Ranakombe, ilay mpamosavy

41. stahtam ( 28/10/2016 12:00)

endriny:


[quote=stahtam]
Iza ilay Andriamanitra tianao holazaina? Mitovy amin-dRanakombe ihany io raha ny fijeriko azy

Tsy mitovy koa ny iray Atra any an-danitra ambony be any eee, ny iray Ranakombe teo amoron'alan'i Mandraka..
[quote=stahtam]
Ianao angaha mino izany Atra any an-danitra ambony be any izany? Avy aiza io finoana io? Aleo atomboka @ fototra mazava ny resaka !
42. rhaj0 ( 28/10/2016 13:21)
stahtam:
Ikotofetsy, Imahakà, Darafify, Ranakombe... Ny fanontaniana dia hoe iza no namorona azy ireny, scientistes sa olon'ny finoana?
rhaj0:

Dia ampiako koa izany ny fanontaniana eee... ireo "personnage" toa i Abraham na ry Moïse sy Noé, na koa ry Goliath, iza no ""namorona azy ireny" ??
stahtam:
Valiny: na oloben'ny finoana na scientistes; fa ny fanontaniako dia hoe maninona rehefa Abrahama sy Moïse... dia revin'ny l'an 0 tany Moyen-Orient fa rehefa Ikotofetsy sy Imahakà... dia basy (tsy misy kesikilià)?

Tsy misy kesikilià satria TSISY mino ara-baki-teny ny nataon'Ikotofetsy sy Imahaka, ka hoe, mety mianjera ny vatolahy raha tsy tohanan-drafotsibe.

Ny anareo anefa mbola minobe h@ izao 2016, loz'ty, fa ny varatra no nametaka soratra teo ambony vatolahy. Dia lazaovy indray fa toa ny Laser ny varatra t@ izany.
43. endriny ( 28/10/2016 13:51)

stahtam:

Ianao angaha mino izany Atra any an-danitra ambony be any izany? Avy aiza io finoana io? Aleo atomboka @ fototra mazava ny resaka !

Mino zavatra tsy voamarina ve? Ianao izany mino angano ve?
44. endriny ( 31/10/2016 03:17)
Aleo indray amin'ny manaraka isika mitantara hoe maninona ny olona no nation-dRanakombe mandeha amin'ny tongotra 2 fa tsy mandady ohatran'ny alika
45. endriny ( 01/11/2016 05:54)
Ny masoandro sy ny volana.
Mpirahavavy iray tampo ary mpifankatia tokoa hono i Soamasoandro sy i Volampeno taloha. I Soamasoandro dia mafana sy namiratra izay tsy izy, fa i Volampeno zandriny koa dia somary nangatsiatsiaka sy malemy paika. Faravavy moa ka dia manaja. Tia sangy sy samy be hanihany izy mirahavavy, izay samy zanak'i Renitany tia milalao sy dihy rahateo. Ny milalao eo Ankamory, izay farihy lehibe teo andrefan-trano no tena fandanian'izy roa fotoana.

Araka ny hafatr'i Ranakombe; i Soamasoandro dia tokony hilefitra amin'ny zandriny ary i Volampeno dia tokony hankato ny zokiny. Dia niezaka fatratra izy roa vavy ny hitandrina an'io hafatra io. Indray andro anefa. Nirahin'i Renitany ho eny Ankamory hanjono izy mirahavavy. Ny iray nitondra aranjono, ny ilany nitondra tsitsika.

Rehefa teo am-panjonoana i Soamasoandro dia nisy nikitika ny fintana, ary nositominy. Dia indro trondro ranombolamena vaventy izay tsy izy no voarirotry ny fintana. "Volampeno a, Volampeno a. Ento aty ny tsitsika, fa nahazo trondro lehibe sy volombolamena aho" hoy izy niantso ny zandriny.

Ny zandriny anefa variana nilalao vonim-boahirana, ka tsy namaly sy tsy nihetsi-tadiny akory tamin'ity antson-jokiny. Variana mihira izy no sady mitango ireto vony, ary izay voatangony dia nataony tao anaty tsitsika. Namerina niantso ihany ny zokiny saingy tsy nahoany.

Anky va re hoy ny zokiny, tezitra sy nisafoaka, ka tsy tanany intsony hatramin'ny fintana ary dia votsitra ny trondro. Vao maika nitombo ny hatrzerany ary niha-nafana sy nahamay izy, dia niriotra nanantona an'i Volampeno. Noho ny hatezerany be loatra sy ny hafanana naterany anefa, raha vao nanakaiky an'i Volampeno fotsiny izy dia nanomboka may sy nirehitra ity farany.

Tamin'izay indrindra no nandalo i Ranakombe, ka sady nanifika ny tehiny izy no niantso hoe: "Mikipaha rey rano hamonjy an'i Volampeno". Tsitapitapitr'iizay tokoa nikipaka ny rano reo Amparihy ka namono ny afo nirehitra teo amin'i Volampeno sy nampangatsika ny feriny. Dia izay hono no nahatonga ny Volana ho feno ireny tasitasy matromatroka sy sokosokonendra aminy ireny. Holatra fony izy may. Ary izany koa no nahatonga azy mangatsika: noleman'ny rano teo Amparihy.

Fa nanomboka teo dia nandidy an'i Renitany i Ranakombe mba tsy ampiaraka azy mirahavavy milalao intsony, ka ny iray mipoitra alina ary ny an-kilany mipoitra atoandro. Nafaran-dRanakombe ihany koa izy mirahavavy fa raha mifankamanina izy ireo dia afaka mifampijery tazan-davitra fotsiny ihany fa tsy mahazo mifanaiky intsony.
46. rhaj0 ( 01/11/2016 12:41)
Fa indraidray hono, dia mbola miara-milalao ihany izy mirahavavy. Rahefa ekilipisa iny, dia mifamanakona i Soamasoandro i Volampeno. Fa rahefa i Volampeno no manakona an'i Soamasoandro, dia ... saritahan'i Vola foana kosany ny volon'i Soa kosany ho'a eee...

47. endriny ( 02/11/2016 13:18)
Sa atao an'izao, fa i Volampeno kosa hono dia mbola mahatsiaro ny sangisangy fanao hatramin'izay, ka indraindray dia takonany i Soamasoandro tsy ahita an-dReniny i Renitany.

Ka indray atoandro izay, teo am-pitaninana andro i Ranakombe no notakonan'i Volampeno tampoka i Soamasoandro. Gaga sy talanjona i Ranakombe fa maizina tampoka ny andro. Dia nakifiny tehina ka hoy izy: "Mikipaha ry fanakomasoandro".

Dia nikipa io, ka akory ny hatairan'i Ranakombe raha nahita fa i Volampeno ihany ity nanakona an'i Soamasoandro ity. Ary dia hoy izy tamin'i Volampeno: "satria efa norarako ianao tsy hifanantona amin'i Soamasoandro intsony, mba tsy hisian'ny ady toa ny tany Amparihy. Kanefa ianao minia manadino, dia manomboka izao dia tsy hampiseho ny tarehinao manontolo amin'i Renitany sy i Soamasoandro afa tsy indray mandeha isaky ny efatra herinandro ianao"

Dia izay hono rankizy malala no nahatonga ny volana tsy hoe feno raha tsy isaky ny 4 herinandro, fa ankoatr'izay dia ny ilan'ny tarehiny fotsiny sisa no azony aseho ny tany sy ny masoandro.
48. rhaj0 ( 02/11/2016 13:34)
:-)
Dia ahoana indray ilay hoe, misy alok'olona mitendry valiha hono eo @ Volampeno..
49. endriny ( 02/11/2016 16:18)
Iny indray ohatran'izao:

Nalahelo mafy hono I Velompeno noho io sazy nomen-dRanakombe azy io. Ka dia nitomany foana izy andro aman'alina. Tsy tantin'i Renitany intsony ny figogogogony, ary tsy hay natoriana ny fihiakan'ny tomaniny. Ny biby sy ny vorona dia tsy tafapetraka tao anaty ala noho ny feo manako dia manako avy amin'ny tomanin'i Volampeno.

Noho izany, dia nitaraina tamin'i Ranakombe I Renitany hoe: "Tsy avy mandry izahay noho ny tomanilavan'i Volampeno, tsy azon-tory izahay noho ny figogogogony. Ny ranomasony manondra-drano. Ny fitoreony mahavy fo. Ka mba itadiavo hevitra re Ranakombe mba tsy handoza amin'i Renitany"

Dia hoy I Ranakombe: "Itadiavo mpikitra valihy mahay amin-tany aho, ary tovony tsy matahotr'antsana. Ka ento aty vao mangiran-dratsy miaraka amin'ny valihiny."

Dia lasa I Renitany namory ny vahoakany, ka nisafidy ny mpitendry valihy mahay indrindra tao an-Tanana no sady tsy matahotr'antsana. Dia nentina tany amin'i Ranakombe vao maraina mangiran-dratsy io.

"Aody Ranakombe" hoy i Renitany ,"Inty i Ndriambalihy notadiavinao"

Dia nakifik'i Ranakombe ny tahina sady hoy izy hoe: "Mikipaha ry rahona, ka entano ho eny amin'i Volampeno, i Ndriambalihy hitondra ny rotsirotsy, hivimbina ny tambitamby ka hampangiana ny tomanilava sy ny gogogogo mandavan-taona". Dia nikipaka ny rahona ka nipaoka an'i Ndriambalihy, nitondra an'ity farany niakatra ny habakabaka.

Teny an-dalana dia nanontany i Rahona hoe: "Tsy sarom-panina ny havana, tsy mataho-datsaka?". Fa hoy i Ndriambalihy: "tsy mataho-dingilingy aho fa mpitendry ambony vato, ary tsy matahotra hantsana fa mpikalo an-daingon-kazo. Ka ny fisosan'i Rahona tsy ahahenika ny fisidim-Papango."

Dia naterin'i Rahona teny amin'i Volampeno i Ndriambalihy. Vao tonga izy dia nipetraka ary nanomboka nikalo, ary tsitapitapitr'izay dia nitony i Volampeno.

Sahala amin'izay hono no mbola ahitantsika an'i Ndriambalihy mitendry eny amin'ny volana eny foana

(Mety ho anjely koa ity Ndriambalihy ity fa tsy mbola maty foana ve hatramin'izao, fa mbola eny ihany)
50. rhaj0 ( 02/11/2016 16:24)
(sambatra mihintsy angamba ny zanakao ao ry Endriny.. ampio tantara hafa indray eee...:-)

dia ahoana indray i Volampeno, indraidray ny ilany fotsiny no mihetsika, indraidray feno manana...
51. endriny ( 02/11/2016 16:32)

rhaj0:

(sambatra mihintsy angamba ny zanakao ao ry Endriny.. ampio tantara hafa indray eee...:-)

dia ahoana indray i Volampeno, indraidray ny ilany fotsiny no mihetsika, indraidray feno manana...


Misaotra e

Fa efa nohazavaiko ery ambony ery amin'ilay hoe fanakona-masoandro ny mahatonga ny volana tsy ho feno raha tsy isaka ny 4 herinandro koa
52. rhaj0 ( 02/11/2016 17:15)
ok.. z'afady fa tsy tadidiko iny..

Dia fa maninona ny mpifankatia rahefa romantika dia miantso an'i Volampeno fa tsy i Soamasoandro?
53. endriny ( 08/11/2016 04:19)
Ka I Soamasoandro mandoro koa
54. rhaj0 ( 08/11/2016 14:20)
R@ alatsinainy 14 novambra dia ho ngezabe sy manopy volondaoranjy ny Volana.

Samia mijery, dia vinavinao hoe, raha fitaratra ny volana dia mety mifankahita ihany isika eee :-)
55. endriny ( 09/11/2016 15:35)

rhaj0:

R@ alatsinainy 14 novambra dia ho ngezabe sy manopy volondaoranjy ny Volana.

Samia mijery, dia vinavinao hoe, raha fitaratra ny volana dia mety mifankahita ihany isika eee :-)

Tsara anontaniana an'i RBNIR marina hoe maninona no akaiky kely ny volana sy ny masoandro rehefa mipotra sy milentika, fa lavitra be dia lavitra be rehefa atoandro kanefa mamay be?
56. rhaj0 ( 09/11/2016 15:56)
Ka i RBNIR anie "mino" fa ny "astre" hono mety afaka mijanona mihantona tampoka izany "ao ambony ao" ee... Ilay kintan'i Jesosy hono nanao an'io, hozy RBNIR. Dia toa iantsoana @ anaran'ny Jehovah fotsiny io, ary dia mety mivadika mihintsy ny fizotrany an.. sa ahoana RBNIR?
57. endriny ( 10/11/2016 14:08)
Ohatran'ilay masoandro tsy maty tamin'ny ady ao @ TT ve
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2007