Les Monologues du Vagin

1. rhaj0 ( 31/08/2016 16:46)
(nakisako eto ity resaka ity, fa zava-dehibe loatrany..)

... mila mijery ilay fampisehoana (stand-up comedy) hoe "Monologue du Vagin" (daholo isika ry) namana.


Raha ny marina, na viavy na lahy dia tokony mba hijery an'io.

Dia eritrereto tsara ny eritreritry ny tsirairay ao, raha ny @ vagin, indrindra ny eritreritry ny vhv, nefa tsisy an-kiteny ao. Izao moa efa andron'ny fahalalahana sy transparency, ka dia atreho ny zava-misy eee...

Aza mba manaiky pempopempoin'ny fiaraha-monina na ny fivavahana/finoana raha ny miresaka ny ao @ vatan'olb. Tsisy tokony ahamenatra io.

Mety mba ho asiana hajany sy hasiny (@ izay angamba) izy io rahefa resahina transparent toa io.

Ary aoka ho'a hazava, fa tsy ny lhl ihany no tokony hanisy hajany sy hasiny ny vagin io, fa ny vhv tompony indrindrindra koa. Fa ny lhl kosa aloha dia tena mila mba mi-comprendre ny vhv.

novalian'i rhaj0 ny 08/02/2017 00:02
2. rhaj0 ( 01/09/2016 19:28)
@ teny gasy moa izany dia "fory" na "kindy" ilay "vagin".

Dia eritrereto anie @ fiaraha-monintsika. "Ompa" na hoe "teny ratsy" no ampiasaina ilay teny manondro ity taova.

FA DIA MANINONA LOATRA?????

Ohatra nefa izao
- ny anglisy hono, ny teny ampiasain'ny kilasy ambany dia lasa "teny ratsy", fa ny ampiasain'ny kilasy ambony no "tena izy". Ohatra: "shit" (ambany) sy "defecation" (ambony)
- ny Quebecquois indray, ny ompa ny azy dia mifandray @ resaka finoana/fivavahana katolika. Ohatra: "ostie" moa hotry ny hoe rehefa laginina, fa "crisse" (christ) no teny ratsy fara-tampony
3. rhaj0 ( 08/09/2016 13:22)
Fanamarihana ankapobeny: ny teny frantsay vagin no ho ampiasaiko fa siritsiriko fa misy sahirana mihaino ireo teny gasy, ka manjary manakorontana resaka fotsiny.

Nahita "monologue" iray aho. Dia hoe, maro (loatra) @ viavy hono no TSY nijery na dia in-1 mandeha akoriny azany, TSY nijery ny vagin-ny. Dia nisy ireo izay nohadinina, dia hoe, efa ho izy io 60 taona io vao nahasahy nijery.

ka dia mahalasa saina ho'a hoe, FA DIA MANINONA LOATRA???

Ohatra anefa izao, h@ volon-doha ka h@ hohon-tongotry ny viavy, dia karakarainy, jereny lava @ fitaratra ao na ampihaingoany @ kirarony ao. Fa maninona no toa hotry ny fadiana, na dia jerena fotsiny azany, fa maninona ilay vagin ???
4. rhaj0 ( 10/09/2016 14:46)
Dia rahefa mba nahasahy nijery ny vagin-ny hono izany ireto ramatoa, ny sasany efa ho 60 taona @ io, dia hoe, inona no ho lazaina azy...

Io hoe ee... eritrereto ao hoe ry viavy isany, hoe, inona no ho lazainareo @ vagin-nareo rahefa mba jerenareo ao izy? Ho tambatambazanareo sahala @ ireny pisokely ireny ve, sa ho lambolambonareo sahala @ ireny toutoune kely ireny, dia karakarainareo tsara ao, atao madio tsara, dia velombelominareo ao @ safosafo sy orokoroka ee... oops.. raha mahay yoga nareo eeee... :-)
5. rhaj0 ( 12/09/2016 01:14)
hi hi hi... lasa monologue-ko ilay "monologues du vagin". :-)

Fa tsy maninona izany, fa rahefa nandalo dia namaky ianareo dia efa zava-dehibe. Fa dia samia mamisavisa ao k'lou izany.
6. rhaj0 ( 17/09/2016 14:55)
Andron'ny mangarahara moa izao, ary dia nitantara ny fiainan'ny... vagin ireo viavy ...

1- t@ niarahany t@ ilay olon-tiany voalohany hono, dia tena efa niroso tsara iny ilay @ fanaovana azy; fa mbola vao oroka mamy hono no nahazo an-dramatoa dia ... vaky ny toha-drano : kay izy "femme-fontaine", ary nahery vaika ilay excitation.
Dia nefa indrisy ry tava-tsosisy, hozy ny fiteny gasy izay, fa TSY kOpy ny @ izany femme-fontaine izany hono Ilery, ary "rikoriko" teo izy, ary dia rava ny tsena.
Tsy vitan'ny rava ny tsena niaraka t@ Ilery, izay tena nahapotika azy tokoany (et reciproquement alohan'ny nahavaky ny toha-drano), fa tena potika ny fianan-tsex-dramatoa. Nahatsiaro ho "maharikoriko" azy koa ny tenany sy ny vagin-ny, ary dia ... vita teo. Indrisy.

2- mifampitantara eo ry viavy, dia maro mihintsy no tena TSY nahita, TSY tonga @ izany orgasme izany. TSY mahafantatra mihintsy hoe, toatoa ny ahoana izy izany. Fa ny an-dreo izany, dia hotry ny mi-servir ny hanome orgasme ho an-dralhl fotsiny ilay vagin-ndravhv, fa TSY mba mahita fafiny @ sex mihintsy ny vhv.

7. rhaj0 ( 20/09/2016 19:51)
Vao androany izao, dia hozy La Verité
45,2 % des femmes âgées d’entre 15 et 49 ans considèrent que « le mari a le droit de battre sa femme à cause (de) ... refuse des rapports sexuels ».

Dia tena tsy natao afa-tsy ny hi-servir ny lhl sy ny orgasme-ny mihintsy izany ny vagin-dravhv, fa raha tsy manao dia voadaroka. Ary ny loza dia na izy vhv azany dia mahita fa normal izany.

Lozabe anie izany eee...

Tena mila resahina ity rizareo f'aza manasitrika loha anaty fasika toa io aaa....

Io sahala @ ilay hoe, ampianaro mandihy valse sy cha-cha-cha ny ankizilahy, fa rahefa mandray sy mifanakaiky @ vhv sy ny vatam-behivavy izy, ka mampandihy sy mampirevy azy am-panajana (satria imasom-bahoaka) izy, dia hanaja ny vhv sy ny vatany koa izy aoriana, rahefa any am-pandriana.

Koa raha ho resahintsika eto "am-p(if)anajana" ny vagin, dia ... mety mba hisy fanantenana ihany va re rey olona aaa ???? Io moa fa efa andron'ny interinety izao eee.. efa 2016 eee....
8. rhaj0 ( 22/09/2016 12:32)
Ity resaka vagin ity anie ka tena betsaka ny itsampanany eee... diniho kely anie ny mila dinihina eeee...

1- ny fandraisan'ny fiaraha-monina/kolotora ny vagin; ohatra ny antsika izany dia "ompa' ilay izy

2- ny fandraisan'ny viavy ny vagin-ny: ohatra io ambony io, tsy (sahiny) jerena akoriny

3- ny vagin sy ny sex @ ankapobeny koa ee... ny droit de cuissage, na koa ity manana zo ny handaroka ny bandy rahefa tsy mety manao ny vadiny ity

4- ny vagin sy ny orgasm: ohatra ny vokatr'izay eo @ fifandraisan'ny mpivady, miitatra @ toka-trano sy fiaraha-monina

5- ny vagin sy ny ovulation/periode: ohatra ny fiantraikan'ity hormone miovaova ity

6- ny vagin sy ny menopause ho an'ny zokinjokiny, sy ny fiantraikan'izany @ izay zava-misy ao (mbola hormone miovaova ihany koa io)

7- ny vagin sy ny viol, na ny "culture du viol"; izay indray mantsy izao no mivoitra t@ fidiran'ny mpianatra teo, fa hoe dia misy eraky ny Oniversitia

8- ny vagin sy ny ... clitoris.. ny resaka excision

9- ny vagin sy ny finoana/fivavahana...

10- ...


Resaka lalina daholo ireo.. Nefa dia toa TSISY resaka mihintsy.. Tsisy koa moa ny kilasy any am-pianarana, hoe cours sur le vagin..

Ka aiza ianareo vehivavy eto @ serasera eto eeee..... Dia TSY resahina mihintsy ve ireo, ary dia hihihan'ny tsakaokany eny foana ny zandrikelinareo ao ee ?????? ianareo @ io miaritra trefle ao foana eee... lelafin'ny saka re ny faladianareo ee...

9. rhaj0 ( 28/09/2016 20:12)
5- ny vagin sy ny ovulation/periode: ohatra ny fiantraikan'ity hormone miovaova ity

Raha ity no raisina, dia ... ilay hormone miovaova hono ka misy fiantraikany @ vatana sy fo aman-tsaina rahefa tonga fotoanany. Io ilay hoe Premenstrual syndrome (PMS).

Premenstrual syndrome (PMS) refers to physical and emotional symptoms that occur in the one to two weeks before a woman's period.

Ary dia misy milaza fa

1- (mety) miova ny herim-batana; nisy mpanao tennis tena nibaradaka ny @ io (i Venus Williams ve izy iny, tsy tsaroako), fa mbola (minia) nanampi-maso daholo ny rehetra, fa "tsy fiteny" hono izany. Ny elite aloha dia mihinana pilule mihintsy (hono), mba tsy ho korontanin'ilay fiovaovan'ny hormone ny herim-batany

2- (mety) lasa kirintondritona ohatra ravehivavy, ka mety ho tezitezitra ao an-tokatrano ao. Ary raha direktera jeneraly ohatra izany izy, dia ao ny miahiahy fa mety lasa giravy ny fanapahan-kevitra ao. Ny lehilahy mpanambany vehivavy k'lou dia kinga be mihintsy manipika an'izany.

Misy firenena (i Japan angamba izy teo, tsy tsaroako, raha tsy rizareo scandinave indray) mikasa ny hanome conzé rahefa tonga fotoana ny vehivavy.


Ka zava-misy io, ka dia mila atrehina dia resahina eee... ahoana hozy nareo vehivavy eto @ serasera eto???


Raha izaho manokana aloha, raha ny hevitro, dia mi-compr aho, fa dia manohana anareo viavy mandrakariva eee... TSY olana ny (fiantraikan'ny) fiovaovan'ny fo/vatana/saina anareo ao, fa izahay lehilahy koa angaha moa parfait sy constant?

Ohatra nalaza izao hono dia hoe, raha tsy narary noteren'ny kirarony ny tongotr'ilay prezida amerikana (Woodrow Wilson izy teo), dia nety hafa ny fivadiky ny tantara taorian'ny WW1
10. rhaj0 ( 04/10/2016 22:46)
9- ny vagin sy ny finoana/fivavahana...

RAha ity indray no raisina dia... ny marimarina kokoa, ny Vehivavy sy ny Finoana/Fivavahana ilay resaka dia...

Efa noresahina tatsy ihany, fa inty izao no teny mivantana, isan'ny voalohany, napetraky ny Andrmntra (kristiana/jiosy) ho an'ny vehivavy, ao @ Genesisy :

Genesisy 3:16 Ary hoy koa Izy tamin-dravehivavy: Hahabe dia hahabe ny fahorianao Aho, indrindra fa raha manan-anaka hianao; ary fahoriana no hiterahanao zanaka;


Henjana anie izany ee... Raha "mino" an'io ianao vehivavy izany, dia ahoana?
- ho tezitra fa satria, dia maninona kosany no dia io "fahoriana" io no ifandovana mandra-maty?
- ho tezitra, satria, naninona ny lehilahy tsy mba nasaina nilanja "fahoriana" ifandovany ao koa? fa maninona no "miangatra" ilay Mpamorona?
- dia hionona fa ho "fahoriana" foana izany no ho hatrehina, ary ny hadisoana dia an'i Eva (fa TSY an'ilay Mpamorona)?
- ... ??


Dia soa kosa aloha fa efa mandroso izao ny fitsaboana, fa dia asaivo tsindromina ity peridurale ity rahefa miteraka, fa TSISY fahoriana intsony eo, ary dia ho HASAMBARANA ilay manan'anaka, h@ namboarana azy ka h@ ny hitaizana azy...
11. rhaj0 ( 12/10/2016 11:14)
6- ny vagin sy ny menopause ho an'ny zokinjokiny, sy ny fiantraikan'izany @ izay zava-misy ao (mbola hormone miovaova ihany koa io)

ity indray dia toa ilay #5 (viavy sy ny ovulation/period) ihany, ka rahefa misaritaka ny hormones ao dia... misaritaka kely koa ny fi(s)ainana eee... Io moa no manjo ny zokinjokiny; mety tsisy zokinjokiny ianareo eto, fa jereo ireo zoky na RaR na i nenitoa, na ireo boss-nareo ao eee..

Izaho nahita ity lalao an-tsehatra iray ity, fa tena tapaka tanteraka ny tsinaiko, nefa koa, tena izay vao azoko, ary tena mi-compr, ary tena manaja ary tena miombo-po sy saina anareo viavy aho.

Menopause, The Musical




Ao @ io lalao an-tsehatra io, dia hita mazavabe, fa misy "manahirana".. satria izany ny fiainana (manahirana). Fa saingy indrisy, ary izay foana ilay izy, indrisy fa TSISY ankiteniteny fa samy miaritra irery any daholo raviavy isany. Dia rahefa mivoaka ny resaka eo @ ilay lalao an-tsehatra, izay vao mifampijery zareo, dia hoe, kay samy voany tao daholo.

Ka io ho'a ry anabavy isany... ndao resahina dia atrehina ny zava-misy, mangarahara eee...
12. rhaj0 ( 12/10/2016 17:04)
7- ny vagin sy ny viol, na ny "culture du viol"

Asa raha manaraka ny fampielezan-kevitra @ fifidianana ao Zamerika ianareo, fa dia io mihahaka io ny hadalan'i Trump.. Ilay resakany izay voatahiry .. hoe : "ho pendasiny @ fivaviany" hono ilay ramatoakely. Dia hoe, "avelany manao izany" hono izy, "satria izy olo-malaza" @ tanana.

Izany ilay rangahy (Trump) efa 59 taona no nanao io vava io, ary izao maha-70 taona azy ao io, dia hirotsaka ho prezidan'i Etazonia.

Dia ny ala-siriky nedala, dia hoe, resaka privé io, resaka any @ vestaire..

Fa tezitra h@ mpanao baolina hoe, TSY miresaka hotr'izany zahay any @ vestiaire. Boaikely 14 taona angambany, sady mbola tsipihina ihany, angambany no mety ahavita resaka toa izany.


Fa dia io mihahaka io ny fijery na fandraisan'ny lehilahy sasany ny @ viavy, sy ny fivaviany (sy ny vagin-ny izany eeee).


Dia io ho'a azany, any Zamerika, fa mainka fa any amintsika ???

Misy mahalala ny droit de cuissage tao @ CSR fony androny ve ianareo?? na koa ny eraky ny U, rahefa ny taux mi-passe exam any @ 5% t@ izany?? Ny dokotera sy pasitera/mopera (sasany) rehetra any ??? droit de cuissage??? Na koa, ny nataon-dry mpanao coup d'état?? Iza ilay ministra, ny zava-bitany, dia ny nanafatra ny sipa-n'ny moulin rouge, ary azo sary mibanjina mafy ny vagin-n'ireto sipa vazaha i lery?? I Augustin moa izy teo??
13. rhaj0 ( 27/10/2016 19:38)
Ka rahefa tena negativa foana ny fijerena ny vagin, dia mitrifana ny ankizy ankehitrio..

Inty ny resaka ataon'ny Pussy Riot an-kira



Pussy Riot dia mpihira rosiana.. ilay naniratsira an'i Putin, ka dia nogadrainy.

Fa mamely an'i Trump, ilay billionaire amerikana milatsaka ho prezida io, koa zareo eto. Koa raha ilehio moa nilaza fa ny fanaony dia ni-mi "grab her by the pussy", ka dia io vita hira io koa izany eeee...

14. rhaj0 ( 08/02/2017 00:02)
Dia miteny irery tokoany ny vagin izany rahefa tonga ny fotoanany... giravy anie izany ry anabavy sy rahalahy isany eee...

http://www.france24.com/en/20170207
In Madagascar, menstruation is considered a shameful and dirty subject, leaving millions of women unaware of what is happening to them, or how to manage their periods efficiently and hygienically.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.2981