FA MANINONA NO HOE FIVAVAHANA KRISTIANINA NO TENA MARINA???

1. RBNIR ( 06/10/2016 07:41)
Maro ireo antokom-pivavahana misy erak'izao tontolo izao...
Saika mitovy avokoa ny zavatra tenenin'izireny : samy mampanantena fiainana mandrakizay ho an'ireo mpino ao aminy....

Anankiray ihany anefa hatramin'izao no nahavita nanaporofo fa "marina" ny nambarany....

Jesosy irery no nahavita nanaporofo fa misy marina tokoa ny fiainana mandrakizay tamin'ny nitsanganany taorian'ny nahafatesany....

Talohan'ny nahafatesany dia nametraka hafatra 3 sosona i Jesosy:

1 Nambarany tato Mat.16:21

2 Nampahatsiahiviny tato Mat.17:22,23

3 Ary farany namafisiny tato Mat.20:17-19

Tanteraka ara-bakiteny ny nolazain'i Jesosy : NITSANGANA MARINA TOKOA IZY TAMIN'NY ANDRO FAHATELO.....« [Ary rehefa nitsangana tamin'ny marain'ny andro voalohany amin'ny herinandro Jesosy, dia niseho voalohany tamin'i Maria Magdalena, ilay namoahany demonia fito, Izy] » (Mar.16:9)

Tsy tamin'i Maria magdalena ihany anefa IZY no niseho, fa niseho ihany koa tamin'i Kleopasy sy ny namany, Vakio ato Lio.24:13-33

Dia mbola niseho ihany koa tamin'ireo mpianatra rehetra indray avy eo Lio.24:32-45

Tsy vitan'ny niseho tamin'ireo olona ireo JESOSY fa nisy koa olona nanohitra sy nanenjika Azy nisehoany taty aorian'ny nahafatesany....
« Ary hoy izy: Iza moa ianao, Tompoko? Dia hoy Izy: Izaho no Jesosy Izay enjehinao; » (Asa.9:5)

Ary mandraka ankehitriny mba hanaporofoiny marina tokoa fa tena misy ilay fiainana mandrakizay ary tsy nandainga IZY.... dia mbola miseho sy mampianatra olona ihany koa i JESOSY


JESOSY IRERY NO NAHAVITA NANAPOROFO MANDRAKA ANDROANY FA TENA MISY NY FIAINANA MANDRAKIZAY.. IZY IRERY NO NILAZA NY MARINA.....

NY FIVAVAHANA KRISTIANINA ARAKA IZANY NO FIVAVAHANA TOKANA SADY MARINA IZAY VOAPOROFO HATRAMIN'NY TALOHA KA MANDRAKA ANKEHITRINY NY FAHAMARINANY......

VELONA JESOSY!!! NITSANGANA TAMIN'NY MATY MARINA TOKOA IZY!!! MAROBE IREO VAVOLOMBELON'IZANY FITSANGANANY TAMIN'NY MATY IZANY....NISY TAMIN'IZY IRENY AZA NIJORO HATRAMIN'NY FAHAFATESANA MIHITSY ENTINA HANAPOROFONA AMIN-TSIKA FA TENA MARINA FA NISEHO TAMIN'IZIREO MARINA TOKOA I JESOSY!!!

IZAY IHANY KOA NO TENA ANTONY TOKANA HIJOROAN'NY FINOANA KRISTIANINA!!! MIJORO NY FINOANA SATRIA MARINA FA TENA MISY ILAY FIAINANA AORIAN'NY FAHAFATESANA!!!


« Fa raha tsy misy fitsanganan'ny maty, na dia Kristy aza dia tsy natsangana; » (1 Korintiana 15:13)
« ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny toriteninay, ary foana koa ny finoanareo. » (1 Korintiana 15:14)

ANTSO NO ATAON'ANDRIAMANITRA ANAO ANKEHITRINY:

1- Ny antony nanaovan'i Jesosy ireny ASA LEHIBE ireny dia : « Lozanao, ry Korazina! Lozanao, ry Betsaida! fa raha mba tany Tyro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo aminareo, dia ho efa nibebaka ela tamin'ny lamba fisaonana sy ny lavenona ireny. » (Matio 11:21)

Ny antony voalohany dia ny HIBEBAHANAO AMIN'ANDRIAMANITRA

2- « Dia namaly azy Jesosy ka nanao hoe: Tsy Ahy ny fampianarako, fa an'izay naniraka Ahy. » (Jaona 7:16)

Nampitondra fampianarana an'i Jesosy Andriamanitra mba hianaran'ny olona rehetra...

MILA MIANATRA IZAHO SY IANAO

ARAHO ITY FANDAHARANA ITY ISA-MARIANA AMIN'NY 05 ORA SY SASANY AO AMIN'NY KOLO TV SY NY TELE I BC



novalian'i rhaj0 ny 17/10/2016 10:57
2. rhaj0 ( 06/10/2016 11:33)
Tena mbola ao @ ilay hoe "Ny Baiboly No Manamarina Ny BaibolY" ve ry RBNIR aaa ??? Tsy mba mety mivoatra koa anie nareo izany ee...

Entre-pa.. jereo anie ny video 001 an'i Herinirina io ambony io eee... Dia jereo ny video-ny farany. Niha-bolangina ilery sa tsy niha-bolangina hoy ianao, raha izay 1/10-karenan'ny olona sy ny ramanonaky ny Ankizy laniny izay no dinihina ???
3. tealala ( 06/10/2016 11:47)
Ohatrin'tsy izy izany ilay eo amin'ny sary am pont makany majunga mbola mahihy iny.
4. RBNIR ( 06/10/2016 18:25)
Mampalahelo mihitsy ianareo ireto ry rhajo sy tealala, dia tsy mety afaka mihitsy ilay "fanaratsiana"

Fantaro ihany anefa fa hoy ny baiboly hoe : « sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra. » (1 Korintiana 6:10)

Ny mpanaratsy hoy "ny teny" dia "tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra......
5. RBNIR ( 06/10/2016 18:43)
rhaj0:

Tena mbola ao @ ilay hoe "Ny Baiboly No Manamarina Ny BaibolY" ve ry RBNIR aaa ??? Tsy mba mety mivoatra koa anie nareo izany ee...

>>>Rhajo hoy aho hoe misy olona iray koa ankehitriny nisehoany,

Dia impiry koa aho izay no nilaza teto hoe tena misy zalahy Andriamanitra fa tanteraka tamiko 100% ireto teny ireto a!
« Ary Izaho hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra* hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, [*Gr. Parakleto, dia Mpanampy, na Mpampahery, na Solovava] » (Jaona 14:16)
« dia ny Fanahin'ny fahamarinana, Izay tsy azon'izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo. » (Jaona 14:17)
« Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankaty aminareo Aho. » (Jaona 14:18)

MISY ZAVATRA FANTATRO TSY FANTATRAO!!! MISY ZAVATRA IAINAKO TSY IAINANAO!!!
MATOA AHO MIKIAKIAKA HOE MISY MARINA RY ZALAHY ANDRIAMANITRA DIA SATRIA TENA MISY MARINA IZY FA TSY IMAGINATION AKORY!!! MIRESAKA AMIN'IZAY OLONA TIANY HORESAHINA IZY!!!

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!
6. rhaj0 ( 06/10/2016 21:07)

rhaj0:
Tena mbola ao @ ilay hoe "Ny Baiboly No Manamarina Ny BaibolY" ve ry RBNIR aaa ??? Tsy mba mety mivoatra koa anie nareo izany ee...
RBNIR:
hoy aho hoe misy olona iray koa ankehitriny nisehoany...

i Herinirina sa ianao RBNIR hono no "nisehoany" tao izany? ny Profeta Tsaratsara koa mantsy efa nilaza fa "nisehoany". Dia iza koa ilay mpamorka mpanambaka vahoaka Mailhol..

Fa na i Hrnrn na RBNIR, dia TSY niteny taminareo ve ho'a izy, ohatra hoe, "ajanony faty any ity mitango ny 1/10-karenan'ny olona ity", satria na i Jesosy azany TSY nanao an'izany, fa naniraka ny mpianany "hanjono"???

Dia TSY niteny taminareo ve Izy, fa dia misy anie any ho any zaza tsy nahazo ramanonaka, nefa ianao RBNIR sy Hrnrn mamango matavy sy miha-bolangina andro aman'alina ao??

@ voany sy ny taviny moa, hoz'ianao izay, no amantarana ny paikany?.. vavolombelona io ny video!

Izay manam-bava ka mihinana ny ramanonaky ny Ankizy, aoka izy TSY hitelina (ny abobon'i Hrnrn)
7. tealala ( 07/10/2016 02:46)

RBNIR:

rhaj0:

Tena mbola ao @ ilay hoe "Ny Baiboly No Manamarina Ny BaibolY" ve ry RBNIR aaa ??? Tsy mba mety mivoatra koa anie nareo izany ee...

>>>Rhajo hoy aho hoe misy olona iray koa ankehitriny nisehoany,

Dia impiry koa aho izay no nilaza teto hoe tena misy zalahy Andriamanitra fa tanteraka tamiko 100% ireto teny ireto a!
« Ary Izaho hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra* hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, [*Gr. Parakleto, dia Mpanampy, na Mpampahery, na Solovava] » (Jaona 14:16)
« dia ny Fanahin'ny fahamarinana, Izay tsy azon'izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo. » (Jaona 14:17)
« Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankaty aminareo Aho. » (Jaona 14:18)

MISY ZAVATRA FANTATRO TSY FANTATRAO!!! MISY ZAVATRA IAINAKO TSY IAINANAO!!!
MATOA AHO MIKIAKIAKA HOE MISY MARINA RY ZALAHY ANDRIAMANITRA DIA SATRIA TENA MISY MARINA IZY FA TSY IMAGINATION AKORY!!! MIRESAKA AMIN'IZAY OLONA TIANY HORESAHINA IZY!!!

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!


Fanisoehoany koa ve i RBNIR e?
8. RBNIR ( 07/10/2016 05:52)
IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!
9. rhaj0 ( 07/10/2016 10:40)

RBNIR:
IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!

Izay manana imagination, aoka hi-imaginer!!!

Izay manam-bava (miletra ny ramanonaky ny Ankizy), aoka TSY hitelina (ny abobon'i Hrnrn)!!!
10. lolo110255 ( 08/10/2016 16:14)
dia faly miarahaba ny rehetra daholo indray ny tenako
ela ela aho no tsy teto (efa ho 2 volana izao angamba) dia nasain-dry zalahy nisolo solon'anarana ; tsy maninona akory fa nampilaza fotsiny aho hoe ...izaho iuhany ity e !

mba tokony ho jerena sy ho fakafakaina ihany angamba ry reto ny atao hoe "porofo" sy ny "fanamarinana" trangan-javatra" na hevitra iray

-marina ho an'ny rehetra ve ny porofo notsoahina avy ao anaty baiboly sa marina ho an'izay rehetra ...mino Azy fotsiny , indrindra fa ireo tranga izay mitaky ...finoana ?
-eken'ny toera-pikarohana misy era-tany tokoa ve miaraka amin'ny porofo siantifika tsy azo lavina , fa tena nitsangana tamin'ny maty i Jesoa , fa i Jesoa dia zanak'Andriamanitra , fa misy ny fiainana mandrakizay ho an'ireo mpanaradia azy ...sa mijanona eo antokonam-baravaran'ny kristiana ny fahamarinan'izany ?

-mino ny fahamarinan'izany daholo tokoa ve ny karazam-pinoana maro misy eto an-tany (boudisma , hindouisma , shintoisma , finoan-dRazana malagasy ...) ?
nahoana no izay voalazan'ny testamenta vaovao no marina fa ny tsy izay voalaza ao anatin'ny boki-pinoana arahin'ireny finoana hafa ireny ?

-araky ny hevitsika , ireo mpanaradia ny finoana hafa ankoatry ny finoana kridtiana ve dia mihevitra fa diso ny finoany fa ny an'ny kristiana no tena marina ?

farany
rehefa manambara ny toera-pikarohana siantifika iray fa misy sahan'andremby ny tany , nahoana no manaiky ny fisian'izany na ny mpiakroka shintouista na ny mpikaroka kristiana na silamo na koa boudista na hindouista ...?

inona no maha samihafa ny fahamarinana lazain'ny siansa sy ny fahamarinana lazain'ny baiboly na ny koran na ny rig-veda ...?

-

11. endriny ( 08/10/2016 16:25)
RBNIR:

FA MANINONA NO HOE FIVAVAHANA KRISTIANINA NO TENA MARINA???


MBa itondray porofo mitombina kokoa fa tsy ny ao anaty baiboly ihany no atao porofo eto fa lasa mitanila ilay fomba fijery.
12. endriny ( 08/10/2016 16:35)

lolo110255:

Mahafinaritra be ilay fanamarihana, saingy ny fahitako azy ireo misoratena ho kristianina dia tsy manana fijery mivelatra loatra ho an'ny finoana na fijery hafa, fa izay voasoratry ny boky ihany. Na izay lazain'i Dapasy sy Damopra ihany.

HItako mihintsy ny Havana sasany amin'ilay hoe: "Izahay tsy mamadika fa izahay kristianina; Izahay tsy mamonjy Joro fa izahay Kristianina; Izahay tsy azo amindrana ra fa izahay temoin; Izahay tsy mijery tele fa izahay Mpamonjy, sns"

Ny mahavariana dia ilay hoe io no TENA MARINA, ka tena marina amin'ny ahoana moa? Vao ilay fiandohana amin'ny boky fototr'ilay finoana fotsiny dia EFA DISO: "6 andro no nanaovana izao tontolo izao, ka ny tany no natao voalohany, ary farany ny masoandro sy ny kintana". Dia mbola matokitena ho TENA MARINA ihany ry zareo.

ohatran'ny varotra habobo ihany io koa
13. lolo110255 ( 09/10/2016 08:56)
miarahaba

raha ny fahitako azy ry endriny dia ny ankabeazan'ny mpino rehetra na inona na inona finoany ( kristiana , silamo , hindouista na koa jiosy ...) dia saika " ...tsy manana fijery mivelatra loatra ho an'ny finoana na fijery hafa, fa izay voasoratry ny boky ihany..." , tahakan'ny filazanao azy etsy ambony , indrindra moa fa ireo mpino iringiriny izay mameno ny tany ankehitriny

tsaroko tsara taloha , fony fahavelon'ny ray aman-dreninay , izay kristiana tsotra , nanao ho adidy ny famonosan-damba ireo havana efa maty satria nitana koa ny kolontsainany;
amin'izao fotoana izao dia enjehina sy ezahana ho fongorina ny vakoka sy haren-tsaina malagasy ... amin'ny anaran'i Yeshua!

ary ireo mpanaradia ny foto-pinoana hafa , dia manao toy izany koa , noho ny fiheverana fa ry zareo no manana ny tena Fahamarinana =>anisan'ny loharano nipoiran'ny adi-pinoana namono ain'olona aman'etsiny izany (eny na dia samy kristiana aza indrindray)

14. RBNIR ( 10/10/2016 02:53)
lolo110255:

-mino ny fahamarinan'izany daholo tokoa ve ny karazam-pinoana maro misy eto an-tany (boudisma , hindouisma , shintoisma , finoan-dRazana malagasy ...) ?
nahoana no izay voalazan'ny testamenta vaovao no marina fa ny tsy izay voalaza ao anatin'ny boki-pinoana arahin'ireny finoana hafa ireny ?

Salama namana,
Ny fanontanianao dia hoe : nahoana no izay voalazan'ny testamenta vaovao no marina fa ny tsy izay voalaza ao anatin'ny boki-pinoana arahin'ireny finoana hafa ireny ?

Valiny dia satria mandraka androany hoy aho dia mbola misy ihany koa olona izay hisehoan'i Jesosy mivantana sady hampianariny...



Ary ny tenako manokana ihany koa dia afaka mijoro vavolombelona fa marina tokoa fa velona i JEsosy satria tanteraka amiko 100% ireto teny manaraka ireto....

« Ary Izaho hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra* hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, [*Gr. Parakleto, dia Mpanampy, na Mpampahery, na Solovava] » (Jaona 14:16)
« dia ny Fanahin'ny fahamarinana, Izay tsy azon'izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo. » (Jaona 14:17)
« Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankaty aminareo Aho. » (Jaona 14:18)


Tsy fantatry ny hafa io, tsy ianan'ny hafa ihany koa fa izaho izay mahafantatra sy miaina azy dia mahafantatra tsara fa tsy "manonofy" aho akory....
Ary aoka ho lozako raha mandainga aho fa ny baiboly dia efa manambara hoe "ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany any amin'ny farihy mirehitra afo sy solifara" Apok.21:8
15. lolo110255 ( 11/10/2016 13:31)


Valiny dia satria mandraka androany hoy aho dia mbola misy ihany koa olona izay hisehoan'i Jesosy mivantana sady hampianariny...



miarahaba antsika rehetra

ary olona maro ihany tokoa ange ry RBNIR no isehoan'ireo ...Razambeny rehefa fotoam-pamadihana e ! ary tsy maintsy manao ny adidiny ireny olona ireny mamono lamba ny Razany satria novangiana sy nobitsibitsihan'ireo havany efa lasan-korazana

ny somary mahagaga fotsiny dia ry RBNIR na ry rhajo tsy mba misy Razana mamangy sy mangataka ho havadika ary ireo olona amina miliara ( tsy kristiana ) tsy mba vangian'i Jesoa na nosafosafon'i masina Maria (matetika ny katolika romana mpiandry ondry na tantsaha any ankodahoda no isehony tampoka )
16. rhaj0 ( 11/10/2016 14:37)
lolo110255:
ry rhajo tsy mba misy Razana mamangy sy mangataka ...

hi hi hi... k'izaho ho'a "nanofy" an'i Jesosy, dia hoz'izy hoe, ilazao i RBNIR sy Herinirina mba hanajanona faty any an'io mikepoka ny 1/10-karenan'ny olona io, satria mantsy, na i Jesosy azany, dia tsy mba nanangona 1/10-karenan'olona izany, fa ny azy, dia nirahiny ny mpianany "hanjono" (dia tao am-bavan'ny trondro no nisy sekela).

F'izany hoe, "nofy antoandro" ilay izy... revireviko ampitsanganana teto fotsiny :-)
17. RBNIR ( 12/10/2016 07:14)
lolo110255:

Valiny dia satria mandraka androany hoy aho dia mbola misy ihany koa olona izay hisehoan'i Jesosy mivantana sady hampianariny...

miarahaba antsika rehetra

ary olona maro ihany tokoa ange ry RBNIR no isehoan'ireo ...Razambeny rehefa fotoam-pamadihana e ! ary tsy maintsy manao ny adidiny ireny olona ireny mamono lamba ny Razany satria novangiana sy nobitsibitsihan'ireo havany efa lasan-korazana

ny somary mahagaga fotsiny dia ry RBNIR na ry rhajo tsy mba misy Razana mamangy sy mangataka ho havadika ary ireo olona amina miliara ( tsy kristiana ) tsy mba vangian'i Jesoa na nosafosafon'i masina Maria (matetika ny katolika romana mpiandry ondry na tantsaha any ankodahoda no isehony tampoka )

1 Ilay hoe nisehoan'ny razana dia tsy mitovy amin'ilay hoe nisehoan'i Jesosy satria matetika ireo nisehoan'ny razana dia amin'ny alalan'ny nofy hoy ireo mitantara...
Ny fisehoan'i Jesosy kosa rehefa hifidy ny olony IZY dia tahaka ity niseho tamin'i apostoly paoly ity...« Ary raha nandeha izy, dia tonga teo akaikin'i Damaskosy; ary nisy mazava avy tany an-danitra nanelatretatra tampoka manodidina azy; » (Asan'ny Apostoly 9:3)
« dia lavo tamin'ny tany izy ka nandre feo nanao taminy hoe: Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy? » (Asan'ny Apostoly 9:4)
« Ary hoy izy: Iza moa ianao, Tompoko? Dia hoy Izy: Izaho no Jesosy Izay enjehinao; » (Asan'ny Apostoly 9:5)

HAZAVANA BE DIA TSY MAHITA OLONA FA FEO NO MIVOAKA AVY AO!!!

2 « Fa fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona, ary tsy manana valim-pitia intsony izy; fa hadino ny fahatsiarovana azy. » (Mpitoriteny 9:5)
« Na ny fitiavany, na ny fankahalany, na ny fialonany, dia samy efa levona ela sady tsy manana anjara intsony mandrakizay amin'izay atao aty ambanin'ny masoandro izy. » (Mpitoriteny 9:6)

Tsy manana anjara intsony amin''izay atao aty ambanin'ny masoandro ny maty....

3 Mila mailo ihany kosa anefa satria tena misy ny mpamitaka....
« Ary tsy mahagaga izany, fa Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin'ny mazava. » (2 Korintiana 11:14)

Dia fitinina angamba hoe « Fa tsy misy hazo tsara mamoa voa ratsy na hazo ratsy mamoa voa tsara. » (Lioka 6:43)
« Fa samy fantatra amin'ny voany avy ny hazo rehetra; fa tsy misy manoty aviavy* amin'ny tsilo, na voaloboka amin'ny voaroy.[*aviavimbazaha] » (Lioka 6:44)

Koa izay milaza ny tenany ho nahita fahitana na nisehoany dia tsarao ain'ny voany izy e!

« Koa izao no hevitry ny fanoharana: Ny voa dia ny tenin'Andriamanitra. » (Lioka 8:11)

Milaza izy fa nampianarin'i Jesosy???? Mazava ho azy izay lazainy tokony hitovy 100% amin'izay nolazain'i Jesosy fahiny.....

18. rhaj0 ( 12/10/2016 12:21)
RBNIR:
Ny fisehoan'i Jesosy kosa rehefa hifidy ny olony IZY dia tahaka ity niseho tamin'i apostoly paoly ... HAZAVANA BE DIA TSY MAHITA OLONA FA FEO NO MIVOAKA AVY AO!!!

Ilay hoe "hazavana be" kosa ngo dia "mamirapiratra be" fotsiny eee... Ny hitan'i Paoly mantsy TSY naha-jenjina azy, fa toa ianao irery izany no jenjina ao.

Ivereno itadidiana fa... ilay Jesosy hitanao ve "tsara tarehy sady tsara endrika be, mamirapiratra be, sady tovolahy be, bOgOsy be" ???...

ka "bogOsy be" sahala @ io Jesosy ao @ ankavia io, sa toa Ingahikely hendratrendratra ilay @ ankavanana io ?


Tena tsy alehany koa ianao RBNIR sy Herinirina izany, fa henoy tsara ny profeta Tsaratsara hanazava anao ny @ Jesosy miresaka aminy izany. Jereo atsy @ 9:30 fa i Jesosy dia tsara tarehy sady tsara endrika be, mamirapiratra be, sady tovolahy be, bOgOsy be.



Fa ny anao izay izany ry RBNIR, dia izany "HAZAVANA BE" izany, dia tsy inona fa... vokatry ny toaka iny eee.... :-)
Efa hoe, ajanony @ izay ho'a ity divay divay lava ity, na dia hoe, ràn'i Jesosy azany hono ilay izy..
19. RBNIR ( 12/10/2016 12:42)
Tsy mety ny mitsara olona rhajo a!

Fa efa nentiko teto ny toko sy andininy :

Ilay Jesosy niseho tamin'i Apostoly paoly (Asa.9:3-5)

Misy koa ny atao hoe satana izay mahay maka ny endriky ny anjelin'ny mazava « Ary tsy mahagaga izany, fa Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin'ny mazava. » (2 Korintiana 11:14)

Dia anjaran'ny tsi11 sisa mba maka ny tandrifiny e!!!

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!

20. rhaj0 ( 12/10/2016 13:49)
Izaho anie mivanitika fotsiny fa tsy "mitsara" eee.. Fa raha "nitsara" azany aho, dia ialako tsiny be dia be.. (ilazao fotsiny hoe, inona ilay fehezanteniko "mitsaratsara", mba tsy hamerenako azy).

Fa eto kosa indray, dia ny hitako indray anefa, dia toa "mitsaratsara" ny an'i Tsaratsara ianao izany ry RBNIR, ka hoe, ny an'i Tsaratsara toa "satana", fa ny anao "tena izy". Aiza no itompoanao teny @ izany; tsy hainao akoriny ny resak'i Tsaratsara sy Jesosy any.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1388