IZA no namorona ny Fahafatesana

21. lolo110255 ( 11/10/2016 13:40)


Izaho manokana aloha dia TSY mahita na mahatakatra hoe inona no idiran'ny paiso @ laisoa koa eto:

salama daholo

ny fanambarana tery ambony hoe :

"Ny fahafatesana no tambin'ny ota, dia fantaro hoe iza no namorona ny ota dia voavaly ny fanontaniana."

...no nidiran'ireo fanontaniana-fanamarihana nataoko mahakasika ny antony mety nahafaty ny ...zava-maniry amin'ny ankapobeny izay tsy mba nihinana an'ilay ...voakanzo voarara raha ny fahalalako azy!

22. rhaj0 ( 11/10/2016 17:27)
calin.brandon:
Ary nisy iraika lahy izay niteny ihany koa hoe : " quand la contradiction cesse, la vie cesse aussi et la mort intervient ".
Maty ny zava-manan'aina rehetra rehefa tsy misy intsony ilay fifanoherana ao anatiny (contradiction).
rhaj0:
Hay va re i Mao The Dong sy ny (materialisme) dialectique-ny no resahinao.
Izaho manokana aloha dia TSY mahita na mahatakatra hoe inona no idiran'ny paiso @ laisoa koa eto:
- ny filaozofia na ny revirevin'i The Dong na koa ry Marx sy Engel, izay mihatra @ fivoatran'ny sosaity (raha ny fahitako azy)
- sy ny rafahafatesana biolijika, na ny siansa @ ankapobeny.


Contradiction inona no mahavelona ao @ vatantsika ry Calin Brandon? Dia rahefa izay no mitsahatra dia hoe maty isika?



Ny fahitako an'izany resak'i The Dong izany, dia lazaiko mialoha, dia mitovitovy @ fisainana (approche) an'ireo mpino ihany, ka ny zava-misy dia aforetiny hanaraka ilay inoany (bible sns...).. @ ilay toa ny ho lazaiko hoe, tere-ko (marina) "tena izy" toa voalobo-Baiboly
calin.brandon:
Fa raha manana hevitra hafa afaka aroso ihany koa ianao RhajO ka manazava ny antony hisian'ny fahafatesana, dia omeo. Hevitra no aroso mba hahafahan''ny tsirairay mamakafaka sy mandalina fa tsy mijanona ery ambany ery amin'ny hevitra tokana.

Ny fahatakarako azy, dia ny mahatonga ny Fahafatesana, na hoe "ny antony", dia satria potika na lO ny mekanika eee... Na olona na biby na zava-maniry, rahefa potika sy lO dia mizara karatra dia vita. Point a la ligne.

Fa Raolona moa, manan-tsaina... ny mi-imaginer, ka dia namoromporona "fiainana any ankoatry ny Fahafatesana" ao zareo. Dia t@ fotoan'androny sy tany @ toerana jeogirafikany tany ny tsi11, dia samy namoromporona resaka (na tantara-angano) mba hampandrimandry ilay saina tia mi-imaginer.

Dia hehezin'ny akoho toka-nify ireo resaka tantara-angano eee... io iarahana mivanitika io izao hoe, ny olona dia maty satria nihinana paoma, ho an'ny Kristiana; dia rahefa hanontaniana hoe, ny paoma koa ve maty satria nihinana paoma, dia ... hotry ny ho totofan-drizareo Kristiana toko aman'andininy eto fotsiny izao ny resaka, f'ianao ve hahazo valiny eo.

Ka io ho'a rahefa "hinohino foana" ao ihany, dia mba zavatra mahafinaritra azany inoana sy andefasana nhy imagination ee.. - hoe lasa lolo izany izao mety mba manjabe mihintsy - ary izany afobe-afobe izany izao, tena hadinoy any, fa dia fampitahorana zaza (saina) fotsiny eee...
23. calin.brandon ( 12/10/2016 05:06)
Rhaj0 >>>>>> " ny olona dia maty satria nihinana paoma, ho an'ny Kristiana; dia rahefa hanontaniana hoe, ny paoma koa ve maty satria nihinana paoma, dia ... hotry ny ho totofan-drizareo Kristiana toko aman'andininy eto fotsiny izao ny resaka, f'ianao ve hahazo valiny eo ".

Hihihihi. Ka izay indrindra anie no nilazako hoe aleo mandroso hevitra hafa e. Amin'izay tsy voatototra eo. Dépasser-na ilay resaka par méthode dialectique dia zavatra hafa amin'izay no hanazavana azy.
24. rhaj0 ( 12/10/2016 13:56)
Ka io azany ny "hevitra arosoko" raha ny @ Irafahafatesana eee :
"rahefa potika sy lO dia mizara karatra dia vita".

Ahoana kosa ny an'i Calin Brandon sy ny "méthode dialectique"-nao ao izany?
Iza no "nifanohitra" tao, ka nony "tsy nifanohitra" intsony, dia rava ny tsena??
25. endriny ( 18/10/2016 05:25)
O ry zareo a, raha tsy misy maty mihintsy izany dia ahoana ny tsingerin-tsakafo eto ambonin'ny tany?

Indray andro hono tonga tany amin'ny tany tsy misy fahafatesana I Kotondrangitamahafehiarivo zakan'i Bozinandriatsimatinitany. Rehefa tonga tany dia efa reraka sy refon'ny hanoanana. Nanontany ny tompotany ary hoe: "Noana aho leiretsy fa sao mba misy sakafo azo atao ody ambavafo a?". Dia hoy tompotany hoe: "Mandehana ry Njely andrasao fen'omby ny vahiny". Dia lasa I Njely naka ny omby, noroahiny teo akaikin'i Kotondrangitamahafehiarivo ny omby telo lehibe no sady nanontany izy hoe: "Iza amin'ireto omby vositra telo ireto no tian'ny mbahiny akana nofo-peny?".

Gaga I Kotondrangitamahafehiarivo, no sady nanontany tena hoe: "sakafo ataoko ody ambavafo ve no nanontaniako dia omby iray manontolo no entiny aty amiko?" Tsy nahateny izy tsy nahavolana fa nihaotra ny lohany. Fa nanontany ihany I Njely ka farany nibarara ihany ny anao lahy hoe: "Ataovy amin'io fotsy loha re Tompoko aza fady e."

"Tsara izany!" hoy I Njely "Fa ny fotopeny ambony sa ilay somary manakaiky ny ranjony no tena tian'i Mbahiny?", hoy ihany izy nanohy.
Vao maika talanjona I Kotondrangitamahafehiarivo: "inona daholo re izany fanontaniana izany e?" hoy izy nimonomonona irery, sady nitaraiky kely nilaza hoe: "Ataovy amin'ny eo antenatenapeny aza e.

Dia noraisin'i Njely ny antsy maranitra, mamirapiratra toa volafotsy rehefa avy nafatony sy nazerany tamin'ny tany ilay omby. Norasainy avy hatrany teo an-tenatenam-pen'ilay omby. Nibarareoka io, saingy tsy nijanona ny antsin'i Njely raha tsy nahaafaka hena sahabo iray vilany saba. Dia novahan'i Njely ny fatoran'ilay omby avy nakany hena, ary nalefany nandeha io. Dia nirifatra ohatran'ny nenjehin'ny fangaraka ilay omby fotsy loha.

Natono ho an'i Kotondrangitamahafehiarivo ny hena, ary dia voky ity farany. Rehefa vita ny fihinana dia andeha hanainga ny anao lahy, ka nanao ny fisaorana ny tompotanana. Ary dia iny nidina tsimoramora ny lalan-kely hamonjy ny renirano iray iampitana mody any aminy. Teny an-dalana anefa dia nifanehitra tamin'ny olona roa mifampitantana izy, ka ny iray mamitra tsy misy lohany, taitra ny lehilahy no sady vakinandositra no nihorakoraka hoe: "Vonjeo, vonjeo fa misy matoatoa tsy misy loha".

Fa hoy ilay misy lohany hoe: "E, e, e, miverina ianao e. Aza matahotra, fa namana ihany izahay, fa ity namako ity lanin'ny voay teo an-drenirano teo ny lohany raha nilomano iny izy. Ka tsy mahita lalana mody izy dia izay no itantanako azy"

Ohatran'ny mety kosa a
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1984