Ranakombe, ilay mpamosavy

21. RBNIR ( 26/10/2016 13:27)
tealala:

Jesosy moa nahavita niaro tena teny amin'ny hazo fijaliana?

« fa milaza ny fahendren'Andriamanitra izahay ka maneho zava-niafina, dia fahendrena izay nafenina sady voatendrin'Andriamanitra ho voninahitsika talohan'ny nanaovana izao tontolo izao; » (1 Korintiana 2:7)
« ary tsy nisy nahalala izany ny mpanapaka izao tontolo izao; fa raha nahalala izy, dia tsy nohomboany tamin'ny hazo fijaliana ny Tompon'ny voninahitra. » (1 Korintiana 2:8)

Zava-miafina io ry tealala? fahendrena nafenina....

Ny tena marina iny fanomboana an'i Jesosy teo amin'ny hazo fijaliana iny mihitsy no tena nilaina mba hahatanteraka ny famonjena ny zanak'olombelona, ary iny ilay tian'ny anjely hofantarina fahiny saingy nafenin'Andriamanitra mafy....« Ary naseho tamin'ireo fa tsy ho azy, fa ho anareo no nanompoany ny amin'izany zavatra izany, izay voalaza aminareo ankehitriny, tamin'ny tenin'ireo nitory ny filazantsara taminareo amin'ny Fanahy Masina, Izay nirahina avy tany an-danitra; izany zavatra izany dia tian'ny anjely hodinihina. » (1 Petera 1:12)

Fa inona no anisan'ny mahazavadehibe ny fahafatesan'i Jesosy.....

MBA HANAPOROFOANA FA ........« Fa raha tsy misy fitsanganan'ny maty, na dia Kristy aza dia tsy natsangana; » (1 Korintiana 15:13)

Hanaporofona amin'izao tontolo izao fa TENA MISY NY FITSANGANAN'NY MATY......
22. rhaj0 ( 26/10/2016 13:47)
Tena misy ny "fitsangananan'ny maty" eee... Inty izao azon'ny youtube mihintsy fa tena haalan'izay tsy mino eee...

Ary tandremo fa ny biby koa mitsangana @ maty an...

23. RBNIR ( 26/10/2016 14:01)
http://forum.serasera.org/forum/message/m57d6a25c709ca

Andriamanitra ny naka vavolombelona maro (izay vonona nijoro hatramin'ny fahafatesana) momba ny fitsanganan'i Jesos tamin'ny maty.....
24. stahtam ( 26/10/2016 14:10)

[quote=rhaj0]
"samy manao antokony" ve hoz'ianao? Mety marina ny anao, fa izaho kosa aloha dia tena liana @ literatiora sy lovan-tsofina Malagasy, mba ho ampitaiko @ Ifara sy Idimby...

Fa ny anareo kristiana angaha moa tsy efa acculturé ao nareo, dia minia jamba ao, tsy mahita ary tsy afaky ny hankafia ny hakanton'ny an'ny Razana intsony...

Fa hotry ny indray hoe, tsy hoe tsy fahitana na tsy fahalalana ilay izy, fa tena hotry ny jambain'ny fankahalana ao ilay nareo Kristiana, araka ny fampianaran'i Kristy eee....
[quote=stahtam]
Aoka ihany hazava ka! hevitra personnelle no aseho eto fa tsy misy antoko sy mifanohana izany, anti-christ aho ka tsy ho kristiana velively
25. stahtam ( 26/10/2016 14:11)

26. rhaj0 ( 26/10/2016 14:25)
stahtam:
Aoka ihany hazava ka! hevitra personnelle no aseho eto fa tsy misy antoko sy mifanohana izany, anti-christ aho ka tsy ho kristiana velively

OKey dokey.. mazava izany fa
- revy sy hevitra samy manan'ny azy ny eto
- ary anti-christ hono i Stahtam ee...

Fa hazavao kely koa hoe aloha ry Stahtam ny @ ilay voromanga vorondolo teo fa tsy azoko tsara.. Inona ny hiranao izany, ka hoe mirehoka sa mihira izany ianao ao hoe eee ??
27. endriny ( 27/10/2016 04:10)

stahtam:

Noteneniny ny tany, ny ahitra, ny rano dia... nikipaka fa fanalahidy iray tsy hitany, pfff.

Fa ny maha majika an-dRanakombe dia mbola tsy hita akory ny lakile dia efa niverina izy ary tafiditra tao an-trano (Mihomehy kely aloha)

stahtam:

Forum marina moa ity sehatra ity, ka dia mba samy mamoaka ny vetsovetsony e! Rehefa ny tena no miteny voromanga mihira fa rehefa ny sasany no miteny vorondolo mirehoka.

Voalazanao. Ito sehatra ito izany dia loabary an-dasy no eto (aleo ataoko teny Malagasy mihintsy mba ahaizanareo azy). Dia samy maneho ny vetsovetsom-pony eto.

Tsy Dinika eto satria ny dinika dia 1) miatomboka amin'ny sava-ranon'ando, 2) misy ny filazana ny tanjona tiana ho tratrarina, 3) fitadiavana ny fomba atao sy ny asa miandry ahatanterahana ny tanjona, 4) ary miafara amin'ny marimaritra iraisana sy ny tsoa-kevitra iraisana maro samy hafa.

Tsy Ady hevitra tapatapa-kahitra koa anefa satria ao anaty ady hevitra ny olona iray dia tokony mandanjalanja ny hoe lafitsara sy lafiratsy, ny mampety sy ny tsy mahadiso ny heviny, ny fetry ny ny hevitra avoakany. Ary rehefa vita ny ady hevitra dia mifampiarahaba.

Fa eto izany dia loa-bary an-dasy e, samy manoratra ny fantany eto. Fa tsy voatery hanoratra sy hamaly foana koa anefa. Izaho izao hijanona kely fa mandany andro fotsiny ity fa amin'ny desambra indray.

Lany sopapa koa mantsy Ranakombe indraindray koa
28. stahtam ( 27/10/2016 04:58)

[quote=endriny]

Fa ny maha majika an-dRanakombe dia mbola tsy hita akory ny lakile dia efa niverina izy ary tafiditra tao an-trano (Mihomehy kely aloha)

[quote=stahtam]
Mbola tsy hita akory ny lakile dia efa tafiditra tao an-trano; dia notadiavina hatao inona àry ilay lakile no dia efa niantsoana an'i Babay sy Lohavohitra rehetra nefa mba majisianina ihany?
Mba dinidiniho mandritra ny novembre indray ary aloha izay e!
29. stahtam ( 27/10/2016 05:03)

[quote=rhaj0]

Fa hazavao kely koa hoe aloha ry Stahtam ny @ ilay voromanga vorondolo teo fa tsy azoko tsara.. Inona ny hiranao izany, ka hoe mirehoka sa mihira izany ianao ao hoe eee ??
[quote=stahtam]
Hoe hay ve "mino" an'izany revin'ny olo-be tao Dago t@ 1800 izany ihany ianareo itony e! sady mbola hampianarina ny taranaka koa ilay tantara (?). Noheveriko fa hoe interinety sy google ihany, hay magie magie koa?
30. RBNIR ( 27/10/2016 05:03)
Mihezaha fotsiny tsy hanao HS e, lasa fiarovantena (sy fiarovana firehankevitra) no be dia be dia lasa miitatra fanaratsiana...

fomba fiadin'ny very (na tsy ampy) hevitra io e!

P.S : tsy aleo mangina rehefa tsy mahita avaly intsony???
31. endriny ( 27/10/2016 05:30)

stahtam:

Mbola tsy hita akory ny lakile dia efa tafiditra tao an-trano; dia notadiavina hatao inona àry ilay lakile no dia efa niantsoana an'i Babay sy Lohavohitra rehetra nefa mba majisianina ihany?
Mba dinidiniho mandritra ny novembre indray ary aloha izay e!

Io izany mitovy amin'ilay Atr'Israely ihany e, rehefa nafahany tamin'ny fahotana tamin'ny fototra ny olona dia tsy hoe nomeny ody faty, fa ny zanany ihany no nomeny odifaty fa ilay navelany ota mbola dangy mitsirara mandrakizay ihany.

Asa raha mahalaza azy izay.

Sady mora tapitra koa ny film raha vao tonga dia hita ny lakile koa. Zara tsy mbola hoe nandeha tany amin'ny mpanamboatra lakile i Ranakombe, tany amin'ny mpanefy mahay sy mahatoky
32. RBNIR ( 27/10/2016 06:14)
stahtam:

Aoka ihany hazava ka! hevitra personnelle no aseho eto fa tsy misy antoko sy mifanohana izany, anti-christ aho ka tsy ho kristiana velively

Raha azoko tsara dia ity izany ianao izao ry stahtam???
« Iza no mpandainga, afa-tsy ilay mandà an'i Jesosy tsy ho Kristy? Izy no antikristy*, dia izay mandà ny Ray sy ny Zanaka. [* Na: ilay antikristy] » (1 Jaona 2:22)
33. stahtam ( 27/10/2016 07:40)

endriny:

Io izany mitovy amin'ilay Atr'Israely ihany e, rehefa nafahany tamin'ny fahotana tamin'ny fototra ny olona dia tsy hoe nomeny ody faty, fa ny zanany ihany no nomeny odifaty fa ilay navelany ota mbola dangy mitsirara mandrakizay ihany.

Asa raha mahalaza azy izay.

Sady mora tapitra koa ny film raha vao tonga dia hita ny lakile koa. Zara tsy mbola hoe nandeha tany amin'ny mpanamboatra lakile i , tany amin'ny mpanefy mahay sy mahatoky
[quote=stahtam]
Hay ve film ilay izy e! noheveriko fa mba...
34. rhaj0 ( 27/10/2016 12:27)
rhaj0:
Fa hazavao kely koa hoe aloha ry Stahtam ny @ ilay voromanga vorondolo teo fa tsy azoko tsara.. Inona ny hiranao izany, ka hoe mirehoka sa mihira izany ianao ao hoe eee ??
stahtam:
Hoe hay ve "mino" an'izany revin'ny olo-be tao Dago t@ 1800 izany ihany ianareo itony e! sady mbola hampianarina ny taranaka koa ilay tantara (?). Noheveriko fa hoe interinety sy google ihany, hay magie magie koa?

Mampahonena mihintsy ry Stahtam izany kah... Heverinao toa anao "minomino foana" dia miankohoka @ "resak'olombe taloha" daholo ho'a ny olona eee...

Ohatra hoe, ahoana kay ny fandraisanao Stahtam ny Tantaran'Ikotofetsy sy Imahaka? na Iboniamasoiboniamanoro? na koa i Darafify?

Esy e ry Stahtam.. hotry ny hitakitako hivavaka @ Darafify ianao izany ry Stahtam :-)
35. endriny ( 27/10/2016 12:40)

stahtam:

[quote=endriny
Hay ve film ilay izy e! noheveriko fa mba...

Fa ny an'ireo fivavahana niainga avy ao amin'ny taniefitra ireo dia film tiana ho lava fotsiny koa: tsy vita indray mandeha ny famonjena fa mbola hiverina indray hitsara ny velona sy ny maty.

Ka raha tena mahay raha aza Atra maninona no tsy nataony tamin'ny teny fotsiny io dia vita?
36. stahtam ( 27/10/2016 12:59)

[quote=rhaj0]
Mampahonena mihintsy ry Stahtam izany kah... Heverinao toa anao "minomino foana" dia miankohoka @ "resak'olombe taloha" daholo ho'a ny olona eee...

Ohatra hoe, ahoana kay ny fandraisanao Stahtam ny Tantaran'Ikotofetsy sy Imahaka? na Iboniamasoiboniamanoro? na koa i Darafify?

Esy e ry Stahtam.. hotry ny hitakitako hivavaka @ Darafify ianao izany ry Stahtam :-)
[quote=stahtam]
Ikotofetsy, Imahakà, Darafify, Ranakombe... Ny fanontaniana dia hoe iza no namorona azy ireny, scientistes sa olon'ny finoana?
37. stahtam ( 27/10/2016 13:01)

[quote=endriny]

[quote=stahtam]

Ka raha tena mahay raha aza Atra maninona no tsy nataony tamin'ny teny fotsiny io dia vita?
[quote=stahtam]
Iza ilay Andriamanitra tianao holazaina? Mitovy amin-dRanakombe ihany io raha ny fijeriko azy
38. rhaj0 ( 27/10/2016 13:07)
stahtam:
Ikotofetsy, Imahakà, Darafify, Ranakombe... Ny fanontaniana dia hoe iza no namorona azy ireny, scientistes sa olon'ny finoana?

Dia ampiako koa izany ny fanontaniana eee... ireo "personnage" toa i Abraham na ry Moïse sy Noé, na koa ry Goliath, iza no ""namorona azy ireny" ??
39. endriny ( 28/10/2016 04:52)

stahtam:

Iza ilay Andriamanitra tianao holazaina? Mitovy amin-dRanakombe ihany io raha ny fijeriko azy

Tsy mitovy koa ny iray Atra any an-danitra ambony be any eee, ny iray Ranakombe teo amoron'alan'i Mandraka..
40. stahtam ( 28/10/2016 11:57)

rhaj0:

[quote=stahtam]Ikotofetsy, Imahakà, Darafify, Ranakombe... Ny fanontaniana dia hoe iza no namorona azy ireny, scientistes sa olon'ny finoana?

Dia ampiako koa izany ny fanontaniana eee... ireo "personnage" toa i Abraham na ry Moïse sy Noé, na koa ry Goliath, iza no ""namorona azy ireny" ??
[quote=stahtam]
Valiny: na oloben'ny finoana na scientistes; fa ny fanontaniako dia hoe maninona rehefa Abrahama sy Moïse... dia revin'ny l'an 0 tany Moyen-Orient fa rehefa Ikotofetsy sy Imahakà... dia basy (tsy misy kesikilià)?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1028