Ny Anjely nidina avy any an-danitra

1. rhaj0 ( 03/05/2016 16:14)
Nahita Anjely nidiina avy any an-danitra hono ho'a ity renim-pianakaviana tany Indonezia ity..
http://www.lapresse.ca/actualites/insolite/201605/03/01-4977527-une-poupee-gonflable-prise-pour-un-ange-tombe-du-ciel.php

ka ny ampitson'ny eklipsan'ny masoandro no tafapetraka tamoron-dranomasina ity Anjely. Ary dia nampiankajoan-dramatoa ny Anjely, ary dia nivavahan'ny vohitrakely tao. Ka tao @ vohitrakely tsisy interinety, ka dia ... eehhh sambatra doria zareo tao izany fa arovan'ny Anjely eee... :-)
novalian'i rhaj0 ny 09/05/2016 18:30
2. vaotonga ( 04/05/2016 02:25)
Slt ianao, tsy haiko mihintsy izay iresahanao ny mikasika ny zavatra momba ny finoana rehefa tsy mino ianao. Izaho manaja anao amin'ny maha"atheiste" anao, ary tokony hanao an'izany koa ianao @ olona mpino an'A/tra na ny zavatra mikasika ny finoana. Fa ny zavatra tsapako aminao dia toa hoatra ny fankahalana no mameno ny fonao. Ka ny fankahalana ny mpiara-belona tsy dia mitondra mankaiza loatra sady tsy hampiova ny olona hanaraka anao raha ny tsy fisian'Atra no maharesy lahatra anao ary tianao hitariahana ny olona hanaraka ny dianao. Izaho manokana dia mino an'Atra aho ary maniry ny olona hino an'Atra. Izay fa mahereza. Samia manamasina ny azy. Izahay manamasina ny Andriamanitray, ianao manamasina ny faharanintan-tsainao sy ny "sciences"nao.
3. RBNIR ( 04/05/2016 07:02)
Fanamarihana efa napetraka tamin'i rhajo io namana vao tonga!

Ngamba efa manomboka mirodana ilay fiarovana mafy niaro ny tsy finoany tao matoa efa manomboka manadihady lalina izy ankehitriny....


Mahery ny fiadiana nomen'Andriamanitra...


Tsy maninona isika vonona hatrany hamaly araka ny voasoratra hoe!

« fa manamasìna an i'Kristy ho Tompo ao am-ponareo (Isa. 8.12, 13); ary aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly izay manontany anareo ny amin'ny anton'ny fanantenana ao anatinareo, nefa amin'ny fahalemem-panahy sy ny fanajana, » (1 Pet.3:15)
4. rhaj0 ( 04/05/2016 10:55)
Vao tonga teto @ serasera marina angamba i Vaotonga, fa tsy ianao no voalohany manamarika io lazainao io. Ka dia averiko ho valiana azany..

vaotonga:
Slt ianao, tsy haiko mihintsy izay iresahanao ny mikasika ny zavatra momba ny finoana rehefa tsy mino ianao.

1- toa hotry ny hoe, inona ny iresahana baolina, rahefa tsy manao baolina; maninona maka an'i Bresil nefa tsy Breziliana
2- na hoe, inona no iresahan'i Mopera fitaizana sy fanambadiana, nefa izy azany tsy manana vady aman-janaka (sa moa manana ihany izy fa tsy ofisialy)
3- miresaka "TSY-finoana" ao @ lohahevitra "Finoana" angaha moa izany tsy azo atao koa?
4- ary 'ngo dia heverinao fa any am-piangonana kosany azany ny eto eeee...
5- Sa moa io ilay mody manontany, nefa ny ao ambadiky ny saina(o) ao, dia ny hampangiana (ahy)?
6- fa rahefa "tsy hainao" azany re ry Vaotonga, dia tohizo vakiana ary aza miala eto fa mety ho "hainao" ihany farany eee...


vaotonga:
Izaho manaja anao amin'ny maha"atheiste" anao, ary tokony hanao an'izany koa ianao @ olona mpino an'A/tra na ny zavatra mikasika ny finoana.

1- Asa aloha hoe inona no tianao tenenina @ hoe "manaja".
2- Fa raha samy politisiana samy manana ny maha-"politisiana" azy izany no "mifanaja", dia mba ahoana araka ny fiheverinao azy azany ny fifandraisana/fifanakalozana/adi-hevitra misy @ izy roaroa ireo ee ?? hiresaka sa tsy hiresaka ???

vaotonga:
Fa ny zavatra tsapako aminao dia toa hoatra ny fankahalana no mameno ny fonao.

Asa raha takatrao fa misy koa ny hoe "fankahalana ny habadoana", "fankahalana ny fanambakana ny marefo/malemy", ets...

vaotonga:
Ka ny fankahalana ny mpiara-belona tsy dia mitondra mankaiza loatra sady tsy hampiova ny olona hanaraka anao raha ny tsy fisian'Atra no maharesy lahatra anao ary tianao hitariahana ny olona hanaraka ny dianao.

1- Tetitetezo ihany re ny resaka eto, fa mety hivanitika miaraka amiko ihany ianao rahefa manatsikafona ny atao na inoan'ny Kristiana eto aho. Tsy "fankahalana" ny "fivanitihana", fa matetika azany dia tena mitsetra mihintsy aho, ary te-hanampy mafy anareo hiala @ habadoana na fanambakana mahazo anareo ao.
2- Fa io moa tsisy an-tery, ary efa averimberiko foana ihany, rahefa avy mivanitika aho, fa dia "mahasoava amin'azy" ao ho'a izany eee.. Izaho anie TSY toa anareo mpanao guerre de religion sy ny "tafika masina" sy ny fanitrikitrihana mitory sy mi-imposer ny finoanareo @ marefo/malemy ee...

vaotonga:
Izaho manokana dia mino an'Atra aho ary maniry ny olona hino an'Atra. Izay fa mahereza. Samia manamasina ny azy. Izahay manamasina ny Andriamanitray, ianao manamasina ny faharanintan-tsainao sy ny "sciences"nao.

Dia "mahasoava amin'azy| ao azany ee.. Fa aza hadino fa, ny soatoavin'ny taona 2000, dia hoe...

Bien sûr qu'on peut se moquer des religions

5. vaotonga ( 04/05/2016 15:19)
Mino ary sahy miantoka mihintsy aho fa ianao io alohan'ny nandehananao nakany @n'izay tany nandehananao tany dia olona nanana ny finoanao na ny marimarina kokoa dia olona nino ny fisian'A/tra fa noho ny rehefa tonga tany dia miambo ho manam-pahaizana sy mahafantatra ny zavatra rehetra satria nianatra "sciences" hono. " Tapany ny fahalalanao ka rehefa tonga ny erany foana ny tapany". Io ilay A/tra lavinao.
Mikasika ny resaka "mompera" sy ny zavatra hiatanao ao @ finoana, tsy misy tsy mahalala an'izany ny olona eto ambony ny tany afa tsy hoe ny any Ambanivohitra be tsy tonga n'inona n'inona any angamba. Ka izao "aza miseho ho Katolika alohan'ny Papa", ny tiako ho teneninna amin'io dia izao: ny "atheiste" aza mahalala ka maika fa ny ao anatiny indray ve. Ka aza miresaka finoana intsony fa zavatra hafa indray resahana @ manaraka. Toka-tranonay ny Finoana ka avelao ho anay ny anay, aza miditra @ toka-tranon'olona, ny toka-tranonao "atheiste" ateveno tsara raha misy olona marivo salosana mety ho sasan-doha mikasika an'izany. Mahereza hatrany!
6. rhaj0 ( 04/05/2016 18:12)
vaotonga:
Mino ary sahy miantoka mihintsy aho fa ianao io alohan'ny nandehananao nakany @n'izay tany nandehananao tany dia olona nanana ny finoanao

hi hi hi... dia mbola diso hatrany ny "finoanao" re ry Vaotonga aaa.. ka dia ambany izany "antoka" napetrakao izany :-)

Talohan'ny nandehanako aty Canada, dia efa atheista aho. Araka ny notantaraiko t@ namana teto, dia efa tany @ EPP aho no TSY nino intsony, na ny marimarina koakoa, TSY NINO MIHINTSY aho, satria t@ mbola kely, dia revirevy fantaisie fotsiny ho'a izany Andrmntra izany, ka nain kely miankanjo fotsy, ary misidisidina eny @ plafond-mpiangonana no imaginer-ko izany Andmntra izany.

Ka dia ivereno ny tombatombanao @ izany hoe, izaho dia "olona nanana ny finoanao" izany eee....

vaotonga:
.. aza miresaka finoana intsony fa zavatra hafa indray resahana @ manaraka

he he.. efa miresaka zavatra hafa aho any @ Politika sy Resa-behivavy ohatra eee... (na dia bandy tsy manao politika azany)

Fa ny eto k'lou dia iverenako foana, ary dia harary fo @ izany ao ianao, f'efa hoe ny soatoavin'ny taona 2000, dia hoe...
Bien sûr qu'on peut se moquer des religions

vaotonga:
Toka-tranonay ny Finoana ka avelao ho anay ny anay

Ny (tena) "toka-tranonao" kosa k'lou dia tsy idirako; "mahasoava amin'azy" ao ho'a.

Fa rahefa hitako ny (f)inoanareo, na koa ny ataonareo mpino, fa
- manambaka ny ankizy, na koa ny marefo sy ny malemy, na koa
- manimba ny fi(s)ainan'ny mpiara-monina, na koa
- mitaratra habadoana
dia tsy maintsy miteny aho raha mbola afaky ny miteny ee...

Ka sady mampivanitika koa moa ilay izy matetika, ka dia... hi hi hi.. aza ganga ary aza tezitra raha iverenako matetika eto eee.. :-)
7. vaotonga ( 05/05/2016 01:21)
Slt ianao, izaho tsy marary fo @n'izay zavatra resahanao mikasika ny finoanay, anao aza mba sahy kosa mitsofoka @ raharaha toka-tranon'olona, sahy mitsofoka @ kilaoty tery e. Raha hitanao fa misy zavatra tsy mety ao @ Religion na ny Fiaraha-monina satria manao an'izato manao an'izaroa, maninona raha ny fiainanao halamina tsara aloha satria hitako fa tsy milamin-tsaina ianao dia finaritra mahita sombim-bozaka eo @ mason'ny hafa fa tsy mahita sombim-bozaka eo @ masonao.
Ary raha ny tsy finoana an'A/tra no mazava lazainao fa hoentin'ny taona arivo fahatelo, dia tena latsaka anaty lavaka lalina mangitsokitsoka ianao. Mba mihaino TV PLUS koa aho aty an-tany lavitra misy ahy aty, ary nisy olona niteny toy izao tao @ don-dresaka: "rehefa mandeha be ny resaka, ka resahan'olona maro" dia marina izy izay. Ny tiako hambara dia izao: Ankoatra ny Kristianina dia mbola ao koa ny Buddhiste, ny Islam, sy ny sisa maro hafa, samy mino an'A/tra ireo na dia samihafa aza ny fotom-pampianarana, ka raha atambatra ny isan'izay mino an'A/tra dia efa amina "milliard" maromaro, ka lazaivo fa mpandainga, mpisoloky, mpanarararotra......daholo ireo olona ireo. Ka ianao malaza sy mihambo ho manam-pahaizana io dia mba jereo ihany ny Baiboly na Coran na boky masina ampiasain'ireo mpino hafa, na mba jerenao sy mba hovakianao ho toy ny "roman" fotsiny aza. Izaho tsy hisintona anao hirotsaka ho mpino fa mba hamporisika anao hanana fahalanana bebe kokoa, dia ho hitanao ao: na ny fivavahana no "rongony mampatory" na ny olona ao aminy no tsy tonga lafatra hoatra ny olona rehetra aby io ka mila "evolution" makamin'ny tsara taritina sy tarafin'ny hazavan'ny "filazan-tsara" na ny "evanjely" na ny "Coran"....Mirary soa.
8. rhaj0 ( 05/05/2016 11:17)
vaotonga:
Toka-tranonay ny Finoana ka avelao ho anay ny anay

Io izany mety @ ilay hoe, niray t@ Mopera Ivadinao, f'izany hoe, hoz'i Vaotonga hoe, "tokatranay TSY ahahaka" an... Raha sitrapom-badinao moa iny maninona. Fa raha ny zanakao indray no nasian'i Mopera ohatra, dia ngo dia mihevitra ianao fa mbola "lamba maloto"-nao, na ny Leglizy, na ny Finoanao fotsiny io... Efa crime izany ry Vaotonga fa tsisy "avelao ho anay ny anay" izany intsony aaa... Ary tsy maintsy miteny izay mahita.

Mba efa mba takatrao @ izay ve ny soatoavin'ny taona 2016, transparence, redevabilité, global village ... Fa tsy hoe, agoboka ao (@ vohitrakely ao) foana, dia hoe "avelao ny anay ho anay"..

vaotonga:
... hitako fa tsy milamin-tsaina ianao dia finaritra mahita sombim-bozaka eo @ mason'ny hafa fa tsy mahita sombim-bozaka eo @ masonao.

hi hi hi... eritrereto tsara ity tsipika roa eto ambany ity ry Vaotonga. Dia mba ivereno kely eto (fa ngo dia hodiana fanina ao fotsiny)

1- ny olona (mpivavaka) mipapapapa sy manipy tanana any an-danitra, dia miankohoka sady manitrikitrika ity Boky, olona toa izany ve no "milamin-tsaina", sa...

2- ny olona (Mandela) efa antitra mararibe iny, dia hoz'izy hoe: "useless" izany mivavaka izany, fa ameo fanafody aho.. Na (Einstein) hoe, "childish" izany Fivavahana/Finoana izany...

vaotonga:
ny isan'izay mino an'A/tra dia efa amina "milliard" maromaro

Fony samy nihidy tao @ vohitrakely anie, ka 100% dia mino an'izao antsanga tsy aman'orana rehetra izao eee... (inclus Andrmntra).

Ny "fivoatran'ny salanisa", arahina @ fijerevana ny echelle des temps, ireo mba halalinina ry Vaotonga a... Mandehana manao devoara sy mi-google, fa ho hitanao fa efa mitombo isa (ary haingana) ny Atheista.. satria ny interinety dia ahafahana .. manokatra ny saina ee..


Entre-pa fa mampihomehy ilay fisavisavihanao ny Moslimo sy Buddhist hiray @ petsapetsanao... Nefa raha vao piti-dresaka kely fotsiny dia miraparapa Rakrisy sy ny guerre de religion. Sa moa ianao tsy mba mpanao an'izany?? .. tsara kosa kouh... :-)
9. vaotonga ( 05/05/2016 14:25)
Tsy haiko izay tsy aritrao @n'izay mompera. Efa manao ny fanenjehana azy ireo ny Fanjakana ipetrahany nanaovany toetra tsy mendrika ka avelao izy hanao ny asany fa aza isalovaninao, sa ve ianao koa mpitandro filaminana.
Ary raha ny voalazan'ny internet anirahanao ahy hi"google", dia maro ny zavatra tsy azo ametrahana fitokisana ao, misy miteniteny foana hoatra anao io ao satria finaritra ny tena hanenjika mitovy aminao.
Ary farany dia aza dia manenjika loatra ny Fivavahana Katolika fa maro izahay ato no mpino, misy ny protestanta, misy Silamo, misy ny Bodista, misy ny indoista....dia mahaiza mandanjalanja fa olona manam-pahaizana e. Ny zavatra voamarinako mako, dia ny Katolika no vangosanao. Izay hanaovanao azy tsy maninona fa mazotoa mamango ary e nefa tadidio fa arakaraka ny hanenjehana ny Fivavahana iray no vao maika mampisandrahaka sy mampitombo ary mampiroborobo azy. Mahereza.


10. rhaj0 ( 05/05/2016 22:33)
vaotonga:
Tsy haiko izay tsy aritrao @n'izay mompera

Mopera no voateny, fa efa nivanitihana teto koa ry Tsaratsara sy ry mi-Yahoshua.. Koa na ry Pasitera mirevy dorkasy sy ny maty vady aza moa efa voalaza teto koa..

Fa marina fa ry Mopera no novangosako teto, satria ny scandale be izay tena tsy eken'ny sain'ny olona (aty), ary izany dia @ izao taona 2016 izao, dia noho ny nataon-dreo t@ taona 60s-80s ka h@ izao, dia
1- ireo pretra (sasany) nanolana ankizy
2- ireo pretra/masera/mamera namotika ny fi(s)ainan'ny amerindiana

vaotonga:
arakaraka ny hanenjehana ny Fivavahana ...

hi hi hi.. TSISY "manenjika" eo ry Vaotonga, fa vao mainka azany mampandositra, mampiala na manafaka ny olona @ ity fanambakana/fanabadoana be vata ity no atao, manavoitra ny fanambakana/fanabadoana/... no atao.

Hono ho'a... koa na ianao azany ve tsy mba tena voakitika marary ilay sainao rahefa midogaigy ohatra ry Tsaratsara, na koa ry TJ, ary dia "manenjika" koa ianao, ka mandefa na manao "tafika masina" ??... Sa moa "lamba maloto"-nareo ilay izy dia hiafianao ao??
11. rhaj0 ( 06/05/2016 00:19)
vaotonga:
Toka-tranonay ny Finoana ka avelao ho anay ny anay

rhaj0:
Io izany mety @ ilay hoe, niray t@ Mopera Ivadinao, f'izany hoe, hoz'i Vaotonga hoe, "tokatranay TSY ahahaka" an... Raha sitrapom-badinao moa iny maninona. Fa raha ny zanakao indray no nasian'i Mopera ohatra, dia ngo dia mihevitra ianao fa mbola "lamba maloto"-nao, na ny Leglizy, na ny Finoanao fotsiny io... Efa crime izany ry Vaotonga fa tsisy "avelao ho anay ny anay" izany intsony aaa... Ary tsy maintsy miteny izay mahita.

Fa io aloha dia resaka sex no ataon'i Mopera (entre-pa fa Pasitera koa mety mi-abuser toa io)

Fa @ ankapobeny, rahefa manapotika ny fi(s)ainan'ny Ankizy koa ny Fivavahana/Finoana, dia "tsy maintsy miteny izay mahita" (izaho).

Ohatra:
1- raha creationisme-mazia-mazia-mirakla no asesika an-tsain'ny ankizy any an-tsekoly, fa tsy ny siansa sy ny evolution, dia tsy maintsy miteny aho mi-ridiculiser ny Genesisy
2- raha izao "fampianarana" na dogme-na sex-n'i Vatican izao no terena arahin'ny Ankizy, toa ny TSY mahazo mampiasa condom, na ny fanilihana na fanaovana z'inona na fanavakavahana ny LGBT, dia tsy maintsy miteny aho manavoitra ny toetra fangolika
3- raha izao "fampianarana" lany andron'ny Baiboly izao foana no terena arahina, toa ny fi-considerer-na ny vehivavy koa ohatra, dia tsy maintsy manOgany aho eee...
4- ...

Efa marobe ny noresahina teto ry Vaotonga, fa raha vao tonga ianao, dia avadibadiho ao aloha ny pejy azany...
12. vaotonga ( 06/05/2016 02:31)
Salama ianao, efa namaky ireo hafatrao maromaro tato aho, ry rahalahy, fa na izany na tsy izany, ny ankabeazan'ny hafatrao dia raha tsy mikasika an'i Vatican, dia mikasika ireo olona mpiara-miasa aminy ao, na ny mpiara-miasa aminy manerana an'izao tontolo izao. Tsy olana anefa izany fa ny zavatra toy itony, hoatra ny nolazainao rehetra, dia azon'ny rehetra hametrahana fanontaniana mba handinihana ny ho avy. Satria raha mahatsiaro ho diso sy solafaka ianao, ry rahalahy indraindray eo @ fiainanao, dia toy izany koa ny Fiangonana. Ny "atheista" miezaka ho tonga "rajako" ("evolution"n'ny olombelona araka an'i Darwin)ambonimbony mahay ny "technologie sy "informatique"....Fa ny mpino miezaka ho tonga "olomasina" hoatra ny Anjely...na dia eo aza ireo fahalemena sy fahosana ara-panahy na ara-nofo tandra vadi-koditra mpahazo ny olombelona tsirairay avy.
Ny mikasika ireo lazainao fa tsy eken'ny Fiangonana, inona no tsy mahamarina an'ireo? Izay no mba iangaviako anao hamaky ny Baiboly sy ny Boky mikasika fampianaran'ny Fiangonana mba tsy hihinana am-bolony ka hanenjika be fahatany.Nefa moa lazainao fa lany andro ny Baiboly eny fa na dia anisany boky be mpamaky indrindra manerana an'izao tontolo izao aza izy io, ary ny Boky hafa indray dia ahitanao ny fomba fahitan'ny Fiangonana mikasika ireo fanontaniana be dia be apetraky ny olona (condoms, sterilization......), ny Fiangonana tsy mandidy ny olona hanao an'izany na izaroa fa milaza ny heviny, dia anjaranao no mandinika sy mamakafaka ary mandray fanampahan-kevitra.
Ny mikasika ny LGBT, na ny biby aza tsy manao an'io isan'izany ny "rajako" niavianao, ka inona no olana raha manambara ny heviny mikasika an'io ny Fiangonana fa tsy mety. Sa ve io izany ilay "science" sy "evolution"n-drajako? Izany ve tsy fahaizana mitsotsorika sy mirefarefa @ tany? Sa ve ise koa isany dia miady ny zony? "hopefully not". Na izany na tsy izany dia niteny ny Papa Francois mikasika an'io, fa "raha misy LGBT mikaroka an'A/tra @ fo mahitsy, iza aho no hitsara azy", izany midika fa tsy misy olona voailika ao @ Fiangonana satria samy zanak'A/tra n'iza n'iza na ny LGBT na ny hetero na ny "atheist" hoatra anao io aza. Tsy midika io fa manaiky ny LGBT ny Fiangonana(manaiky ny hivadiany....sns, tsia!) aoka ho tsipihana mazava tsara izay, inoako fa azonao ny zavatra hambara satria ianao tapi-pahaizana. Ary ny hamaranako azy dia izao: aza mijanona miteny fa na izany aza, aza mihinana am-bolony. Mahereza ry rahalahy.
13. rhaj0 ( 06/05/2016 10:42)
vaotonga:
Ny "atheista" miezaka ho tonga "rajako"... Ny mikasika ireo lazainao fa tsy eken'ny Fiangonana... Ny mikasika ny LGBT... za mihinana am-bolony.

hi hi hi.. voalazanao ... mihinana am-bolony IANAO :-)
Vazivazy iny, fa ivereno ny resaka betsaka teto ry Vaotonga aaa... Na jereo azany ny notahiriziko tato @ bilaogiko tato:
http://rahampitso.blogspot.ca
14. vaotonga ( 06/05/2016 11:40)
Izay ilay teneniko fa mandray ny tokony tsy ho raisina ny manam-pahaizana, mihinana am-bolony, neveriko ho manam-pahaizana be, kay diso ihany aho. Ka izao mianara-mafy aloha vao manao fanadinana fa soa tsy afaka. Tsy hoe: akory rehefa tonga any an-dafy dia tapi-pahaizana : "Jereo tsy rajako fa hoe lasa ambony....niova ka tonga vazaha lehibe fa efa nandroso ka civilise": hoy ny mpanoratra iray izay. Inona no dikany hoe "azany", tsy fiteny malagasy io, ka ny teninao aza tsy hainao tsara ka maika fa ny mikasika ny zavatra hafa. Ny zavatra resahanao manontolo dia toton'omby bory daholo fa tsy misy petran-kevitra azo raisina. Ka rehefa tsy mahay n'inona n'inona dia ajonony hatreo ny resaka fa lasa resaky ny moana sy ny marenina. Azafady fa somary miteny mafimafy kely aho nefa na izany na tsy izany tiako foana ianao fa aza manahy. Mahereza ry rahalahy!
15. vaotonga ( 06/05/2016 11:47)
Namariniko kely ilay "citation" fa nisy diso: "Jereo ty rajako fa hoe lasa ambony....niova ka tonga vazaha lehibe fa efa nandroso ka "civilise", "ty rajako" no izy fa tsy hoe "tsy rajako". Somary dondrodondrona izay mako ny rahalahiko ka aleo atao mazava tsara fa sao mamboatra vozon'akanjo eo indray.
16. rhaj0 ( 06/05/2016 12:11)
vaotonga:
Inona no dikany hoe "azany", tsy fiteny malagasy io,...

Tsy io ve no tenenina rehefa miresaka @ zazakely ee ?? :-)
17. vaotonga ( 06/05/2016 13:39)
Aiza ianao ry rahalahy,
Tsy fiteny Malagasy io ary tsy fiteny @ zazakely izany, fa teny vao niforona taty aoriana, hoatra ny ilay "tra" miova "tsa" sy ny "dro" lasa "jo".... sy ny maro hafa. Ka tsy hilaza ny "azany"nao aho fa manaova fikarohana, mahay mandalina zavatra hafa sady lalina ianao ka tsy hahita an'io. Rehefa tsy mahita ny tena dikan'ny "azany" @ fomba fiteny Malagasy mazava tsara, dia "mihenena" hoy ny Betsileo fa dondrona. Ny rihana no hianihana nefa ny tohatra aza tsy afaka. Ny "finoan'olona" lalina ary no mba hanomezana hevitra, nefa ny teny hoentina manazava azy aza tsy hay. Izay fa tianao foana aho ry rahalahy na dia tsy mahay n'inon'inona aza ianao.
18. rhaj0 ( 06/05/2016 13:49)
eny azany eee... :-)

ka raha miverina @ ilay "Anjely nidina avy any an-danitra" io i Vaotonga, dia tena nihazakazaka teto ve ianao hoe, tena misy tokoany izany Anjely, araka ny finoanao, na koa ny Baiboly izany ??
:-) :-) :-)
19. vaotonga ( 06/05/2016 14:43)
Ao ve ianao?
Efa miteny aho fa mianara teny Malagasy vao miresaka amiko fa tsy fantatro izay lazainao. Teny Malagasy aza tsy hay ka eo no miana-kendry sy milingilingy miseho mahafantatra ny "mystere" n'ny finoan'olona.
20. rhaj0 ( 07/05/2016 12:35)
vaotonga:
mianara teny Malagasy ... "mystere"

hi hi hi.. aiza ity "mysterrre" "mysterrre"-nao izany ry Mister Vaotonga aaa...
"misitery izany zanakouh," hoz'i Mopera :-)

Fa ndao hiverina @ lohahevitra indray ho'a ee... Dia ahoana ilay Anjely hitan'olona io ambony io??

Dia tena navelan'i Jesosy manaonao foana ny @ Anjely ve ireto olona ireto?? Hany ka voatery niditra an-tsehatra mihintsy ny polisy ?? :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.1029