Ny efa mahalala tsara no afaka MAMADIKA ny marina!

1. Strong3 ( 19/02/2015 11:08)
« Voninahitr'Andriamanitra ny manafin-javatra; Fa voninahitry ny mpanjaka kosa ny mamanta-javatra. » (Ohabolana 25:2)

« Ny zavatra rehetra natolotry ny Raiko Ahy; ary tsy misy mahalala tsara ny Zanaka, afa-tsy ny Ray; ary tsy misy mahalala tsara ny Ray, afa-tsy Zanaka sy izay tian'ny Zanaka hanehoana Azy. » (Matio 11:27)
« Fa ny amin'izany andro na ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjely any an-danitra, ary na dia ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany. » (Marka 13:32)

« dia ny Fanahin'ny fahamarinana, Izay tsy azon'izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo. » (Jaona 14:17)

« Ary ianareo koa dia vavolombelona hanambara, satria ianareo efa teto amiko hatramin'ny voalohany. » (Jaona 15:27)
« [Ny hahafantarana ny mpampianatra sandoka, sy faminaniana ny handringanana azy] Efa nisy mpaminany sandoka teo amin'ny olona Isiraely, ary hisy koa mpampianatra sandoka tahaka izany eo aminareo, izay hahatonga mangingina sain-diso* mahavery ary handà ny Tompo Izay nividy azy aza ka hahatonga fahaverezana tampoka ho amin'ny tenany. [* Na: fitokoana] » (2 Petera 2:1)

raha tsy malala tsara ny olona dia mora ovaina ny finoany, ary raha tsy mahalala tsara koa ny mpampianatra sandoka na ny mpamily ny finoana dia tsy tonga amin'ny tanjon'ny familiana izy ... « Ary rehefa nahatapitra izay fakam-panahy rehetra ny devoly, dia nandao Azy izy aloha. » (Lioka 4:13)

« Ary hoy Izy: Mitandrema, fandrao ho voafitaka ianareo; fa maro no ho avy amin'ny anarako sady hanao hoe: Izaho no Izy; ary koa: Efa akaiky ny andro; koa aza manaraka azy. » (Lioka 21:8)

« Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana*, ka haneho famantarana sy fahagagana hamitahany na dia ny olom-boafidy aza, raha azo atao izany.[*Na: hatsangana] » (Marka 13:22)

AZO HEVERINA IZANY FA IREO MPANOHITRA BE FAHATANY NY FINOANA KRISTIANA dia tsy ahafoana ny finoana mihitsy RAHA TSY TONGA MAHALALA TSARA NY zava-miafin'ny baiboly izy ireo.
novalian'i Strong3 ny 04/03/2015 09:27
2. rhaj0 ( 19/02/2015 13:54)
Tsisy "manohitra" ny finoanao re eo e... tsy sasatra aho ny mamerina fa, tsy hita ho atao izany hoe "manohitra" izay ao @ imagination-nao (izay finoanao) ao izany... zavatra efa "marina" sy mitombona tanteraka ao @ imagination-nao (irery) ao.

Ny zava-misy iaraha-mahita (fa tsy hoe imaginer-na) no resahina, dia izay angamba no "manohitra" ny imagination-nao ao, ka io mikibokibo anao hiteniteny en majuscule toa io...
3. gasy1zay ( 19/02/2015 16:40)
Tena mpanao politika mintsy anie ity namantsika rhaj0 ity e! Tsy misy manohitra ny finoanareo eo hoy izy nefa tatsy ambadika tatsy izy dia nilaza hoe TSY MAINTSY IJORO hanohitra ny lazainy hoe dictature kristianina loll.

Inona izany ilay athé positif : militant sns sns :) sa ovaina arakaraky ny lohahevitra ny fomba fijery loll! ah ok!! zay vao azoko izay ngamba ilay mi spin lazainao hihihi
4. rhaj0 ( 19/02/2015 17:32)
Ny "ataon'ny Kristiana sasany" na izay lazainy ao no toherina, dia ilay dictature izany, fa ny finoany dia an'azy ao, @ izay ahasoavany azy ao.

Tsisy manohitra "finoana" izany fa ianao irery no mihevitra an'izany. Ohatra hoe tsisy miady @ Papa sy ny finoany an'i Atr'Israely eo fa azy ny azy... Raha ohatra ohatra ka mbola hilaza ny Papa, toa ny t@ tany @ 14xx hoe, mandehana anjakao ny tany (palestiniana) ohatra, satria izany hozy ny Atr'Isarely ohatra, dia ieee.. mila mijoro na izaho na ianao. Na koa hoe, raha hilaza izy hoe, tapaho ny fampianarana ny evolution any ampianarana, fa creation ihany no ady eo, dia ieee.. mila mijoro na izaho na ianao. Ny Papa no resahiko fa mora kokoa ny mahazo resaka rahefa izy no lazaina, fa misy dia misy tokoany ny gourou milaza an'ireo.


Ilay hoe "atheisme positif", dia zahavo google (nijery aho).. ary misy nandroso an'io teny io, @ dikany "militant". Misy mampiasa io teny io, @ dikany hoe, aboahy ny "positive" fa aza mandany andro @ negative..


Io no maha-samy hafa ny tsy-mpino @ mpino.


Ny tsy-mpino dia misokatra @ izay resaka/zava-misy eo. Manadihady. Dia rahefa mazava ny resaka, araka izay contexte eo, mety mandiso ny teo aloha na resaka hafa, dia izay izany, apetraka mazava, dia miroso indray...

Fa ny mpino, dia nozarina sy notaizana ny ifikitra amina verite absolue. Koa na efa hita azany fa crap ny "ninoany" tao, dia tsy manaiky hiova saina izy fa mamikitra @ absolu ao foana.

5. gasy1zay ( 19/02/2015 18:24)

rhaj0:

Ny "ataon'ny Kristiana sasany" na izay lazainy ao no toherina, dia ilay dictature izany, fa ny finoany dia an'azy ao, @ izay ahasoavany azy ao.

Tsisy manohitra "finoana" izany fa ianao irery no mihevitra an'izany. Ohatra hoe tsisy miady @ Papa sy ny finoany an'i Atr'Israely eo fa azy ny azy... Raha ohatra ohatra ka mbola hilaza ny Papa, toa ny t@ tany @ 14xx hoe, mandehana anjakao ny tany (palestiniana) ohatra, satria izany hozy ny Atr'Isarely ohatra, dia ieee.. mila mijoro na izaho na ianao. Na koa hoe, raha hilaza izy hoe, tapaho ny fampianarana ny evolution any ampianarana, fa creation ihany no ady eo, dia ieee.. mila mijoro na izaho na ianao. Ny Papa no resahiko fa mora kokoa ny mahazo resaka rahefa izy no lazaina, fa misy dia misy tokoany ny gourou milaza an'ireo.


Ilay hoe "atheisme positif", dia zahavo google (nijery aho).. ary misy nandroso an'io teny io, @ dikany "militant". Misy mampiasa io teny io, @ dikany hoe, aboahy ny "positive" fa aza mandany andro @ negative..


Io no maha-samy hafa ny tsy-mpino @ mpino.


Ny tsy-mpino dia misokatra @ izay resaka/zava-misy eo. Manadihady. Dia rahefa mazava ny resaka, araka izay contexte eo, mety mandiso ny teo aloha na resaka hafa, dia izay izany, apetraka mazava, dia miroso indray...

Fa ny mpino, dia nozarina sy notaizana ny ifikitra amina verite absolue. Koa na efa hita azany fa crap ny "ninoany" tao, dia tsy manaiky hiova saina izy fa mamikitra @ absolu ao foana.




Ka fanontaniako hoan'i rhaj0 dia izao, raha io filazanao io, ianao ve zany mety hanaiky fa misy ny fiainan-tsy hita?
6. rhaj0 ( 19/02/2015 20:14)
Farito hoe inona no tianao lazaina @ "fiainan-tsy hita" ?... Decriver-o hoe inona izy izany ? (@ vokabolary iraisan'ny samy olona)

Dia inona ilay hoe "tsy hita" @ "fiainan-tsy hita" ?
7. gasy1zay ( 19/02/2015 20:17)
Ilay fiainan-tsy hita lazaina izany dia hoe fiainana ao aorianan'ny fahafatesana ara-nofo e!(une vie après la mort hoy ny vazaha)
8. rhaj0 ( 19/02/2015 21:10)
ok...
Misy zavatra izay mbola tsy takatry ny Siansa @ izao fotoana izao, ohatra ny Big-Bang. Dia raha amiko manokana aloha, dia ireny dia ekeko fa mihantona eo, ary dia misokatra ny saiko ny @ izay fanazavana ho avy.

Ny karazan'ny "vie apres la mort" indray, dia ... misimisy ihany ny resaka momba an'io... hoe mahita tunnel e.. mahita mazavabe e.. ets.. mahita out-of-body experience e... Raha ny kely fantatro dia mbola tsy mahita avaly mazava @ izay rehetra resaka @ "vie apres la mort" aloha ny siansa. Ny mazavabe sy ny tunnel dia, raha ny tadidiko eto, dia hoe, hotry ny hoe rahefa mahazo ny totohondry koa anie ianao io dia mahita kintana e. Ny "out-of-body experience" dia jereo ohatra eto: http://en.wikipedia.org/wiki/Out-of-body_experience fa misy soritsoritra fanazavana. izaho tsy hiditra lalina satria tsy "expert" na koa tsy ho takatro ny fanazavana siantifika eo.

Fa kosa, aleo tsoriko, ny folklore lazain'ny folklore ny @ "vie apres la mort" dia folklore amiko

Folklore: Ensemble des pratiques culturelles (croyances, rites, contes, légendes, fêtes, cultes, etc.) des sociétés traditionnelles.
Aspect pittoresque de ce qui tranche avec les habitudes, la vie ordinaire

9. sitlo ( 19/02/2015 22:51)
Ity dinika ity dia ohatra akaiky amin'ny anthropocentrisme.

Tsy ny malagasy mihitsy no hiala amin'io raha tsy misy finoana antropocentrique hafa asolo azy. Izy ve eo no mpanjaka dia asainao fa mahaiza miara-miaina amin'ny angidina sy hala ary ny apanga sy vorona indray? Sanatria izany, ny azy izay iarahana amin'Andriamanitra ihany io. Ho tonga zanak'Andriamanitra mihitsy.
10. Strong3 ( 20/02/2015 07:25)
ao anatin'ny imagination-anao ao...

teno tsy misy porofo izy io fa entina hanaovana valy braingina fotsiny ihany... laol izany

Io ny baiboly, mazava sy malalaka ny famakiana azy(tsy misy teritery toa ny andro fahiny, hoe izay mahay teny latina ihany no mahazo mamaky azy...)
__ ka inona no moa no imaginéko amin'izy io (baiboly io)?
ary teny fambarako ny hoe TSY THEORIE ny fiainana ny baiboly fa PRATIQUE, ka izay tsy manandrana mampihantra azy dia HO ARAKA NY TENIN'I rhaj0 HOE: "MIJANONA ho imagination" FOTSINY IZANY; __ FA AMIKO tsy [u] tsy manonofy na mpaka sary antsaina tao ireo athée sy ny tariny aho ka hanonofy hoe METY TSY MISY IZANY ATRA IZANY ... [/U] fa tsy maintsy handramana ny FIAINANA ATORON'NY BAIBOLY VAO FANTATRAO NA MARINA NA LAINGA IZAY VOALAZANY

__ io fanandramana io dia mila fifantohana feno.
nisaina lalina aho nahita ny fifantohan'ireo bouddhiste sy sinoa mpanao arts martiaux , nahoana izy ireo manana ny finoana sy atra ho azy manokana nefa mahavita mahatratra ny tanjony.
ka nahoana moa ity baiboly ity raha hifantohana hijerena ny fahamarinana lazainy ?
hita mazava izany fa ny fahampian'ny fifantohana hiditra lalina amin'ny fampiharana ny baiboly no ahalalana ny marina ambarany.
aorian'izay dia safidy sisa no ataonao na hanaraka ianao na tsia; satria efa hitanao ny fond-ny zavatra notozoinao.
ao koa no tsy hampanofinofino anao fotsiny na hinohino foana tsy misy porofo. (indrindra ity laizan'i rhaj0 ity hoe : ao amin'ny imagination-nao ao fotsiny izany hihihih... tsy natao hoan'i kamo ny ahalala ny marina ao amin'ny baiboly na ireo mpino fahanampotsiny any ampiangonana)
___ Mety tsy hino ianao raha zatra m-imaginé fotsiny ihany raha ilazako hoe efa ho folotaona mahery no nanaovako fanandramana vao tena nino aho... tsy mora io, tsy 1+1 any ampianarana io ka hoe verité absolut , betsaka ny angle tsy maintsy idirana vao tonga any amin'ny lalina ianao, iazany akory tsy midika fa efa fanamperana aho, fa mbola mahatsiaro hoe misy zavatra mbola tokony hampiana amiko satria tsy indray andro dia vita izany...

[color=blue] izany no ilazako hoe: "raha te-hino ianao" dia manaova andrana hiditra lalina ahalalanao ny marina , mba tsy honofinofy ihany ny finoanao ny baiboly na ny tsy finoana ny baiboly; indrindra raha hilaza ianao hoe angano ny baiboly dia ho afirmasiona giratoity ihany izany fa tsy misy porofo ahafanahanao milaza izany na ny kely aza .

"Ny efa mahalala tsara no afaka MAMADIKA ny marina" :-)
11. RBNIR ( 20/02/2015 07:27)

rhaj0:

Tsisy "manohitra" ny finoanao re eo e... tsy sasatra aho ny mamerina fa, tsy hita ho atao izany hoe "manohitra" izay ao @ imagination-nao (izay finoanao) ao izany... zavatra efa "marina" sy mitombona tanteraka ao @ imagination-nao (irery) ao.

Ny zava-misy iaraha-mahita (fa tsy hoe imaginer-na) no resahina, dia izay angamba no "manohitra" ny imagination-nao ao, ka io mikibokibo anao hiteniteny en majuscule toa io...

Faly misera namana,

Ka "momba" izany izao ny namana Rhajo?
« Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika. » (Mar.9:40)
Dia faly mandray anao izany namana...
Nefa tsarovy hatrany hoy aho tandremo sao lasa mpiady amin'Andriamanitra amin'ireo fomba fiteny, fihevirtra sns.....
aleo manontanintany foana, toy izay miteniteny foana....

Samia ho tahin'Andriamanitra ry namana...
12. sitlo ( 20/02/2015 07:57)
Efa ho avy indray izao ny fampirantiana fatin'olona fa ho tonga ny paka. Lakilem-baravarana hidirana any an-danitra hono izany. hihihi

Tsy aleonareo ve mba tonga saina amin'izay hoe ny vazaha no nanely an'io e. Ohatrinona ny rakitra miakatra any Vatican na ny FJKM na ny sekta... ho tambin'ny fandembolembona anareo ho lasa zanak'Andriamanitra? Mazotoa ary koa.
13. Strong3 ( 20/02/2015 08:32)
hay mbola niampy iray koa ny namana tsy mpino ... laol

ny mpanaradrenirano hoa no mamoky olona , fa ny mpino mamoky an'Atra Velona...

I Kor 15 dia manambara ny fototrin'ny finoana kristiana ka na heverina aza fa fampiratiana fatin'olona izy io dia tsy olona tahaka anao ra sitlo fa Nitsanga tamin'ny heriny tenany ihany.

izay ilay vao nosoratako io hoe : minomino foana ireo tsy mahalala ka miresaka zavatra tsy hainy sy tsy takany.
__ Ny ffkm sy ny sekta mpanao bizina ve no namely anao noho ny tsy fahalalanao de ny baiboly no heverinao fa diso ... fahadalana izany ry sakaiza ah!!!

ohatran'ny hoe : ny mpampianatra anglais no ratsy tarehy sy masika velona de ilay langue no tsy tiana sy tsy nianarana ; kay rehefa hiasa nilaina ihany ka nanaovana cours amin-à-million...
Dia hividy lafo tokoa moa izany kou ... memé tsara ny baiboly eo foana
14. sitlo ( 20/02/2015 08:46)
Minomino foana noho ny mino fatin'olona nitsangana tamin'ny 2000 taona lasa.
15. RBNIR ( 20/02/2015 09:14)

sitlo:

Minomino foana noho ny mino fatin'olona nitsangana tamin'ny 2000 taona lasa.

« Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika. » (Mar.9:40)
« Fa hoy Jesosy taminy: Aza raràna, fa izay tsy manohitra anareo dia momba anareo. » (Lio.9:50)
Am-pitiavana, tsy aleo ve miaraka aminay mba homba Azy ihany koa??

Samia ho tahin'ny Tompo namana
16. Strong3 ( 20/02/2015 09:43)

sitlo:

Minomino foana noho ny mino fatin'olona nitsangana tamin'ny 2000 taona lasa.


aleo ve minomino foana toa izay mino fatin'olona? __ iza ilay maty tamin'ny 2000 izany fa tsy fantatro(tray) ?

"Ny efa mahalala tsara ihany no afaka mamadika ny marina"
fantaro ny zavatra teneninao aloha :p
17. rhaj0 ( 20/02/2015 11:02)
RBNIR:
« Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika. » (Mar.9:40)

Io ho'a no noraisin'ny polifikiana, dia rahefa raikitra ny fifidianana, dia ny vato fotsy rehetra tonga dia akapony ho azy. "Inspiration" avy @ baiboly izany absurdité izany.

Strong3:
"Ny efa mahalala tsara ihany no afaka mamadika ny marina"

Verset faha-firy indray azany io k'lou ry Strong3 ? Sa ianao no tompon'io ?

Strong3:
ao anatin'ny imagination-anao ao... teno tsy misy porofo izy io fa entina hanaovana valy braingina fotsiny ihany... laol izany... Io ny baiboly, mazava sy malalaka

Ny Baiboly no manamarina ny Baiboly.
18. Strong3 ( 20/02/2015 11:58)
rhaj0:
Ny Baiboly no manamarina ny Baiboly.
misaotra amin'ny fanajana ny Baiboly aloha fa na izaho aza mba mandatsaka ny B ho lasa b

ny romana sy ny grika sy ny babiloniana anotaniana raha tsy tianao ilay baiboly manamari-tena na dia tsy izany aza no marina. fa izany moa no fahatakaran'isé azy dia andeha mody atao izay , mandrapaha ...

ary citation'iza koa ity hoe Ny Baiboly no manamarina ny Baiboly? sa an'isé manokana koa izy io ...
ao anatin'ny imagination-nao ao ... dia hoe ny Baiboly no manamarina ny Baiboly , anao irery izany fa tsy izahay kristiana no milaza izany , fa anao ao antin'ny imagination-anao ao ihany; ... hihih laol bueh
19. Strong3 ( 20/02/2015 12:10)
« Ary iza moa no mpanjaka, raha handeha hiady amin'ny mpanjaka hafa, no tsy mipetraka aloha mba haka hevitra tsara, na mahay mandresy ilay mitondra roa alina amin'ny iray alina izy, na tsia? » (Lioka 14:31)

« Fa hataon'ny olona ahoana no fiditra ao an-tranon'ny mahery handroba ny entany, raha tsy afatony aloha ny mahery? dia vao handroba ny ao an-tranony izy. » (Matio 12:29)

"Ny efa mahalala tsara no afaka mamadika ny marina" ... efa voasoratra izany na dia amafisina aza , fa ny mpino mifantoka tsara avy dia mahatakatra ny hevin'io teny io
20. rhaj0 ( 20/02/2015 13:39)
Tafajery sombiny fohy t@ ilay filma hoe La Bible ho'a zaho omaly. (tsy fidiny fa dia tafajery ee..). Dia tantaran'i Saul sy Samuel. Dia hoe.. .i Saul hono ka mpanjaka mahery tao, ary nandresy foana ny fahavalony. Fa ny babo an'ady tsy avy dia novonoin'i Saul fa nogadrainy. Dia avy i Samuel. Dia hoe, efa nolazain'i A.tra fa ripaho dia ripaho. Ka raha tsy hanaraka ny didin'A.tra ianao, ka tsy handripaka ianao, dia ho hitanao fa tsy ho ela dia ho rava ny fanjakanao. Dia novonoin'i Samuel ilay gadra. Dia lasa i Samuel tezitra be lasa nandeha..

Dia tena nivanaka aho. kay ve izany hono izany ilay izy tao...Dia izany koa ve no tantaraina @ ankizy ao ??...

Ampazahoy verset eto hoe jerena sao dia nanitatra ilay nanao filma...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4115