IZA no namorona ny Fahafatesana

1. rhaj0 ( 03/10/2016 14:47)
Rehefa dom-pahoriana ireny, dia tena mampipapapapa mihintsy kosany, n'inon'inona ny finoana ao, dia mipapapapa daholo. Ary dia velona ny fanontaniana :

- Fa iza no mba namorona ny Fahafatesana eee ???
- na hoe, fa mba IZA koa no namorona ny Fahafatesana eee ???



Satria ny "namorona ny aina" na ny Fiainana, dia ... samy manana ny Finoany @ hoe IZA no namorona azy, ary samy resy lahatra @ izay Finoany ao ny tsi11. Fa ny "fahafatesana" kosa, toa TSY mazava tsara hoe, IZA marina no mba namorona an'izy io eee...

Sa ahoana hoz'ianao?
novalian'i endriny ny 18/10/2016 05:25
2. angouz ( 03/10/2016 16:41)
Ny fahafatesana no tambin'ny ota, dia fantaro hoe iza no namorona ny ota dia voavaly ny fanontaniana.
3. rhaj0 ( 03/10/2016 16:57)
TSY takatro ilay "valim-panontaniana" ry Angouz. Tonga dia tsory, mahitsy, mangarahara fa ... fiainana efa sarotra ity, raha hainao moa dia tonga dia zarao, fa aza avela "hamaky loha" indray koa zahay eee... :-)

Ka dia ataovy hira raha sarotra tenenina azany eee...

O Iza Iza...
Iza No Namorona An-dRafahafatesana???
4. Angouz ( 03/10/2016 18:29)
Hita mihintsy hoe tsy mpivavaka marina i rhaj0,
5. rhaj0 ( 03/10/2016 19:19)
Letia eee... hita mihintsy fa "mpivavaka" i Angouz... maninona no mamilafila rahefa mba mahafantatra i Angouz eee... Lazao hoe IZA no namorona an-dRafahafatesana eee...
6. rhaj0 ( 04/10/2016 17:36)
Ka ho an'ny Mpino azy, dia Andrmntra no namorona ny Aina (Vie).
Ka dia manaraka ny fanontaniana: dia IZA izany no namorona ny Fahafatesana (Mort).

Dia hozy i Angouz hoe "ny fahafatesana no tambin'ny ota".
Ka midika ve izany fa i Andmtnra koa no namorona ny Fahafatesana?

Azo atao par elimination:
- TSY ho ny devoly mihintsy k'lou no namorona izany: TSY omnipotent toa Andrmntra ny Devoly ka afaky ny hamorona izany.

Azo asiana lojikany kely
- Ka misy omnipotent hafa ve namorona ny fahafatesana izany: ho an'ny Kristiana sy Jiosy sy Hebreo, dia MONOtheist zareo = TOKANA ny Andrmntra. Ka dia TSISY hafa afaky ny hamorona ny Fahafatesana, afa-tsy ilay Omnipotenet tokana.


Ka dia iza no mandà ny tohin'ny hira raha izany:

O Iza Iza...
Iza No Namorona An-dRafahafatesana???


===> i Andriamanitra no namorona an-dRafahafatesana.

7. angouz ( 04/10/2016 18:42)
Dia Andriamanitra indray izany ve no niteny hoe manota raha olombelona
8. rhaj0 ( 04/10/2016 18:49)
Eny azany fa Raolombelona no te-hanota ee.. Fa na izany na tsy izany, dia tsy hita ihodivirana, fa i Andrmntra ihany no namorona an-dRafahafatesana. TSY nataony hoe "safotra" na "torana" fotsiny rahefa manota, fa tena sitrapoNY ary noforoniNY io "fahafatesana" io ... ho "tambin'ny ota" hono eee...

Fa dia io e.. tsy afaky ny holavinao ny hira :

O Iza Iza...
Iza No Namorona An-dRafahafatesana???

===> i Andriamanitra no namorona an-dRafahafatesana.

9. rhaj0 ( 05/10/2016 18:22)
Ndao azany eritreretina kely 1 minitra ilay hoe, Andrmntra no "namorona an-dRafahafatesana".
Dia satria nahoana, averina kely indray :

1- Namorona ny "(fi)aina" (vie) ve izy, dia tsy amorona ny "fahafatesana" (mort)"? (IZY no manome sy maka)
2- Izy "omnipotent" ihany no afaky ny amorona izany (IZY no namorona izao rehetra izao, na i Lavie, na i Lamort).

Ka dia mitombona ny hira
O Iza Iza, Iza No Namorona an-dRafahafatesana?
Andrmntra No Namorona Ny Fahafatesana"



Dia ahoana anefa hozy ny tohin'ny hira:

O iza iza
Efa Noreseny (Andtrmna) Izao ny Fahafatesana



hi hi hi.. "namorona" IZY, dia avy eo "noreseny" indray ilay "noforoniny"..
Raha ny tena izy (ara-baiboly), dia
- ny Ray no "namorona ny fahafatesana",
- ary ilay Zanany no "naharesy ny fahafatesana".

Tsy mampihomehy (mampahonena) anao ve izany???

- i Andmntra (nodikain-Janany) no mampihomehy (mampahonena) anao,
- sa ianao "minomino" foana an'izany rehetra izany no mampihomehy (mampahonena) :-)

10. RBNIR ( 05/10/2016 23:18)
Marina foana ny tenin'Andriamanitra...

« Ny fahadalan'ny olona no mahasimba ny alehany, Ka amin'i Jehovah no sosotra ny fony. » (Ohabolana 19:3)
11. rhaj0 ( 06/10/2016 11:42)
Dia tena misy "sosotra fo" (na soso-po, hozy ny tanora izay) ve k'lou eto ry RBNIR, sa manao lamentation dia manao lamentation fotsiny ianao io, toy ny mahazatra eee...
12. rhaj0 ( 07/10/2016 11:39)
Mampihomehy mihintsy ho'a ilay hira ee... ity izany toa ny fomba fahiny: ny fampianarana na koa ny fifanoroana dia atao an-kira (ao @ Hira Gasy). Ka venteso azany :

O Iza Iza, Iza No Namorona an-dRafahafatesana?
Andrmntra No Namorona Ny Fahafatesana

O Iza Iza, Dia Ahoana Koa Ny Manaraka?
Efa Noreseny (Andtrmna) Izao ny Fahafatesana



Ka hoe ho'a hoe, "namorona" izany hono IZY, dia avy eo indray, "noreseny" indray ilay "noforoniny"...


Ka raha ridicule na aberrant izany ny hoe "Andtrmna namorona, dia nandresy, ny Fahafatesana" izany, dia inona izany no marina, na hoe, mitombona kokoa :

1- TSISY an'izany noforomporonina izany eee. TSY noforonina izany ny Aina (vie) sy ny Fahafatesana (Mort), fa zavatra lalan-javatra io. Izay no mekanisman'ny fiainana. Rahefa mba mitsikarokaroka sy mandalindalina ianao, ka azonao (comprendre) ny mekanisman'ny fiainana, dia TSY hinohino (foana) izany "miforomporona" izany intsony ianao.

2- Rahefa zohinao ny hoe "rien ne se perd, rien ne se crée", dia ho hitanao hoe, ny inona no nivadika ho inona, fa tsy hoe "niforona" (création) nidoboka avy any an-danitra ilay inona io. Rehefa zohinao ny hoe "et.. tout se transforme", dia ho hitanao hoe, ilay inona ni-se transformer ho lô, dia lasa vovoka eee... Na koa, ilay ianao io, ny atôma ao @ vatanao io, dia efa tao anaty lasopin'i Big-Bang, ary nivoatra niriaria teny, ka nandalo t@ sperm/ovule-n-RaR-n'ny RaR-nao ets... ary dia io nivoatra ho tonga ianao io.

3- Fa ny tena marina, dia TSISY izany Andnmntra izany... na hoe, MISY ihany IZY izany, fa ao @ imaginaire collective. Mahery ny imagination (collective).
- Ka noforonin'ny imagination ny hoe Andmntra.
- Dia noforoniny koa hoe, "mamorona" izao rehetra izao ity Andmntra vao noforoniny ity.
Izay famoronana (creation) nataon'ny imagination izay no atao hoe ... "créationisme" :-)
13. calin.brandon ( 07/10/2016 14:20)
Ny Andriamanitra koa anie dia noeritreretina sy ninoan'ny olona ny fisiany nony hitany fa maro ny zavatra tsy hainy ny manazava azy e ! Nomena anarana maro izy : Andriamanitra, Zanahary, Andriananahary, Créateur, Grand Architecte de l'Univers ...sns...

Ary nisy iraika lahy izay niteny ihany koa hoe : " quand la contradiction cesse, la vie cesse aussi et la mort intervient ". Karazam-baliny hafa koa io.
14. rhaj0 ( 07/10/2016 14:47)
Ilay hoe "la vie cesse" k'lou, toa ny filazan'ireo mpino ny faminaniana ny "la fin du monde". Nony niaraha-nahita fa nandainga ilay faminaniana, dia zareo indray no tezitra hoe, tsy nihaino tsara hono ianao, fa "la fin d'un monde" hono no noteneniny...

Fa mazavabe kosa ny nolazain'i Calin Brandon io hoe:
ny zavatra tsy hainy ny manazava azy dia antsoiny hoe Andrmntra.

15. lolo110255 ( 08/10/2016 16:30)
salama jiaby
noson-dry zalahy sy zavavy eto ny ...solon'anarako satria efa ela ela aho tsy teto dia io indray izany ny ady eo

"Ny fahafatesana no tambin'ny ota, dia fantaro hoe iza no namorona ny ota dia voavaly ny fanontaniana. " hoy Anghouz

kanefa dia indro kely hoy ny mpandrafitra ry Anghouz :

-inona tokoa re ny "ota" mba nataon'ny voninkazo tahakan'ny voninavoko na ireo lisy mandravaka ireo mpanambady ny voahirana ...no dia mendrika ho faty izy ?
-inona no "fahotana mahafaty" nataon'ny ravinala na ny reniala na ny raotra na ny paiso peta-korona ...no midaraboka mianjera izy ireny rehefa afaka taona maro ?
16. endriny ( 08/10/2016 16:41)

rhaj0:

- Fa iza no mba namorona ny Fahafatesana eee ???
- na hoe, fa mba IZA koa no namorona ny Fahafatesana eee ???



Ny kaody zenetika mihintsy no mahatonga ny fahafatesana koa: Isaky ny mamorona sela vaovao ho an'ny taova ny vatana dia very isan'andro eo amin'ny fanombohana ny kaody zenetika ka miha fohy andro aman'alina, ary farany dia maty, satria tsy ampy mahavelona intsony ilay poroteina vokaran'ny sela iray. Ny selan'ny antitra ohatra sela tsy misy poroteina mamokatra volo intsony, dia lasa sola hatramin'ny volomasony.

"Fahafatesana no tambin'ny ota": Izay no iainana ara-bakiteny izao a, mba manaova raha tsy manjary eka amin'izao andro izao fa tonga dia fitsaram-bahoaka.
17. calin.brandon ( 10/10/2016 05:10)
Mety ny fanontaniana naroson'i lolo110255 momba ny fahafatesan'ny voninkazo aman-kazo ihany koa, izay tsy hita hoe inona ny fahotany.
Fa ny tian'ilay mpanoratra ho lazaina amin'ny hoe " la vie cesse aussi et la mort intervient ", dia tsy ny resaka " la fin du monde " akory, fa ny fahafatesana amin'ny maha fahafatesana azy. Maty ny zava-manan'aina rehetra rehefa tsy misy intsony ilay fifanoherana ao anatiny (contradiction).
18. RBNIR ( 10/10/2016 05:51)
Alefalefaso ihany ny fisainana ry zalahy a:
Tamin'ny fomba ahoana no nananganan'i Jesosy tamin'ny maty ireo olona fahiny????
Tamin'ny fomba ahoana no nanasitranan'ny ireo olona marobe tao anatin'ny indray mi pimaso????

Hery avy aiza??? ary hery manao ahoana?????

Tamin'ny fomba ahoana no nahafantaran'i Jesosy ny fisian'ny "trou noir" ka nahafahany nitantara amin'ny antsipirihany ny fomba handravan izao tontolo izao (fanimbana ny galaxie lacté)???
Tsy mbola nisy téléscope tamin'izany, tsy mbola nisy ihany koa satélite na image na vidéo satélite....????

http://forum.serasera.org/forum/message/m56a8c87ee9a9b/m56b11db2c5e01

Mba alefaso lavitra ry zalahy ny fisainana a!!! tamin'ny 2000 taona lasa ange no nanaovan'i Jesosy an'izany e????

Fa mba olona manao ahoana loatra i Jesosy???? Mitovy amin-tsika ve.....????

Irak'Andriamanitra i JEsosy ary IZY no ILAY FAMANTARANA NAMPANANTENAIN'ANDRIAMANITRA MBA HINOAN'NY TARANAKA REHETRA ATY AORIANA FA KAY TENA MISY MARINA TOKOA IZY.....
« Mangataha famantarana amin'i Jehovah Andriamanitrao; eny, mangataha na ho avy amin'ny lalina ambany, na ho avy amin'ny avo ambony. » (Isaia 7:11)
« Fa hoy Ahaza: Tsy hangataka aho, fa tsy haka fanahy an'i Jehovah » (Isaia 7:12)
« Dia hoy Isaia: Mihainoa ary, ny taranak'i Davida: Ataonareo ho zavatra kely foana moa ny hanasatra ny olona, No dia hanasatra an'Andriamanitro koa ianareo ? » (Isaia 7:13)
« Ary noho izany dia ny Tompo no hanome famantarana ho anareo: Indro, hanan'anaka ny virijina* ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataony hoe Imanoela**. [*Na: zazavavy][**Na: Imanoela = Amintsika Andriamanitra] » (Isaia 7:14)

Inona no anton'ny nanaovan'i Jesosy an'ireny famantarana lehibe na asa lehibe ireny???

1- Ny antony nanaovan'i Jesosy ireny ASA LEHIBE ireny dia : « Lozanao, ry Korazina! Lozanao, ry Betsaida! fa raha mba tany Tyro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo aminareo, dia ho efa nibebaka ela tamin'ny lamba fisaonana sy ny lavenona ireny. » (Matio 11:21)

Ny antony voalohany dia ny HIBEBAHANAO AMIN'ANDRIAMANITRA

2- « Dia namaly azy Jesosy ka nanao hoe: Tsy Ahy ny fampianarako, fa an'izay naniraka Ahy. » (Jaona 7:16)

Nampitondra fampianarana an'i Jesosy Andriamanitra mba hianaran'ny olona rehetra...

MILA MIANATRA IZAHO SY IANAO

ARAHO ITY FANDAHARANA ITY ISA-MARIANA AMIN'NY 05 ORA SY SASANY AO AMIN'NY KOLO TV SY NY TELE I BC

19. rhaj0 ( 11/10/2016 01:58)
calin.brandon:
Ary nisy iraika lahy izay niteny ihany koa hoe : " quand la contradiction cesse, la vie cesse aussi et la mort intervient ".
Maty ny zava-manan'aina rehetra rehefa tsy misy intsony ilay fifanoherana ao anatiny (contradiction).

Hay va re i Mao The Dong sy ny (materialisme) dialectique-ny no resahinao.
Izaho manokana aloha dia TSY mahita na mahatakatra hoe inona no idiran'ny paiso @ laisoa koa eto:
- ny filaozofia na ny revirevin'i The Dong na koa ry Marx sy Engel, izay mihatra @ fivoatran'ny sosaity (raha ny fahitako azy)
- sy ny rafahafatesana biolijika, na ny siansa @ ankapobeny.


Contradiction inona no mahavelona ao @ vatantsika ry Calin Brandon? Dia rahefa izay no mitsahatra dia hoe maty isika?



Ny fahitako an'izany resak'i The Dong izany, dia lazaiko mialoha, dia mitovitovy @ fisainana (approche) an'ireo mpino ihany, ka ny zava-misy dia aforetiny hanaraka ilay inoany (bible sns...).. @ ilay toa ny ho lazaiko hoe, tere-ko (marina) "tena izy" toa voalobo-Baiboly
20. calin.brandon ( 11/10/2016 04:46)

rhaj0:

calin.brandon:
Ary nisy iraika lahy izay niteny ihany koa hoe : " quand la contradiction cesse, la vie cesse aussi et la mort intervient ".
Maty ny zava-manan'aina rehetra rehefa tsy misy intsony ilay fifanoherana ao anatiny (contradiction).

Hay va re i Mao The Dong sy ny (materialisme) dialectique-ny no resahinao.
Izaho manokana aloha dia TSY mahita na mahatakatra hoe inona no idiran'ny paiso @ laisoa koa eto:
- ny filaozofia na ny revirevin'i The Dong na koa ry Marx sy Engel, izay mihatra @ fivoatran'ny sosaity (raha ny fahitako azy)
- sy ny rafahafatesana biolijika, na ny siansa @ ankapobeny.

Fa raha manana hevitra hafa afaka aroso ihany koa ianao RhajO ka manazava ny antony hisian'ny fahafatesana, dia omeo. Hevitra no aroso mba hahafahan''ny tsirairay mamakafaka sy mandalina fa tsy mijanona ery ambany ery amin'ny hevitra tokana.


Contradiction inona no mahavelona ao @ vatantsika ry Calin Brandon? Dia rahefa izay no mitsahatra dia hoe maty isika?



Ny fahitako an'izany resak'i The Dong izany, dia lazaiko mialoha, dia mitovitovy @ fisainana (approche) an'ireo mpino ihany, ka ny zava-misy dia aforetiny hanaraka ilay inoany (bible sns...).. @ ilay toa ny ho lazaiko hoe, tere-ko (marina) "tena izy" toa voalobo-Baiboly
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3352