Nandalo teto Madagasikara Atra fahiny

1. endriny ( 18/03/2015 17:28)
Ara-tantara dia teo Ambohitrandriamanitra, akaikin'i Tsiafahy izy no nitoetra...
novalian'i endriny ny 08/04/2015 07:45
2. sitlo ( 18/03/2015 20:59)
Maro ny finoana malagasy fahiny. Mbola tsy voalamitsika tsara izy ireo ka mora toherin'ny finoana vahiny.

Ny iray amin'izay finoan'ny mlagasy izay ohatra dia ny fiovan'i Zanahary endrika sy itoerany amin'ny zavatra maro. Mety ho sahona, mety ho hazo, mety ho vato, latabatra... Ary izy dia afaka mamaly ny zavatra natao taminy araka io finoana io ihany.

Nentin'ny malagasy handrindrana ny fiarahamonina izany. Ohatra raha misy ankizy nampijaly tanalahy dia indray andro any mety solafaka eny amin'ny vato tampoka dia tapa-tongotra...

Izay no antony ialan'ny malagasy tsiny amin'ny ratsy mety vitany mba tsy itoheran'ireny aminy. Ary ny mivavaka amin'ny malagasy dia avy amin'ny hoe "vava," izay laha-teny lazaina mafy etsy sy eroa mba ho ren'i Zanahary raha sendra teo izy ka tsy hamaliany ny ratsy vita intsony.
3. endriny ( 19/03/2015 04:30)
Marina ny voalazanao ry Namana Sitlo,

Ny Ntaolo izao dia mino fa ny Tsiny dia mipetaka amin'ny sampan-kazo sy ny loharano matetika. Ka raha tianao ho todisoa any amin'ny tany andehanana ianao dia asiana vato izay sampan-kazo iray eny an-dalana ary mamatotra bozaka rehefa avy nisotro rano tamin'ny loharano tsy fantatra mba tsy ho arahin'ny tsiny.

Saingy koa ilay famatorana bozaka amin'ny loharano dia mba anisana ireo mpampiasa ny loharano ka mba tsy andefasana omby eo intsony na anaovana maloto eo.
4. Strong3 ( 19/03/2015 05:35)
eee mianara aloha riba malagasy rakizy fa toa lavitrin'ny kitay ny afo !
5. sitlo ( 19/03/2015 05:57)
Zay Strong3 sy ny hevitra zero nefa manambany ny olona ho tsy nianatra.
6. Strong3 ( 19/03/2015 06:10)
hevitra zero hoe nefa misy mbola -5 aza aoriany, iza no manambany? izany ve no atao hoe manambany fa ny ataonao amin'olona tsy hitanao ... aza mba hoa ... :-)

misy filaharany ny atra gasy ary ny tsiny tsy midika fa misy atra ao ambadik'ilay zavatra ananantsiny... nareo moa voazaha menasofina ka tsy hita hoe dia
7. Strong3 ( 19/03/2015 06:14)
rehefa tsy tiana atao aminao ah , dia aza atao amin'olona...
8. sitlo ( 19/03/2015 06:22)
Reveo eo re ny dinikao fa tsy izao ... naazo internet izao no ivakiko loha. Mazotoa
9. Strong3 ( 19/03/2015 06:49)
hahaha ... ka tsy natao hakarary loha koa ny dirana eto
katsaka anaty lapoaly io eh ... ny asa vita ny fitsabikibikinana mandeha hoazy
10. Fiffi ( 19/03/2015 09:45)
tsy hainareo ve ilay hoe :

angano angano , arira arira , izahay mpitantara , ny ntaolo mpandainga ?

bref ! na aiza no misy anao , na aiza , raha tena mino an'Andriamanitra ianao dia nandalo foana Izy , ery mandalo foana eran-tany ......en ce moment même ....iny Izy nandalo ô.....

11. booboo ( 19/03/2015 12:46)
Oooh ! Ilay hazo sy loharano ary bozaka, mitovy2 dika @ zay koa rehefa manao zaridaina manaraka feng shui.
12. rhaj0 ( 19/03/2015 14:29)
Fiffi:
tsy hainareo ve ilay hoe :
angano angano , arira arira , izahay mpitantara , ny ntaolo mpandainga ?

"ManajA ny Rainao sy ny Reninao" ... sy ny Razambenao sy ny Finoany.
13. Fiffi ( 19/03/2015 14:45)
rhaj0:


"ManajA ny Rainao sy ny Reninao" ... sy ny Razambenao sy ny Finoany.


rhajO: tsy mahay angano angano ? tsy misy hidiran'we tsy fanajana na iza na iza ny zavatra nolazaiko fa angano angano dé ozy ve rhajO we tena marina daholo ny angano rehetra ?

zany izy we angano zany....
14. rhaj0 ( 19/03/2015 14:51)
Miresaka ny "Finoana" malagasy i Sitlo sy i Endriny.. Raha ireo lazainy ireo no tondroinao hoe "angano" dia ... tokony tsy ho gaga koa ianao rahefa tondroin'ny olona ho "angano" (-mbazaha) ny Finoa-NAO..
15. rhaj0 ( 19/03/2015 15:32)
ka raha miresaka "angano" azany ianao ee... dia lazaiko anao fa ny ahy izao ny ni-click ahy t@ izaho mbola kely, tany @ T3 tany, na T2 akoriny azany, dia nahita ny boky series-na "Contes et Legendes" an'ny firenena isan'isany aho... tadidiko tsara ny fonon'ireo boky, miloko beige, dia misy sari-na amerindiana, indiana, sinoa, afrikana ets...

Dia ny ni-click tato an-tsaiko rahefa namaky ireo aho, dia hoe, ka tsy "Contes et Legendes" koa ve io Baiboly io e ??

Andraso hiezaka mafy aho hitady ireo boky ireo ao @ google, dia ho ampitaiko eto.. sao mba mi-click aminao koa :-)
16. rhaj0 ( 19/03/2015 15:42)
wow.. tena hitako ireo series-na Contes et Legendes-n'ny fahazazako. Ohatra ity
http://www.priceminister.com/offer/buy/78768512/bajdaev-a-contes-et-legendes-de-bulgarie-contes-et-legendes-de-bulgarie-livre.html

heeee... fahiny hany izany
17. sitlo ( 19/03/2015 22:03)
Nentina nampahendrena ny fiarahamonina ny angano. Ary na ny fiatombohan'ny baiboly aza dia angano noratovona.
Fa saingy ny an'ny malagasy tsy "anthropocentrique" loatra ka tsy tian'ny olona. Ny olona mantsy rehefa "lasa olona" ihany Andriamanitra izay vao tiany.

Dia foronina tsara mihitsy ve hoe "ny ntaolo mpandainga" nefa tsy izany no fiteny fa "tsy izaho no namorona fa ny razambe taloha".
18. endriny ( 20/03/2015 04:56)
Sitlo. Ka samy hafa kosa ange (aleo atao misaraka mihintsy mba tsy hifangaro) ny sasany zanaky ny Ntaolo, ny hafa zanak'Atra sy taranaky Abrahama... Efa tsy fiteny koa mantsy ny hoe taranak'Adana sy Eva fa ireny mpanota matevin-koditra...
19. endriny ( 20/03/2015 05:11)
Nanan-janaka roalahy Atra izay notinaizany teo Ambohijanaka...

Ara-tantara ihany dia Ambohijanahary no nisy ireo Zanahary nifehy an'Antananarivo fahiny... Masina dia masina ny toerana... Hany ka rehefa tonga ny fanjanahantany dia io aloha no natao izay namohanana azy .. Ka dia nodidinina toby miaramila maro mba iambenana azy tsy hisy miditra intsony... toby miaramila roa, ary toby zandary roa no niambina mba ampitahorana ny olona tsy ho eny intsony...
20. Fiffi ( 21/03/2015 06:47)
sitlo , rhajO :

teto no nahitako an'io.....Conte, conte, ce n’est pas moi qui suis le Menteur…Ce sont les ancêtres.

http://kilonga.com/angano-sy-tantara/
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.422