tsaina tahaka anareo izao....Niavonavona tamin'i Jehovah Andriamanitra sady "nanaratsy Azy" mafy tokoa teo imason'ny olona rehetra ka niamboho Azy mihitsy aza....
Ary tahaka ny ataon'i endriny (misafidy ny devoly ankehitriny) dia nisafidy ihany koa izireo hanompo izany andriamanitra nolazainy hoe bala izany toy izay hanompo an'i Jehovah Andriamanitra...
Tonga ary ny fotoana : nifanao "defis" Elia sy ireo mpaminanin'ilay bala 1 Mpanjaka.1:18-44

Tsy izaho no nanaratsy an'i ranakombe, fa ny vavan'i endriny ihany no nilaza tsy nanontaniana : tsy nahery noho ilay Andriamanitra vaovao ranakombe.......
Tsy nahavita niandry ny ondriny ranakombe fa navelany hiahaka ka lasan'ny sasany...
Tsy nahavita nitahy ny azy ranakombe fa variana mitono vomanga any ankoatra any angamba ka dia ILAY VAOVAO INDRAY NO MITAHY KA DIA MIHAZAKAZAKA MANKANY AVOKOA IREO ondrin'i ranakombe fahiny.....
Fehiny miaiky endriny: resy ranakombe, lasan'ILAY VAOVAO NY TANANA (ARY MARINA IZANY ISIKA ANGAMBA TSY HISY AFAKA HILAZA FA TSY MARINA IZANY)....

Ka tahaka ilay tamin'ny andron'i Elia ihany io ry zalahy a, ny olona akory tsy adala, matoa izireo nandao an'i ranakombe dia satria niaiky tahakan'ireo vahoakan'i israely fahiny izireo fa kay tsy ranakombe no izy fa ILAY JEHOVAH NO TENA ANDRIAMANITRA.....1 Mpanj.18:39 Ary raha nahita izany ny olona rehetra, dia niankohoka ka nanao hoe: Jehovah, Izy no Andriamanitra; Jehovah, Izy no Andriamanitra.

Ary tsy hoe isika malagasy ihany no niaiky Azy, na koa hoe ny vahoakan'i Israely ihany anie no niaiky Azy e, fa efa nisy koa izany atao hoe Nebokadnezara mpanjakan'ny babylona fahiny izany....

« Ary izy telo lahy ireo, Sadraka sy Mesaka sy Abednego, dia voatsipy am-patorana teo anatin'ny lafaoro nisy afo mirehitra. » (Daniela 3:23)
« Dia talanjona Nebokadnezara mpanjaka ary nitsangana faingana izy ka niteny tamin'ny mpanolo- tsainy hoe: Moa tsy telo lahy mifatotra va no natsipintsika tao anatin'ny afo? Dia namaly ny mpanjaka ireo ka nanao hoe: Marina izany, ry mpanjaka ô. » (Daniela 3:24)
« Ary hoy izy: Ka no indro aho mahita efa-dahy tsy mifatotra, mandehandeha eo anaty afo, nefa tsy maninona tsy maninona akory izy; ary ny fijery ilay fahefatra dia toa zanak'ireo andriamanitra. » (Daniela 3:25)
« Dia nanatona ny varavaran'ny lafaoro nisy afo mirehitra Nebokadnezara ka niantso hoe: Ry Sadraka sy Mesaka sy Abednego, mpanompon'Andriamanitra Avo Indrindra, mivoaha, ka avia aty. Dia nivoaka avy teo anatin'ny afo Sadraka sy Mesaka ary Abednego. » (Daniela 3:26)
« Dia nifanatona ny solo-mpanjaka sy ny mpanapaka sy ny governora ary ny mpanolotsain'ny mpanjaka ka nahita ireo lehilahy ireo, fa tsy nanan-kery hampaninona ny tenany akory ny afo, na nisy singam-bolo nikainkona tamin'ny lohany, na niova ny lobany, ary tsy nisy fofon'afo akory taminy. » (Daniela 3:27)
« Nebokadnezara niteny ka nanao hoe: Isaorana anie Andriamanitr'i Sadraka sy Mesaka sy Abednego, Izay naniraka ny anjeliny hamonjy ny mpanompony izay natoky Azy ka nandika ny tenin'ny mpanjaka ary nanolotra ny tenany tsy hanompo na hivavaka amin'izay andriamani-kafa, afa-tsy Andriamaniny ihany. » (Daniela 3:28)

Efa nisy ihany koa izany Dariosa mpanjakan'ny mediana sy persiana izany....
« Ary Dariosa Mediana no nandray ny fanjakana, rehefa tokony ho roa amby enim-polo taona no andro niainany. » (Daniela 6:1)
« Tamin'izany Dariosa mpanjaka dia nanoratra ho amin'ny fokom-pirenena sy ny firenena sy ny samy hafa fiteny rehetra izay monina ambonin'ny tany rehetra hoe: Hitombo anie ny fiadananareo. » (Daniela 6:26)
« Manao lalàna aho mba hangovitan'ny olona sy hatahorany eo anatrehan'Andriamanitr'i Daniela eran'ny fanjakako rehetra; fa Izy no Andriamanitra velona sady maharitra mandrakizay; ny fanjakany haharitra hatramin'ny farany. » (Daniela 6:27)
« Ary izany Daniela izany dia nambinina tamin'ny nanjakan'i Dariosa sy tamin'ny nanjakan'i Kyrosy Persiana. » (Daniela 6:29)

Misy antony matoa ny olona miakohoka sy manaiky Azy......

Vakio ato fa misy fanoharana nataon'i Jesosy ity fanoharana momba ireo farantsa folo Lioka19:11-28
Hoy ilay anankiray farany....
20 Fa tonga kosa ny anankiray ka nanao hoe: Tompoko, indry ny farantsanao, izay notehiriziko voafono amin’ ny mosara.
21 Fa natahotra anao aho, satria olona mila voatsiary hianao ka maka izay tsy napetrakao, ary mijinja izay tsy nafafinao.

Dia izao no navalin'ilay tompony...
22 Ary hoy ny tompony taminy: Ny vavanao no hitsarako anao, ry mpanompo ratsy fanahy: fantatrao fa izaho dia olona mila voatsiary ka maka izay tsy napetrako, ary mijinja izay tsy nafafiko;
23 koa nahoana no tsy napetrakao tamin’ ny mpanana vola ny volako, ka rehefa tonga aho, dia ho nandray ny ahy mban-janany?
24 Ary hoy izy tamin’ izay nitsangana teo anilany: Alao ny farantsa eny aminy, ka omeo ilay manana farantsa folo
25 (Fa hoy ireo taminy: Tompoko, efa manana farantsa folo izy.)
26 Lazaiko aminareo: Izay rehetra manana dia homena; fa ny amin’ izay tsy manana, na dia izay ananany aza dia halaina aminy.
27 Fa ireo fahavaloko tsy nanaiky hanjakako ireo, dia ento at?, ka vonoy eto anatrehako.

Vakio tsara fa hoy ny andininy faha 27 hoe Fa ireo fahavaloko tsy nanaiky hanjakako ireo dia ento aty ka vonoy eto anatrehako...

HITSANGANA HO FAHAVALON'ILAY CREATEUR DE L UNIVERS V ISIKA ZALAHY E????

Sao lahy ho avy IZY ka hilaza hoe : Fantatrao fa liandrà aho ary ny Zanako Aza nataoko ho sorona, ka nahoana ianao no tsy niankohoka tamiko fa nahavita nanao vava B imasombahoaka hanaratsiana Ahy????

Mba mieritrereta e, manana saina ange isika e,
7. rhaj0 ( 24/10/2016 12:19)
RbNIR:
Fantatrao fa liandrà aho

Henatra be vata ho anao ry RBNIR.
Izany ve no "atsarainao" dia ampianarinao ny Ankizy ao?
8. endriny ( 24/10/2016 18:20)

RBNIR:

HITSANGANA HO FAHAVALON'ILAY CREATEUR DE L UNIVERS V ISIKA ZALAHY E????

Sao lahy ho avy IZY ka hilaza hoe : Fantatrao fa liandrà aho ary ny Zanako Aza nataoko ho sorona, ka nahoana ianao no tsy niankohoka tamiko fa nahavita nanao vava B imasombahoaka hanaratsiana Ahy????

Mba mieritrereta e, manana saina ange isika e,


Raha mpandala finoana aho dia aleoko ihany Ranakombe koa.
9. endriny ( 24/10/2016 18:22)

stahtam:

Ka tsy hain'ilay Ranakombe indray izany ny niaro ilay ala beuh kouh!

Ka voan'ny fonoka I Ranakombe tamin'io koa, notsipatsipazan'i mopera emboka manitra avy amin'ny cypres izy tamin'io dia renoka.
10. endriny ( 25/10/2016 04:51)
Fa izao taitra i Ranakombe ary ampisehoany amin'ny Malagasy fa manankarena i Madagasikara, saingy noho ny ota fady dia nataony mangetaheta ambony lakana fotsiny izahay Malagasikely, fa ny karana, ny sinoa, frantsay, amerikanina no tena ampazahoany satria ireny manaja ny fadin-taniny. Fa ny Malagasy nisavika
11. RBNIR ( 25/10/2016 07:39)

endriny:


stahtam:

Ka tsy hain'ilay Ranakombe indray izany ny niaro ilay ala beuh kouh!

Ka voan'ny fonoka I Ranakombe tamin'io koa, notsipatsipazan'i mopera emboka manitra avy amin'ny cypres izy tamin'io dia renoka.

ka izay ange ilay nolazaiko hoe "faible" B ranakombe e, raha fantany fa zava-dehibe ny fisiany tsy nanaiky mora ny ho renoka mihitsy izy...fa ny tena marina, ny tenany aza tsy voaarony ka ahoana moa no hitokian'ny sasany fa afaka hiaro azy ranakombe????
12. RBNIR ( 25/10/2016 07:43)

rhaj0:

RbNIR:
Fantatrao fa liandrà aho

Henatra be vata ho anao ry RBNIR.
Izany ve no "atsarainao" dia ampianarinao ny Ankizy ao?

Tsy misy afenina ny ao amin'Andriamanitra fa i Jesosy ange ho nanao ilay fanoharana momba ny farantsa folo e.....LIO.19:11-28

Anatra no atao : izay tonga saina miova, izay tsy mety tonga saina kosa manaratsy....

13. tealala ( 25/10/2016 10:45)

RBNIR:


endriny:


stahtam:

Ka tsy hain'ilay Ranakombe indray izany ny niaro ilay ala beuh kouh!

Ka voan'ny fonoka I Ranakombe tamin'io koa, notsipatsipazan'i mopera emboka manitra avy amin'ny cypres izy tamin'io dia renoka.

ka izay ange ilay nolazaiko hoe "faible" B ranakombe e, raha fantany fa zava-dehibe ny fisiany tsy nanaiky mora ny ho renoka mihitsy izy...fa ny tena marina, ny tenany aza tsy voaarony ka ahoana moa no hitokian'ny sasany fa afaka hiaro azy ranakombe????

Jesosy moa nahavita niaro tena teny amin'ny hazo fijaliana?
14. rhaj0 ( 25/10/2016 12:46)
RbNIR:
Fantatrao fa liandrà aho
rhaj0:
Henatra be vata ho anao ry RBNIR.
Izany ve no "atsarainao" dia ampianarinao ny Ankizy ao?
RBNIR:
Anatra no atao : izay tonga saina miova, izay tsy mety tonga saina kosa manaratsy....

Eny ho'a eee.. "atsarao" daholo ny voatatitr'i Matio/Marka/Lioka/Jaona ny @ "nataon'i Jesosy"

Ny Fampianaran'i Jesosy arak'i Matio Marka Lioka:

http://forum.serasera.org/forum/message/m58062159356c0

- alefa any @ Kisoa ny Devoly !! (Matio 17:24, Marka 5:12, Lioka 8:32)
- TSY fihavanana.. fa fampisarahana (Lioka 12: 51),
- ny ankohonan’ ny olona ihany no fahavalony (Matio 10:35)
- aoka ny maty handevina ny maty (Matio 8:21)


15. endriny ( 26/10/2016 04:21)
RBNIR a

ranakombe aza tsy namono izay nandika ny fadin'ny taniny tao anaty ala taloha fa novainy ho sahona, na gidro na voay ny olona.

Ny Atra kanefa lian-dra be mahatsiravina, dia ahoana izany. Dia henoko eto ilay fanenonareo manenjika Franc Macon hoe manao sorona olona hono e, mivavaka amin'ny demony hono e. Kay ny anareo no tena mpanao sorona olona sy lian-dra.

Misaotra anao ihany hoa mitondra porofo amin'ity fisandohana be vata ataonareo ity.

Misaotra anao aho Ranakombe fa tsy nitondranay tamin'ny famonoana ny olona mitovy aminay ianao.
16. endriny ( 26/10/2016 05:12)
Indray andro dia very ny fanalahidin'i Ranakombe, efa maizina ny andro tamin'izay. Mbola nandeha naniraka ny ramanavy hitily ny vohitra manodidina mantsy izy. Dia nantsoiny ny angamenavava ka tonga ireo. "Very ny lakile" hoy izy "ary takona nafenin'ny bozaka, sarona nafenin'ny ahitra, tototra nafenin'ny tany, ary dobo nafenin'ny rano. Koa ombay mitady rey ry angamenavava. Andeha tariho miverina ny dia ary tsilovy tsy ho lavo mamindra ny tompon'ny teny sy ny tompon'ny tany". Dia nisidina nialoha lalana an'i Ranokombe ny andian'angamenavava ka moa va tsy namiratra toa ny notsilovim-panala ny lalana nizorany.

Nandalo ny tany izy dia nahifany ny tehiny sady niteny izy hoe "mikipaha ratany fa aza manototra ny tsy an'ny tena". Dia nanaiky nikipaka ny tany, ka nivakivaky ho bainga sy fasika ary vovoka, saingy tsy hitany tao ny lakile. Rehefa izany dia hoy I Ranakombe hoe: "Isaorako ianao ry tany nanaiky hikipaka ka manomboka izao ataoko mafy fiorenana ianao, ka eo aminao daholo no mifototra ny zava-drehetra, ka na oviana naoviana ny vovoka sy ny fasika ary ny baingana hitambatra dia hiverina ho tany ihany."

Dia nandalo ny ahitra I Ranakombe dia nahifany indray ny tehiny sady hoy izy hoe "mikipaha ry ahitra fa aza manafina ny tsy an'ny tena". Dia nikipaka ny ahitra, saingy tsy tao koa ny lakile. Dia hoy I Ranakombe: "Noho ianao nanaiky nikipaka, dia ataoko tsara orina ianao ka tsy hoentanin-drivotra no tsy hanara-paladia ny mpandalo". Dia norarahan'i Ranakombe vovokany ahitra ka lasa nahazo vahatra mafy tao anaty tany.

Rehefa namakivaky ny tanety feno bozaka I Ranakombe dia nahifany indray ny tehina ka hoy izy hoe: "mikipaha ry bozaka fa aza manakona ny tsy an'ny tena". Dia nikipaka ny bozaka, saingy indrisy tsy tao ny lakile. Ary hoy I Ranakombe hoe "misaotra anareo ry bozaka, fa ny tsirinareo tsy tamboim-panala, ary ny matoy aminareo tsy ho ravan'ny omby".

Dia nanohy ny diany I Ranakombe ka tojo ny rano. Nahifany indray ny tehiny sady niteny izy hoe: "Mikipaha ry rano fa aza midobo ny tsy an'ny tena". Fa namitsaka tsy nisy niteny rano. Dia hoy indray I Ranakombe hoe: "mikipaha ry rano fa aza mandetika ny tsy an'ny tena. Avereno amiko ny lakileako." Fa namotoka tsy niteny sy tsy nikofoka ny rano. Anky va re hoy Ranakombe: "vizana aho ary trotraka fa lavitra ny dia kanefa ny tompotany tsy misoka-baravarana, tsy mitsinjo am-baravarakely, tsy mitsirika an-davakombarika. Koa manomboka izao ry rano dia tsy ahapetra intsony ianao fa mandehana fongary ny tototra rehetra, savao ny miafina rehetra, ary lalovy ny takona rehetra. Dia nanomboka teo hono dia tsy tafapetraka tamin'ny toerana iray intsony ny rano fa lasa nikoriana nitrongy ny tany sy ny vato nitady ny lakile, mikaratsaka eny anelakelan'ny ahitra sy ny bozaka. Ary raha sendra mba maka aina ny rano dia ny rivotra mampatsiahy azy sy mamoha azy ny adidy nomen-dRanakombe azy. Ka mandrak'ity ny androany dia tsy matory ny rano eny am-parihy fa tsy maintsy manonja andro aman'alina.
17. rhaj0 ( 26/10/2016 12:31)
manja eee.... misaotra ee... misy ho tantaraina @ fara sy dimby :-)
18. stahtam ( 26/10/2016 12:40)

[quote=endriny]
Indray andro dia ... "Very ny lakile" hoy izy "ary takona nafenin'ny bozaka, sarona nafenin'ny ahitra, tototra nafenin'ny tany, ary dobo nafenin'ny rano. Koa ombay mitady rey ry...

Nandalo ny tany izy dia nahifany ny tehiny sady niteny izy hoe "mikipaha ratany fa aza manototra ny tsy an'ny tena". Dia nanaiky nikipaka ny tany, ka nivakivaky ho bainga sy fasika ary vovoka, saingy tsy hitany tao ny lakile...Dia nandalo ny ahitra..."mikipaha ry ahitra fa aza manafina ny tsy an'ny tena". Dia nikipaka ny ahitra, saingy tsy tao koa ny lakile...
...Koa manomboka izao ry rano dia tsy ahapetra intsony ianao fa mandehana fongary ny tototra rehetra, savao ny miafina rehetra, ary lalovy ny takona rehetra. Dia nanomboka teo hono dia tsy tafapetraka tamin'ny toerana iray intsony ny rano fa lasa nikoriana nitrongy ny tany sy ny vato nitady ny lakile, mikaratsaka eny anelakelan'ny ahitra sy ny bozaka...
[quote=stahtam]
Noteneniny ny tany, ny ahitra, ny rano dia... nikipaka fa fanalahidy iray tsy hitany, pfff. Forum marina moa ity sehatra ity, ka dia mba samy mamoaka ny vetsovetsony e! Rehefa ny tena no miteny voromanga mihira fa rehefa ny sasany no miteny vorondolo mirehoka.
19. RBNIR ( 26/10/2016 13:18)
samy manao antokony ny fahitako azy mihezaka mifanohana ny mitovitovy fisainana sy hevitra ohatra i rhajo sy endriny mihezaka mifanotohana eo...

Dia mba anjaran'ny mpitazana sisa no mandray izay tandrifiny stahtam a.....tohany tsara ny hevitrao fa ny olona manan-tsaina hainy foana ny mamantatra ny tsara sy ny ratsy.....

Ny fampianaran'i Jesosy moa dia hoe:

« Fantaro ny zavatra rehetra; hazòny mafy izay tsara. » (1 Tes.5:21)
20. rhaj0 ( 26/10/2016 13:25)
"samy manao antokony" ve hoz'ianao? Mety marina ny anao, fa izaho kosa aloha dia tena liana @ literatiora sy lovan-tsofina Malagasy, mba ho ampitaiko @ Ifara sy Idimby...

Fa ny anareo kristiana angaha moa tsy efa acculturé ao nareo, dia minia jamba ao, tsy mahita ary tsy afaky ny hankafia ny hakanton'ny an'ny Razana intsony...

Fa hotry ny indray hoe, tsy hoe tsy fahitana na tsy fahalalana ilay izy, fa tena hotry ny jambain'ny fankahalana ao ilay nareo Kristiana, araka ny fampianaran'i Kristy eee....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1371