FA MANINONA NO HOE FIVAVAHANA KRISTIANINA NO TENA MARINA???

21. RBNIR ( 13/10/2016 03:20)
Mitondra izay voasoratra anaty baiboly aho rhajo,
Anjaran'ny tsi11 kosa ny mandinika sy mandray izay tandrifiny.....
22. rhaj0 ( 13/10/2016 10:41)
Ka TSY hamaly ny fanontaniana ianao izany ry RBNIR.. Nefa anie tsotra be ny fanontaniana eee.. Aleo averiko ihany, na ovaiko kely azany ny fanontaniana, ngo dia mba tonga saina ihany ianao hoe, inona koa no iavonavonao, na koa inona no ialanao pas ao, fa tsisy mahamenatra anie ny feeling-nao ao

Fanontaniana 1- Ka "bogOsy be" sahala @ io rock star ao @ ankavia io, sa toa Ingahikely hendratrendratra ilay @ ankavanana io, ilay Jesosy ao @ immagination-nao ao ??


Fanontaniana 2- Jereo atsy @ 9:30 fa i Jesosy dia tsara tarehy sady tsara endrika be, mamirapiratra be, sady tovolahy be, bOgOsy be, hozy i Tsaratsara. Miombo-kevitra aminy ianao RBNIR sa ... resak'adala ny an'i Tsaratsara ??

23. endriny ( 13/10/2016 13:41)
Hatreto aloha dia tsy nisy porofo mihintsy hoe TENA MARINA ny fivavahana kristianina. Fa fanasan-doha amin'ny took sy andininy avy amin'ny angano sy arira jiosy sy raomanina no mibobobobo eto.

Dia maro ireo mahay mampihesona ka milaza fa nomen'Atra hafatra manokana, na nobitsihin'Atra tamin'ny alina dia manao lemozy amin'ny lainga tsara lahatra mba Andresen-dahatra ny valalabemandry ho fitaovana fangoronan-karena milamina sy maharitra
24. lolo110255 ( 13/10/2016 15:17)

endriny:

Hatreto aloha dia tsy nisy porofo mihintsy hoe TENA MARINA ny fivavahana kristianina. Fa fanasan-doha amin'ny took sy andininy avy amin'ny angano sy arira jiosy sy raomanina no mibobobobo eto.

Dia maro ireo mahay mampihesona ka milaza fa nomen'Atra hafatra manokana, na nobitsihin'Atra tamin'ny alina dia manao lemozy amin'ny lainga tsara lahatra mba Andresen-dahatra ny valalabemandry ho fitaovana fangoronan-karena milamina sy maharitra


akory lahaly

araky ny hevitro ry "endriny" dia tsy misy na iray aza fivavahana azo lazaina fa TENA MARINA ; kanefa tsy manakana ny mpanaradia azy ireny izany hino fa TENA MARINA tokoa izay voalaza ao ary izay no maha finoana an'ilay izy
tsy voatery ho angano sy fanasana atidoha daholo fotsiny kanefa ny voarakitr'izy ireny fa sady fitaratra izy ireny ahafantarana (amin'izao fotoana izao) hoe inona no zavatra fantatry ny olombelona tamin'izany fotoana , tatahaky ny ahoana ny zava-nitranga ara-tantara teo amin'ny firenena iray (eny na dia ny fomba anazavany an'ireny tranga ireny aza dia amin'ny alalan'ny ...finoana koa)

etsy an-daniny dia ireny boki-pinoana ireny dia namokatra koa ireo lalàna tokiny hifehy ny firaha-monina , lalàna izay tena mety manana endrika feno "habibiana" raha jerena amin'ny fomba fisainantsika amin'izao fotoana (ohatra : ny mahakasika ny zaza maditra , tsy mankato ny ray aman-freny izay tokony ho ...vonoina) kanefa koa lalàna miaro ny fiarovana ny mpiray firenena ohatra (lalàna hita ao anatin'ny testamenta taloha izao natao ho an'ny samy Hebreo)

ny fivoaran'ny rafi-piaraha-monina taty aoriana miampy ny finoanoampoana mbola iaian'ny vahoaka maro , indrindra aty amintsika tany mahantra dia lasa , araky ny fanambaranao azy hoe , fitaovana hanangonan-karena ary indrindra handetehana ny olona ao anatin'ny aizin'ny tsy fahalalana eny na dia efa dingana lehibe tokoa aza no atolotry ny siansa !
25. endriny ( 13/10/2016 17:53)

lolo110255:



Ny mahatonga ahy hiteny hoe: Angano dia ireo zavatra atao hoe mahagaga na tsy azo porofoina ao anatin'ny tantara: 7 andro nanaovana izao tontolo izao, tehin'i Mosesy, Noah sy ny sambony, kintana nitarika ny magy, divay niova rano,mofo nitombo isa, trondro naharovitra harato, nanangana olona efa maimbo ho velona, sns e

Ny hoe Manasa atidoha dia satria, araka ny fahalalako dia tsy mbola nahita aho fiangonana na antokom-pinoana kristianina iray hoe nandalina ny baiboly iray manontolo, na niezaka ny niteny tamin'ny ondriny mba handinika io baiboly io manontolo fa tsy took sy andininy mahafinaritra fotsiny. Ny Silamo sy ny Jiosy ary ny Hindu anefa dia tsy maintsy mahavita vaky manontolo ny boky ifotoran'ny finoany, ka rehefa vita izany dia anaovana seho manokana mihintsy andraisana izay tanora nahavita vaky sy mahay ny koroany sy ny torah. Ny an'ny kristiniany kanefa toa ny eo ihany no averimberina eo, mody ampifamadihan fotsiny ny hoe lioka, na Jaonina na Matio na Marka, fa ilay zavatra lazaina zavatra iray ihany. Dia izay no maha fanasana atidoha azy.
26. lolo110255 ( 16/10/2016 08:16)

endriny:


[quote=lolo110255]


"Ny mahatonga ahy hiteny hoe: Angano dia ireo zavatra atao hoe mahagaga na tsy azo porofoina ao anatin'ny tantara: 7 andro nanaovana izao tontolo izao, tehin'i Mosesy, Noah sy ny sambony, kintana nitarika ny magy, divay niova rano,mofo nitombo isa, trondro naharovitra harato, nanangana olona efa maimbo ho velona, sns e"

Miarahaba ny rehetra
mibaliaka ny masoandro eto ambany masoko (ambanivohitra "Brabant flamand" , tsy lavitra an'ny Bruxelles) amin'izao fotoana izao ka nahatonga hy hifoa maraina be kanefa andro fitsaharana anio...hi!hi!hi!...
ekeko ny filazanao ry "endriny" fa ny tiako nosoritana tery ambony dia ny hoe "tsy angano fotsiny akory ny mamemno ny baiboly" na ny boki-pinoana amin'ny ankapobeny
na inona na inona ny boky entina nampitana finoana dia ahitana fahagagana izay midika ho angano rehefa zohina ankehitriny ; ny antony angamba dia mba ahafahana mandresy lahatra ny olona fa mitombina sy tokony hinoana tsy misy iadian-kevitra izay voalaza ao ; ary ny mpanao fahagagana no ...manam-pahaizana nisy tamin'izany fotoana iraky ny hery tsy hita!

ny fanasana atidoha
amin'ny ankapobeny dia marina koa ny voalazanao ; fa na izany aza dia aza adino fa misy kristiana na olontsotra (mpanaradia iringirina sekta , na vondron'olona tahakan'ny fikambanan'ny mpamaky baiboly ,...) mamaky sy mandinika ny baiboly
ny olana mitranga kanefa dia ity : tsy amin' ny alalan'ny fampiasana ny saina no hamakian'izy ireny ny babiboly na ny boki-pinoana hafa , fa kosa fianarana izay voasoratra ao .
ny fampiasana ny saina dia mitaky :
-fametraham-panontaniana amin'ny mampitombina na tsia izay voalaza
-fampitahana amin'izay tranga nisy tamin'ny fotoana nanoratana azy => mikaroka ohatra hoe : hoviana ity boky no nosoratana ? iza no nanoratra azy ? inona no antony nanoratany azy ?
-fizahana ireo voka-pikarohana atolotr'ireo manampahaizana miasa amin'ireny "facultés de théologie" malaza misy era-tany ireny (Suisse , Harvard any USA , G-B , ...) ny haivakoka any Israel sy any Moyen-Orient aminn'y ankapobeny
ny famakafakana ny sy fandalinana an'izany rehetra izany dia tsy voatery ialan'ilay olona amin'ny finoany fa kosa mba ahafantarany fa ny FAHAMARINAN'NY FINOANY dia mijanona eo antokom-baravaran'ny finoany arahiny => mety mba miteraka fifandeferana ny fahalalana an'izany eo amin'ireo mpanaradia finoana samihafa era-tany ka tsy hisy intsony ady noho ny finoana tsy mitovy sy ny ady ataon'izy ireo amin' izay TSY MINO

27. rhaj0 ( 17/10/2016 10:57)
endriny:
Ny hoe Manasa atidoha dia satria, araka ny fahalalako dia tsy mbola nahita aho fiangonana na antokom-pinoana kristianina iray hoe nandalina ny baiboly iray manontolo, na niezaka ny niteny tamin'ny ondriny mba handinika io baiboly io manontolo fa tsy took sy andininy mahafinaritra fotsiny.

Avelao kosa izy hanao hanohy izay fataony ao, toa ny hoe, "misy tery izany ry zan'akoho"... mba misy ivanitihan'ny "ankizy ankehitrio tompon'ny interinety" eeee... :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3714