Iza no Nanoratra ny Baiboly

41. fidinirina ( 14/04/2015 11:38)
Dia ahoana ireo andinin-tsoratra masina be dia be nosoratako eo ambony ireo (mpaminany samy hafa koa) Iza no niteny hoe SORATY?
42. fidinirina ( 14/04/2015 12:03)
Kabary: Niteny ny Filoha hoe : soraty izao kabariko izao, dia ny dikan'izany ve ny inspiration'ilay sekretera no nataony tao fa tsy ny an'ny Filoha.

Baiboly: Hoy Andriamanitra t@ mpaminany sy apostoly : Soraty izao teny izao, dia heverin-drhaj0 fa ny revin'ny mpaminany no nataony tao fa tsy ny an'Andriamanitra. Io ilay niandohan'ny fahotana fa hita miverina foana : hampangaina ho mpandainga daholo ny olona rehetra, nefa ny ratsy mihitsy no tsy manaiky ny fahamarinana. [size=4](absurde)[/size]

Anaty fononteny, fa maninona moa ny mpaminany sy ny mpianatra raha nanoratra izany zavatra niainany niaraka t@ Andriamanitra ho fijoroana vavolombelona dia ny @ izay inoany.
Tsy azony atao ve ny maneho ny finoana ary raha jerena dia tsy misy mifanipaka ny ao anaty baiboly iray manontolo nefa vanim-potoana samy hafa sy toerana samy hafa no niainan'izy ireo.
43. rhaj0 ( 14/04/2015 14:08)
rhaj0:
Raha ny fahatakarako azy aloha dia olona no nanoratra ny Baiboly. Izay "inspiration"-ny tao dia "inspiration"-ny tao.

dia avy eo: mi-existe ve ilay "inspiration"-ny? Hoy ianao hoe eny, fa hoy aho hoe, revireviny (imagination-ny) tao ilay izy eee...

[size=8](fa mba manaraka ny lojika nareo fotsiny aho etsy ambony, ary manavoitra ny absurditEs)[/size]

Fa ny anao ho'a dia IZY no n(amp)anoratra ny Baiboly.. Tsisy adi-hevitra io. Ka dia raiso ao azany arak'izany ny resaka tsy coherent ao @ Baiboly ao e... sady tsy coherent @ samy resaka samy ao, no tsy coherent @ zava-misy.

Fa dia tereo ho coherent ao (ao @ imagination-nao ao), fa dia mety tokoany izany ny baolinao ao e...
44. Strong3 ( 17/04/2015 10:25)
mbola tsy hita foana ve izay nanoratra ny baiboly eh?

nga ny darosy sy ny wiki tsy mamaly????
45. rhaj0 ( 17/04/2015 10:52)
k'efa hozy i Ragoa 'le gila hoe, sy araka ny mba fanadihadiako kely azy koa, fa "Contes et Legendes de Canaan" ilay izy kouh.. angaha misy mahalala hoe iza no "nanoratra" ny "contes et legendes" fa dia lova-tsofina io dia reveo ao ?
46. Strong3 ( 17/04/2015 11:22)
ka ny arkiaolaogy nge r'ingahy ity no namoaka ireo tany anaty tany fa tsy hoe ... iny hono izy ra vorom-bazaha
47. rhaj0 ( 17/04/2015 13:21)
ka namoaka ny zaridainan'i Edena azany ve ny arkialaogy e... oops.. kay izaho ihany no namoaka ny porofo fa misy ny zaridainan'i Edena tatsy... fa toa zaponezy ho'a i Eva ee...
48. rhaj0 ( 17/04/2015 17:03)
Fa tsy azoko koa ange hoe inona ny antenain'i Strong3 @ siansa... hoe "hanamarina" ny Baiboly ve sa inona... k'efa hoe, rahefa "mino" (tsisy-adi-hevitra tsy-mila-porofo) ianao dia reveo ao dia mahita sou ho'a..

Fa na izany na tsy izany, dia..

- efa noamarinin'ny Siansa izany fa misy ny olona sy ny biby sns.. fa TSY noamarininy fa noforonina avy t@ vovoka (adam) sy taola-tehezana (eva) anie ny olona, dia noforonina pouh pouh pouh t@ izao koa ny biby.. sa moa avy t@ vovoka koa ny biby ara-baiboly ?

- efa noamarinin'ny arkeology izany fa nisy safo-drano sns... fa TSY noamarininy hoe, ny faisabilite-n'ny sambo fiara manavotra especes animales an-tapitrisany, na koa, ny goaika nahatsapa fa TSY mbola maina ny tany (kay izy TSY tafasidina hatrany Everest)

- efa noamarinin'ny siansa fa nisy izany fasan'i Jesoa (sy ny vady aman-janany ary reniny sy rahalahiny).. oops.. kay mbola mihantona io..

- efa nasehon'ny siansa ny mety ho endrik'i Jesoa (fa tsy sahala @ ireo sary sy sary sikotra hitanao sy/na ivavahanao ao ireo).. fa TSY noamarininy fa tena manana pouvoir surnaturel i Jesoa raha vao jerena @ endrikany fotsiny..

- Ary efa noamarininy ny fisian'ireo raki-tsoratra be dia be, sy ny hoe, ny nifantenana ny sasany tamin-dreo ho lasa baiboly.. fa TSY (mbola) noamarininy (daholo) hoe tena nisy tokoany ireo tantara sy angano lovan-tsofina tanatin'ireo raki-tsoratra avy tany Canaan ireo
49. Strong3 ( 21/04/2015 08:53)
hihihi :-) mapné ana kou ilay hoe manantena inona amin'ny siansa

Mijery ny fahaizan'ny siansa aho, te hiomehy azy ireo... mitrandraka ny zavatra lazain'ny baiboly , fa tsy mitrandraka ny zavatra ao andohany ao

ny big bang dia miroso makany amin'ny fiekena fa marina io, rehefa ela nitoratorahana toa anao izao :p

mbola ho aiza re izany mahita ny marina no lavina izany ry rhaj0 ah!
50. kolo ( 21/04/2015 12:53)
Tsy fantatro izay nanoratra an'io fa maro dia maro ny nanova azy no fantatro hahaha
51. rhaj0 ( 21/04/2015 13:30)
Strong3:
Mijery ny fahaizan'ny siansa aho, te hiomehy azy ireo... mitrandraka ny zavatra lazain'ny baiboly...

Tena mihevitra ve i Strong3 fa "mitrandraka" ny Baiboly ny Siantista ? Dia rahefa mamoaka ny asa fikarohany zareo dia manome reference ao @ Baiboly ??? Izany ohatra no nataon'i Einstein na i Darwin ?? na koa ireo Siantista mameno ny 72%-n'ny U ???
[size=6](ntssss ... giravibe ilay egocentrisme-nombril-du-monde... mampivaninika adala tokoany... )[/size] :-)
52. endriny ( 21/04/2015 16:20)
Araka ny maha teni'Atra azy moa izany, dia raha tehirizinao ao am-bata ny baiboly dia mitombo araky ny isan'ny olona vory saina ao an-tokatrano ny isany... Dia miova manaraka ny toetr'andro ny zavatra soratan'Atra ao..

Tena boky majika ito fa tsy artifisialy
53. fidinirina ( 24/04/2015 04:34)
endriny:

Araka ny maha teni'Atra azy moa izany, dia raha tehirizinao ao am-bata ny baiboly dia mitombo araky ny isan'ny olona vory saina ao an-tokatrano ny isany... Dia miova manaraka ny toetr'andro ny zavatra soratan'Atra ao..

Tena boky majika ito fa tsy artifisialy

Ahoana koa ary izany? Zavatra apetraka fotsiny ve hitombo? Mila manonta baiboly sy mandika azy @ tenim-pirenena izay misy eto ambonin'ny tany ary mila zaraina ny tenin'Andriamanitra, izany no mampitombo. Ianao eto @ dinika izao, mino aho efa mba niampy betsaka kosa ny fahalalanao ny Baiboly na dia tsy mbola namaky aza ianao. Eto dia efa sehatra hanokafana ny baiboly, midika avy hatrany fa tsy tehirizina akory ilay boky fa sokafana ho an'ise mba ho vory saina tsara @ fahalalana ny tenin'Andriamanitra.
54. rhaj0 ( 24/04/2015 13:38)
fidinirina:
Ahoana koa ary izany? Zavatra apetraka fotsiny ve hitombo?

Tena tsy ampy ny "finoanao" ranamana :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3647