Iza no Nanoratra ny Baiboly

1. rhaj0 ( 07/04/2015 14:00)
http://www.religioustolerance.org/jepd_gen.htm
Avy eo izao misy fanadihadiana nataon'olo.. azo anaovanao recoupement sy fandalinana anao koa, fa io aloha no (hitako) azo iaingana..

ho an'ny "mpino-tsisy-adi-hevitra" dia Mosesy no nanoratra (na nampanoratan'i A.tra) ny Baiboly (ny 5 voalohany).
Ho an'ny "mpino-mba-mandinika-ihany-nefany" dia misy olona 5 samy hafa no nanoratra ny ... "resaka niampitapita"
Ho an'ny "tsy-mpino" moa dia ... tena "angano-lova-tsofina" daholo izany
novalian'i rhaj0 ny 24/04/2015 13:38
2. rhaj0 ( 07/04/2015 14:38)
Dia raha ny "nandika" ny Baiboly ho @ teny Malagasy indray moa, dia efa noresahina tato ihany fa ry Griffiths sy Andrianaivoravelona sy izy Douze "teenage Malagasy boys", ary izany dia nadikany avy t@ teny Grika sy Hebreo. (http://assr.revues.org/21385)

Ny an'ny frantsay sy ny anglisy indray dia nadika avy t@ dikany Latina (avy @ Romana?)
http://fr.wikipedia.org/wiki/Traductions_de_la_Bible_en_fran%C3%A7ais
http://en.wikipedia.org/wiki/Bible_translations_into_English
3. rhaj0 ( 07/04/2015 15:28)
Raha ny @ ireo boky hafa, dia efa noresahina lava teto koa
http://forum.serasera.org/forum/message/m54cbaec78df95#m54d8ba2927e78
"inspired"sa "dictated"
(ireo soratra ao anaty Baiboly ireo)

ka dia ireo (mifamaofao ireo) izany ny resaka.

Dia miampy io ambany @ Bokin'i Galgamesh io koa, dia izay andraisanao ny Baiboly sy ny votoatiny izany dia .. mahasoava ao amin'azy ao azany kouh...
4. rhaj0 ( 07/04/2015 16:26)
Ny fandehan'ny tantara sy jeogirafia nandritra ny vanim-potoana sy toerana "nanoratana" ny Baiboly koa dia tsara fariparitana na fantapantarina koa..

Ny kely fantatro ohatra, ahitsio raha diso, dia, I Abraham (izy teo?) anie ka dia (andevo) nitsoaka (sa voaroaka) avy tany Mesopotamia, dia nidina iny lohasah'i Canaan iny dia tao e.. Dia ny taranany tao Canaan tao no "mitantara" dia "nanoratana" io Baiboly io taty aoriana.


ka rahefa tambatra ireo ambony rehetra ireo, dia ... ahoana azany hoz'ianao e ?...
5. rhaj0 ( 07/04/2015 17:40)
[size=8]mazana be ngaha ny digestion ao ? ho tohizako ny ahy azany ee...[/size]

Dia ny ahy izao ny fandinihiko azy dia hoe... dia ilay tary nidina tao Canaan iny izany, sy ny taranany, dia mba ahoana azany no tena dia hoe, dia rizareo ireo irery izany no tena rOle @ Tantaran'ny "izao tontolo izao" ??

Dia ahoana ilay "izao tontolo izao", ny nanodidina azy tao, na koa ny hatrany Japan sy Amazonie ohatra ? Hita tsara io izao, fa ny nanodidina an-dreo tao, dia nahita tantaraina ilay safo-drano koa ry Galgamesh.

Dia ahoana koa azany no t@ iny vanim-potoana iny ihany ny tantara no matavy, fa taty aoriana dia tena tsisy n'inon'inona. Na koa, ny talohan'iny vanim-potoana iny koa dia tena tsy takatr'ilay bokin'ny lazaina(reo) hoe "izao tontolo izao".

Mbola tsy miditra ny votoatin'ny "tantara" akoriny aho hatreto, fa raha vao ireo fotsiny, dia raha amiko aloha, dia tena "Contes et Legendes de Canaan" ilay Baiboly.
6. rhaj0 ( 07/04/2015 17:54)
Dia ianao, eny ianao mamaky io, ianao izao toa miady ho taranak'ilay Tary nidina tao @ lohasahan'i Canaan.. Ngo dia taranak'ilay vahoaka tatsy Mesopotamia izay nitsoahan'iilay Tary io kosany azany ianao ? (sa moa naringana ireo vahoaka manodidina toa ny tany Mesopotamia??)

Fa toa tsy avy any Canaan akoriny nge anefa ny razambenao ee.. fa taranak'ilay olon-kafa avy atsy Azia ianao. Ny voisin-n'ny razambenao avy tao Azia izao dia ny Sinoa, izay t@ io vanim-potoana io indrindra, dia nisy mpanjaka namboatra ilay soldats en terre cuite an'aliny.

Dia nefa izany ianao ao mitrotro sy miankohoka @ resak'ilay Tary avy tao Canaan. Dia mba ahoana kosany azany izany ??...
7. rhaj0 ( 07/04/2015 18:54)
Dia efa hainao izao fa izay vahoaka TSY niaraka t@ ilay Tary avy ao Canaan dia "ringandringana" hono, ary "noringadringaniNY", hozy ny Baiboly. (tsy mba mampalelo anao ve hoe, inona no tsinin'ilay "zaza, tanora, antitra" naripadripaka tao, nefa mety ireo mpitondra no manodina ny lohan'ny olona sy nanao ny nataony nanenjika an'ilay Tary avy ao Canaan tao?)

Nahita fandaharana t@ TV taty tokoany aho. dia hoe, ka ny vahoaka/firenena nanodidina an'ilay taranak'ilay Tary avy ao Canaan kay hono tena mbola tamina A.tra be dia be ny finoany. Ka isan'ny nampa-te-hiderana ilay finoana/fivavahan'ny Canaaniana kosany dia io izy isan'ny voalohany ny mba nivoatra ho @ monotheisma io, raha @ samy vahoaka tao moyen orient tao, t@ izany androny izany. Dia fanampiny koa, mba egalitaire vinaninany koa hono io finoana/fivavahan'ny Canaaniana io. Dia nanintona ny olona, na dia ny mahery sy ny debany azany no voatily voalohany (tantaran-drameva sy ny vodi-fanjaitra). Fa ny debany ve moa tsy mahay manodina ny lohan'olona ary dia ... eo izany izao isika izao.

Raha mijery ny tantara ianao, dia ahita na ahatakatra tsara ilay "fanodinan'ny Leglizy" ilay finoana ka nahafahany nanana sy nitazona ny fahefana tampony tao @ misy azy tao... dia izao ve ianao dia mbola hoe .. eo izany isika izao.
8. endriny ( 08/04/2015 05:30)
Ilay boky artifisialy be mpamaky indrindra hono... Kanefa ny de la Pratique no mbola be mpamaky indrindra hatramin'izao..
9. hery ( 08/04/2015 08:26)
:-) Marina daholo

Betsaka ny tanàna kely, sy tary kely nitsoatsoaka avy atsy sy avy aroa... fa ny mahagaga dia ilay tary kely tao Kanaana ihany no nanjary fantatry ny malagasy ary nanjary resahintsika eto amin'ny serasera.

Na izany fotsiny aza ve dia tsy efa fahagagana hoe fa dia inona loatra no talentan'ilay tary andevo kely nitsoaka nankany Kanaana?

Dia tsy hahatonga saina ve hoe misy zavatra tsy takatry ny saina ihany ao (tsy takatry ny sainay aloha).
10. ombelline ( 08/04/2015 09:13)
hery:

:-) Marina daholo

Betsaka ny tanàna kely, sy tary kely nitsoatsoaka avy atsy sy avy aroa... fa ny mahagaga dia ilay tary kely tao Kanaana ihany no nanjary fantatry ny malagasy ary nanjary resahintsika eto amin'ny serasera.

Na izany fotsiny aza ve dia tsy efa fahagagana hoe fa dia inona loatra no talentan'ilay tary andevo kely nitsoaka nankany Kanaana?

Dia tsy hahatonga saina ve hoe misy zavatra tsy takatry ny saina ihany ao (tsy takatry ny sainay aloha).


Ary notapahinao ra-Hery ilay monologue n'olona teo :-P
11. fidinirina ( 08/04/2015 09:47)
Iza no Nanoratra ny Baiboly

Jereo eto ny Histoire de la Bible
12. rhaj0 ( 08/04/2015 10:21)
hery:
:-) Marina daholo

Betsaka ny tanàna kely, sy tary kely nitsoatsoaka avy atsy sy avy aroa... fa ny mahagaga dia ilay tary kely tao Kanaana ihany no nanjary fantatry ny malagasy ary nanjary resahintsika eto amin'ny serasera.

Inona no maha-ganga anao @ izany kouh... miteny ny vola... i Hery ao am-potony ao indray ve no tsy mahalala : ny fananamben-'i Vatican rahefa nanamasina sy niray tsikombakomba t@ ireo mpanjaka nifandimby tao Eoropa tao... Taiza indray ilay bulle papale nanome ny "lasa izao", dia hoe ndana zanaho sy exploiter-o ny tany sy ny mponina any rehetra any .. fa satria izay koa hozy ny Baiboly ?
13. hery ( 08/04/2015 10:24)
Lojika hafahafa :
- Ilay tary andevo kely sady mpitsao-ponenana ve no lasa be vola? (mbola fahagaga ihany)
- sa misy olona adala be vola manarana an'ilay andevo kely? (vao maika fahagagana)
14. rhaj0 ( 08/04/2015 10:31)
akanga aloha e... tsy sur aho hoe "andevo nitsoaka" ilay tary.. (nataoko entre-pa ny nosoratako). Marina ve ?

Fa ny resaka @ finoana kristiana reko izay kosa aloha dia tena hoe mba egalitaire e... mitsinjo ny osa sns.. hono.. (izaho tsy mahalala)... satria ilay tary nitsoaka (hono) dia nitsoaka ny didiko-fe-lehibe tany. Fanefa dia hain'ny mahery foana ny nanodina ilay revy, ary dia hitanao io betsaka io ny nanan-karena (voalohany i Vatican) rahefa mampino ny olona arak'ilay revy...
15. rhaj0 ( 08/04/2015 10:56)
hery:
fa dia inona loatra no talentan'ilay tary andevo kely nitsoaka nankany Kanaana?

Nanan-talenta tokoany aloha izy e.. satria tena nahahorina tanana, ary ny taranany taoriana azany dia nahavita tanana lehibe tokoany moa.. t@ ilay fandaharana TV nisy simulation an'ilay tananabe an'izay royaume na izay nisy tao, fa ilay vohitra voahodidina rindrim-bato tena mba impressionant (amiko) tokoany....

Fa rahefa mijery ny tantara anie ianao dia variana hoe tena manan-talenta tokoany ny olona taloha, dia hoe fa ahoana azany (izaho aloha dia ganga koa tokoany e).. hoe ry Alexandre na koa ireo Faraona tao Ejipta vao 16 taona nefa inona no tsy vitany.. izaho 16 taona izany tena mbola ao an-trano tsy independant akoriny...

Dia mijery ny tantara ianao.. inona moa i Hitler ohatra.. na koa hoe Einstein ve tany @ lycee tsy resinao...
16. rhaj0 ( 08/04/2015 15:29)
Fa misy eritreritra miverimberina foana ho'a @ Kristiana e.. Dia hoe.. satria izany efa ho 2.2 milliards hono no Kristiana eto an-tany, na hoe, ny Baiboly no boky natonta be indrindra, dia mody hoe, "fa maninona", nefa ao ambadika ny tian'i Rakrisy lazaina, dia hoe "satria mitombona"..

Dia ho hoy aho hoe.. ka nahay naharesy lahatra izany ny Kristiana.. t@ fotoan'andro taloha eee... Hainao ihany ny nanjo an'i Jomo Kenyatta..

Dia hoe, fa nahoana ? dia satria ilay mentalitE vokatr'ilay "finoana kristiana" anie ka tena ... predateur, na tena tsisy frein mihintsy mi-exploiter, na olona na tontolo ee... Izany ny tena hotry ny hoe "tsy mahalala an'A.tra" fa dia manosiosy izay alehany...

Jereo nefa ohatra ny Bodista fa tena maka mora, ny Amerindiana miezaka ny manaja ny tontolo sy ny mpiara-belona sy TSY mamela trasy ao aorianany, ny Ntaolo tsy mangalatra tain'omby.. ilay mentalitE kristiana nentin'ireo taranak'ilay tary avy any Canaan anefany tena bully be.. Jereo anie ny Jiosy izao e.. giravibe ny fanangonan-karenany ao, fa mody hoe be fanitrikitrika sy mihinvingivina @ Torah-ny ao foana no kisary hitanao.. nefany...

(dia fanampiny kely.. .tsy hoe ilay tary avy any Canaan no manan-karena.. angaha koa moa I Karl Marx lasa nanan-karena?.. tsy hitako ny maha-(mody) ganga an'i Hery ao)
17. gasy1zay ( 09/04/2015 19:13)
Raha izaho manokana aloha tsy dia manisy olàna hoe i Mosesy sa tsia no nanoratra ny boky 5 voalohany satria ny mpanoratra dia fitaovana fotsiny, ary efa nambara fa tsy hoe olona 1 na 2 no nanoratra azy io fa ny zavadehibe dia hoe TENIN'ANDRIAMANITRA ny voasoratra ao.
18. rhaj0 ( 09/04/2015 20:11)
Ya ya.. "tsy olana" aminao rahefa nanampy sira sy saosy ilay "mpanoratra". Dia naninona nefany no tsy ahitsiNY eeee? h@ izao mbola "mpanoratra" foana no manitsy azy (mody milaza foana izay "mpanoratra" fa hoe nolatsahan'ny FM izy @ io, ary izay lazainy io no "tena izy"... hi hi hi... dia tsy hitanao ve fa ilay "mpanoratra" no tompon-kevitra?...
19. endriny ( 10/04/2015 05:58)
Te hampiseho indray ry Hery hoe efa deba be... Fa any Italie no mipetraka sady amndeha tsara ny dokambarotra amin'ny serasera ka mitombo ny bizna...
20. gasy1zay ( 10/04/2015 13:53)

rhaj0:

Ya ya.. "tsy olana" aminao rahefa nanampy sira sy saosy ilay "mpanoratra". Dia naninona nefany no tsy ahitsiNY eeee? h@ izao mbola "mpanoratra" foana no manitsy azy (mody milaza foana izay "mpanoratra" fa hoe nolatsahan'ny FM izy @ io, ary izay lazainy io no "tena izy"... hi hi hi... dia tsy hitanao ve fa ilay "mpanoratra" no tompon-kevitra?...


Inona ary ny TENA diso tokony ahitsy e! Ilay resaka razana sy ntaolo sy fahiny ve no tena mahasarotiny an'i rhaj0? Tena misy tokoa ny version vaovaon'ny baiboly saingy tsy mino aho hoe ilay resaka fampianaran'ny razana anisan'ny voahitsy ao na any @ diem ( à vérifier fa izaho tsy manana diem na ilay baiboly voahitsy).
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.204