Testamenta vaovao/Testamenta taloha

41. tealala ( 19/08/2016 07:59)
io rohy hitanao io dia ity misy rohy hitako http://antikforever.com/Syrie-Palestine/Hebreux-Israel-Juda/sichem_hebron.htm
42. tealala ( 19/08/2016 08:22)
hekenao ve ilay zavatra nolazaiko, i Jakoba no nividy tany Sikema fa tsy Abrahama, ny ao am Asan'ny apostoly to i Abrahama no lazainy fa nividy tao angamba.
43. tealala ( 19/08/2016 08:24)

tealala:

io rohy hitanao io dia ity misy rohy hitako http://antikforever.com/Syrie-Palestine/Hebreux-Israel-Juda/sichem_hebron.htm

Hitanao ve halavitr'ireo tany 2 lazainy ireo?
44. RBNIR ( 19/08/2016 08:38)
Misy zavatra tahakan'izao ao anaty baiboly ao....« Dia niantso mafy ralehilahy ka nanao hoe: Ry Jesosy, Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko. » (Lioka 18:38)


Jesosy v zanak'i Davida marina????

IZAY VOASORATRA DIA VOASORATRA......IZY AZA MANAIKY!!!

finoana io ry tealala a!!! variana amin'ny zavatra tsy misy dikany ianao nefa rehefa zohina marina ihany ilay izy satria taranaka = zanaka sns......
45. tealala ( 19/08/2016 08:43)
hahahaha!!!Varina ve sa ny bokinao no misy diso azo tsikeraina... (finoana io ry tealala a!!!) sao dia mba finoanoam-poana?
Zanak'i Davida marina ve i Jesosy?
Mapanontany tena tokoa ilay généalogie ao amin'ny Matio (izay mbola misy diso koa mo izany ny filaharany)..fa ny fanontaniana manaraka dia izao : Nilaina ve ilay izy hoe hatreo amin'i Josefa anefa i Jesosy dia zanaka natsangany? Ary ny Messia dia miara manaiky isika fa avy amin'y ray fa tsy avy amin'ny reny.
46. tealala ( 19/08/2016 08:46)
Fa ny tsy azoko dia izao no lazainao fa varina amin'ny tsy misy dikany anefa ny boky izay torinao eraky ny vazan'tany no misy diso izay tsy zakanao ny mahita azy.. Iza no varina amin'izany?
47. tealala ( 19/08/2016 08:51)
"Misy zavatra tahakan'izao ao anaty baiboly ao....« Dia niantso mafy ralehilahy ka nanao hoe: Ry Jesosy, Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko. » (Lioka 18:38)" Ao anatin'ilay baiboly misy diso io..(Lioka toa tsy jiosy ko raha tsy diso aho?)
Ny anao izany ny finoana dia na diso aza dia hinoana foana e?
Mbola misy diso iray manko mbola tsy nolazaiko teo fa vao io aloha resaka Hebron sy sikema sy Makpela io no hitako..
48. RBNIR ( 19/08/2016 08:57)
tsy diso fa ianao no tsy mahatakatra sy tsy mahafantatra.........

Misy ange mamaky an'io fa zavatra hafa no hitany na fa tsy ilay tena marina e!!! dia otran'izany ary ny olona manana saina tahaka ny fariseo sy ny mpanoradalana (tsy tia an'i Jesosy) dia tsy hahafantatra mihitsy na dia hiaritra eo aza...
49. tealala ( 19/08/2016 09:04)
Eny ary ko, izay izany ilay fahasamihafan'ny "croire et savoir", fa ny anao izany dia raha teraka tao Befelatanana dia any anaty kopi lava misoratra hoe tao @ HJRA dia misy zavatra tsy takatra ao fa mety io..
Dia ny fanontaniana anontaniko anareo sy Imano dia izao, i Jesosy hoy ianareo dia Andriamanitra ihany.. "Jesosy izany, Izy ilay Ankehitriny sy Taloha ary Mandrakizay (Alfa, Jesosy, Omega)" hoy Imano
I RBNIR kosa efa nitatitra tamiko fa mitovy amin'izay ihany ilay resany
ka izao ary : « Dia niantso mafy ralehilahy ka nanao hoe: Ry Jesosy, Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko. » (Lioka 18:38).
Izany hoe Andriamanitra izany dia zanak'i Davida? Aminareo?
50. tealala ( 19/08/2016 09:10)
Dia mba hiangaviko hoe Eny na tsia ilay valinteny raha azo atao.. dia ilay tsy nifanatraka tao anatin'ilay TT sy TV teo aloha koa hoe mba hazavao raha hainao ny manazava azy.
51. tealala ( 19/08/2016 10:09)
Afaka miheritreritra tsara vao mamaly a, dia arosoko indray ny fanontaniko manaraka avy eo.
52. RBNIR ( 19/08/2016 10:12)
Izao no nolazain'i Jesosy ireo rehetra "TIA AZY"....

« Ary namaly Izy ka nanao taminy hoe: Satria ianareo no navela* hahalala ny zava-miafina ny amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa ireny kosa tsy mba navela**. [* Gr. nomena] [** Gr. nomena] » (Matio 13:11)

Inona moa no azoko atao aminao ry tealala fa mieritrereta a!!!
53. tealala ( 19/08/2016 10:33)
ny andriamanitrareo izany toa hafahafa anie ry RBNIR e, tsy tapa-kevitra mihitsy sady misy fanadinoana rehefa miteny..
"hahalala ny zava-miafina ny amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa ireny kosa tsy mba navela"
ny zava miafina fantatro izao dia i Pasitera Herinirina rehefa miresaka amin'i Jesosy dia miafina fa tsy mba eo anatrehanareo izy no miresaka..Tsy mitovy amin'i Moizy teny amin'ny tendrombohitr'i Sinay.
Fa ianao hoy aho rehefa anontaniana dia miala bala kely manipy amina resaka toko sy andininy anefa efa misy asehoko anao hiaraha mahita fa misy diso ireo omenao ahy ireo..
Ty hoe valina mazava : Andriamanitra izany dia zanak'i Davida aminareo?
54. tealala ( 19/08/2016 10:40)
Ity izao dia zavatra nolazain'i Jesosy : Marka 11; 12Nony ampitso, raha niala tany Betania izy, dia noana, 13ary nahatazan-davitra aviavy iray mandravina izy, dia nankao hizaha raha sendra misy voany; fa nony mby teo izy, dia tsy nahita na inona na inona afa-tsy ravina, satria tsy taom-pamoazan'ny aviavy tamin'izay. 14Dia hoy izy tamin'ny aviavy: Aoka tsy hisy olona hihinana voa aminao intsony mandrakizay; ary ren'ny mpianany izany.

21Dia nahatsiahy Piera ka nanao taminy hoe: Raby ô, he! maina ilay aviavy nozoninao.

Mba diniho anie io e, andriamanitra mety noana, tsy mahita avy alavitra, ary tsy mahalala taom-pamoazan'ny aviavy dia avy eo manozona..
Tena raha tahak'izany ilay andriamanitra dia tena very tsika a
55. tealala ( 19/08/2016 11:40)
Ty misy fanontaniana iray koa sao dia mba azonao anontaniana rahampitso ry RBNIR a
TT : Jenezy 46 ; 27Ny zanak'i Josefa izay naterany tany Ejipta dia roa lahy. Ary ny tontalin'ny ankohonan'i Jakoba rehetra tonga tany Ejipta dia fito-polo.
TV : Asan'ny Apostoly 7 ; 14Tamin'izay Josefa dia nampaka an'i Jakoba rainy, mbamin'ny mpianakaviny rehetra izay nisy olona dimy amby fito-polo.

Dia misy zava-miafina ihany ve amin'izao ry RBNIR izay tsy takatray? Sa rehefa mino dia marina foana io?
56. rhaj0 ( 19/08/2016 11:53)
tealala:
andriamanitra (...) tsy mahalala (...) dia avy eo manozona

Misaotra Tealala :-)

Ireo "didy" sy "fombafomba", ary ny sasany azany lasa "ozonozona", izay nofariparitan'i Andrmntra ao (anaty Baiboly/Torah) izany dia mifototra @ "TSY-FAHALALANA".

Heverovereto foana ho'a hoe, toatoa ny ahoana ny "fahalalana" (niveau de connaissance) t@ izany fotoan'androny izany.

1- TSY fantatra akory fa ny boribory ny Tany; ny masoandro amam-bolana io toa ny punaises mipetaka @ toile-n'ny Lanitra hono

2- ny any ambadiky ny fara-vodilanitra, rahefa mirehhitra menamenabe iny ny masoandro, dia tena "helo"; ny ao ambany tany, sahala @ volcano miredareda io, dia "helo" koa

3- TSY fantatra akory fa misy olona any Amazonie (sy Mada); ireo Tribus vitsivitsy eraky Moyen-Orient no atao hoe "firenena rehetra".

4- TSY fantatra akory izay fandehan'ny "ao ambony ao"; ny "kintana mety hiraraka" (toa ny voanjobory) hono; ary ilay Jupiter sy Regulus lazaina fa "mpitari-dalana"

5- dia eto azany, dia sirika be fa TSY fantatra akoriny ny "taom-pamoazan'ny aviavy"

6- TSY lazaina intsony ilay "TSY fahafantarana" ny natiora na koa ny sekisoalitian'ny olb, fa izay "kely fantatra" (ignorance) tao no ifotoran'izao "didy" sy "fombafomba", ary "ozonozona" napetraka an-tsoratra (dia voasoratra) tao anaty Baiboly/Torah izao

57. tealala ( 19/08/2016 12:21)
Fa i rhajo izany nianatra Torah? nianatra Talmud? mahay ny anton'ny zavatra rehetra ao anatin'io boky io hoe matoa ity voasoratra dia izao no antony.. Hianaro dia vakio ilay Torah, dia mianara ko Talmud dia tongava eto maneho hevitra avy eo dia rehefa tonga amin'ny tena avo be ny fahaizanao hanoherana an ireo dia teneno amiko daholo ny secret rehetra ao hoe izao no antony tsy tokony hinoana an Andriamanitra dia miara mihomehy isika dia miteny aho hoe za dia nino an izany taloha, fa izao manko ny zavatra tsy hinonao tsy fantatrao akory fa tonga dia boribory be hoe tsy misy.
58. rhaj0 ( 19/08/2016 12:29)
Ny tantaran'i Madame Eve ao @ Torah anie ohatra ka dia mitovitovy amin'ny ao @ Baiboly ee... mifototra amina TSY-FAHALALANA.

Sa (ivereno) tantarao, fintino 1 paragrafy hoe ny tantaran'i Madame Eva.. paragirafy iray fotsiny e... @ teny gasy dia aza atao lavabe.


59. stahtam ( 19/08/2016 12:37)

[quote=tealala]
Fa i rhajo izany nianatra Torah? nianatra Talmud? mahay ny anton'ny zavatra rehetra ao anatin'io boky io hoe matoa ity voasoratra dia izao no antony.. Hianaro dia vakio ilay Torah, dia mianara ko Talmud dia tongava eto maneho hevitra avy eo dia rehefa tonga amin'ny tena avo be ny fahaizanao hanoherana an ireo dia teneno amiko daholo ny secret rehetra ao hoe izao no antony tsy tokony hinoana an Andriamanitra dia miara mihomehy isika dia miteny aho hoe za dia nino an izany taloha, fa izao manko ny zavatra tsy hinonao tsy fantatrao akory fa tonga dia boribory be hoe tsy misy.
[quote=stahtam]
Asa raha hitanao teto fa efa nanontany ingahirainy hoe maninona hono ny Jiosy no tsy mihinana voaloboka vokarin'ny olon-kafa tsy Jiosy, izany hoe ilay face visuelle angamba no hitany fa ny fandehany ao anatiny ao mbola hi-googler-ny fa mbola "in progress" hono izy e.
60. tealala ( 19/08/2016 12:44)
rhaj0:

Ny tantaran'i Madame Eve ao @ Torah anie ohatra ka dia mitovitovy amin'ny ao @ Baiboly ee... mifototra amina TSY-FAHALALANA.

Sa (ivereno) tantarao, fintino 1 paragrafy hoe ny tantaran'i Madame Eva.. paragirafy iray fotsiny e... @ teny gasy dia aza atao lavabe.

Hitanao, ianao izany manontany dia aty amin'ny olona tsy nianatra an ilay izy ianao no manontany, mihevitra angamba ianao fa rabi ny tenako, fa hoy aho mandehana amina rabi orthodoxe dia anontanio mivantana izy dia avy eo ianao mandefa kritika aty amiko hoe zao ry tealala no valiny azoko tatsy ka ianao no te hinohino foana eo dia miara mihomehy isika avy eo. Amin'izay koa isika manana echange hoe izao no diso amin'io Torah hifikiranao io ry Tealala, dia mihaino anao aho dia rehefa hitako fa mety ny zavatra lazainao dia raisiko.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1625