Ny Anjely nidina avy any an-danitra

21. lahindroy ( 07/05/2016 14:50)
Miarahaba ny rehetra
Misy fanamarihana vitsivitsy tiako atolotro eto mahakasika an'ity lohahevitra ity .

Heveriko aloha fa tsy ny hoe fahaizana na tsy fahaizana manoratra amin'ny teny malagasy no ahafahana maneho ny heviny na tsia ; etsy andaniny dia mety manana endrika tsy mitovy ny fanoratana azy io ary maro amintsika no tsy nianatra ny teny malagasy tany ampianarana !

Ny zavatra faharoa tsikaritro koa dia ny fiheverana fa rehefa tsy manaradia ny finoana iray ny olona dia satria ...mbola tapany fotsiny ny fahalalany fa rehefa feno kosa izany dia ...
Ny vokatr'izany dia matoa isika tsy hindouista na silamo ohatra dia satria mbola ...tapany fotsiny ny fahalalantsika ny mahakasika an'izy ireny .

Ny fanambarana , tahakan'izay heno tao amin'ny TV plus , fa anisan'ny fanamafisan'antoka ny fahamarinana ny fahamaroan'ny olona manaraka ny foto-kevitra iray , dia mahalasa saina ihany :
-ny mpitondra sy ny ankamaroan'ny kristiana ohatra dia nanenjika sy namono ny Jiosy nandritry ny ...taon-jato maro ka niafara tamin'ireny zava-doza izay nitranga tany Europa ireny , 60 taona lasa izay ( ny 90%-ny vahoaka alemana dia kristiana ary nanohana sy nanaradia an'i ...Hitler !)
-ireo siantifika malaza ohatra dia matetika namorona hevitra ...tsy narahinn'y be sy ny maro tany ambolohany
Etsy andanin'izany mitovy tokoa ve ny Andriamanitra (tokana) ivavahan''ireo mpino (jiosy , kristiana , silamo) sy ireo fivavahana hafa tahakan'ny hindouista ? Fomba amam-panao fotsiny ve no mety mahasamihafa azy ireo sa ny foto-pinoana mihitsy no samihafa ?
Ny bouddhisma ve ohatra di miainga tokoa amin'ny fisian'Andrimanitra ny fototra ijoroany ?

Fanamarihana fohy mahakasika ny siansa sy ny tsy finoana :
-miezaka ho tonga "rajako" tokoa ve ireo tsy mpino ary izany tokoa ve ny hevitra fonoson'ny rijan-kevitra nentin'i Darwin ?
Izany tokoa ve ny fitaovam-pisainana entin'ireo siantifika miasa any amin'ireny trano fikarohana maro samihafa era-tany ireny eo amin'ny sehatry ny haiaina , ny haiharingarinifahagola...izay mbola mampiasa matetika ny rijan-keviny na koa ny eo aminn'y endriny vaovao nentin'ny fandrosoan'ny voka-pikarohana nanomboka tamin'ny 1859 ka ...hatramin'izao ?
-efa nisy ve ny tsy finoana tany aloha be tany (raha mbola tsy nisy akory ohatra ny siansa)?

Ary ho faranako amin'ny fanamarihana momban'ny fiangonana amin'ny ankapobeny
Voalaza eto fa raharaha tokan-tranon'ny fiangonana samy irery ny mahakasika izay mitranga ao !
-mety marina tokoa izany raha izay foto-pinoana tiany arahin'ny mpanaradia azy no resahina : ohatra ny maha telo izay iray an'i Ray , Zanaka ary ny Fanahy masina , ny maha vatana sy ny na maha rà an'i Jesoa ny zavatra hoaninao sy sotrionao rehefa mandray ny fanasan'i Tompo , ny maha masina sy ny maha virijiny an'i Maria ...
-tsy azy irery intsony kanefa ny tranga (fanolan-jaza tsy ampy taona ...) satria sady efa misy lalàna mifehy an'izany amin'ireo tany efa mandroso ary indrindra TSY NANENJIKA na koa TSY NIAPANGA an'ireny mpitodra fivavahana ireny ny tompon'andraikitra raha tsy ny ray amandren'ireo zaza voaholna sy ireo fikambanna maro tsy miankina no nitondra an'izany eo anivon'ny fitsarana ...
-na izany na tsy izany , tsy faha salasalam-potoana intsony isika amin'izao fotona izao ( hatraminy taon-jato faha XIV ) ka ho rarana sy ho fehezin'ny ...mpitondra fiangonana na koa ny vatican ny fahafahana hitsikera na ny foto-pinoana izany na koa ny fomba amam-panao heverina fa mamoafady hita ao.
Tadidio fa raha tsy sahy nitsikera ny foto-pisainan'ny pape sy ny mpitondra fiangonana ambony tao vatican i Luther (fitakiana ny afahan'ny krtistiana hifandray mivantana amin'Andriamanitra sy ny "zanany lahy tokana" ary koa ny afahany mamaky ny baiboly amin'ny tenin-dreniny fa tsy amin'ny teny latina intsony .izay tsy voafehin'ny maro tamin'izany ; soritako fotsiny fa sahin'ny mpitondra fivavahana ambony no nampiditra am-ponja na koa aza nandoro velona izay mitarika ny olona anao izany na tany Alemana izany na tany amin-dry zareo Anglisy) ) sy ny fomba amam-panao tao tamin'izany (fivarotana ny "indulgences" mba ampihena ny helokao ...) dia ...tsy nisy ny finoana sy ny fivavahana protestanta !
22. rhaj0 ( 09/05/2016 18:30)
Tsy mila iverenana intsony ilay "fanilihana ny olona tsy hiresaka" rahefa - na tsy mahay manoratra teny gasy - na tsy manara-dia ny finoany. Dia sirikabe koa iilay eritreritra sy fitompooana hoe, ny fahamaroan'ny olona manaraka ny finoana no mampitombona ny finoana, na koa ny mametapetaka toa zaza eny @ garabola hoe, rajako ee rajako.

lahindroy:
Etsy andanin'izany mitovy tokoa ve ny Andriamanitra (tokana) ivavahan''ireo mpino (jiosy , kristiana , silamo) sy ireo fivavahana hafa tahakan'ny hindouista ? Fomba amam-panao fotsiny ve no mety mahasamihafa azy ireo sa ny foto-pinoana mihitsy no samihafa ?

Efa noresahina kely tato ihany, http://forum.serasera.org/forum/message/m56d438786cfdc#m56d5392db8e20 fa ...

rhaj0:
..TSY i Maria no voalohany nilaza (na nolazaina) fa virijiny-nitoe-jaza
http://www.nairaland.com/193520/there-many-other-virgin-births
Buddha was considered and believed by his followers to have been begotten of God and born of a virgin whose name was Maya. Long before the Christian era...

The Siamese (Taiwan), had a God and saviour who was Virgin Born whom they called Codom. In this very ancient story, the beautiful Virgin had been informed in advance that she was to become the mother of a great messenger of God...

India has a number of messengers who were divinely conceived and two of them bore the name “Chrishna” or “Chrishna the Saviour” (note the similarity with Christ). Now Chrishna was born of a chaste virgin called Devaki...

In Egypt, long before the Christian era, and before any of its doctrine was conceived, the Egyptian people had several messengers of God, who were conceived through Immaculate Conception. Horus was known to all of ancient Egypt as having been born of the virgin Isis ...

Plato who was born in Athens in 429 B.C. was believed by the populace to be a divine son of a pure virgin called Periction...


Raha mba averiko indray, dia ireto izany ireo ohatra-na Virijiny niteraka God, @ sivilizasiona isan-karazany eto...
- i Maya niteraka an'i Buddah,
- Virjiny Siamiese niteraka an'i Codom,
- i Devaki niteraka an'i Chrisna,
- i Isis niteraka an'i Horus,
- i Periction niteraka an'i Plato
- ary farany, i Maria niteraka an'i Jesosy


Izany hoe ilay "foto-pinoana" dia ... mitovitovy fa samy IMAGINATION-ndraolona daholo fotsiny ihany. Ary sirika akoriny azany fa ny sasany dia naka tahaka (sa naka inspiration) ny hafa.. Ohatra ny Beatles sy ny Hare Chrishna-ny :-)

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0985